« | »

Ho an'ny tanindrazana!

2009-03-18 @ 21:54 in Politika

Variana dia variana aho rehefa nilaza indray ny Masoivoho Amerikana fa sady tsy mampialoka ny filoha teo aloha Ravalomanana izy no tsy eo ambany fiarovana araka ny re na novakiana omaly ity filoha malagasy teo aloha ity. Azo heverina fa noho ny fanerena mety ho mahazo an-dry zareo no mahatonga izany filazana izany indray. Fantatra ihany ny mokon-dohan'ireto miaramila mpioko ireto ary nahita ny endrikendriny rahateo ny masoivoho Amerikana omaly talata 17 febroary 2009. Tsy te-ho voateritery ry zareo na ho tratran'ny tsy ampoizina avy amin'ireto mitana ny fitaovam-piadiana mahery vaika ireto. Mety ho vitan-dry zalahy manko ny maka teratany Amerikana ho takalon'aina raha mijery izao fomba fihetsiky ry zalahy izao. Lasa mitaintaina tsy fidiny ny mpanohana azy mieritreritra izay tokony ho misy azy mivady mba ray aman-drenin'ny Malagasy ihany. Lasa tsy gaga aho ohatra raha tsy fantatra marina izay manjò ny filohan'ny FJKM amin'izao fotoana izao. Efa tafody ve sa mbola nohidian-dry zalahy? Azo heverina ho akaikin'ny filoha Ravalomanana manko ity mpitondra fivavahana ity ka sady ataon'ny mpioko lasa mpanjakazaka ankehitriny ho karazana takalon'aina no mety tereny ihany koa hilaza amin-dry zareo izay misy ny filoham-pirenena.

Fa hiverina kely any amin'ilay filazana ho ody ratsy sa sampin-dRavalomanana aloha aho. Misy manko ny milaza fa azon'ody izahay itony ka tsy mahita ireny mivandravandra amin'ny sary ireny. Tao amin'ny tvplus moa dia miserana vetivety loatra ny zavatra naseho, hany ka mahatonga ny eritreritra fa fanasoketana ihany koa no tena betsaka. Ny tena betsaka tamin'ireo "ody" sa "sampy" ireo (na izany aza moa tsy hain-dry zareo loatra ny nanavaka ireo zavatra roa ireo) dia karazana tavy tanimanga mora vaky miendrika ondrilahy (nefa averimberina foana ho osy) izay nolazaina moa fa tao ambany lampihazo iray izay (toa ivelan'ny trano izy io fa tsy sahy mitompo teny fatratra aho) no nahitana azy. Dia eo ny hazo mpanjakaben'ny tany miendrika tehina roa mazava loatra fa mety ho niankina tany anaty trano tany; izaho kosa indray tsy mahalala loatra ny "hasin'izy itony" na dia fahitako tsindraindray aza, ary misy talenta ny fanamboarana azy ireny ho ravaky ny trano na dia mety ho avy amin'ny hazo tsotra aza no nakana azy (karakaraina manko izy ireny fa tsy hoe hazo mairy malagasy, ary tena tsiambaratelo ho an'izay mahalala azy ny fomba fanamboarana itony mpanjakaben'ny tany itony araka ny tafa avy amin'ny olona iray zatra azy itony).

Dia eo ihany koa ilay hoe peratra "alliance" teny amin'ny vavahady. Mahavariana izy itony, saingy tsy fantatra loatra izay nametraka izany peratra izany tany ambanin'ny tany teny am-bavahady. Nandehandeha hatreny ve izy dia napetrany tao sa olona no nirahiny handevina azy itony? Efa mba olona maro ihany manko no nifandimby nampiasa io trano io saingy Ravalomanana moa no niantrano farany tamin'ity toerana ity. Manaraka izany indray ilay sokitr'ondrilahy na osilahy (ondrilahy no tokony ho izy kokoa raha ilay tandroka miodina ambany fa tsy miranga tahaka ny tandrok'omby ireny; fa ianareo hatrany no asaiko mitsara hoe inona tokoa) kely volamena fametraka ambony birao fiasana ireny. Tsy mety izy ity raha atao am-paosy na atiritirina omem-panajana fa tena fametraka ambony birao ihany no mety aminy, tsy mety ho fitondra ihany koa izy ity. Nolazaina moa izy ity fa mariky ny devoly, tsy hitako izay ambara fa raha toa ianao mba manana haingon-databatra mahafinaritra ny masonao ny mijeryazy eo amin'ny biraonao, mahimahiana ihay fandrao dia io no sampinao. Mety hisy moa ny hilaza hoe tafahoatra kosa ny fahamaroan'ny osy (ary eto kosa dia averiko indray fa ondrilahikely volamena) manodidina an-dRavalomanana, dia hoy aho hoe fitiavana io, ka raha izay fitiavana tafahoatra mba mahita zavatra tahaka ireny no atao hoe sampy dia tsy hitako izay ambara. Raha tena notompoiny ireo zavatra ireo nataony nanaraka azy fa tsy navelany irery tato amin'ity lapa ity, raha atao hoe azy koa aza!

Manaraka izany indray moa ilay sarintanin'i Madagasikara maneho ny faritany dimy (mba sary taraiky be koa izy izany fa mety ho talohan'ny lalàna lasitra 1956 aza raha  izany) misy sariolona manodidina ka ny sarin-dravalomanana no eo afovoany indrindra. Mariky ny fanjakazakana an'i Madagasikara hoe izy io. Raha mahita ireny sarintanin'i Madagasikara ireny ianareo ka ny sarin'i Manjakamiadana (indrisy! tsy hotohizana intsony ve ny fanamboarana io lapa io amin'izao Ravalomanana namindra ny fahefana izao?) eo afovoany dia maneho ny fanjakazakan'ny Merina angamba izy ireny na fitadiavana hamerina ny fanjakan'andriana. Fa iza tokoa re no nametrka izany tao e? Eo ihany koa ireo "voanjavatra sy ranomanitra": Eto indray mety ho azo eritreretina tokoa ny fironana ho amina finoana saingy mety hahavariana ny sasany angamba ny hitsidika tranona karana raha mahita tahaka itony... nefa fandroahana bibikely ihany koa manko izy ireny e! Raha anaty finoana tokoa no anaovana ireo rehetra voalaza ireo dia mety ho fihoarana amin'ny finoana kristiana protestanta mihitsy fa raha tsy azy ireo ohatra, na zavatra toy ny zavatra rehetra kosa dia fanasoketana marindrano, sady ny haha-afa-baraka ny filoha ihany koa anie no tena tanjona e! Tsarovy anefa fa efa nandritra ny alina aloha no nifehy ny toerana ny miaramila mpioko, nefa efa mazava kosa vao nanao ny asany ny mpiandry. Fomba fijeriko izay! fa raha sanatria moa ka ao anaty finoan-dRavalomanana tokoa ireo zavatra ireo dia tsara ho azy tokoa ny "miala sasatra aloha" mialoha ny hiverenany indray.

Dieny eto ihany isika, mitovitovy tahaka ity ihany koa manko ny tao amin'ny lapan'Iavoloha tao. Tanàna azo lazaina ho milamina izy io raha hevitreverina ho niala tao ny filoha Ravalomanana, saingy rehefa nifehy azy tamin'ny takariva ny Capsat, nanjakazaka tao an-dapa nandritra ny alina, dia tokotany mikorontana tanteraka indray no hita tao an-dapa. fanaka miparitadritaka any an-tokotany sy potipotika ao an-trano no hita. Izay vao miaraka amin'ny minisitryny filazam-baovaon'ny governemanta an-dalambe nahazo fahefana, dia efa tsy kaonty intsony amiko. Ny fiaran'ny Capsat ihany manko no hany afaka nifamoivoy ary nahita ny entana ihany aho tanatin'ireny kamiao fitondran-dry zalahy ka takonan-dry zalahy na tomeriny tsy ho hitan'ny olona izay nentiny saingy nahita ihany aloha aho. Fakam-panahy koa mahazo olombelona e!

Tokony ho efa mifarana hatreo aloha izany ity tolona eny amin'ny kianjan'ny 13 mey ity! Nanamarika izany tamin'ity taona ity ny loko volomboasary nefa tsy tokony hohadinoina ny nangaronan-dry zalahy ny paosin'ny "minisitry ny filaminana anatiny" nandritra izany tolona izany ka nahalasa ny "portefeuille" sy ny  fahaverezan'ny "gourmette" volamenan'ny praiminisitra tao anatin'ny andro iray monja, henjana ny mpangaro-paosy raha hiasa e! tsy mahagaga loatra ny "filoha" raha nisavasava ny paosiny rehetra (hita tamin'ny fahitalavitra) raha somary voadonan'ilay miaramila mpiambina azy ny lehilahy androany 18 marsa 2009. Somary nitsiky moa ilay miaramila mpiambina nahita ny fihetsiky ny PHAT. Ho hita eo ny fomba fametrahana ny filohan'ny tetezamita amin'ny Sabotsy izao eny amin'ny kianjaben'i Mahamasina hoe tahaka ny ahoana satria nahavariana ihany manko raha tonga dia ny sonian'ny fahefana avo no vita, taratasy efa vonona no nalain'Atoa Ratsirahonana Norbert Lala. Ampio aho hitady ny tahirinkevitra nanambaran'ny mpikambana ao amin'ny Fitsarana avo momba ny Lalampanorenana am-bava sy an-tsary ny maha-ara-dalàna ny maha-filoha an'i Andry Rajoelina fa mampiahiahy ahy ihany ny toe-draharaha indrindra rehefa raiki-tapisaka ao an-tsaina ny voalohany nahazo ny Visy Amiraly Ranaivoniarivo minisitry ny Fiarovam-pirenena teo aloha tamin'ny fanivaivana imasom-bahoaka nihatra taminy.

Farany, izay aho vao hiresaka (efa fantatry ny maro loatra ny fanaoko) ny tiako lazaina androany. Marina fa amin'izao fotoana izao dia maro ireo mpanohana ny filoha Ravalomanana no te-hitroatra, tsy hanaikinaiky foana izao toe-javatra izao. Raha amin'ny foko tokoa dia te-hanao menalamba aho  na "résistance" amin'ny teny frantsay saingy moa ve tombotsoantsika ny hampitarazoka ity toe-draharaha efa mampandositra diplaomaty maromaro ity (ny androany aloha no hitako ka andehanana daholo na ho any Johannesbourg na ho any Mauritius). Ho an'ny tanindrazana dia miantso fitoniana araka ny efa nambaran'ny filoha ihany koa aho. Fahendrena ho antsika ny mangina aloha fa hiteny hatrany izay tsy mety kosa isika mba tsy higorisa any amin'ny tsy izy ny zavatra ataon'ny ankehitriny mandritra ny fotoana itondrany. Fahadisoana lehibe nataontsika ilay fomba fiteny hoe "avelao aloha izy hanao ny asany fa mbola eo ampanaganana izy" ka nahatonga ny fivilian-dalana ataon'ny mpitondra matetika. Tsara ny miteny, tsy voatery ho an-dalambe izany fa na dia ny tahaka izao ataontsika izao sy izao sehatry ny aterineto izao fotsiny aza. Mody ataontsika tsy tadidy aloha ireny zavatra maro manafintohina nandritra ny tolona nataony ireny sady efa nanao izany rahateo isika. Mitaky ny hamotsorana ny filohan'ny FJKM tsy misy hatak'andro aho; aoka re tsy hatao takalon'aina io lehilehy io fa toa kazarana fomba entina hampiadiana ny mpivavaka izy izany. Na izany na tsy izany: Aiza ho aiza moa ny fanamboarana ny lapan'ny tanàna fa tsy nandre ny tohiny aho? Ho an'ny tanindrazana, aza manakorontana  azy amin'ny fety ataony mihitsy isika, aleo tsy mandeha mankany fotsiny raha mahatsiaro ho marary fo mahita ny hafaliany. Fa andao ary isika hiarahaba azy ireo nahatafita ny tolona nahazo ny fahefana. Tsara indrindra raha tsy mora mivadika palitao isika fa miandry ny fotoana hampahery antsika indray, dia mba ho fifandimbiasam-pahefana araka ny safidim-bahoaka no hiverenantsika fa tsy amin'ny alalan'ny basy aman-tafondro. Dia mba hisy fivoarany mankany amin'ny tsara ny fomba politika eto fa tsy manao politikan-tanalahy lava izao.





Jentilisa, Alarobia 18 marsa 2009 amin'ny 23: 56

Hevitra

mahereza razandry a!
dia manaova repos @ izay, fa mbola ho lava ny hiandry an'i toi!

Nampidirin'i kankana @ 00:04, 2009-03-19 [Valio]

Marina loatra!

Tenin'olo-kendry ny voalazan-draJentilisa amin'ny andalana farany io. Aza manaiky ho voatariky ny fakampanahy hanao toy ny nataon-drizareo ka hitovy kilasy aminy. Miandrasa am-pahatoniana fotsiny ihany fa ho soa tokoa ny vokatr'izay!
Nampidirin'i @ 00:58, 2009-03-19 [Valio]

Matahotra

Tena raha mba mahazo vaovao ianao momba ny Prezida dia lazao fa tena matahotra aho hoe tena niaran'ny habibiana ireto ankilany ireto mihitsy.

Nampidirin'i Mpamaky matetika @ 01:50, 2009-03-19 [Valio]

tsy tafapetraka eo ireo izay mitady ny harena ambanin'ny tany tany ka man

Mampalahelo tokoa ny toetsain'ireo milaza ho tia tanindrazana,manao abibiana,mivadika ho famotehana an'i madagasikara,ho hita eo ny ataony e.Raha hanasoa ny firenena no ataony dia aoka anie izy mba hipetraka eo ary dia mivavaka izany aho fa raha toa kosa ka fitiavantenan'ireo firenena mitady ny harena ambanin'ny tany kosa no nahatonga azy eo ka nataon'ireo very seza ho totohotra fiankarana dia Andriamanitra mahalala fa ataony tsy mahita ary tsy ahazo harena ambanin'ny tany izany ireo.
Aza mandeha eny mahamasina ary ataovy fantany fa tsy mankasitraka ny habibian'ireo tsy nandia fianarana sy biby ireo isika ,mahereza fa Andriamanitra tsy andrin'ny hafa andrintsika foana,tsy tafapetraka eo izay mitady hamadika ity tanindrazana ity

Nampidirin'i malahelobe @ 02:15, 2009-03-19 [Valio]

misaotra jentiilisa

Misaotra anao nandefa vaovao ho anay,Misy fahamarinana ny teninao ,fanasoketana daholo no tena betsaka teo,Ny antony dia nisy filoha aza nalaza fa feno tapakazo ny tranony talohan'ny nialany tao Iavoloha.Nanana fanafody marobe: ny baiboly aza itsahiny,miditra any amin'ny mpisikidy hoy ilay tovovavy izay nitantara taminay hoe tsy sahy aho fa mba nandeha koa mba hoe haka fiarovana toa azy ary dia sady nivavaka hono izy no nihazona ilay tapakazo kely.Saingy rehefa andeha hanitska baiboly toa ilay mpitondra nolazaiko io izy hoy izy dia tsy sahy nanitsaka baiboly .Dia mazava ho azy fa izay nataon'izy ireo no avadiny hanasoketaina ny filoha ,Tena tsy tiako aloha ny lainga , ny fanosoram-potaka maro e, kanefa Andriamanitra dia mamaly ratsy ny ratsy ka na dia tsy mivaly izao aza dia iverina amin-dry zareo daholo ireo fanomezana sakafo ireo jiolahimboto miaraka ny rongony ka nahavanindoza nanimba ny gasikara iray manontolo .Dia toy izao koa no nitranga fahiny:Nitondnrana mpiandry mihitsy ilay toerana ary maro ny tapakazo nodorana tao ,nisy nilaza koa aza fa misy manao fati-dra amin'i satana ireo very seza ka raha tsy potika gasikara tsy maty izy . Miampy ny hoe vola amina euro maro no omena an'ilay tovolahy kely raha mahavita ny famotehana ao anaty telo volana .Dia mandiniha tena amin'izay fa vitany tokoa ilay izy . Dia ny marina izany izay nataon'ilay taloha ihany no mody andrebirebeny hanasoketaina ny filoha ankehitrina ka na aingo-trano kely tsy nieritreretana tery aza dia lazaina fa fanafody avokoa .Ireo mpiandry rehetra izay miaraka aminy ireo anie dia efa nivadika tamin'Andriamanitra e,tena mpiandry tokoa izy ireo rehefa naseho ny sary saingy lasa ny fitiavantena no niboiboika teo ka nivarotra tanindrazana tamin'ny vola kely .Mbola asa manaraka ny arabe no ahazo azy ireo satria efa voaantso no nivadika Raha mpivavaka ve ,raha taizan'i nenilava ve ,raha noteneniny fony izy tao amin'ny toby ve fa izy (Ravalomanana no itondra fahamarinana an'i madagasikara ) dia ahoana tokoa no tanteraka ilay izy. Fahadisoana ? iza no tsy diso ka rehefa niteny sy nifona izy dia lasa zavatra hafa indray no amadihan'ireo nitady seza azy Tsy maninona izany e ,afaka miteny izay tenenina daholo ireo rehetra ireo ,tadidio fotsiny fa ny marina tsy mba maty,na kely sy fisaka aza izy.Ny zanak'Andriamanitra dia tafavoaka amin'ny fiainana foana na dia enjehina sy endrikendrehina foana aza. Izay no asan'i satana ,manenjika ,mandainga Andriamanitra no miaro azy raha manana finoana Azy tokoa izy .Koa enga anie ka mba ipoitra ny marina .Misy TV mpilaza vaovao ka izay teneniny rehetra dia lainga avokoa ary efa voafahana lalitra ireo olona izay mino azy ,soa ihany fa mba misy anao mizara vaovao ho anay fa raha tsy izany dia nino ireo lainga nafafy koa izahay ary sophie no iray amin'izany sy ireo vazaha frantsay hafa miteny lainga amin'ny teny angilisy Ny ratsy tokoa no mahana foana .Aza kivy fa raha mbola misy finoana an'Andriamanitra isika ,raha mbola marina foana no nataon'ireo mpitondra dia tsy maintsy ho hita eo ny ataon'ireo tsy maty voalavo ankibo ireo.Ny soa atao ilevenam-bola ary ny ratsy atao kosa dia loza miantona . Ho hita eo izay tena mandeha amin'ny fitiavan-tanindrazana ,Jereo fa avadik'ilay sobika sy ny TV24 daholo ny zava-misy rehetra
Nampidirin'i malahelobe @ 02:46, 2009-03-19 [Valio]

misaotra jentiilisa

Misaotra anao nandefa vaovao ho anay,Misy fahamarinana ny teninao ,fanasoketana daholo no tena betsaka teo,Ny antony dia nisy filoha aza nalaza fa feno tapakazo ny tranony talohan'ny nialany tao Iavoloha.Nanana fanafody marobe: ny baiboly aza itsahiny,miditra any amin'ny mpisikidy hoy ilay tovovavy izay nitantara taminay hoe tsy sahy aho fa mba nandeha koa mba hoe haka fiarovana toa azy ary dia sady nivavaka hono izy no nihazona ilay tapakazo kely.Saingy rehefa andeha hanitska baiboly toa ilay mpitondra nolazaiko io izy hoy izy dia tsy sahy nanitsaka baiboly .Dia mazava ho azy fa izay nataon'izy ireo no avadiny hanasoketaina ny filoha ,Tena tsy tiako aloha ny lainga , ny fanosoram-potaka maro e, kanefa Andriamanitra dia mamaly ratsy ny ratsy ka na dia tsy mivaly izao aza dia iverina amin-dry zareo daholo ireo fanomezana sakafo ireo jiolahimboto miaraka ny rongony ka nahavanindoza nanimba ny gasikara iray manontolo .Dia toy izao koa no nitranga fahiny:Nitondnrana mpiandry mihitsy ilay toerana ary maro ny tapakazo nodorana tao ,nisy nilaza koa aza fa misy manao fati-dra amin'i satana ireo very seza ka raha tsy potika gasikara tsy maty izy . Miampy ny hoe vola amina euro maro no omena an'ilay tovolahy kely raha mahavita ny famotehana ao anaty telo volana .Dia mandiniha tena amin'izay fa vitany tokoa ilay izy .

Dia ny marina izany izay nataon'ilay taloha ihany no mody andrebirebeny hanasoketaina ny filoha ankehitrina ka na aingo-trano kely tsy nieritreretana tery aza dia lazaina fa fanafody avokoa .Ireo mpiandry rehetra izay miaraka aminy ireo anie dia efa nivadika tamin'Andriamanitra e,tena mpiandry tokoa izy ireo rehefa naseho ny sary saingy lasa ny fitiavantena no niboiboika teo ka nivarotra tanindrazana tamin'ny vola kely .Mbola asa manaraka ny arabe no ahazo azy ireo satria efa voaantso no nivadika Raha mpivavaka ve ,raha taizan'i nenilava ve ,raha noteneniny fony izy tao amin'ny toby ve fa izy (Ravalomanana no itondra fahamarinana an'i madagasikara ) dia ahoana tokoa no tanteraka ilay izy. Fahadisoana ? iza no tsy diso ka rehefa niteny sy nifona izy dia lasa zavatra hafa indray no amadihan'ireo nitady seza azy
Tsy maninona izany e ,afaka miteny izay tenenina daholo ireo rehetra ireo ,tadidio fotsiny fa ny marina tsy mba maty,na kely sy fisaka aza izy.Ny zanak'Andriamanitra dia tafavoaka amin'ny fiainana foana na dia enjehina sy endrikendrehina foana aza. Izay no asan'i satana ,manenjika ,mandainga

Andriamanitra no miaro azy raha manana finoana Azy tokoa izy .Koa enga anie ka mba ipoitra ny marina .Misy TV mpilaza vaovao ka izay teneniny rehetra dia lainga avokoa ary efa voafahana lalitra ireo olona izay mino azy ,soa ihany fa mba misy anao mizara vaovao ho anay fa raha tsy izany dia nino ireo lainga nafafy koa izahay ary sophie no iray amin'izany sy ireo vazaha frantsay hafa miteny lainga amin'ny teny angilisy

Ny ratsy tokoa no mahana foana .Aza kivy fa raha mbola misy finoana an'Andriamanitra isika ,raha mbola marina foana no nataon'ireo mpitondra dia tsy maintsy ho hita eo ny ataon'ireo tsy maty voalavo ankibo ireo.Ny soa atao ilevenam-bola ary ny ratsy atao kosa dia loza miantona . Ho hita eo izay tena mandeha amin'ny fitiavan-tanindrazana ,Jereo fa avadik'ilay sobika sy ny TV24 daholo ny zava-misy rehetra

Nampidirin'i malahelobe @ 02:47, 2009-03-19 [Valio]

Tsy resy tsy akory ny olo-mangina

Mahereza razandry fa tsy resy tsy akory ny olo-mangina. Tadidio fa ny arivo lahy tsy maty indray andro. Tsy fombantsika ny mitratrevatreva fa entintsika ampisainana ny firenena. Marary ny fo fa novetavetain-dry menamaso ny tanindrazana, saingy samia manindry mafy ny fony avy ny tsirairay ary andao hisaina lavitra kokoa. Hoy ny filoha t@ hafany omaly hoe: ny saina samy manana, fa ny hevitra no tsy mitovy. Mahereza leroa!

Nampidirin'i Ragasy @ 03:20, 2009-03-19 [Valio]

Aza adino ny Tantara

Ny hafatro ry namana Malagasy, dia ny tsy hanadinoantsika na oviana na oviana ny Tantara. Ho tonga ny fampihavanana sy ny famendroana ataon'ny Mpamadika Tanindrazana, kanefa tsarovy ny Tantara mba tsy hanadinoana ny ra latsaky ny mahery fo ho an'ny Tanindrazana. AZA ADINO NY TANTARA

Nampidirin'i Mihoitra @ 08:40, 2009-03-19 [Valio]

Mailo daholo isika

Raha mijery ny vaovao rehetra androany maraina aho dia mahatsapa fa tena mbola tsy milamina ny tany.
1-Ho samborin'ny TGV hono i Ravalomanana
2-Mitsoaka ny amerikanina
3-toa manomboka misy tsy fifanarahana ao @ pomba an'i TGV @ fizarana seza
4-i TGV moa tsy nanao teny na kely akory aza t@ nahazo ny mpitondra fivavahana
sns...

Tsy niteny isika hatreto fa raha mitohy ny "lohamboto" dia mila mampiseho ny maha izy antsika koa angamba isika fa tsy hanaiky hatao famafan-tongotra foana...

Nampidirin'i Naivo. @ 09:15, 2009-03-19 [Valio]

Sambatra i Madagasikara mbola manana olon-kendry

toa anao, Jentilisa!
Tena variana be aho ary tohina ny fo mahita ny teny feno fandihina sy fahendrena ary amin’ny fo tony tanteraka ataonao. Ary mino aho fa maro ny malagasy mbola misaina toa anao izao matoa mahavaky vava ny rehetra mijery avy aty’ ivelany ny fahanginana sy ny famitsahan’ny vahoaka malagasy manoloana ny toe-javatra rehetra hita hatramin’izay, ary indrindra manoloana izao fanitsakitsahana ny hasina sy ny zo maha-olona azy ireo.
Tsoriko fa na izaho koa aza teny am-boalohany dia gaga ary kivy ihany nahita izany ary niara-nilaza tamin’ny olona aty’ hoe fa angaha ny vahoaka malagasy matory daholo, ary efa saika hanentana hoe aiza ny menalamba sy ny vvs, saingy eo ampamakiana ny soratrao aho dia tonga saina hoe izay tokoa izany ilay fahendrena malagasy: miandry ny rariny.
Koa mahereza ary ampianaro sy ampitao amin’ireo zandry sy ireo zanaka amam-para re izao mba tsy ho very izany fahendrena izany, zavatra iray mba ananantsika tokony harovana tsy hatelin’ny “mondialisation” (miala tsiny aho fa tena tsy takatry ny rakibolana ananako!)

Nampidirin'i gasi @ 16:35, 2009-03-19 [Valio]

Sambatra i Madagasikara mbola manana olon-kendry

toa anao, Jentilisa!
Tena variana be aho ary tohina ny fo mahita ny teny feno fandihina sy fahendrena ary amin’ny fo tony tanteraka ataonao. Ary mino aho fa maro ny malagasy mbola misaina toa anao izao matoa mahavaky vava ny rehetra mijery avy aty’ ivelany ny fahanginana sy ny famitsahan’ny vahoaka malagasy manoloana ny toe-javatra rehetra hita hatramin’izay, ary indrindra manoloana izao fanitsakitsahana ny hasina sy ny zo maha-olona azy ireo.
Tsoriko fa na izaho koa aza teny am-boalohany dia gaga ary kivy ihany nahita izany ary niara-nilaza tamin’ny olona aty’ hoe fa angaha ny vahoaka malagasy matory daholo, ary efa saika hanentana hoe aiza ny menalamba sy ny vvs, saingy eo ampamakiana ny soratrao aho dia tonga saina hoe izay tokoa izany ilay fahendrena malagasy: miandry ny rariny.
Koa mahereza ary ampianaro sy ampitao amin’ireo zandry sy ireo zanaka amam-para re izao mba tsy ho very izany fahendrena izany, zavatra iray mba ananantsika tokony harovana tsy hatelin’ny “mondialisation” (miala tsiny aho fa tena tsy takatry ny rakibolana ananako!)

Nampidirin'i gasi @ 16:35, 2009-03-19 [Valio]

Sambatra i Madagasikara mbola manana olon-kendry

toa anao, Jentilisa!
Tena variana be aho ary tohina ny fo mahita ny teny feno fandihina sy fahendrena ary amin’ny fo tony tanteraka ataonao. Ary mino aho fa maro ny malagasy mbola misaina toa anao izao matoa mahavaky vava ny rehetra mijery avy aty’ ivelany ny fahanginana sy ny famitsahan’ny vahoaka malagasy manoloana ny toe-javatra rehetra hita hatramin’izay, ary indrindra manoloana izao fanitsakitsahana ny hasina sy ny zo maha-olona azy ireo.
Tsoriko fa na izaho koa aza teny am-boalohany dia gaga ary kivy ihany nahita izany ary niara-nilaza tamin’ny olona aty’ hoe fa angaha ny vahoaka malagasy matory daholo, ary efa saika hanentana hoe aiza ny menalamba sy ny vvs, saingy eo ampamakiana ny soratrao aho dia tonga saina hoe izay tokoa izany ilay fahendrena malagasy: miandry ny rariny.
Koa mahereza ary ampianaro sy ampitao amin’ireo zandry sy ireo zanaka amam-para re izao mba tsy ho very izany fahendrena izany, zavatra iray mba ananantsika tokony harovana tsy hatelin’ny “mondialisation” (miala tsiny aho fa tena tsy takatry ny rakibolana ananako!)

Nampidirin'i gasi @ 16:35, 2009-03-19 [Valio]

Fanoherana tsy mitroatra fa tsy mangina

Etsy andanin’izany anefa dia manentana aho mba hanohizana ny tolona: teny amboalohany dia nieritreritra aho hoe tokony hanao na lamesa be ihany aza hanoherana ny fetin-dry zareo eny Mahamasina saingy miondrika tanteraka eo anatrehan’ny fahendrenao…
Heveriko anefa fa fomba iray tokony hanomanana ny “fiverenana” ny fanaovana lisitra izay nampanantenain’ny Filoha, izay zava-bitany amin’ny antsipirihany, izay zavatra mbola nokasainy hatao ary ireo voalaza fa “fahadisoany” ary hazavaina ny antony dia tadiavina ny vahaolana, ary etsy andaniny ny lisitry ny zava-bitan’ny sasany teo aloha sy ny ho avy na tsara izany na ratsy, dia ampitahaina ny 25 taona sy 7 taona ary ny 3 volana… manoloana ny lisitra farany mitanisa ireo zavatra rehetra tokony hatao ho an’ny firenena, dia ireo no aparitaka na ambava na antsoratra ho an’ny vahoaka rehetra hahafan’ny tsirairay mandinika sy maka ny toerany, tsy ho voasakan’ny mpisompatra fandefasana onjam-peo. Ilaina atomboka dieny izao anefa hahatonga izany hatrany ambazan-tany ary alohan’ny hahatongavan’ny hafa izay fantatra fa mamaky mitsikilo eto koa. Fomba fanao rehefa mandini-tena io fanaovana lisitra an-tsoratra io, hafa tanteraka ny fahitana ny zavatra rehefa voasoatra mainty eo ambony taratasy fotsy (andramo atomboka amin’ny zava-bitanao sy ireo nokasainao hatao isan’andro ange e!), ary hanampona ny lesoka nananan’ny Filoha noho ny tsy fahaizany miresaka sy manazava izay nataony. Ny olona raha mahazo resaka azo resena lahatra. Tsisy zavatra ratsy noho ny tsy fahalalana.
Soso-kevitra ny ahy ary mino aho fa ny hevitry ny maro mahataka-davitra. Atsipy ny tady eny an-tandroky ny omby…
Misaotra anao misy ary finaritra manana anao ho namana!

Nampidirin'i gasi @ 16:42, 2009-03-19 [Valio]

Aza manahyianao fa efa misy ny zavatra vonona ho fanoherana ny herisetra. Tsy ho ela... avy amin'nynanaovana tsy rarinyy filohan'ny FJKM izany raha tianao hofantatra mialoha

Nampidirin'i jentilisa @ 19:49, 2009-03-19 [Valio]

-

vaovao avy any Antsirabe :
xxxxxxxxxxxxxxxxxxxxxxxxxx
Sans attendre une nomination de la part de la Haute Autorité de la Transition (HAT), l’ancien député d’Antsirabe I, Ratoabolamanana Merci, alias Ramerci, s’est autoproclamé maire de la capitale de la région Vakinankaratra.

Accompagné de ses collaborateurs, Ramerci est venu au bureau de la mairie d’Antsirabe dans la matinée de ce mercredi 18 mars 2009. Il s’est entretenu avec le maire TIM en exercice, Olga Ramalason, pour négocier la gestion de la ville.

Une fois la réunion terminée, il est venu sur la place de la démocratie pour annoncer aux manifestants, que désormais il est le nouveau maire d’Antsirabe. Ce n’est pas ce qui a été convenu avec le maire en exercice Olga Ramalason, selon les témoignages des personnes qui ont assisté à la négociation au bureau de la maire.
xxxxxxxxxxxxxxxxxxxxxxxxxx

Izany ka tena demôkrasia!!!

Nampidirin'i Korio @ 21:09, 2009-03-19 [Valio]

O ry Korio a! tena nihomehy aho namaky an'io, ny any Toamasina dia ao koa no tonga dia mitonona ho chef region. Mihomehy malahelo aho hoe tena izay zany ny fiafarana fa dia samy manao izay danin'ny kibony..

Nampidirin'i Mpamaky matetika @ 21:35, 2009-03-19 [Valio]
Hampiditra hevitra

E-mail me when comments occur on this article
Momba ahy
jentilisa

Vasoky ny tambajotra sosialy tahaka ny Facebook,Twitter sy ny karazany ny blaogy amin'izao fotoana. Mora miely vetivety ny hevitra sy izay voasoratra amin'ireo sehatra ireo.

Misy lafiny iray anefa tsy ahavoazan'izy ireo mihitsy ny blaogy dia ny fitehirizana.Rehefa karohina ny vontoaty iray dia sarotra hita kokoa ny vokatry ny fitadiavana avy amin'ireo tambajotra sosialy ireo.Izay lafiny izay no tsy maharesy tondromaso ny blaogy satria mora hita kokoa ny vontoatiny rehefa karohina amin'ny alalan'ny mili-pitadiavana.

Momba ny eto manokana indray, tsy hianona intsony amin'ny vaovao eto an-toerana aho fa hisokatra kokoa amin'ny manerantany, na amin'ny sehatra ankapobeny. Hosoratana avokoa na eritreritra sendra nandalo na revin-gadra, na fanehoan-kevitra mety hanafintohina ny mpamaky. Mety ho tezitra ianao amin'izay voasoratra nefa ny hisokafan'ny saina handinika sy hamakafaka ary handanjalanja no tena kinasa ambadiky ny lahatsoratra. Ka mazotoa daholo ary ny hevitra anie no hiady fa tsy isika no hifandramatra!

calendar
« Novambra 2019 »
Ah At Ta Ar Ak Zo As
          1 2
3 4 5 6 7 8 9
10 11 12 13 14 15 16
17 18 19 20 21 22 23
24 25 26 27 28 29 30
Tahiry
Credits
LifeType IE7 XHTML CSS Firefox