« | »

21 mars 2009: sary hafa Ambohijatovo sy Mahamasina

2009-03-21 @ 22:21 in Politika

 Vao maraina tamin'ny fito ora no tonga tamin'ny taxi-brousse ny fiara maro avy any amin'ny faritany toy ny avy any Mahajangà sy Fianarantsoa na Ihosy. Hatrany lavitra any mba hanatrika ny fianianan'ny Filoha Avon'ny Tetezamita hotontosaina eo amin'ny kianjaben'i Mahamasina. Teo anoloan'ny Instat sy ny minisiteran'ny Asa Vaventy avokoa ireo fiara ireo no nanatitra ireto mpitolona avy any amin'ny faritany ireto. Mbola tsy nisokatra ho an'ny besinimaro ny kianjaben'i Mahamasina amin'io fotoana io. Marihina tokoa moa fa raha nandalo teny Mahamasina aho ny omaly Zoma 20 marsa 2009 dia tsy maintsy nosavaina avokoa ny entan'ny ankizy mpianatra hanao fanatanjahantena ato anatin'ity kianja ity. Efa mailo dia mailo tokoa ry zareo fandrao manko misy "Menalamba" tafiditra tampoka eo any an-kianja any.

 

 

 Tsy azo nidiran'ny fiarakodia kosa ny lalana manomboka eo amin'ny rond-point manoloana ny lapan'ny Antenimierandoholona ka hatreny amin'ny tsangambaton'ny Firaisambe Afrikana ery anjoron'Ambohitsorohitra ery. Ny tena mahavariana ahy amin'ny fandaminana ataon'ny mpikarakara ity lanonana ity dia ny nanaovana lalatokana ny avy any amin'ny tonelina (lozoka)  Ambohidahy ka hatreny amin'ny rond-point Ampatsakana. Ny avy aty Ampefiloha sy 67ha ary Isotry dia tsy manana fahafahana mizotra ho any Ambohijatovo mihitsy fa na miverina mankany Isotry mandalo Tsaralalana iny no mankany Analakely, na voatery mihodidina mankany Ankadimbahoaka sy Soanierana, Tsimbazaza na Manakambahiny iny. Voasazy hiodidina avokoa noho izany izay rehetra tsy manana anton-dia ho any Mahamasina ka tsy mahalala io fanapahan-dalana tampoka io. Ny fiara fitaterana moa no tena voa mafy indrindra satria lany fotoana be dia be. Mba iza koa ary no nibaiko ny fandaminana ny fifamoivoizana tahaka izao? Fantatra ihany mankony fahavitsian'ny lalana eto Antananarivo renivohitra.

 Ireo fiara hatrany amin'ny tonelina Ambohidahy kosa dia tonga dia mivantana mandalo an'Ampefiloha fa tsy mametraka olona any amin'ny fiantsonana eny Mahamasina, na Anosy intsony. Voasazy mandeha an-tongotra noho izany izay avy any amin'ny faritra atsinanana sy avaratra any kanefa hizotra ho any Anosibe ohatra. Sazy ho an'ny mpandeha an-tongotra tsy te-hiditra ho any an-kianjan'i Mahamsina ihany koa izany. Tsy mahagaga loatra noho izany raha maro ny mpandeha an-tongotra manaraka iny lalana manoloana ny rindrin'i St Michel manamorona ny farihin'Anosy iny. Heveriko ho politika hisarihina ny olona sao dia hivily lalana hanatrika ny fianianana moa izany saingy samy manana ny anton-dia ny olona fa tsy hoe tsy manana atao te-hivezivezy fotsiny tsy akory.

 

 

 Vory lanona tokoa ny mpanatrika ity lanonana ity, hatramin'ny mpiandry izay hitako nihamaro ny isany (toa mpiandrin'ny FLM toby fanantenana 67ha no maro amin'izy ireo sady tao anatin'ny fikarakarana ny fotoam-pivavahana tao Mahamasina rahateo ny Pastora Péri Rasolondraibe, ka dia nisara-kevitra aloha izahay amin'ity resaka ity) ka hatramin'ny mpitandro ny filaminana miandry ny manodidina ny tanàna. Samy ao avokoa moa ny karazany telo amin'ny mpitandro ny filaminana koa azo heverina fa karazany voafehin'ny tetezamita tokoa ireto mpitandro ny filaminana ireto. Samy manana ny lohany sy ny fomba fisainany tokoa ny olona.

 

 Mandeha am-pianakaviana mihitsy kosa ny mpanohana ny TGV hamonjy ity fotoana ity. Hatramin'ny antitra ka hatramin'ny zaza dia mandeha avokoa, mazava loatra fa maro an'isa dia maro an'isa tokoa ny zaza sy ny tanora no te-hijery fety indray. Tsy maintsy mba manao tsaratsara kosa  fa nandresy ny tolona koa. Fa na izany aza dia mbola hita hatrany ny tsy fahaiza-mandamina olona. Misy ny ahitana filaharana lava dia lava, nefa ny vavahady lehibe hidina, nefa dia misy ny vavahady no miandry olona hosavaina sy ampidirina. Izy io dia tsy ankifidy fa na malagasy ianao na vahiny (nahazo fanasana manokana toy ilay hita manao complet amin'ny sary io) tsy maintsy atao ny fisavana. Ny tsy fantatro fotsiny, satria tsy nahita vehivavy mpisava aho, dia hoe ry zalahy ihany koa ve no misava ny vehivavy? Tsapan'izy ireo ve fa mety hanafintohina olona raha ny lehilahy no hisava vehivavy? Enga anie mba ho diso hevitra aho!

 

 

 

 

 

 Fa ny tena nampiaiky ahy, ary mety ho fampitandremana ho an'ny mpitondra vaovao amin'izao andro voalohany maha-ofisialy azy izao dia ny nahafahan'ny olona maro niara-nientana tampoka teo nefa tsy manana haino aman-jery loatra intsony aza ny mpanohitra ny tetezamita amin'izao fotoana izao ary tsy nisy ihany koa ny filazana an-gazety. Efa nosoratako ihany fa maro loatra ny toerana nokasaina nifamorivoriana saingy ny toerana roa ihany no toa tena fantatra avy eo dia ny teny amin'ny fanaovam-baolina eny amin'ny digue akaikin'ny tetezana ho any Ambohitrinimanjaka sy ny teo amin'ny zaridainan'Ambohijatovo. Tena tsorina aminareo, fa ankoatra ny teto amin'ny sehatry ny siniben-tserasera, dia ny antso finday sy ny SMS ihany no tena niasa hamoriana izao olona hitanareo izao. Fitenenana kely roa segondra fotsiny tao amin'ny vaovaon'ny tvplus madagascar omaly zoma 20 marsa 2009 no nahataitra ny mpanohana an-dRavalomanana. "Mikasa ny hamory olona eo amin'ny kianjan'ny demaokrasia Ambohijatovo kosa ny tsy mankasitraka izao fitondrana tetezamita izao rahampitso Sabotsy", izay fotsiny no teny rehetra natao mikasika ity fihaonana teny Ambohijatovo izao dia nahavory ireo olona hitanareo ireo. Andro voalohany isika, amin'ny alatsinainy indray koa ny andro faharoa, ary tsy hifarana raha tsy miala koa izao fitondrana tetezamita izao.

 

 Ny mahahafakely azy ity ihany koa dia tsy nisy fikambanana nijoro nikarakara azy fa olona niray hevitra tsy manaiky ny endrim-panjanahantany vaovao entin'ny "Taranak'i Gallieni Vaovao" sy ny fanalam-baraka ny Malagasy amina fanonganam-panjakana izany no nanamasaka ny fotoana. Nisy ny nifamotoana mialoha, omaly teny an-jaridainan'i Mahamasina, olona vitsy izy ireo, no lasa nifanenjika tampoka tamin'ny Capsat ka voasambotra tamin'izany ny iray tamin'ny mpikarakara... Tsy mbola nilaza ny famotsorany avy tany amin'ny Capsat moa ranamana izay fantatra amin'ny fanampin'anarana hoe Jules io ka asa na mbola tsy navotsotra na tsy sahy intsony rehefa nogidrahan'ny Capsat tao amin'ny tobiny. Ireo mpikarakara no namoaka vola am-paosy hahazoana manofa fanamafisam-peo hanentanana ny olona. Olona mafana fo tsy anaty fikambanana politika noho izany no maro amin'izy ireto ka azo heverina ho karazana "Menalamba" ao anatin'ity taonjato faha-21 ity. Saingy "Menalamba" tsy mivonona ny handroba sy ny hamaky trano velively. Eo no tena mila fitandremana satria mety homora mibirioka raha vao tsy mafy ny fifehezana. Tsy nisy mpanao politika fantatra tao na dia iray aza, fa ny hany fantatro manokana kosa dia i Gégé Rasamoely,mpanentana tao amin'ny RNM taloha no sady mpilalao fototra tamin'ny oronantsarimihetsika vaovao mitondra ny lohateny hoe "Horombey" iny.

 

 Tsorina ihany koa fa tena tsy manana programa matotra mihitsy ireto "Menalamba" mpanentana ireto fa dia samy afaka miteny avokoa izay te-hiteny rehetra. Eo ny fanentanana, eo ny tononkalo ary eo ny fanarahana hira izay ahafantarana ny filoha Marc Ravalomanana moa. Ny hany masaka dia ny hoe atao isan'andro ity raharaha ity ka eny Ambohijatovo no fotoana. Ny manahirana moa, dia misy sahady ireo mihevitra ny ho eny amin'ny kianjan'ny 13 mey avy hatrany. Noho ny hafanam-po dia efa mitady hizarazara sahady ny hevitra. Izaho manokana moa dia aleo ihany aloha eny Ambohijatovo mandra-pahatongan'ny 29 marsa 2009 izay efa karazana fotoan-dehibe andrasan'ny maro sahady. Mazava loatra fa mety hanatrika ny fotoam-pivavahana karakarain'ny FJKM ny "Menalamba" amin'ny alahady heriiny ary avy eo dia manao rodobe mankeo Ambohijatovo eo amin'ny tsangambaton'ny MDRM na iza efa ao na iza. Tsy maintsy atao henon'i Madagasikara manontolo ny hetsika. Raha sanatria koa moa voasakana anelanelan'andro izao hetsika hamerenana amin'ny toerany ny mpitondra nesorina an-keriny izao, tsy hisy hahasakana na fiadiana na fandrahonana rehefa tonga ny andron'ny 29 marsa 2009.

 

 

 Rehefa noravana mialoha ny rehetra mba tsy hifanena amin'ireo izay avy any Mahamasina, na dia noferana mafy aza hoe "tonga dia mody" fa tsy mivilivily lalana dia mbola nirohotra nankeny amin'ny kianjan'ny 13 mey hatrany ny ankamaroan'ny mpanatrika. Nampihomehy moa fa nisy ny diso hevitra mbola nanao marika V hatrany, ka voasioka avy hatrany moa. Marihina fa ny avy teto Ambohijatovo no nandalo an'Analakely voalohany, ary hitako fa nilamina tsara ny olona rehetra nidina avy any Ambohijatovo ka hatreny Analakely... tsy nisy fanimban-javatra natao na dia kely aza... fa rehefa tonga teo amin'ny kianjan'ny 13 mey izahay dia niparitaka avy eo. Nirava ihany koa ny avy eny Mahamasina dia namonjy an'Analakely tahaka ny dia nataonay, tsy fantatro kosa aloha izay nitranga tamin'ny fandalovan'ireto andiany avy tany Mahamasina ireto fa malaza koa manko (ny tsaho fa) namaky ny fitaratry ny fiara izay tsy mitovy hevitra aminy, hono, ireo nizotra nanaraka iny Analakely iny. Ny karazan'ny ankamaroan'ny olona nandeha fotsiny dia mety ahatarafana hoe iza no mety hahavita zavatra mamoa-fady.

 

 Mariho ary fa ny sary ato ka mampiseho an'Ambohijatovo sy Analakely dia sarin'ireo mpanao fihetsiketsehana manohitra ny tetezamita fa tsy avy eny Mahamasina izay nandalo teo ihany koa tao aoriananay. Asa aloha izay ho fandehan'izao raharaha izao satria mbola azo heverina hatrany  fa hetsika tsy manana lohany ity hetsika ity. Misy ny manao hoe "biby tsy manan-doha tsy mandeha"! nefa mety hipoitra avy amin'ity hetsika ity ny mpitarika vaovao mety hahatsapa ny adidiny hirotsaka lalindalina kokoa amin'ny raharaham-pirenena. Tamin'ny roa latsaka fahefany izahay no niparitaka avy teo an-kianjan'ny 13 mey!



jentilisa, vita ny soratra ny 22 marsa 2009 tamin'ny 02:15 teto Antananarivo.

 

Hevitra

Hampiditra hevitra

E-mail me when comments occur on this article
Momba ahy
jentilisa

Vasoky ny tambajotra sosialy tahaka ny Facebook,Twitter sy ny karazany ny blaogy amin'izao fotoana. Mora miely vetivety ny hevitra sy izay voasoratra amin'ireo sehatra ireo.

Misy lafiny iray anefa tsy ahavoazan'izy ireo mihitsy ny blaogy dia ny fitehirizana.Rehefa karohina ny vontoaty iray dia sarotra hita kokoa ny vokatry ny fitadiavana avy amin'ireo tambajotra sosialy ireo.Izay lafiny izay no tsy maharesy tondromaso ny blaogy satria mora hita kokoa ny vontoatiny rehefa karohina amin'ny alalan'ny mili-pitadiavana.

Momba ny eto manokana indray, tsy hianona intsony amin'ny vaovao eto an-toerana aho fa hisokatra kokoa amin'ny manerantany, na amin'ny sehatra ankapobeny. Hosoratana avokoa na eritreritra sendra nandalo na revin-gadra, na fanehoan-kevitra mety hanafintohina ny mpamaky. Mety ho tezitra ianao amin'izay voasoratra nefa ny hisokafan'ny saina handinika sy hamakafaka ary handanjalanja no tena kinasa ambadiky ny lahatsoratra. Ka mazotoa daholo ary ny hevitra anie no hiady fa tsy isika no hifandramatra!

calendar
« Jiona 2023 »
Ah At Ta Ar Ak Zo As
        1 2 3
4 5 6 7 8 9 10
11 12 13 14 15 16 17
18 19 20 21 22 23 24
25 26 27 28 29 30  
Tahiry
Credits
LifeType IE7 XHTML CSS Firefox