« | »

Nahariharin'ny karatra

2009-03-31 @ 04:55 in Politika

Nitamberina tany amin'ny fitantarako tamin'ny faraparan'ny volana janoary indray ny saiko rehefa mahita ny zavatra ankehitriny. Nanao famorian'olona ny mpanohana ny TGV ny sabotsy 24 janoary 2009, feno ny kianjan'ny demaokrasia (ilay ilany natokana hivoriana io). Nidina avy hatrany teny amin'ny kianjan'ny 13 mey ry zareo satria heveriny fa manana ny tanjaka amin'izay. Namaly izany tamin'ny alalan'ny fitsenana avy eny Ivato ny mpanohana an-dRavalomanana ny alahady 25 janoary 2009. Tamin'io fotoana io tsy nety nino izay nitantarana fa efa misy ny andian'olona natao hanakorontana sy hifandramatra tamin'ny mpanohana ny fitondrana tamin'izany fotoana izany. Teo ireo ankizy kely tsy mahalala izay hahafaty azy fa teo ihany koa ireo tena jiolahimboto manana sandry vonona ny hifampitana mihitsy amin'ny mpitandro ny filaminana mpiaro ny filoha. Nahavakisana fitaratra mihitsy ny fiara mpanaraka ny filoham-pirenena tamin'izany fotoana izany, ary nopotehina ny tetezana fiampitan'olona maomaorina kely izany nesorina tanteraka tsy ho hita intsony amin'izao fotoana anoratana izao (31 martsa 2009). Tonga ny alatsinainy 26 janoary 2009, ilay andro anisan'ny matroka indrindra tamin'ny tantaran'Iarivo sy Madagasikara, niditra tamin'ny lalao maloto tanteraka ny TGV, tamin'ny fandoroana ny RNM, TVM, MBS, Magro, ny foiben'ny TIM, nitohy izany fandrobana sy fandoroana izany ny talata 27 janoary 2009. Mbola nisy ihany ny nahasahy niteny ihany fa Ravalomanana no nampaniraka ny olona handoro ireo fananany sy fananam-panjakana ireo na dia efa mazava taminay aza fa heverina ho "Fahavalo" tanteraka ny filoha tamin'izany fotoana izany. Tokony ho nahatsapa kosa ny filoha tamin'izany fotoana izany fa efa tsy voafehiny intsony ny tafika fa manao izay tiany atao fotsiny, nandà ny hisambotra ireo olona mandoro trano ireo. Ny mpamonjy trano hay koa moa efa nahazo baiko ny tsy hamono ny afo velively. Nanomboka tamin'io fotoana io dia nisy hatrany ny fandrobana isaky ny mirava ny fivoriana eo amin'ny kianjan'ny 13 mey.

Ankehitriny indray, efa hitan'ny rehetra eto Antananarivo, ireo olona voakarama na sivily na miaramila na polisy natao hamotika ny hetsika hamerenana ny ara-dalàna, satria hono hialana amin'ny fandrobana sy fanimbana fananan'olona sy manakana ny varotra tsy handeha. Tamin'ny sabotsy 28 marsa 2009 rehefa teny amin'ny toeran'ny mpitana hazo sy vato ary vy aho dia hitako fa tsy nandefasana baomba mpandatsa-dranomaso, na baomba mankarenin-tsofina mihitsy ny "mpiaro ny kianjan'ny 13 mey" afa-tsy indray mandeha teny amin'ny tokontany tsy misy olona. Ny tery amin'ny olona midina tsotra anefa feno dia feno ny baomba mpandatsa-dranomaso sy mankarenin-tsofina nalefa taminy saingy tsy nihontsona ireo olona ireo ka efa nahakivy ambony ihany ireo tety amin'ny ilany mpisetrasetra. Tifi-danitra sy tifitra nikendrena olona vao nampihemotra ireo vahoaka betsaka noho izay voangon'ny TGV fony izy nanao fihetsiketsehana farany teo Ambohijatovo ireo. Ny baomba sy ny tifitra tamin'io fotoana io tany amin'ny olona nidina avy teny Ambohijatovo ihany fa mitady hametraka tantara diso ny gazety Ao raha sy l'express de madagascar (izay an'i Edgar Razafindravaha malaza ihany koa amin'ny fanaova-mofo nolazain'ny mpitondra jiolahimboto fa hampidina ny vidin'ny mofo dipaina) hoe samy nahazo anjara betsabetsaka avokoa na Ambohijatovo na 13 mey. Tsara angamba ny manasongadina fa tamin'ity fotoana ity no nisy fifamaliana voalohany ny teo amin'ny tafika sy ny polisy, tsy nanaiky ny hitifitra olona manko ny polisy ka nahatezitra ny tao amin'ny Capsat izany. Lasa namonjy ny tobiny moa ireo polisy ireo avy eo... samy manana ny baiko azony manko ny vondrona fa tsy iraisana toy ny tamin'ny andron'ny Emmo Nat intsony baiko.

Omaly alatsinainy indray, mody tsy nipoitra intsony ireo mpitandro ny filaminana manao fanamiana fa "sivily" ihany no vonona hiaro ny kianjan'ny 13 mey. Nahazo henatra lehibe noho izay nataon-d"Razily" sy ny namany angamba ka naleo niova paika. Maro amin'ireo "sivily" ireo anefa no manana basy (kalachnikov) somary nanapahana mba ho mora afenina kokoa ilay fitaovam-piadiana. Nataony mihitsy izay hihantsiana ny olona hidina eny amin'ny kianjan'ny 13 mey mba hoe ny samy sivily no nifandona nefa dia nandrenesana feom-basy maro tao. Efa mailo dia mailo anefa ny mpitarika ny hetsika ho amin'ny famerenana ny ara-dalàna ka namepetra mafy ny mpiara-dia aminy, na dia misy tokoa aza ny tsy nanaiky izany baiko tsy handalo mihitsy ny kianjan'ny 13 mey izany fa hitady lalan-kafa hodiana na hamonjena asa. Efa nisy miaramilan'ny capsat nanao fitafian'olo-tsotra rahateo tao anatin'ny mpanao fihetsiketsehana. Reny mazava loatra ny fameperana ka dia ry zareo Capsat nanao fanamiana sivily sy ireo voakaraman'ny mpanao politika hitoratoraka indray no hanafika an'Ambohijatovo ka efa tonga teo anoloan'ny RM1, tsy atahorany hivoaka satria namana mahafatra-po tamin'ny tifitra nataony ny sabotsy lasa teo moa ny lohany tamin-dry zareo. Hatreo, mbola sarotra ny hamoaka ireo basy nafenina satria mbola voavaka tsara ny mpanohana ny andaniny sy ny ankilany. Azo lazaina kosa aloha eto fa efa manakaiky ny arivo any ho any ireto sivily vonona ny handrava tolona ireto.

Dia nanao fanambarana ihany koa ireo "gadra politika" navoaka fa hamory olona eo amin'ny kianjan'Ambohijatovo anio talata 31 marsa 2009. Efa nisy rahateo moa ny filazana nataon'ny fiadidiana ny tanànan'Antananarivo fa tsy maintsy maka alalana indray vao mahazo mamory olona eo Ambohijatovo, izany hoe azo atao noho izany ny mandà ny fangatahana... paika entina handravana ny tolona avokoa moa izany. Mba hitandroana ny filaminana sy hialana amin'ny gidragidra moa dia naleon'ny mpitolona hamerenana ny ara-dalàna mandefitra amin'ity andro ity. Tsy maninona mety hisesisesy ny hetsika ataon'ny mpanohana ny tetezamita fa hahariharin'ny karatra ihany avy eo ny zavatra rehetra. Niaiky moa ny Minisitra tetezamita amin'ny filaminana anatiny fa tena samihafa tokoa ny tolona nataon'ny teo aloha sy ny ankehitriny na dia navadiny aza ny resaka avy eo. Efa tolona hafa mihitsy noho izany ny ady amin'ny fandefasan-dainga asesisesin'ny mpitondra tetezamita sy ny mpanara-dia azy amin'izao fotoana izao. Efa mibolistra tanteraka ny mpitondra ankehitriny... lainga indray ny afafiny nefa tsy ekena izany fa tsy maintsy haharihary ny marina.



Jentilisa, talata 31 marsa 2009 tamin'ny 06:55 maraina


Hevitra

Nahariharin'ny karatra

mangina lesy ely ry ialy adala ity a!

Nampidirin'i nalirakopo @ 08:33, 2009-03-31 [Valio]

Nahariharin'ny karatra

mangina lesy ely ry ialy adala ity a!

Nampidirin'i nalirakopo @ 08:33, 2009-03-31 [Valio]

Nahariharin'ny karatra

mangina lesy ely ry ialy adala ity a!

Nampidirin'i nalirakopo @ 08:33, 2009-03-31 [Valio]

Nahariharin'ny karatra

mangina lesy ely ry ialy adala ity a!

Nampidirin'i nalirakopo @ 08:33, 2009-03-31 [Valio]

Nahariharin'ny karatra

mangina lesy ely ry ialy adala ity a!

Nampidirin'i nalirakopo @ 08:33, 2009-03-31 [Valio]

Oadray! lasa adala ve? fa tsy hainareo ve ny fahalalaham-pitenenana indrindra fa hoe tsy zakanareo ve ny marina e

Nampidirin'i jentilisa @ 08:57, 2009-03-31 [Valio]

Nahariharin'ny karatra

tsy hoe akory hoe malalaka dia hanampatra ny hadalana daholo, ny omby ary tsy manao an'ny izany

Nampidirin'i nalirakopo @ 09:01, 2009-03-31 [Valio]

aleo tsy mifamaly amina adala

Fahendrena ny tsy mamaly na miady amin'adala toa an'itony. Mampalahelo ny olona tahak'itony ka mendrika iantrana na torona hevitra

Nampidirin'i Tsimiova @ 09:19, 2009-03-31 [Valio]

Izao ilay DEMOKRASIA nodradradraina efa hatramin'ny 13 dec 2008 fa ampanjakaina eto Mcar. Izay miteny sy miseho manao manifestation dia vonoina. Merci TGV, kely sisa dia ho tonga ny PARADISA TGV, iadana daholo ny Malagasy rehetra tsy hisy intsony ny MAHANTRA ho afaka ny LOZA rehetra, tsy mbola hisy fiadanana ohatra izany.

Saika adinoko ho amidy @ FRANTSAY i Mcar MALALANTSIKA ity.

Nampidirin'i Solo @ 11:05, 2009-03-31 [Valio]

tsy maintsy nalefa in-5 ve ny hafatr'i nalirakopo? :)

Nampidirin'i simp @ 11:20, 2009-03-31 [Valio]

ho any nalirakopo

mankarary ve lay verite ry nalirakopo? atao ahoana fa ny marina ange tsy mba maty zany e!
Nampidirin'i mpitolona @ 13:52, 2009-03-31 [Valio]

Sao de mba ny mpanoratra mihintsy no mpandainga e?.aleo izy hanoy ny tolona fa ny anay efa vita!
Nampidirin'i mia @ 14:32, 2009-03-31 [Valio]

hono ho aho ?

Fa voatery tsy maintsy eo Ambohijatovo ve no mivory ? Fampisehoan-kery ny filaharana eny Ambohijatovo (demonstration de force) efa hitan-dry zareo iny hoe inona no miandry azy. Hita-poko, hitam-pirenena re erak'izao tontolo izao.
Noho izany, tsy tokony hiakatra dingana vaovao @ zay v raha hitolona ihany ?
Mitady tetika hafa ( immobilisation de la machine administrative ohatra : fandresen-dahatra ny fonctionnaire rehetra, ... hevitra atsipy)
Fantatra izao ny fomba fanaony : fampiorohorona, adin'ny be sandry. Noho izany, tsara raha mampiasa saina mba hamaliana azy.
Marihiko eto fa tsy mankasitraka ny HAT aho ary tsy anisan'ireo maniry ny hiverenan'ny filoha teo aloha.
Mitady vahaolana kosa aho mba hirodanan'io fitondrana izay tsy ara-dalana io ary mirary sy manantena haneho ny hevitro amin'ny alalan'ny fifidianana.

Nampidirin'i Rondro @ 17:11, 2009-03-31 [Valio]

Asio Ville Morte eh

Asio Ville Morte, dia foano aza misy miasa sy mianatra mihintsy aloha

Nampidirin'i Sombila @ 20:52, 2009-03-31 [Valio]

RY mpitolona

verité angaha??? ny marina tsy mba maty marina dia ireny efa hitantsika rehetra ireny ny fandehany, ny marina mivoaka eny ihany na nohezahana nototofana sy narirarira aza!

Nampidirin'i nalirakopo @ 21:42, 2009-03-31 [Valio]

ô ry sombila

sao dia hianareo no ho mort eo ka villemorte a villemorte, maninona raha tonga dia mamono tena???

Nampidirin'i nalirakopo @ 21:45, 2009-03-31 [Valio]

marina ny an'i Rondro sy Sombila

Efa déjà vu tsy handaitra afa-tsy ho an'ny mpamono olona fotsiny intsony ny fihaonana eny Ambohijatovo fa efa tokony hanao dingana manaraka, ka anisan'izany ny hoe ville morte, sady hilamintsaina kokoa ny olona any an-tranony no hiahaka eo ny manao tanàna velona fa mitsipozipozy. Ny hoe samy hitokona any @ toeram-piasanany mantsy tsy azo sainina satria hanjaka ny fampiorohorona, koa fidio ny ville morte e!akatso ny machine administrative!
Ary raha efa manomboka misitaka amin'ny capsat izany koa ary ny polisy, misy fanantenana ny aminy tsy ho ela!

Nampidirin'i gasi @ 22:47, 2009-03-31 [Valio]

mahafinaritra i nalirakopo ka!

izao no fankahalana nefa dia raikitra mibanjina ny takelaka eto ary liana amin'izay ifampiresahana!manaova adi-hevitra misy hanorenana raha hendry! omeo soson-kevitra matotra fa samy malagasy hiara-hiaina eto foana ihany. Tsy misy tombontsoa an'iza n'iza ny hampisaraka ny malagasy ka jereo amin'ny saina tsy miangatra ny toe-javatra dia sokafy amin'ny fitiavana ny fo, ho finaritra kokoa noho izao romotra lava izao ianao!
Dia tafandria mandry, tandremo ny fo tezitra hampivandravandra maso fotsiny eo!

Nampidirin'i gasi @ 22:53, 2009-03-31 [Valio]

OK ra-gasy

misimisia ny mala-gasy ohatranao dia mba hanampanatenana ity madagasikara malalan-tsika ity
Nampidirin'i nalirakopo @ 08:09, 2009-04-01 [Valio]

OK ra-gasy

marina ny anao ra-gasy, misimisia ny mala-gasy ohatranao dia mba hanampanantenana ity nosy malalantsika ity

Nampidirin'i nalirakopo @ 08:15, 2009-04-01 [Valio]

Ry Malagasy

Fifidianana ihany no tena demokrasia !!

Nampidirin'i Blouma @ 15:08, 2009-04-01 [Valio]

Jentilisa aaaaa!

Mitsangàna dia kopahy ny vovoka amin'ny akanjo sy amin'ny pataloha rehetra! Mijoroa dia mifoha rivotra tsara!
Dia jereo ito (raha mbola tsy hitanareo):
http://nymarinatsymaty.over-blog.com/article-29741979-6.html#anchorComment

Nampidirin'i gasi @ 16:33, 2009-04-01 [Valio]

gasi

enga anie fotsiny mba tsy ho poisson d'avril!

Nampidirin'i gasi @ 16:38, 2009-04-01 [Valio]

Aradalàna marina ve?

Aza dia mandray antendrony ihany oa fa lasa mapme be,avadibadio impito ny lela ary saino kely izay zavatra tenenina fa lasa manalabaraka tena fotsiny,ary tsy mety @ resaka politika ny fanatisme.Mahaiza ary mianara mandinika;Volaohany fametavetana eo anatrehan' Andriamanitra ny fidirana'ny pasitera sy ny lehiben'ny mpisorona @ resaka politika,mahamenatra satria pasitera dia mahavita mandainga.Ny tena marina ny FJKM dia manompo ary manohana mpamono olona sy mpanompo sampy ary president mpanao pacte @ DEVOLY,tsy izany anefa no nifidianan'Andriamanitra ny pasitera fa hitory ny tenin'Atra ihany.Faharoa,Ny FJKM dia manohana tokoa sy manaiky ny famonoana,fandripahana ary fandatsahan-drà(Mety misy soratra ve ao @ baiboly manome HALALANA HOE MAMONOA OLONA),ny FJKM ihany koa dia manaiky sy mankatoa ny fanjakàna jadona,ny fangalàna ankeriny ny fanana kelin'ny gasy mahantra,ny monopolisation sy ny maro tsy voatanisa...manginy fotsiny ny rà latsaka sy ny famonoana ary fanagadràna amin'ny tsy rariny.Izany rehetra izany dia tohanan'ny FJKM sy ny kely saina izay milaza fa miaro ny ara-dalàna.Eny mety ho ara-dalàna tokoa ngamba ireny rehetra voatanisako ireny mdddrrrr."Havereno hono dadanay" Ye,marina tokoa izany;"HAVERENO HIDITRA ETO MADA DADARABE MPAMOSAVY NO SADY MPILALAO ODY MAHERY HO GADRAINA FA MIANDRY AZY NY TOERANY ANY TSIFAHY"mddrrrrr.Farany,tsarovy fa Tananarivo dia tsy Madagasikara,ka ianareo TIM kely mpiaro ny tombotsohan'olon-tokana ireo no milaza fa tompon'ny fahefana,sady mpamono olona no mpampihorohoro no mpamosavy......

Nampidirin'i Cesar @ 19:51, 2009-04-01 [Valio]

Aiza dadanay

Tokony mba tsy sakanana kosa ranga ireo TIM mpiaro ny ara-dalàna mitokona ao ambohijatovo a!! Marina e,Avelao izahay higirevy fa izahay dia manohana @ fo madio an'i DADANAY Ravalomanana.Avelao ra8 hiverina eto miaraka @ sadec mba hamono olona bebe kokoa fa tsy ampy ny sorona vita hatramin'izay!!Ara-dalàna aminay ny fandripahana malagasy mitovy rà amiko,fanaovana jadona,fanangonana harena ho an ravalo samirery,ny fividianana Air force one ho an'ny MALAGASY rehetra(atonona ny malagasy rehetra hono no antony nividianana air force1),ny fanafenana ny fatin'ireo maty teny ambotsirohitra...Ireo rehetra ireo no ara-dalana ka mba avelao ranga ny TIM sy ireo milaza ho mpiaro ny ara-dalana izay voalaza etsy ambony mba hitokona eo ambohijatovo a,miaraka @ ireo pasitera maromaro sy ireo very fihinanana t@ andronravalo ireo,indrindra ireo depuT very 60 million par mois hihihi!!Avelao ry zareo hiditra am dingana manaraka marina fa vita izay nyu famonoana olona ka hiditra am zavatra mahery vaika kokoa.
Nampidirin'i gasygas @ 21:26, 2009-04-01 [Valio]

Ary ny Katolika sy TGV mba inona ry Cesar

Tady fatoram-bavahady no nodorana dia lazaina fa sampy, sary tanimanga haingon-tokotany no nolazaina fa fitompoana dia noravana. Nefa ireto mpiandry aza mpanompo sikidy no betsaka. Iza no nandoro ny olona tamin'ny fandravana tsena? nahoana ny Katolika no tsy nanameloka ireny na ny famonoana teny Ambohijatovo? Sa dia mikipy ny maso ary mandry ny heritreritra rehefa ny tiana no mamono olona sy mandatsaka aina? Aleo ho samy eto fa ny tantara no hitsara, ary Atra tsy andrin'ny Katolika andrinay ihany.
Nampidirin'i Malagasy Mijoro @ 21:46, 2009-04-01 [Valio]

Ntsoooo!!! Ry Malagasy mijoro hahaha

Tsy manavaka antokom-pinoana ra malagasy mijoro io voalaza eto ambony io a,na katolika na protestant,fa ny tena hita mivandravandra izao dia ny fidiran'ny pasitera sy ny lehiben'ny fiangonana lalina ao anaty politika(Mbola marihiko etoana fa FAMETAVETANA LEHIBE EO ANATREHAN'ANDRIAMANITRA NY FIDIRAN'NY MPITONDRA FIANGONANA @ RESAKA POLITIKA)Aiza ranga ty ka hatreo ambony alitara mitory teny avy no manao propagande ny pasiteranay ao @ fjkm Ankadifotsy fa tokony ravalo ihany no tohanana satry hono ravalo protestant sady vis president an fjkm(Le vis president de l'FJKM est un assassin)Mampalahelo sady mahamenatra.Miaro ny aradalana ve ireo mpitokona tim teo ambohijatovo? hahaha,non mitokona izy ireo mba hiverenan'ny mpamono olona indray eo @ teorany,hiverenan'ny didy jadona sy ny systeme monopole eto indray.Tsoriko aminao fa Protestant ny tenako ry Malagasy Mijoro a,fa izay no teniko,aza mody ny anaran'Andrimanitra fona no tonon lisany fa manimbazimba,ra8 isaky ny avy mamono olona de mody Andrimanitra fona no antsoina!!!Mampihomehy...Andrimanitra oa tsy niteny ary tsy ahitana teny ao am baiboly hoe mamonoa olona,ny mifanohitra aza no misy ao am didy folo hoe aza mamono olona...NB:aza manonontonompoana ny Anaran Atra rehefa avy mandripaka sy mamono olona fa vome hokapohina mafy @ izany......Miatsara velatsihy fotsiny.Ny fjkm oa manompo olona sady miaro ny ara-dalàna(Ara-dalàna hono izany ny fanaovana abut de pouvoir,egoisme pousser à l'extreme,famonoana olona,fanompoantsampy,fanaovana bodongerina ny fanan'ny hafa,fandikana ny lalampanorenana 15 be izao,fanangonan-karena ho azy samirery ny haren'ny Magadasikara,sady mpivarotra tanindrazana)ireo izany no lazaina fa hoe ara-dalàna tokony tohanana hatrany.haha aoka izay so be loatra ka misy tapaka lalan-dra eo.NB:ary aleo hazava ny resaka fa tsy ny TANTARA no hitsara fa ANDRIAMANITRA tsy tia ratsy.Lehiben'ny FJKM marina aza mahavita mandainga imasom-bahoaka teo mahamasina,Hivavaka ho an'ny tanindrazana a tanindrazana nefa ny tena marina lavage de cerveau no natao tao

Nampidirin'i gasygas @ 07:45, 2009-04-02 [Valio]

mpandalo

Mbola ampian'ny filoha teo aloha ihany ve ny erreurs ataony ? Télécommander-na ny aty an-tanana ary baikoina amin'ny alalan'ny fitaka ny olona avy any ivelany hanani-bohitra.
"Norahonana tamin'ny basy aho, dia nitsoaka ny vady aman-janako (Maika) tany anaty ala. Voatery nitsoaka aho nanavotr'aina".
Dia jereo tsara ny lojika raha toa manao reconstitution toy ny fomban'ny polisy :
- Raha voambana basy ve Ra8 dia ho tafavoaka teto Madagasikara fa tsy ohatra hoe notazonina tany amina toerana iray. Ka tsy hisy feo mihitsy avy eo ho heno hoe any Swaziland Ra8. Tsy possible ny hoe avy voambana basy ianao dia nitsoaka nandray avion fa ny tananao roa no nampakarina ambony

Nampidirin'i mapme @ 08:00, 2009-04-02 [Valio]

nambanana basy

Na inona na inona filazan'ny filoha Ravalomanana dia efa vonona hamono azy ireo miaramila, tsy nisy nahafantara izay fandehany toa anie e! ny hoe ambanana basy dia tsy midika velively hoe atohoka eo amin'ny loahany fa efa nilaza ny teo @ 13 mai tamin'ireny hoe ho avy haka anao eny izahay na koa nony avy eo hoe "hanadio" ny eny!!!! ka ny marina dia ny teti-dratsy ataon'ireto biby tsy mivadi-trovana ireto.n Mba malagasy ihany ianao izay manaratsy ny Filoha io ary izay no mahagaga fa dia manana hevitra maramara

Nampidirin'i Tsimiova @ 10:39, 2009-04-02 [Valio]

Taomy ny olona tsy hiangona any amin'ny Katolika

Fa tena mandreraka be ity fihetsiky ny Katolika manohana Dahalo sy mpamono olona ity

Nampidirin'i Sombila @ 15:02, 2009-04-02 [Valio]

Mila vaovao

Miarahaba anao Jentilisa,

Mba mila ny adiresy e-mail-nao aho hifampiresahansika manokana fa tsy eto amin'ny tsenabe eto, na mandefasa hafatra ao amin'ny serasera an'i Rao

Misaotra betsaka.

Nampidirin'i RAHERIARIVELO @ 18:15, 2009-04-02 [Valio]

hoy i Vanf

Teny ierana, teny ifanomezana
Hoy Nasolo-Valiavo Andriamihaja


Ireny, fito taona, tsy hita anarina, tsy hay atoro. Ireny, tapa-bolana « Dieny mbola fotoana » (1), natao avokoa ny ala-nenina satria hoe « taiza lehiroa ka tsy foy » (2). Saingy, mahagaga fa dia « Andriamatoa mihanta tokoa ny ditra » (3).
Tampi-dalan-kaleha mantsy ankehitriny ilay sokina niezaka nanani-bato ka midradradradra hoe mifona ka vonjeo. Tara loatra, Baina a. Impiry impiry, ireo tsy mba nanoro vohana no nanao tsilian-tsofina na nanipy teny fa dia nodian-tsy hita no sady nodian-tsy fantatra avokoa izany rehetra izany. Ankehitriny kosa aza, alohalika ve ny ranombary vao hoe nankaiza ny olon-tety ?
Mampi-te-hidera ireo vahoaka etsy Ambohijatovo. Tsy ny naman-dry zareo gadra « politika » akory, fa ireo olona tsotra naneho avy hatrany ny tsy fankasitrahany ity hoe fitondrana tetezamita ity, ary tsy niandry ela fa ny andron’ny lanonana teny Mahamasina ihany. Fa naninona loatra aza no tsy haingana dia haingana tahaka izany dia niala tamin’ny hoe « minoa fotsiny ihany » fa nandrasana hamoa-tsampona vao alana ondrana ?
Tsy latsa fa ontsa. Nalahelo aho nahita an-dRavalomanana nandefindefi-pitenenana : tsy mba toy ireny hatrany moa niresaka tamin-dry Kardinaly, tamin-dry Jeneraly, tamin-dry Rakoto-Rabe-Rafaly… Lehilahy anie izany raha tonga teo amin’ny fitondrana ! « Mety ve, Hay ve, vita ve ? » Nataony daholo izao tsy fanao rehetra izao. Nataony ambany ambony ny laharam-pizokiana teo amin’ny Tafika ; nataony ialahy daholo ny Raiamandreny ; nataony am-pihi-mamba ny Antenimierampirenena, ny Antenimierandoholona, ny Antenimieram-barotra. Tsy misy tsy nahitana azy, na nifanenana taminy, na ny raharaham-piangonana, na ny fanaovan-gazety, na ny fandraharahana. « Tompony » tokoa, araka ilay fiteny !
Nisy kosa ny zava-bita raha ny fito taona no oharina amin’ny roapolo taona nialoha azy : « Tohizo ny lalantsika ». Nivarina an-kady anefa izy ity. Maika loatra tsy nahalala honiny, nanaram-po, nanao izay danin’ny kibo. Nantenain-ka hanirina anie izany olona izany raha ny vavabavaky ny sasany taminy tamin’ny 2002 ! Andriamanitra hita maso no fetra, ka atao anie ny sitrakao, ary manaraha amin’izay anao !
Tsy misy, na dia Gasy iray aza, ka tokony ho faty an-tsesintany lavitra ny tanindrazana. Fihavanana inona tokoa moa no ho eo raha tsy mandray anjara avokoa izy telolahy filohan’ny Repoblika mbola tratra antso satria velona aina ? Vonona amin’izany anefa ve, na ny « Betsimiteny », na ny kianjan’ny 13-Mey, na ny kianjan’Ambohijatovo ? Ampodiana Ratsiraka, asaina hiverina an-tanindrazana Ravalomanana, Zafy moa efa eo rahateo. Dia miresaka, mifanakalo traikefa, mifampitsikera, mifandresy lahatra, mifanitsy. Izany mantsy ilay demokrasian’ny ady hevitra, teny ierana ary teny ifanomezana.

Nampidirin'i mpandalo @ 19:02, 2009-04-02 [Valio]
Hampiditra hevitra

E-mail me when comments occur on this article
Momba ahy
jentilisa

Vasoky ny tambajotra sosialy tahaka ny Facebook,Twitter sy ny karazany ny blaogy amin'izao fotoana. Mora miely vetivety ny hevitra sy izay voasoratra amin'ireo sehatra ireo.

Misy lafiny iray anefa tsy ahavoazan'izy ireo mihitsy ny blaogy dia ny fitehirizana.Rehefa karohina ny vontoaty iray dia sarotra hita kokoa ny vokatry ny fitadiavana avy amin'ireo tambajotra sosialy ireo.Izay lafiny izay no tsy maharesy tondromaso ny blaogy satria mora hita kokoa ny vontoatiny rehefa karohina amin'ny alalan'ny mili-pitadiavana.

Momba ny eto manokana indray, tsy hianona intsony amin'ny vaovao eto an-toerana aho fa hisokatra kokoa amin'ny manerantany, na amin'ny sehatra ankapobeny. Hosoratana avokoa na eritreritra sendra nandalo na revin-gadra, na fanehoan-kevitra mety hanafintohina ny mpamaky. Mety ho tezitra ianao amin'izay voasoratra nefa ny hisokafan'ny saina handinika sy hamakafaka ary handanjalanja no tena kinasa ambadiky ny lahatsoratra. Ka mazotoa daholo ary ny hevitra anie no hiady fa tsy isika no hifandramatra!

calendar
« Mey 2019 »
Ah At Ta Ar Ak Zo As
      1 2 3 4
5 6 7 8 9 10 11
12 13 14 15 16 17 18
19 20 21 22 23 24 25
26 27 28 29 30 31  
Tahiry
Credits
LifeType IE7 XHTML CSS Firefox