« | »

28 marsa 2009: Ilay mahery fo tsy fantatra anarana!

2009-03-28 @ 22:16 in Politika

Andron'ny sabotsy 28 marsa 2009 andro mialoha indrindra ny fahatsiarovana indray ny ny 29 marsa 1947. Soa fa mbola misy ihany Malagasy tsotra, tsy ampoizinao, nefa hanamarika indray ny tantaran'i Madagasikara. Ilay tranga teo Andohan'Analakely ahitana lehilahy iray miakanjo maitso mitrotro kitapo mena manandratra avo ny sainam-pirenena Malagasy hitantsika any amin'ny vohikala hafa any no nampihetsi-po ahy indrindra tamin'ity tontolo andro ity. Hetsika manambara fahasahiana manoloana ireo miaramila malagasy mitondra basy efa hisambotra azy. Notapahin'ny vaovao mba nahitana ity fihetsika ity moa ny sary. Voadaroka ve ranamana sa nampiakarina tao anaty fiara pick up fotsiny? Ny fanatika minia mikimpy sisa no tsy mahita ny fihetsika maha-te-hidera nataon'ity lehilahy ity... Mahatsiaro latsaka ambany dia ambany eo anatrehany aho. Mahery letsy ialahy, fa tsy namaly ireo rehetra manoloana an'ialahy, tsy nandray vato ialahy mba hamaliana ny tsy rariny amin'ireto heverina fa tandroka aron'ny vozona natao hiaro ny vahoaka malagasy nefa mahasahy misambotra an'ialahy tahaka ireny hoe vahiny tsy miraharaha izay sainam-pirenena malagasy any izy, fa efa miaramila eo ambany fifehezan'ny firenena vahiny ve ireto miaramila ireto no olona tsy naninon-tsy naninona azy no samboriny? Efa nisy sahady koa moa taorian'ity lehilahy ity, fotoana fohy monja, no nanaraka ny nataony ary dia nosamborina ihany koa. Efa hatry ny nandraisan'ity mpandrobam-pitondrana ity ny fahefana no nahatsapako tao anatin'ny tenako tao fa niverina ho zanatany i Madagasikara, fa eto kosa... miharihary amiko tanteraka ny toe-draharaha. Toa te-haka ilay tamin'ny tononkalon'i Rado manao hoe: "Mahazo maty ialahy ry tenako! fa mijoro ny taranako!" iny aho. Ataoko fa hanana fifaliana ireo zokiolona tia tanindrazana raha mahita io lahatsary io! Sisa azoko natao: mitantara sy midera ny nataony.

Lasa adino tery ny isan'ny maty 3 (nolazain'ny matv ary tany amin'ny hopitaly miaramila soavinandriana io atontan'isa io) sy ireo maratra maherin'ny 30 tany amin'ny hopitaly. Tsy manamaivana ny nanjo azy ireo anefa sanatrian'izany! sady efa hitantsika rahateo fa tsy nisy nahasahy nilaza ireo fahafatesan'olona ireo na ny tvplus na ny rta. Milaza ny habibiana vitan'ny tetezamita manko izany ka sao mampihetsika ny hambom-pon'ny Malagasy. Izaho moa tsy afaka naka sary intsony fa simba ny fakantsary. Etsy andaniny ihany koa dia tsy maintsy namonjy toeram-piasana ihany koa aho, fa miditra amin'ny roa tolakandro manko. Na izany aza dia tsy maintsy hitantara aho ny zavatra hitako teo an-kianjan'ny 13 mey tamin'ity andro ity satria lalako handeha hiasa moa eo androany. Nihazakazaka nanala ny fiarany avokoa ny olona nanamorona iny manoloana ny 13 mey mizotra ho eny Tsaralalàna Conforama iny. Efa vonona amin'ny vato sy ny hazo kosa ny "mpiaro ny kianjan'ny 13 mey" mihoatra ny zato ary mihorakorak'hafaliana aoka izany isaky ny misy baomba alefa any amin'ny mpitolona hamerenana ny ara-dalàna. Mahasahy miteny mihitsy moa hoe: "ny novidian'ny dadan'ialahy ihany no alefa ho an'ialahy". Tsy anavahana izy ireto fa na lahy na avy ao avokoa. Efa miharihary fa tsy mikitika ireto mihitsy ny miaramila satria miara-miasa amin'izy ireo rahateo manko ireto mpitora-bato ireto.

Hitako tery lavitra tery ihany koa fa tsy nihontsona tamin'ny baomba mandatsa-dranomaso sy ny baomba mankarenin-tsofina intsony ny mpanao fihetsiketsehana. Voatery nihemotra mihitsy moa ny miaramila. Ny mpitoraka kosa moa dia mahazo baiko ny haka ny lafin'Ambodifilao mandrakariva, any manko no betsaka olona tsy hahitana tsara izay tena mpitoraka. Ary dia raikitra ny toraka natao tamin'ireo lohalaharana! Taty amin'ny misy anay nahita tsara ireo miaramila nandeha tamin'ny pick up niala avy tany amin'ny nisy ny gara tany, somary nampiahotra ireo "mitora-bato" saingy tsy nataony na inona na inona moa ny "akamany" e!

Na izany na tsy izany, hilaza izay teny sy hevitra tsy ankasitrahako loatra aho. Tsy ankasitrahako ny tenin'ny senatera Lanto Rabeatoandro avy any Antsirabe miteny hoe: "raha mahay manapotika izy, isika koa mahay manapotika, raha mahay mandoro izy isika koa mahay mandoro..." tena tsy ao anatin'ny fanahin'ny tolona mihitsy manko io fomba fiteny io fa manosihosy mihitsy aza. Tsy ankasitrahako ihany koa ny mety ho fikasana hampidirana ny tafiky ny SADC satria izay fihetsika izay no andrasan'ny tafika frantsay efa miatrana any amin'ny nosy manodidina antsika. Hampizotra ny korontana ankehitriny hahatratra aman-taonany manko izany, ary mandritra io fotoana io no angalaran'ny mpanararaotra ny harena voajanaharin'i Madagasikara rehetra. Henatra ho an'ny tafika malagasy manontolo sy ny polisy rehetra miasa amin'izao fotoana izao rahatrizay ny tranga ankehitriny... satria hivandravandra ny fanekena ny halatra natao. Mahatsiaro ho tsy te-hifandray amin'ireto manana fitaovam-piadiana anatin'ny asany ireto mihitsy moa aho amin'izao fotoana izao.

Fa misy ihany koa ny zavatra tsara ampahatsiahivina ny mampaky, sady mbola tsy voalaza any an-kianja rahateo moa. Tsy miasa feno moa ny tiko amin'izao fotoana izao fa ny komandin'olona ihany no omena fahafaham-po. Aoka anefa ho fantatry ny mpamaky fa raha misy fiara mitondra ny entana amidin'ny tiko ka fantatry ny mpitandro ny filaminana dia raofin-dry zareo ho azy avokoa ireo entana ireo. Tsy "analana" velively amin'izay "trosan'ny tiko sy ny vondrona miaraka aminy" na oviana na oviana anefa ireny entana amidy ireny. Raha nanao fanambarana ny filohan'ny tetezamita tamin'ny zoma 27 marsa 2009 fa tonga ny vary izay hamidy mora, dia adidiko ny milaza aminao, fa vary nafaran'ny tiko saiky hanoloana ny vary efa norobaina tamin'ny volana voalohan'ny taona iny ireo vary ireo. Izany hoe, maka ny fananan'ny tiko maimai-poana izy ireo, ary dia amidy "mora" amin'ny vahoaka izany avy eo. Vary "halatra" izany no amidin'ny tetezamita amin'ny vahoaka malagasy mihevitra fa tena mitsinjo azy mihitsy ny tetezamita. Malahelo anaty fotsiny moa izahay mahafantatra ity vaovao ity.



jentilisa, alahady 29 marsa 2009 amin'ny 00:15 maraina

Hevitra

-

fitiavan-tanindrazana tokoa tsy misy tahaka ny nataon'io lehilahy io.

Tsy raharainy izay basy sy famoretana satria tiany i Madagasikara.

jereo ato ilay sary :
http://www.topmada.com/2009/03/28/photos-video-repression-militaire-a-ambohijatovo-2803/

Nampidirin'i Korio @ 00:16, 2009-03-29 [Valio]

Dia i Razily irery ve?

nampian'izy roalahy zandriny, no malagasy sahy nijoro? sa tsy nisy saim-pirenena hafa azo nentina angamba. Ho tahian'Andriamanitra anie izy ireo.
Ny France24 nandefa ny hazalambo nataon'ny miaramila hatreny ambony tonelina ary ahenoana ireo miaramila misy miteny hoe "tonga dia sambory daholo!fa ny vehivavy aza samborina". Dia hita ireo tena mitifitra tandrifin'ny tratra. Fa tsy nisy an'io Maherifo io aloha. 15 à 20.000 teo hoy izy ireo ny olona fa tsy nilaza n'inon'inona hafa avy eo. Efa tsara aloha rehefa ny lohatenin'ny vaovao dia hoe "manifestation pro-Ravalomanana violemment dispérsée", 31 bléssés hono, 6 par balles, 2 en réanimation...

Momba ny vary, tsy misy azo anaporofona ve hoe mitohy mangalatra sy misoloky ireto talibans gasy version ireto e? ary izaho mino fa na ilay resaka daewoo koa aza zavatra efa nahaton'ny fitondran-dRavalomanana iny rehefa hita hoe niteraka olana fa tsy ireo izany no nanao azy...
Asa indray izay havoaky ny 29 mars. Mitsiky aho mahita hoe isika moa efa 62 taona aty' aoriana mbola miady @ fanjanahana ihany ary ny atsy Mayotte kosa tsy andriny izay hahatonga ny 29 mars hono izay efa nandrasany nandritra ny 50 taona hahalasa frantsay azy ireo tanteraka! @ ilay "allons enfants de la patrie" @ fitenin-dry zareo sy ny fidrikinana hitohy ho afaka hanambady vehivavy maro!...Misy fitenenana izay hoe "ny mahatsara an'izao tontolo izao dia noho izy feno zavatra samihafa"
Mankasitraka mandrakariva, Jentilisa, mahereza!

Nampidirin'i gasi @ 03:23, 2009-03-29 [Valio]

fa nareo ireo ve tsy mahafantatra fa be lavitra noho izay vary izay ny halatra nataon'i tiko tamin'ny vahoaka????

Nampidirin'i ravalomanody @ 06:32, 2009-03-29 [Valio]

MISAOTRA DADAZILY A!
Tsy hanadinoa anao izahay na misy manjo anao aza any @ tobin'ireo mpamadika tanindrazana!

Menatra aho raha eo @ toeran'i Rajoely hankalaza ny 29 marsa haametraka voninkazo etsy sy eroa. Tsy mendrika azy ny hanao izany ary tsy fantany akory ny tolona natao t@ 1947.

Nampidirin'i news2dago @ 07:06, 2009-03-29 [Valio]

ireto misy sary fa jereo http://img27.imageshack.us/my.php?image=razily090328.jpg http://ti1ca.com/9i59a5u2-P1030404.jpg.html http://ti1ca.com/kdthytl7-P1030445.jpg.html http://img136.imageshack.us/my.php?image=colons1.jpg
Nampidirin'i Solo @ 08:52, 2009-03-29 [Valio]

28 Martsa 2009

Izay voa tena azo antsoina hoe "herimpamoretana" ny tafika malagasy. Mizotra aiza marina inty Gasikara inty é!
Misaotra Razily a!

Nampidirin'i andry @ 22:49, 2009-03-29 [Valio]

Mankasitraka eh

Fa avelao ny SADC ho avy, fa tsy afaka manao na inona na inona eto Frantsa rehefa mirotsaka ireo satria tonga dia fanitsakitsahana ny fiandrianan'ny Afrikanina aty amin'ny faritra atsimo no ataony amin'izay raha ho avy izy. Izay tsy ho ankatoavin'i Afrika atsimo mihintsy. Tadidio fa faritra matanjaka ara-Tafika i Afrika Atsimo ka tsy atahotra Frantsay mihintsy raha miadaladala ny Frantsay.

Nampidirin'i Sombila @ 03:09, 2009-03-30 [Valio]

mankasitraka tokoa

Tena feno fahendrena ny lahatsoratra avoakanao. Hoatry ny mifangaro kely hakiviana ihany anefa (desespoir) koa izay no nanosika aho hanoratra. Mba hankahery.

Satria efa mia-maro ny olona eny Ambohijatovo, dia izay no hanararaotana hanentanana ireo izay mivily lalana. Ireo izay miantso hoe : "doroy ny viva", na ireo izay hoatr'io olomboafidy noteneninao io. Teny tsy mendrika ny tolona tokoa ireny ary ireny teny ireny no nahatonga ny olona hidina an-dalambe.

Aza kivy fa tsy maintsy manjaka ny rariny

Nampidirin'i mpandalo @ 08:48, 2009-03-30 [Valio]

tandremo

Mamaky aho hoe mikasa hitarika ny vahoaka ho eny Ambotsirohitra ny mpitarika an'Ambohijatovo (tao @ midi izy izay raha tsy diso aho). Ahoana no hanasakanana izany satria tena ampy, ampy, aoka izay mihitsy ny ra mandriaka !

Fa tena mba tonga saina re olona tsy ho atao fitaovana intsony e !

Ny tsara t@ Ambohijatovo anie dia ilay hoe olona samy tonga hijoro hanohatra ny tsy ara-dalana e. Ny diabe mananika lapa indray efa zavatra hafa.

Tsy manan-jo mihitsy hitabataba ny eo ambohijatovo raha ny nataon'ireo toerin'ireo ihany no averiny atao.

Nampidirin'i Rondro @ 09:39, 2009-03-30 [Valio]

Izaho koa aloha tsy mankasitraka izany hoe ho eny Ambohitsorohitra izany e! ary maro ny olona no mahafantatra fa tsy tokony atao izany! fanimbana tolona ihany koa izany!

Nampidirin'i jentilisa @ 09:54, 2009-03-30 [Valio]

misaotra

fa ny mahavariana ahy dia ireo karazn'olona tsy mba manana analyse positive mihitsy! aiza ka lazaina fa tsy nisy fandrosoana mihitsy teto antanana nandritry izay 6 taonaizay,
misaotra mr RAZILY fa ny olona hoatra anao no ilain'ity firenena ity
dia mankahery ny vahoaka malagasy rehetra eh

Nampidirin'i Andry n'Iarivo @ 15:07, 2009-03-30 [Valio]

petition alefa any @ ONU

ho antsika izay tsy mankasitraka ny tsy ara drariny dia ity misy petition ho famerenana ny ara dalana
famerenana ny demokrasia
mandà tanteraka ny coup d'etat
dia misaotra mialoha ny fiaraha miasa ny tsirairay
aparitao @ manodidina anareo rehetra mitovy hevitra aminareo
http://www.ipetitions.com/petition/dago-fitakiana09/

Nampidirin'i mpitolona @ 15:17, 2009-03-30 [Valio]

Fozaorana

Ka efa hoe jereo eto

Nampidirin'i TGV & Cie @ 20:05, 2009-03-30 [Valio]
Hampiditra hevitra

E-mail me when comments occur on this article
Momba ahy
jentilisa

Vasoky ny tambajotra sosialy tahaka ny Facebook,Twitter sy ny karazany ny blaogy amin'izao fotoana. Mora miely vetivety ny hevitra sy izay voasoratra amin'ireo sehatra ireo.

Misy lafiny iray anefa tsy ahavoazan'izy ireo mihitsy ny blaogy dia ny fitehirizana.Rehefa karohina ny vontoaty iray dia sarotra hita kokoa ny vokatry ny fitadiavana avy amin'ireo tambajotra sosialy ireo.Izay lafiny izay no tsy maharesy tondromaso ny blaogy satria mora hita kokoa ny vontoatiny rehefa karohina amin'ny alalan'ny mili-pitadiavana.

Momba ny eto manokana indray, tsy hianona intsony amin'ny vaovao eto an-toerana aho fa hisokatra kokoa amin'ny manerantany, na amin'ny sehatra ankapobeny. Hosoratana avokoa na eritreritra sendra nandalo na revin-gadra, na fanehoan-kevitra mety hanafintohina ny mpamaky. Mety ho tezitra ianao amin'izay voasoratra nefa ny hisokafan'ny saina handinika sy hamakafaka ary handanjalanja no tena kinasa ambadiky ny lahatsoratra. Ka mazotoa daholo ary ny hevitra anie no hiady fa tsy isika no hifandramatra!

calendar
« Mey 2019 »
Ah At Ta Ar Ak Zo As
      1 2 3 4
5 6 7 8 9 10 11
12 13 14 15 16 17 18
19 20 21 22 23 24 25
26 27 28 29 30 31  
Tahiry
Credits
LifeType IE7 XHTML CSS Firefox