« | »

Nisy nisambotra ny sefom-pokontaninay sy fanonganam-panjakana tohiny!

2009-03-14 @ 10:50 in Politika

Tamin'ny marainan'ny androany sabotsy 14 marsa 2009 dia nisy olona nanambara tamiko fa nisy zatovolahy izany teto amin'ny fokontany 67ha avaratra andrefana nitondra ireo miaramila tsy manao beret nanondrotondro trano vitsivitsy maromaro azy ireo, ny nahavariana dia tranon'ny mpikambana TIM avokoa ireo notondroin'ilay zatovolahy ireo. Tsy noraisiko ho zavatra matotra io filazana io, na noheveriko hoe mety tsy ho lasa lavitra. Kanjo renay amin'izao fotoana izao, niantso ny vadiny ny marimarina kokoa, fa nisy naka tsy misy fanazavana tao an-tranony ny filoham-pokontaninay ary tsy fantatra izay misy azy amin'izao fotoana izao. Teo aho vao vaka... Raikitra ve ny fisamborana izay TIM fantatra rehetra eto amin'ny tanàna? Tsy maintsy manoratra izao aho ho fampahalalàna anareo. Inona no anton'izao fisamborana izao? Be moa no niteny fa misy kakay matoa misy izao toe-javatra izao. Fa raha misy moa ny fisamborana ny TIM rehetra dia mivandravandra fa tsy hampihatra izany demaokrasia izany velively ny tariky ny TGV sy ny ao ambadikany izay toa firenena nifankazatra loatra tamin'ny Malagasy.
 
 
Aza mihevitra ianareo fa raha tsy manoratra i jentilisa dia leo politika izy izay! tsia dia tsia tokoa! Manara-baovao tsara izy nefa tsy te-hiditra anatin'ny tsaho isan-karazany. Na izany aza dia tsara ny mampahafantatra ny vaovao izay mahavariana fa tsy mba lazain'ny gazety ary toa tsy hita aty amin'ny aterineto koa aza, na andeha mody atao hoe mbola tsy naharaka ny famoaham-baovaon'ny sasany aho. Nosomparan'ny mpanohana ny TGV indray manko ny tandrom-pandefasana sary sy feo sy ny kojakoja miaraka aminy ao amin'ny RNM sy ny TVM eny Ambohimihitsimbina. Raha nanontany havana tany ivelan'Antananarivo aho dia novalian'izy ireo fa mahita TVM ry zareo saingy ny feo no ratsy dia ratsy. Efa io famotehana ny sary sy feo hielezan'ny tsaho manerana an'i Madagasikara io no nokendren'ny TGV tamin'ny fandorana ny RNM sy ny TVM Anosy, saingy tsy nahomby moa izany tetika izany. Natao indray izany ny fanimbana fanananam-panjakana teny Ambohimitsimbina omaly Zoma 13 marsa 2009, mba tsy handrenesan'ny vahoaka intsony ny feo avy eny Iavoloha ka ny fitondrana an-dalambe naverin'ny miaramilan'ny Capsat hivory eny an-kianjan'ny 13 mey ihany no ho re!

Mba mahafantatra ihany ny tena fa eny Ivato (ao amin'ny RDB ) no misy ny ankamaroan'ny fitaovan'ny radio Antsiva sy ny radio tele VIVA saingy moa ilaina ve ny misotasota ireo haino aman-jery telo karazana ireo, sady mampisy olana amin'ny katolika indray izany. Miaramila miambina ireo fitaovana ireo moa no niteny izany tamin'ny tena ka aza atao mahagaga anao loatra, izany no izy rehefa be resaka eny am-pisotroana toaka eny akaiky eny e! Fa hadalan'ny mpanohana an-dRavalomanana sady itsiniako azy mihitsy ny fikasana nataon'ny sasany handoro ny Tvplus tezitra taorian'ny nanafihan'ny miaramilan'ny Capsat ny mpanohana an-dRavalomanana teny Anosy niambina ny minisitera iny, lasa manaraka ny fomba ratsy ataon'ny sasany indray ve? Hita mihitsy fa mbola tsy zakan'ny Malagasy amin'ny ankapobeny izany hoe demaokrasia izany raha ny tena marina fa resaka fotsiny ka atao. Mbola tsy ao anatin'ny kolontsaina malagasy io matoa misy ireny fandoroana ny tranon'ny tsy mitovy hevitra amin'ny tena ireny ihany koa tahaka ny nandrobana sy ny nandorana ny tranon'ny PDS Guy Rivo Randrianarison sy ny nandrobana ny tranon'ny depiote Mamy Rakotoarivelo iny.

Hitantsika tsara fa saiky isan'andro dia misy hatrany ny hetsika nataon'ny miaramila handrobahana ny fahefana. Ny andro voalohany iny efa nolazaiko iny. Ny andro faharoa azo lazaina fa nitovitovy tamin'ny natao tany amin'ny minisiteran'ny fiarovana ihany no natao teny amin'ny Etamazaoro Andohalo, saingy tsy noterena hilaza teo anoloan'ny mpanao gazety ny fametraham-pialany intsony ny lehiben'ny etamazaoro teo aloha.  Tonga indray ny andro fahatelo, dia ny teny amin'ny lapan'ny praiminisitra avy hatrany no nandehanan'ny praiminisitra tetezamita niaraka tamin'ny miaramilan'ny Capsat, natao endrika fitsidihana sy fihaonana teo amin'ny praminisitra roa tonta moa io fa efa mazava ny hafatra tiana ampitaina tao ambadik'izany fihetsika izany. Hafa mihitsy ny Malagasy rehefa manongam-panjakana an! mampiseho fotsiny hoe azy ny hery dia mazava amin'ny andaniny ny filazana. Andro fahaefatra, efa nakarina teto Antananarivo ny fiara mifono vy, saingy nandeha dia nandeha ny fanentanana hiarovana ny lapan'Iavoloha... ary nisy ireo nirodorodo teny, tsy nisy loatra ny nampiseho sary ireo olona ireo, nefa indrisy na izaho ihany koa aza tsy afaka mankeny noho ny fotoana tsy mifametra hahitana izay hamaroana na havitsian'ny olona eny. Niezaka ny nandà ny filazana fanafihana ny lehiben'ny etamazaoro "vaovao" saingy hita amin'ny resaka nataony fa nisy tokoa ny manam-boninahitra efa niomana ho amin'izany fanafihana izany. Nisy ny nanao fanambarana fa entina hanakanana ny fihavian'ny "mpikarama an'ady" no nampakarana ireo fiara mifono vy ireo, nefa na ny lehiben'ny etamazaoro "vaovao" aza milaza fa tsy mahalala vaovao momba izany, fa tsaho fotsiny izany, araka ny nambarany.

Rehefa dinihina ny fihetsik'ireto miaramila ireto, dia miandry olon-kafa hitondra ny firenena izy, fa tsy ny "filohan'ny fahefana avon'ny tetezamita" loatra no heveriny hitantana vonjimaika ny firenena. Efa manahy aza aho fa mitovy amin'ny ataon'ny polisim-pirenena amin'izao fotoana izao nametraka ny manana grady ambony indrindra dia ny Jeneraly Jacky Rahaingo (kintana efatra) ho filohan'ny komity hiaingan'ny baiko no tetik'ireto miaramila ireto ihany koa... ary raha miteny izany manana ny grady ambony indrindra moa dia izay manana ny grady Amiraly no ao an-tsaina voalohany... saingy ny an'ny polisy moa mbola amperinasa io lazaina fa manana ny grady ambony indrindra io. Eritreritra ny ahy fa tsy milaza aho hoe izay no marina.

Fa inona no mahatonga an-dRavalomanana tsy manaiky hiala, araka ny fitakian'ny miaramila sy ny mpanohitra nefa tsy manana hery hiaro azy intsony izy e? Tetika manko ny an'ny miaramila, fa azo atao hoe mifanaraka amin'ny lalampanorenana ny fialana tsy ho filoha ankoatra ny fampiatoana mipetraka eny amin'ny Fitsarana avon'ny Lalampanorenena izay sarotra tanterahina sy ny fahafatesana ( ao anatin'ity ve ny famonoana ny filoha?). Raha mametra-pialana manko araka ny hevitro ny filoha dia "tsy manana zo" intsony hirotsaka hofidiana intsony rehefa avy eo. Dia mihazohazo ny toe-draharaha na azo lazaina ho tsy manana hery intsony aza ny filoha ankehitriny. Ao anatin'ny lalampanorenena moa fa ny filohan'ny Antenimierandoholona no misolo ny filoha... koa izay angamba ny antony nametrahan'ny praiminisitra an-dalambe tohanan'ny miaramila  'mpioko', taratasy fampiatoana ny filoham-pirenena sy ny antenimiera roa tonta teny amin'ny lapan'i Mahazoarivo androany Sabotsy maraina teo.



jentilisa, 14 marsa 2009  amin'ny 12:50
 

Hevitra

Nanontany olona tany amin'ny faritany hafa aho, tamin'ny antso antaroby...mandeha ve nt TVM sy ny RNM...mandeha hoy ry zareo...tena mandeha ve hoy aho naka toky...ie misy TVM ery amin'ny sisin'ny Fahitalavitra ary mandefa matetitka ilay sombimpamantarankira hoe RNM ny RNM...

Nampidirin'i ndrema @ 11:32, 2009-03-14 [Valio]

Nanontany olona tany amin'ny faritany hafa aho, tamin'ny antso antaroby...mandeha ve nt TVM sy ny RNM...mandeha hoy ry zareo...tena mandeha ve hoy aho naka toky...ie misy TVM ery amin'ny sisin'ny Fahitalavitra ary mandefa matetitka ilay sombimpamantarankira hoe RNM ny RNM...

Nampidirin'i ndrema @ 11:32, 2009-03-14 [Valio]

Eto Antananarivo ihany no fantatro tsy mahita TVM aloha izao

Nampidirin'i jentilisa @ 12:52, 2009-03-14 [Valio]

news2dago

Ahn ihany izy ity e! lasa ve lery sa ahn?
tena kely kingalahy le kary io

Nampidirin'i news2dago @ 13:44, 2009-03-14 [Valio]

finaritra maheno anao indray

dia misaotra indrindra amin'ny vaovao fa manazava saina indray. Fa ny momba an'i Jacques Sylla indray no tsy azoko, afaka azavainao ve azafady? mankasitraka mandrakariva.

Nampidirin'i Gasy @ 15:04, 2009-03-14 [Valio]

Niaraka tamin'i Andry Rajoelina tokoa i Jacques Sylla! inona avy hatrany ny ao an-tsaina? toa mizaka zom-pirenena frantsay avokoa ry zalahy ireto e! tena miverina tokoa ve ny fanjanahan-tany e? Velomina izany ny "menalamba" etsy ankilan'izany?

Anjaran'ny tsirairay ny mieritreritra!

Nampidirin'i jentilisa @ 15:36, 2009-03-14 [Valio]

hanky va re?

hay tena marina hoe mizaka ny zom-pirenena frantsay i tgv? ary miteny ho azy amin'izay izany ny zavatra hita!asakasa-tsika hijery fotsiny izany sisa!
Tapitra hono ny ultimatum dia ahoana indray izany no manaraka?
Mahereza hatrany e!

Nampidirin'i Gasy @ 16:31, 2009-03-14 [Valio]

vaky Ambohitsorohitra?

ao @ France24: #madagascar des pilleurs pénètrent dans la présidence du centre ville about 2 hours ago
Ahoana io?

Nampidirin'i Gasy @ 16:51, 2009-03-14 [Valio]

HItantsika koa aloha amin'izao fotoana izao fa tsy ahafahana mamoaka hevitra intsony ny ao amin'ny forum moov! miditra ve ny jadona?

Nampidirin'i jentilisa @ 17:39, 2009-03-14 [Valio]

67ha

asa efa nandray fepetra ve ny olona izay hifampiarovana? misy milaza hoe :
" zaho aloha tsy manana an'ilay téléphone,mety misy manana,radio mada manana alo,sûr,tokony miantso radio mada koa nareo haingana.
- 2635730
- 2635728
Korazy!"
Asa raha mety hanampy.

Nampidirin'i gasy @ 22:15, 2009-03-14 [Valio]

Henjana be ny maintso ireo laharana ireo. Izaho tsy mety tafiditra mihitsy fa occupé foana io. Be ny mpiantso angamba!

Nampidirin'i jentilisa @ 08:13, 2009-03-15 [Valio]

Dia handresy indray izany Lafrantsa ve ry zalahy ??

Nampidirin'i Karako, Canada @ 10:27, 2009-03-15 [Valio]

soso-kevitra

Tsy ny fitsaràna sy ny fitsikeràna ny mpamatsy-vola vahiny avy atsy na eroa, na izay mety mpanohana-ambadika ny hetsika avy atsy na ny eroa, no hitondra antsika vahoaka lavitra, na dia mazava aza fa ny lalàna manan-kery ankehitriny dia ny lalàna izay apetrakin'izay tompom-bola, izay tompom-pahefana koa.
Raha ny tombon-tsoa iraisan-tsika malagasy rehetra marina no katsahintsika dia tokony mitady hevitra isika momban'ny dingana sy fomba tokony atao mba ahafahantsika mampiasa ny hery sy ny zava-misy avy amin'ny ankolafin'ny roa tonta mba hiteraka vahaolana hitondra tombon-tsoa iraisana sady maharitra ho an'ny vahoaka malagasy.
Ka ny anjarantsika vahoaka malagasy dia ny mitondra sy mamolavola izao zavatra mitranga izao ho any tombon-tsoantsika vahoaka malagasy manokana aloha satria ny rà-tsika no latsaka, ny tanànantsika no kila sy may ary lasa lavenona, isika no tsy an'asa ary isika ihany no noana, isika no tsy voatsabo rehefa marary, isika no tsy zarizary ny fianarana (manomboka eny aminy fanabeazana fototra ka hatreny aminy ambaratonga ambony) sy ny fitazaina (noho ny hamafin'ny fiainana).
Tsy ny fanohanana ny atsy na ny aroa akory no zava-dehibe amin'izao fotoana izao fa ny firaisakina, izany hoe ny fametrahatsika rafitra mivaingana miaraka, rafitra salama ary lalim-paka, izay tokony apetratsika ho fepetra sy fitsipika tsy tokony ho voahozigonzona na avy atsy na avy eroa any aoriana.
Amin'izay fotoana izay, n'izaniza tia hiara hiasa @ vahoaka malagasy, dia ny tombontsoa iraisan'ny vahoaka malagasy no manoritra ny ankamaoroan'ny fitsipi-dalao amin'izany (na dia tsy tompom-bola aza).
Samy manana ny ataony hoe tombon-tsoa anefa ny tsirairay, ka ny tombon-tsoa resahina eto dia ny tombon-tsoa maharitra ho an'ny taranaka malagasy, fa tsy ny tombon-tsoa an'olom-bitsy anio na rahampitso ihany: amin'ny lafiny fianarana sy fitazaina mendrika izany, aminy lafiny ara-tsakafo, aminy lafiny zo ho amin'ny fitsaboina, zo aminy lafin'ny asa (satria ny ankamoraoan'ny asa misy ho an'ny Malagasy dia zara raha mihoatra ny karama vary masaka hatramin'izao), aminy lafin'ny tontolo iainana (madio sy mendrika ary voahàja, satria fanajàna ny tontolo iainana dia fanajàna ny olona miaina ao amin'izany tontolo izany).

Marina fa tsy afaka manantena izany tena démocratie izany isika, satria na any aminy tany efa mandroso aza dia na misy aza ny rafitra mipetraka mazava ary voahàja, dia mbola azo atao foana ny manondikodina ny saim-bahoaka aminy fampielezan-kevitra diso, mitongilana ny tsy ampy amin'ny alàlan'ireo aingo aman-jery samihafa (manipulation d'opinion publique) mba hitongilanan'izany démocratie izany. Ny azontsika antenaina sy atao anefa dia ny fiarahana mamolavola ny rafi-mpanjakana sy ny lalàna izay tokony hifehy ny ho avin'ny malagasy sy ny taranany, anatin'ny fangaraharana, ka hanome faka lalina, salama ary azo hitokisana mba tsy ho fandrosoana poakaty intsony no hiainana, ary mba hangarahara ny fomba aman-panao ny fanjankana mipetraka na ho apetraka amin'ny ho avy.
Ny fandraisan'ny tsirairay (manerana ny nosy: manomboka eny amin'ny fokontany tsirairay ka hatreny amin'ireo faritany samihafa) anjara amin'izany asa izany manomboka izao no mba antoka sy vahaolana hitako aloha amin'izao fa mba mety hitondra vokan-tsoa ho antsika rehetra amin'ny ho avy, satria raha mbola avelantsika olom-bitsy na ny tombon-tsoan'ny mpamatsy vola avy any ivelany fotsiny no hamolavola sy hanamboatra ny rafim-panjakàna sy ny lalàna mitondra ny fiaraha-monina malagasy dia mety mbola tsy hifandraika amin'ny fiara-monina, ny kolo-tsaina ary ny hetahetan'ny malagasy ny vokatr'izany ka mety hitondra krizy toy izao indray any aoriana izay mety mbola hamoizana aina maro indray, ary hamela takaitra lalina ho an'ny taranaka.
Asa goavana izany satria mila fifam-pianarana momban'ny atao hoe lalàna sy rafim-panjakana, mila fifanankalozan-kevitra maharitra, fifampidinihana ary fandraisana andraikitra (izay mety ho sarotra amin'izao fotoana fisian'ny korontana sy fahantrana lalina mianjady amin'ny vahoaka malagasy izao).

Atsipy hono ny tady eny an-tandrok’omby, ary ny teny eny am-pon’ny mahalala. Ka dia ataovy toy ny voankazo an'ala re, ka izay tsara atelina fa izay ratsy kosa aloavy.
Dia mahereza daholo isika rehetra.

[open source :-) sans restriction de diffusion, de traduction ni d'amelioration du texte]

Nampidirin'i Dinika amorom-patana @ 19:59, 2009-03-15 [Valio]
Hampiditra hevitra

E-mail me when comments occur on this article
Momba ahy
jentilisa

Vasoky ny tambajotra sosialy tahaka ny Facebook,Twitter sy ny karazany ny blaogy amin'izao fotoana. Mora miely vetivety ny hevitra sy izay voasoratra amin'ireo sehatra ireo.

Misy lafiny iray anefa tsy ahavoazan'izy ireo mihitsy ny blaogy dia ny fitehirizana.Rehefa karohina ny vontoaty iray dia sarotra hita kokoa ny vokatry ny fitadiavana avy amin'ireo tambajotra sosialy ireo.Izay lafiny izay no tsy maharesy tondromaso ny blaogy satria mora hita kokoa ny vontoatiny rehefa karohina amin'ny alalan'ny mili-pitadiavana.

Momba ny eto manokana indray, tsy hianona intsony amin'ny vaovao eto an-toerana aho fa hisokatra kokoa amin'ny manerantany, na amin'ny sehatra ankapobeny. Hosoratana avokoa na eritreritra sendra nandalo na revin-gadra, na fanehoan-kevitra mety hanafintohina ny mpamaky. Mety ho tezitra ianao amin'izay voasoratra nefa ny hisokafan'ny saina handinika sy hamakafaka ary handanjalanja no tena kinasa ambadiky ny lahatsoratra. Ka mazotoa daholo ary ny hevitra anie no hiady fa tsy isika no hifandramatra!

calendar
« Novambra 2019 »
Ah At Ta Ar Ak Zo As
          1 2
3 4 5 6 7 8 9
10 11 12 13 14 15 16
17 18 19 20 21 22 23
24 25 26 27 28 29 30
Tahiry
Credits
LifeType IE7 XHTML CSS Firefox