« | »

Mihaza olona ny miaramila: Misy ny mpitari-tolona voasambotra

2009-04-22 @ 21:05 in Politika

16:35: Araka ny nolazain'ny radiomada dia nisy ny loholona sy ny depiote no nosamborin'ny Capsat teny Ambanidia. Anisany ny Loholona Rabenatoandro Lanto mpitari-tolona avy any Antsirabe.
15:30 Re fa miditra an-keriny ao amin'ny HJRA miaraka amin'ny baomba lacrymogene indray ny miaramila amin'izao fotoana izao.
Efa hatry ny ela no nanirian'ny mpihaino ny hiditra mivantana ao radio mada Antananarivo hifampahery amin'ny tolona ataony. Androany alina izany ao tanteraka ary dia tsy misy mihitsy ny fotoana very aloha hatramin'izay nanombohany nampiditra mpihainoizany fa dia toy ny hoe ny mpihaino fotsiny nomameno ny fotoana rehetra, hatramin'izao dia tsy nisy nibodo fotoana fa miezaka manafohy ny resany avokoa ny rehetra. Raha toa moa ianareo any Ivelan'i Madagasikara te-hiantso ihany koa dia omeko anareo ihany ny laharana azo iantsoana azy dia ny (+261) 33 28 500 41, laharana tokana ihany. Marihina fa efa hatry ny ela kosa ny radio mada Antsirabe no efa nampiditra ny feon'ny mpihaino ka mety ho mampafana ny tolona ao amin'io tanàna io izany toe-javatra izany.

Te-hanoratra mihitsy aho fa mamely ahy ny torimasoko, ary tsikaritro ihany koa fa mitady hitovy ny ora hamakiana ny vaovao rehetra famakiko avy amin'ny hafa sy ny ora laniko hanoratana izay vaovao fantatro ho anareo. Ny tiako asongadina aloha dia ny herimpon'ny olona niari-tory indrindra fa ny tanora nanatrika ilay maritiora nitondra ny anarana hoe "Randriamanjato Richard" nandritra ny alina ao anatin'izao hatsika be tampoka teto amin'ny tanàna izao, nefa dia any ivelan'ny trano no niareta-tory. Miaiky anareo rehetra izay niari-tory aho fa na hatsiaka na moka dia niaretanareo tao avokoa mandra-piposaky ny masoandro. Mari-pitiavana tena goavana no vitanareo ka dia mirary soa anareo rehetra indrindra.

Farany sahady fa mamely dia mamely ny torimaso, fa maninona ho'aho no tsy misy mpanao gazety mahasahy manontany an'Atoa Randriamanjato Richard Mahitsison, hoe ahoana ny fihetseham-ponao amin'izao misy olona nametraka ny anaran-janany tamin'ny anaranao nefa dia maty nitolona tany amin'ny vondron'olona manohitra ny zanakao amin'izao fotoana izao? Mba ampitampitaiko fandrao mba misy mpanao gazety afaka manontany iny mpitandrina iny ihany!



jentilisa, 22 avrily 2009 tamin'ny 23: 05
 Araka ny re ao amin'ny radio fahazavana sy ny radio mada Antananarivo dia manenjika sy mitifitr'olona manerana an'Antananarivo ilany atsinanana ankehitriny ny miaramila. Ambohijatovo, Ankazotokana, Ambatonakanga, Mahamasina, Anosy, Ambanidia no fantatra aloha hatramin'izao hanenjehana sy itifiran'ireto miaramila ireto ny olona. Nisy toerana telo aloha no nolazaina ho fihaonan'ny mpanohana ny ara-dalàna dia Ankazotokana, Prinz Hotel ary Ankadimbahoaka... tsy mbola nandrenesam-baovao aloha ny any amin'ny faritra hafa. Efa nisy tovolahy iray indray no voatifitra teo amin'ny lohany ary efa mihoatra ny folo ny maratra. Ny eny Andrefan'Ambohijanahary koa dia voalaza (araka ny radio mada) fa ampidirina an-toby ireo olo-tsotra voasambotra, maratra ary maty. Heno moa fa nisy famoriana miaramila Malagasy sy Frantsay eny amin'ny Mess Betongolo io atoandro io... inona no nokonokononina tao?
 12:40

Hevitra

mamon'ny torimaso marina indray i Jentilisa, fa tsy Andriamanjato ve moa ilay pasitera malaza?... ary tsy azoko hoe niari-tory tany Ambohijatovo ve ianao sa tsia ("miaiky anareo..."?). Asa na izaho no tsy nivezivezy loatra fa tsy nahita akon'ilay fiareta-tory mihitsy aho na dia ny isan'ny olona fotsiny aza. Fa na firy na firy no tany, izaho koa dia tena miaiky ny fahasahian'izy ireo (/nareo) sy ny herin'izy ireo (/nareo). Andriamanitra mahita ny zavatra rehetra anie hitsara sy hanome izay tandrifiny avy ny tsirairay fa ny rariny avy amin'ny olombelona tsy ho hita mandrakizay.
Marina tokoa ilay hoe fotoana hamakiana ny vaovao rehetra sy izay hanoratana ny an'ny tena... tsy omena tsiny ireo tsy manana izany ary isaorana be dia be ireo mandà tena mahafoy izany fotoana izany.
Farany, raha izao no mitohy dia mety ho avy any Bira ny famonjena @ farany, ry zareo toa mahavanon-javatra kokoa, angamba manana antony hitolomana marim-pototra kokoa. Sao mba tokony avy any no hakan'Antananarivo lesona indray.
Mirary soa mandrakariva ary mirary torimaso sy fialan-tsasatra milamina ho an'i Jentilisa (izaho efa nanontany tena foana hoe mba matory ve izy io?:-))

Nampidirin'i gasi @ 21:45, 2009-04-22 [Valio]

p.s

samia ho ela velona hahita hoe ampahafirin'ny olona niandry faty an'Itompokolahy RAndriamanjato kely no hiandry faty an'ingahibe Andriamanjato mianakavy!

Nampidirin'i gasi @ 22:31, 2009-04-22 [Valio]

politika

tsy mieritreritra mintsy ny olona eo ambohijatovo, olona tsy eto akory sady tsy fantatra na ho tafiditra eto na tsy no antenaina anaovana sorona ny tena, mba mieretrereta fa efa sarotra anie ny mitady iray kapoaka amin'izao e, sao là ataon'ny mpiady seza fitaovana fotsiny nefa tsy higoka ny tompotsoa avy eo.

Nampidirin'i rijanirina @ 11:31, 2009-04-23 [Valio]

ilay fanjakan-jiolahimboto tahaka izao mihitsy no nampihetsika an'Ambohijatovo ka! izay manaiky azy moa izany karanzan'ny mpiray tsikombakomba aminy ihany

Nampidirin'i jentilisa @ 12:15, 2009-04-23 [Valio]

HOAN'I GASY BE VAVA MIKASIKA NY FAHAFATESAN'NY ANDRIAMANJATO

MBA MISIA IHANY FANDINIHINA FA TSY METY NY MITENITENY FOANA;HO EL A VELONA DAHOLO ANIE KA HOTAHIAN'IZAY HIVAVAHANY FA HONO HOY AHO AMINAO MBA FANTATRAO MOA FA OLONA RATSY FANAHY SADY MPAMITA-BAHOAKA INGAHY ANDRIAMANJATO MIANAKAVY ISANY TSY TSAROANY ANGAHA NY NANAOVANY CHANTAGE OLONA FONY IZY CSR KA TSY NAMELANY IZAY TOVOVAVY (ADALA IHANY MOA) TE HAHAZO VATSIM-PIANARANA FA TSY MAINTSY MIARA-MATORY AMINY MOA HADINONY VE NY NANDROAHANY NY ZAFIKELINY TSY HO ZAFIKELINY INTSONY FA SIHANAKA HONO ANONTANIO IO NY HASINA ANDRIAMANJATO FA MANAN-JANAKA NARIANY ANIE IZY E MITOVY ANARANA AMINY (ANDRIAMANJATO NY HASINA) MANARAK'IZANY ANKASITRAHANAO VE NY FAMELANA IREO MPAMONO OLONA AREMA IREO HANAO NY ASA RATSINY INDRAY MOA VE EKENAO NY HETSIKA MAMOAFADY MITRANGA AMIN'IZAO AO MANAKARA AO (MIANTSO NY ZANAK'ANTEMORO TERAK'I FITOVINANY) FA TSY MAINTSY HOMENA SEZA FA AN'NY ANTEMORO HONO I MANAKARA SY I VATOVAVY FITOVINANY? MISIA SAINA FA TSY FANJAKAN'ADALA AKORY ARY TSY GAIGY AKORY IZAHAY FA MANAHY KOSA NY HO AMIN'NY HO AVIN'NY ZANAKAY SY NY TARANAKAY MITADY RAVINAHITRA ANY @ PROVINCE ANY NEFA HIANAREO MIANAKAVY VARIANA AMIN'NY FITADIAVAN-TSEZA MAHA OLON-TSY VANONA ANAREO ZAVA MISY DAHOLO IZANY RAHA SANATRIA MITRANGA ETO MADAGASIKARA NY CAS NY RWANDA SY SOMALIE DIA RESPONSABLE AMIN'IZANY IANAREO MIANAKAVY (TSETSATSETSA TSY ARITRA NY AHY MANINONA MOA RAHA MITONDRA MEGAPHONE AHO MANODIDINA NY TANANAN'ANTANANARIVO DIA MIDRADRADRA FA TOKONY HO ROASINA MODY IZAY VAHINY AO E) TOA REHEFA IALAHY ISANY NO MAMONO OLONA DIA ANJELY FA REHEFA NY HAFA DIA DEVOLY? MAHANDRASA DIA HO HITA EO E TSY MANKASITRAKA NA AN-DRA8 AHO NA AN-DRAJOELINA FA NY AHY DIA IZAO IHANY RAHA HITONDRA FANJAKANA DIA ATAOVIN'IALAHY ISANY IZAY MAMPILAMINA NY FIRENENA FA SAO DIA SADY HO MAY VOLOMBODY EO AVY; MISIA SAINA KOA IANAREO MPITANDRO FILAMINANA FA IZAY NO MAHA TSY VANOMBANONA AN'IALAHY ISANY OMENA KARAMA FOTSINY LE HOMAN-TAY TONY NEFA MANGALATRA SY MAMONO OLONA NO HATAO HOELA VELONA ANIE NY VAHOAKA MALAGASY ARY HOFATY HAINGANA ANIE NY MPAMADIKA TANINDRAZANA.
Nampidirin'i LILAKELY @ 14:13, 2009-04-23 [Valio]

lilakely:

izay mangina volamena

Nampidirin'i gasi @ 22:37, 2009-04-23 [Valio]

hagegena

http://gasy.net/Video/videodirectlink/manifs-du-lundi-20-avril.html
Nampidirin'i tsotra @ 22:36, 2009-04-24 [Valio]

Mirindra

asa ra efa hitanareo ity : http://liarman.wordpress.com/2009/02/16/qui-est-andry-rajoelina-avec-son-cigle-terrorisme-grand-et-violent/#comments

Mitantara ny disadisa efa nisy teo @'i Andry sy Ra8!

Mety ho tsaho nefa mety ho marina koa!!

Nampidirin'i Mirindra @ 23:33, 2009-04-24 [Valio]

aiza indray Jentilisa?

sao mba sanatria voasambotra any ary!
saika hizara hevitra kely fotsiny aho momba ny kabarin'ny Filoha omaly sy androany 25 aprily 2009: nahafaly ny nandre azy feno hery sy toa namoaka ny hohony sy ny vanginy. Hoy fotsiny aho hoe raha nanao ireny hatreny amboalohany izy dia tsy ho tonga t@izao toe-javatra izao isika, saingy aleo tara toy izay tsy misy. Faharoa, milaza sy toa matoky be izy fa "IZAO TONTOLO IZAO" dia mandre sy manaraka ny vaovao avy aty' amintsika isan'andro... arakaraky ny olona milaza (subjectif) angamba ny famaritana an'io hoe izao tontolo izao io (mety ny amin'ny ambaratonga misy azy angamba, izany hoe ny samy filoham-pirenena) ka izay no ilazany izany fa raha ny hitako (amin'ny ambaratongan'ny sarambabem-bahoaka) dia misy firenena na heverina ho namana ihany aza tsy mahalala n'inon'inona izay mitranga aty Madagasikara mihitsy (afa-tsy ny fasika fotsin'ny moron-dranomasina sy ny sifaka...) ary raha ireo mihaino RFI sy ny mitavana ny AFP indray no heverina dia vaovao tsy marina sy manoso-potaka azy aza no re ao... Koa raha tsy manana ny onjam-peontsika MATANJAKA sy tsy miangatra isika ary mahataka-davitra ho ren'izao tontolo izao (izany hoe hahay hifaninana @ radio vatican :-)) dia ho sarotra ihany ny hoe mahalala sy manaraka ny momba antsika izao tontolo izao. Ary tsy ho sasatra aho ny hamerina hoe isika malagasy ihany no afaka hamonjy antsika fa tsy tokony hiandry ny avy any ivelany.
Homba antsika anie Andriamanitra tsisy ho latsaka an-tanan'ireo bibiolona ireo!

Nampidirin'i gasi @ 00:13, 2009-04-26 [Valio]
Hampiditra hevitra

E-mail me when comments occur on this article
Momba ahy
jentilisa

Vasoky ny tambajotra sosialy tahaka ny Facebook,Twitter sy ny karazany ny blaogy amin'izao fotoana. Mora miely vetivety ny hevitra sy izay voasoratra amin'ireo sehatra ireo.

Misy lafiny iray anefa tsy ahavoazan'izy ireo mihitsy ny blaogy dia ny fitehirizana.Rehefa karohina ny vontoaty iray dia sarotra hita kokoa ny vokatry ny fitadiavana avy amin'ireo tambajotra sosialy ireo.Izay lafiny izay no tsy maharesy tondromaso ny blaogy satria mora hita kokoa ny vontoatiny rehefa karohina amin'ny alalan'ny mili-pitadiavana.

Momba ny eto manokana indray, tsy hianona intsony amin'ny vaovao eto an-toerana aho fa hisokatra kokoa amin'ny manerantany, na amin'ny sehatra ankapobeny. Hosoratana avokoa na eritreritra sendra nandalo na revin-gadra, na fanehoan-kevitra mety hanafintohina ny mpamaky. Mety ho tezitra ianao amin'izay voasoratra nefa ny hisokafan'ny saina handinika sy hamakafaka ary handanjalanja no tena kinasa ambadiky ny lahatsoratra. Ka mazotoa daholo ary ny hevitra anie no hiady fa tsy isika no hifandramatra!

calendar
« Novambra 2018 »
Ah At Ta Ar Ak Zo As
        1 2 3
4 5 6 7 8 9 10
11 12 13 14 15 16 17
18 19 20 21 22 23 24
25 26 27 28 29 30  
Tahiry
Credits
LifeType IE7 XHTML CSS Firefox