« | »

Miditra dingana faharoa ny hetsika fitsipahana ny fanonganam-panjakana

2009-04-18 @ 21:56 in Politika

Hiezaka mandrakariva aho ny hanafohy araka izay tratra ny zavatra soratana etoana. Araka ny hita taratra tokoa dia miditra amin'ny dingana faharoa tokoa ny hetsika fitsipahana ny fanonganam-panjakana sy ny famerenana ny ara-dalàna eto Antananarivo. Somary mampihomehy ihany ny toe-draharaha raha mahita ny fomba filazan'ny sasany. Misy dia misy tokoa ny sorena amin'ity hetsika eny Ambohijatovo ity. Samy manana ny sainy moa ka tsy anomezako ny tsiny ny sasany loatra.

Nanaraka ny dia nataon'ny vehivavy 'mpankasitraka ny ara-dalàna' nanao sit-in teo anoloan'ny HCC Ambohidahy aho tamin'ny alakamisy 16 avrily 2009. Tena nahafinaritra ny nijery azy ireo tamin'ny akanjo fotsy. Ny hitako aloha no ambarako fa tsy mijery izay lazain'ny olona hafa any aho. Feno tsara ny arabe manomboka eo anoloan'ny 'alliance française' taloha sy ambadiky ny pergola Antaninarenina mandra-pahatonga ery anoloan'ny tohatohabato miakatra mankany amin'ny foiben'ny arema taloha sy ny foiben'ny PSD lasa PSM ary lasa tranon'ny Minisitera iny. Tokony ho naharitra ora iray sy sasany teo no nipetrahan'ny dry zareo teo amin'io toerana io. Nihira hiram-pivavahana ry zareo nandritra ny fipetrahana teny. Avy eo moa dia hitako avy any i Manandafy (izay notendrena ampahibemaso ho praiminisitra afaka ora roa taty aoriana) sy Olivier Rakotovazaha narahina Komandà sy Kolonely manao beret maintso niala avy tao anaty fiara iray. Nanofahofa tanana moa izy taorian'izay ary noraisin'ny vehivavy tao anatin'ny horaka ihany koa.

Araka ny tsilia-tsofina, ny tena nanaovana io sit-in teo anoloan'ny HCC io dia ny hakan'ny mpikambana ao amin'ny SADC sary ny vehivavy miaraka amin'ny voninkazo ka hampita ny sary any amin'izay tiany handefasana azy any (mety ho tahaka izany ihany koa ny niafaran'ny fandehanan'ny mpanao fihetsiketsehana teny Anoloan'ny Hotel Carlton Anosy androany sabotsy 18 avrily 2009 iny ary nahavoriana olona maro tokoa). Ny tena nahavariana tamin'ity tranga androany maraina teny Anosy ity dia ny fotoana nahatongavan'ireo mpitandro ny filaminana izay maifanakaiky amin'ny nahatongavan'ny masoivoho frantsay, izay tsy fantatra na efa nanoloatra ny taratasy maha-masoivoho azy na tsia aloha hatramin'izao, ary hiteraha ahiahy amin'ny olona mandrakariva.

Raha mamaky ny gazety isika dia efa tamin'ny zoma 10 avrily 2009 no efa nanendrena ny Praiminisitra Manandafy Rakotonirina. Hitantsika anefa fa ny alakamisy 16 avrily 2009 vao novakiana ampahibemaso io fanendrena nataon'ny filoha Ravalomanana io. Midika izany raha ny tokony ho izy fa efa namakafaka lalina ny amin'izay tokony hatao sy tokony hotandremana ny mpitarika ny hetsika vao namoaka iny taratasim-panendrena iny. Azo lazaina fa anisan'ny betsaka indrindra hatramin'izay ny olona tafavory teny Ambohijatovo tamin'io andron'ny alakamisy io satria dia tsy azo nipetrahana intsony ny kainja fa samy nitsangana nifanety ny olona rehetra teny anoloan'ny sehatra. marihina mandrakaria ho anareo izany tsy manatrimaso fa misy olona ihany koa, ary tsy vitsy, nomihaino ny kabary aty ambadiky ny sehatra aty ary mety mahatratra ny atsasaky ny olona  any anoloan'ny sehatra any aza.

Ny mampisalasala ahy dia ny nahasahian'i Manandafy niteny fa eny amin'ny Lapan'Andafiavaratra izy no handray ny masoivoho sy ny mpandraharaha ny ampitso zoma 17 avrily 2009. Nahagaga ihany io ka nahatonga ny eritreritra hoe efa an'ny mpanaraka ny ara-dalàna ve izany ny ao amin'ny OTME : Office de Transmission Militaire de l'Etat izay karazany miambina io tranom-bakoka io? Ny ampitso tokoa moa dia tena zandary sy miaramila be dia be tokoa no niambina ny toerana teny ka tsy nahafanahana nankeny. Efa nieritreritra mihitsy izahay tamin'io hoe hanafika ny any Andafivaratra izany ny ao amin'ny Capsat nefa tsy dia nahitana izany loatra moa. Mampanontany tena ihany noho izany ny antony nilazana mialoha ny toerana Andafiavaratra raha tsy azo akory ny tena nefa nitombo ny hagagako rehefa nahita ny filazana any amin'ny tranonkala hafa aho hoe "karakaraina fatratra handraisana an'i Manandafy ny eny Andafiavaratra hatry ny omaly (zoma)". Eo amin'ny sehatra ara-miaramila eto Madagasikara moa dia misy hatrany ny fanasavoritahana ny zava-misy mba tsy ahafahan'ny hafa mahafantatra izay tena paik'ady kobonina. Inona tokoa moa izany no tena nokendren'i Manandafy sy ny tariny tamin'ny fitenenana io toerana io?

Na izany na tsy izany dia nahavariana tokoa ny nahita ny karazana fisavoritahan'ny mpitandro ny filaminana ny andron'ny Zoma. Niteny manko ny Praiminisitry ny 'mpamerina ho amin'ny ara-dalàna' fa haterina any amin'ny toeram-piasany ny depiote sy ny senatera', ary dia be dia be ihany koa ny mpitandro ny filaminana nivezivezy nanerana an'iny Tsimbazaza iny. Tsy nametra fotoana na oviana na oviana anefa ny Praiminisitra raha nilaza izany. Hitantsika any amin'ny tranonkala hafa angamba ilay filazana nataon'ny HCC hoe tsy foana ny antenimiera roa tonta satria tsy nisy lalàna na fehezan-dalàna nametraka izany, noho izany dia mbola miasa ara-dalàna ireo antenimiera roa tonta ireo... namaly moa ny minsitry ny fitsarana HAT fa efa nesorina tamin'ny asany avokoa ireo mpikambana ao amin'ny HCC ireo. Midika izany fa narodan'ny HCC avokoa ny andrim-panjakana ara-dalàna rehetra teto Madagasikara. Fahadisoana lehibe izany nataony izany, matoa niezaka ny Praminisitra hamerina amin'ny asany ny depiote sy ny senatera dia ny ahafahany mahazo fankatoavana haingana amin'ny sehatra iraisam-pirenena... izay fihetsika izay no tsy mety eken'ny mpanongam-panjakana... nefa raha nanaiky ny mbola nijoroan'ireo izy dia mety ho haingana kokoa ny nahazoany fankatoavana amin'izay sehatra iraisam-pirenena izay. Fambara ihany koa izay fa mahay ny sehatra iraisam-pirenena tsara Manandafy sy ny mpitolona raha miezaka hanome lanja ireo depiote sy senatera naongan'ny HAT ireo. Raha mba takatry ny HAT manko izany...

Faramparany sahady, androany sabotsy 18 avrily 2009 moa no nandehanan'ny PHAT indray tany Toamasina. Efa nisy ihany moa ny nanamarika ny famoriana olona nataon'ny sasany ny zoma 17 avrily 2009 teny anoloan'ny tahaka Rarihasina (ex-rené depui). Gaga aho raha niala nialoha teny Ambohijatovo noho ny asa tsy maintsy vonjena, ka nandalo teo amin'io toerana voalaza io sy teny amin'ny kianjan'ny 13 mey nadiodio tanteraka teny fa tsy nahitana ireo mpitoratoraka ny 'mpanaraka ny ara-dalàna' nefa  ireny ankizy mpisisika mangataka aminao izay mandalo eny, sy tsy nahitana loatra ireny atahorana hanendaka ireny mihitsy tamin'ireo toerana ireo androany. Dia lasa ny saiko nanao hoe nentin'ny Jeneraly Alain Ramaroson tany Toamasina daholo angamba izy ireny mba hahita ranomasina sy ho ireo mafana fo anoloan'ny sehatra fikabariana indrindra any ary higidraka amin'izay olona mety ho sahisahy manaratsy an'i Andry Rajoelina any. Teo aho vao niaiky ihany koa fa mety homarina ihany ny filazan'ny solontenan'ny tany sambava nankaty Antananarivo hoe nandritra ny fandalovan'ny PHAT tany iny dia tena nahery dia nahery ny fandrobana sy ny fanendahana ary ny fampihorohoroana tany...

Farany, olona maromaro mihitsy no nilaza tamiko fa nandritra ny fodian'ny olona avy eny Ambohijatovo (ireo ramatoa lehibe maro dia maro angamba efa retirety tao amin'ny orinasa tiko ao raha ny fihevitry ny HAT no heverina) fa dia nihogahoga ny mpivarotra amoron-dalana hoe 'Aiza izao izay dada eo? aiza izao izay dada eo?' dia narahin'ny teny hoe 'hohanin'ny fozaorana i tenisany amin'ny alarobia izao'. Amin'ny alarobia manko no niteny i Alain Ramaroson fa hamory ny mpanohana ny 'tetezamita' rehetra ho eny Ambohijatovo. Angamba tsara miteny mialoha ny ny mpanao fihetsiketsehana eto Ambohijatovo hoe raha vao mandray an'Ambohijatovo ianareo dia horaisinay ny kianaj'ny 13 mey hihetsiketsehanay, inona re no hataon'ny jeneraly Alain Ramaroson? izaho mieritreritra hoe aleo entaina ho tonga maro dia maro ny rehetra amin'io alarobia io dia ho hita eo izay ataony e! handefitra lava eo ve? afaka mampivory ny mpanohana azy eo amin'ny kianjan'ny 13 mey anie ry zareo sady tsy hohelingelenin'ny mpitandro ny filaminana mihitsy e!



sabotsy 18 avrily 2009 amin'ny 23: 56

Hevitra

zao ny HCC vao tena latsain'ny karatra an
wain tanteraka!!

tsy efa manomboka tsapan'ny ol kosa ve ny tsiron'ny tgv kle :P

tara ee, tara loatra ee looollll

Nampidirin'i simp @ 00:11, 2009-04-19 [Valio]

Misaotra indray e!
Izaho koa aloha dia gaga sy talanjona t@ fahasahian'i Manandafy nilaza hoe hiantsona eny Andafiavaratra... fa izany hoe "mino fotsiny" aho fa fantany tsara izay ataony ary ao anatin'ny paika daholo izany koa dia miandry izay hitranga manaraka. Ilay hoe "niantso ny masoivoho sy ny mpandraharaha" hihaona taminy koa ohatry ny namofona Roindefo izany fa dia arahina eo ny fandehany.
Ny amin'ny vehivavy indray, dia vaky vava aho hoe fa dia mamono horonantsary kosa angamba ny akanjo fotsy anaovan'izy ireo fa zava-dehibe sy mahate-hidera toa ireny dia tsy misy "trace" na ny pitiny aza @ vaovao mba hita any ivelany! Izaho manomboka resy lahatra fa tena ireo mpanao gazety vahiny tsirairay mihitsy no mihevitra fa ny vaovao momba ny tgv ihany no mendrika harahina sy hampitaina fa tsy dia ny politikan'ny firenen'izy ireo loatra. Dia vao maika resy lahatra ihany koa aho hoe "isika malagasy ihany no afaka hanavotra antsika"!
Mahereza daholo e!

Nampidirin'i gasi @ 01:32, 2009-04-19 [Valio]

dadarabe rafahavalo

Zao e, ba fantareo mo hoe inona no tena tetika atodra-fahavalo(8) @io zvt atony mampisavoritaka io? 1- alo izy filoha nametrapialana ny dikan'izany de zao oe efa tsy manana fahefana intsony zany iny anendry adrakoto na Rabe ho praiministra, fa i manadafy no entiny akorotanana @zay mikorotana sy satri miady antrano sika malagaly de avy @zay ny casque bleu sy ny miaramilan'ny SADEC, Ingahy manandafy anie ka olona efa maty carrière e? iny anie ra ra-fahavalo(dadarabe) efa saika maty e, zay no mapifikitra azy eo @dadabare io fa ra ny sitrapony ve tsy efa nakany @HAT izy? Meritrereta re olona fa te ampiady civile anie dadarabe e, adinonareo sady aga ny faty olona be teny Antaninarenina iny, mbola ekenareo ve ny zvt aton-rafahavalo reetra zay efa fatatrareo ? na aradalana aza izy araky ny hevitrareo de efa nametrapialana izy ary tsy manapahefana tsony. Fa manakorotana fotsiny. Reo lazaina fa depioté sy senateur: reo anie le olona mbola saika nakamamy ny vola sy ny fahefana ary ny voninahitra e, kanjo tapaka tampoka de aleony alo miadry so ba tafaverina dray de azo 4x4. olna vofidy bola tsy tena ninana reo ka ba dinio iany ny zavamisy fa tsy zareo iany anei ny vahoaka eto fa ra manana an'io izy de mbola 4 fois na 5 fois an'ireo no manoana ny PHAT. Mbola ho avy eo za anoratra dray fa io alo sainotsaino. Veloma veti2 daolo e
Nampidirin'i piton @ 09:10, 2009-04-20 [Valio]
Hampiditra hevitra

E-mail me when comments occur on this article
Momba ahy
jentilisa

Vasoky ny tambajotra sosialy tahaka ny Facebook,Twitter sy ny karazany ny blaogy amin'izao fotoana. Mora miely vetivety ny hevitra sy izay voasoratra amin'ireo sehatra ireo.

Misy lafiny iray anefa tsy ahavoazan'izy ireo mihitsy ny blaogy dia ny fitehirizana.Rehefa karohina ny vontoaty iray dia sarotra hita kokoa ny vokatry ny fitadiavana avy amin'ireo tambajotra sosialy ireo.Izay lafiny izay no tsy maharesy tondromaso ny blaogy satria mora hita kokoa ny vontoatiny rehefa karohina amin'ny alalan'ny mili-pitadiavana.

Momba ny eto manokana indray, tsy hianona intsony amin'ny vaovao eto an-toerana aho fa hisokatra kokoa amin'ny manerantany, na amin'ny sehatra ankapobeny. Hosoratana avokoa na eritreritra sendra nandalo na revin-gadra, na fanehoan-kevitra mety hanafintohina ny mpamaky. Mety ho tezitra ianao amin'izay voasoratra nefa ny hisokafan'ny saina handinika sy hamakafaka ary handanjalanja no tena kinasa ambadiky ny lahatsoratra. Ka mazotoa daholo ary ny hevitra anie no hiady fa tsy isika no hifandramatra!

calendar
« Oktobra 2019 »
Ah At Ta Ar Ak Zo As
    1 2 3 4 5
6 7 8 9 10 11 12
13 14 15 16 17 18 19
20 21 22 23 24 25 26
27 28 29 30 31    
Tahiry
Credits
LifeType IE7 XHTML CSS Firefox