« | »

Ny paikan'ny frantsay hametraka filoha Malagasy tiany hitondra!

2009-05-13 @ 22:31 in Politika

Tsy maintsy hiresaka ny filazana ny tsy hirotsahan'i Andry Rajoelina hofidiana ho filoham-pirenena ihany ny tena na dia tsy tiako loatra aza izany. Raha miresaka Frantsay aho eto dia ny mpitondra fanjakana sy izay "nanoro" hevitra (nanery ankolaka) an'ity PHAT ity no ambarako etoana. Fantatsika mazava tsara fa mitady mafy dia mafy ny fankatoavan'ny vondrona iraisam-pirenena ny mpanongam-panjakana amin'izao fotoana izao ary miara-miketrika aminy amin'izany fitadiavana fankatoavana izany ihany koa ny Frantsay. Hitany ny lalana ny andron'ny alarobia 13 mey 2009. Dia nanambara ary ny PHAT tamin'ny alarobia 13 mey fa tsy hirotsaka hofidiana izy amin'ny fifidianana ho avy raha tsy misy mirotsaka izay rehetra efa filoham-pirenena sy efa nanao ny asan'ny filoham-pirenena rehetra teo aloha. Tsara anie ry zareo izany hevitra izany e!

Dia efa miandry fotsiny aho izany fa hihazakazaka hankasitraka izany fanapahan-kevitra izany ny Frantsay, ary mety hanara-dia azy ihany koa ny Amerikana (sahiko ny milaza fa tsy nankasitraka velively ny nataon-dRavalomanana faramparany teo mihitsy ny Amerikana noho ny resaka Daewoo ohatra satria mpividy katsaka amin'ny Amerikana manko ny Koreana ka very mpanjifa izy, nisy tsy nety mihitsy koa ny nataon-dRavalomanana nanao izay nialan'ny Amerikana tamin'ny Kobama). Raha vao ireo roa ireo no manaiky ampahibemaso dia izay no izy: azon'ny fitondran'ny mpanongam-panjakana indray ny fandresena hafa. Mody tsy hiraharaha izay fiovan-kevitra hafa manaraka intsony ny vondrona iraisam-pirenena fa efa niara-niasa ary koa.

Jereo tsara fa nisy fepetra nipetraka teo, ny mazava dia ny filoha Ravalomanana no tena kendrena izay tsy hahafahany mirotsaka mihitsy. Matoa manko ataon'ny FAT izay hanaratsiana io rangahy nitondra ny firenena farany io dia fantany mazava fa mbola matanjaka dia matanjaka ny heriny raha misy fifidianana ho avy eo. Nialoha ity fanambarana nataon'ny PHAT ity manko dia efa nisy ihany ny sosokevitra natolotry ny sasany amin'izay tsy hirotsahan'ny efa filoha sy nanao ny asan'ny filoha rehetra intsony. Eto aho dia mahatsiaro ny tany Algérie: Nahery dia nahery ny FIS tamin'ny androny, nahatsiaro ho very tombotsoa ny Frantsay ka dia naleony niditra tamin'ny fanonganam-panjakana notarihina miaramila. Ankehitriny, na dia efa taona maro lasa aza no nisian'iny raharaha tany Algérie iny dia mbola ilay nitarika ny fanonganam-panjakana ihany no lany ho filoham-pirenena amin'izao fotoana izao. Izay ihany sisa no fantatry ny Frantsay ary izay ihany koa no mba fantatry ny iraisam-pirenena. Ny miaraka amin'ny TGV aloha no tombotsoany ka dia ataony mandrakariva izay haneken'ny iraisam-pirenena azy.

Etsy ankilan'izany toe-javatra izany anefa dia miverina amin'ny toe-draharaha mpitranga eto amin'ny firenena ihany ny zava-misy amin'izao fotoana izao. Tsy sanatria fitia te-hiresaka foko fa izay manko no ilalaovan'ny Frantsay azy ka aleo resahina araka izay ihany koa tsy handiso ny eritreritra. Tsiranana Tanindrana no filoham-pirenena malagasy voalohany ka "nanome" ny fahefana manontolo "vonjimaika" tamin'ny Jeneraly Ramanantsoa izay Merina noho ny raharaha 13 mey 1972 hanao karazana tetezamita. Rehefa nilamindamina ny toe-draharaha dia notakian'ny Filoha amin'izay ny fahefany saingy tsy nomen'ny Jeneraly intsony ilay izy. Nampanao fitsapa-kevi-bahoaka ny Jeneraly tamin'ny volana oktobra 1972 hitondra ao anatin'ny dimy taona ny tetezamita hanamboarana ny rafitra. Izany hoe tokony hitsahatra ny taona 1977 io tetezamita io raha ny fitsapa-kevi-bahoaka natao no itarafana azy.

Misy anefa ny manampahaizana tsy Merina tsy mankasitraka velively izany fitondran'ny Merina ny firenena izany, satria mbola masaka tany an-tsaina ny tsianjery fa fitadiavana hamerina ny Fanjakan'Andriana ihany no tena katsahin'ny Merina. Nisahotakotaka ny tanàna sasany amin'ny fampielezana fa Malgachisation = Merinisation satria manko io fanagasiana io no anisan'ny lohahevitra notakian'ny mpitolona tamin'ny 1972 saingy nydikany tamin'izany fotoana izany dia hoe atao mifanaraka amin'ny zavamisy eto Madagasikara ny fampianarana fa tsy ampifanarahana ny zavamisy any Frantsa. Ezahina ihany koa ny hanoloana tsikelikely ny Frantsay mitana ny toerana ambony ho Malagasy.

HItan'izay nanaraka ny tantara fa tena nihotakotaka ny firenena nandritra ny roa taona. Minisitra zanaka Padesm roa no tena niady fahefana mangina dia ny Kolonely Ratsimandrava sy ny capitaine de corvette niakatra ho capitaine de fregate Didier Ratsiraka. Hitan'ny Frantsay ny lalana. Eo anatrehan'ny olona roa Merina mainty ny iray ary tanindrana ny iray dia fantany mazava ny safidiny... atao amin'izay izay hampitsaharana ity "tetezamita" ity fa tsy avela hahatratra izany dimy taona nifanarahana ho dimy taona izany. Raikitra ny fikomiana nataon'ny FRS lasa GMP tao Antanimora ka anisan'ny notakian'izy ireo ny hanendrena Jeneraly Tanindrana fa toa Merina daholo ny Jeneraly hita hatramin'izay.

Mafy dia mafy tamin'ny Jeneraly Ramanantsoa angaha ny vesatra nahazo azy koa dia nisafidy izay handimby azy izy. Any amin'ny "tsy izy" ilay safidiny nefa dia noraisin'ny nomena azy ihany ny fahefana. Enina andro araka ny fantatra ihany no nandraisany ilay fahefana dia nisy namono ilay mpitondra. Ny sary hitako tamin'ny gazety hehy nivoaka tamin'izany fotoana izany no nampiaiky ahy fa tsara kendry avokoa ireo zandary mpiambina sy ny filoha notendrena ka sarotra ny hieritreritra fa bala lasalasa ho azy (tifitra variraraka) no nahavoa azy ireo. Nitsangana ny "directoire militaire" notarihin'ny Jeneraly Andriamahazo saingy noho ny fifanerena tao anatiny tao isian'ny fifidianana eo amin'izy samy izy izay tokony hitondra ny Firenena dia lasan-dRatsiraka ny fandresena tamin'ny 15 jona 1975. Natao ny fifidianana sady fitsapa-kevi-bahoaka tamin'ny 30 desambra 1975 ka lany ny eny sady mitondra Ratsiraka no ekena ny Lalampanorenana vaovao.

Dia ataoko fa haintsika ny tohin'ny tantara tamin'ny 1991 naha-praimisitra nitantana vonjimaika ny tetezamita an-d Razanamasy Guy Willy sy nahalany ho filoham-pirenena an'i Zafy Albert, sy ny naha-filoha vonjimaika an-dRatsirahonana sy niverenan-d Ratsiraka Didier indray teo amin'ny fitondrana. Toe-javatra naningana ny tamin'ny 2002 izay tonga dia nitohizan'ny fitondran-d Ravalomanana tsy nisy mpitondra tetezamita hafa saingy miverina indray ankehitriny ilay toe-javatra hitantanan'ilay Merina Andry Rajoelina ny tetezamita ka, raha jerena ny kajikajin'ny Frantsay dia hanolotra ny fitondrana an'i Madagasikara amin'ilay Tanindrana Pierrot Rajaonarivelo. Tsy hatao anefa ny fifidianana  raha tsy efa azo antoka fa handresy izy amin'ny fifidianana, tsy voatery hoe izy  tokoa no ho lanim-bahoaka, fa rehefa tafapetraka soa amantsara fotsiny ny rafitra hahalany azy amin'ny fifidianana. Noho izany, araka ny fijeriko, tsy ho voafetran'ny fotoana mihitsy ity tetezamita letrezana ity fa voarefin'ny hoe oviana no hanaiky tsara izay mpitondra ankasitrahan'ny Frantsay ny Malagasy?

Tena miala tsiny indrindra amin'izay mety ho tohina tamin'ny soratro aho, fa izay mahafantatra sy efa zatra ahy dia mahalala fa miezaka mandrakariva aho ny maka ny foto-pisainan'ny hafa hanoherako ihany koa ny heviny avy eo. Noho io fomba fijeriko zavamisy io ary, dia ho ketraka ve aho. Hanaiky izay terena hofidiako ve aho fa tsy mba manana ny safidiko araka izay tiako mihitsy? Angamba noho izay fahatsapana tao amiko fa toa nesorina tamiko ny fahafahako izay no mahatonga ahy hitolona hamerina ny ara-dalàna hatramin'izao fotoana izao.

Fa nanao ahoana tokoa aloha ny tolona? Mazava loatra fa tsy maintsy nanokana ny andron'ny alarobia 13 mey 2009 aho hankanesana indray eny amin'ny tokotany malalaky ny Auditorium Ankorondrano. Fanintelony nandehanako teny indray io andro io ary mahavariana fa na dia misy aza ny olona mety ho efa fahitako ihany dia mbola mahita endrika vaovao hatrany aho, ny antony ilazako izany manko dia rehefa mahita endrik'olona fantatro aho dia gaga ary mifanontany hoe hay ve ianao mankaty? efa impiry taty ianao? sy ny maro hafa!

Ny nanamarika ny andro androany dia ny fidirana indroa tamin'ny antso am-pinday ny filoha Ravalomanana, ny nidiran'ny mpiandry an-tsehatra sy nandritra ny fotoana somary lavalava kokoa noho ny mahazatra ny fotoam-pivavahana nandroaka ny aizina manarona ny tany sy ny aizim-pito manarona ny firenena, nandroaka ny asam-pamitahana, asam-pangalarana, asam-pandrobana ary ny asam-pamonoana ataon'i Satana ho any andavaky ny Helo. Karazana fanadiovana ara-panahy ny firenena ihany izany asa izany indrindra ilay izy atao mandritra ny andro hahatsiarovana ny tolona natao tamin'ny 13 mey 1972 (nampihomehy valaka ahy ihany ny nahita an'i Pierre Tsiranana eo anilan'i Alain Ramaroson mitondra voninkazo ho fahatsiarovana ny 13 mey 1972 teo anoloan'ny kianja mitondra tsy satry ilay daty manantantara.

Nanamarika ity fotoana ity ihany koa ny fahataran'ny fanombohan'ny fotoana loatra ka mahatonga ny firavana ho amin'ny 3 sy sasany vao migadona. Tsy tokony hatao mitarazoka lava be tahaka izany io fotoana io fa mba reraka ihany ny olona sady be ihany koa anie ny mamonjy fiasana rehefa avy eo... na dia hoe ny vehivavy aza no tena maro an'isa amin'ny mpitolona... Tsy maintsy mba nitady adi-hevitra ny amin'ny mbola mahatafiditra ny senatera Ravatomanga ho ao anatin'ny solontenan'ny mpanaraka ny ara-dalana ihany koa aho satria fantatra ihany fa anaran'olona mitondra ny anarana hoe Ravatomanga (filohan'ny vondrona Sodiat) manko no tompon'izany gazety "La Vérité" gazety tena mpanenjika an-dRavalomanana izany. Olona iray ihany ve ireo? Mpirahalahy ve ireo sa sendra mba anarana mitovy fotsiny? Tena miahiahy tanteraka ny tenako. Ny manahirana ahy ihany koa dia ny tsy firaharahiana velively izay mba zavatra nitadiavako fiaraha-miasa tamin-dry zareo tao amin'ny "Communication". Raha mba vitan-dry zareo ilay fifanampiana amin'ny any ivelany entina hampandresena ny tolona tsy nampaninona ahy ihany fa dia tahaka ny tsy raharahan-dry zareo izay mba karazana fiaraha-miasa kely dia kely notadiaviko ka mbola miteraka ahiahy fanampiny amin-dry zareo ireto ihany koa.



jentilisa, alakamisy 14 mey 2009 amin'ny 00:32

Hevitra

Gravy tokoa ity resaka fanavakavahana amin' ny resaka foko ity an. Tsy miankina amin'ny fahaizana mihitsy izany no hahafahana mitondra ny firenena malagasy, fa miankina amin'ny firazanana.
Tena marina ny teninao ry Jentilisa.

Nampidirin'i LeRastah @ 09:34, 2009-05-14 [Valio]

Fitaizàna "adi-mpoko"

Teny kely raha tsy ahadiso; milohan'izany dia aza fady fa tsy tena voafehiko ny teny malagasy, nefa araka ny voasoratra dia ho an' ny mahay miteny gasy ity takelaka ity ! Raha misy ny maha mety azy ao aoriana, dia maniry aho mba hianatra ny teny gasy, fa tsy mba nisy na dia adiny iray aza "cours de malgache" azoko foiny izaho tany an-tsekoly; hiezaka nefa aho araka izay tratrako, ary miangavy ny hamoram-pon' ny mapamaky fa hanao jery todika keky ny tantaram-pirenena, dia ny momba ny adim-poko idrindra indrindra izany. - - - - - - - - - - - - - - - Nanomboka faram-paran'ny taon-jato 19 ary nitohy tamin'ny fiandohan'ny faha 20, ny adin' ny mapanjanatany sy ny mponina tera-tany teto Madagasikara. Na dia nisy "foko" maro aza ny nosy dia nahay niara-nanohitra ny mpisetrasetra avy any ivelany izy ireo. Ny maréchal Gallieni no nirahina "hampandry tany" taty Madagasikara, nefa tsy zatra ny ady anaty akàta ary sahirana sy zary niraviravy tanana izy sy ny miaramilany. Hany tetik'ady hitany dia ny fampisaraham-bazana ny mponina afovoan-tany sy ny avy any anindrana. Ary tamin'izany no nanmpielezana tsaho hoe te hanjaka eran'ny nosy ny merina, hanindry hazo lena ny tanidrana. Naely koa ny tsaho tety afovoantany, fa mihatsara velantsihy ny tanindrana, koa tandremo fa mandefona ivoho. Noranitina ny andaniny sy ny ankilany hifampiahiahy, amin'izay dia azo resena miandalana rehefa mivakivaky "front de la résistance indigène" . Ny fahatakarana an'izany fampisaraham-bazana mamoehitra izany no nahatonga an-dr'i pasitera Ravelojaona sy ny mpomba azy hanorina ny "Vy, Vato, Sakelika = VVS", hihoitra manoloana ny mpanjakazaka an-tanin'olona. Efa zary nahazo vahana ny fampiadiana foko, izay natsangana ho fomba fametrahana ny fahefam-panjakana (système de gouvernance). Notambatambazana ary nomena fahefana sandoka (pseudo pouvoir) ny olona tsongaim-bolo tany anindrana, natao lohandohan'ny mpisorona (notable) teny amin' ny fokontany (villages, cartiers), nomena tombotsoa manokana (privillèges) sy voninahitra (tires),dia namitsaka sy nafana fo mpampita ny baikon' ny "vazaha be" manampahefana. Toa izany koa ny nanomezana kolikoly, na voninahitra maredona (titre ronflant) ny merina izay noranitina hoe : ianareo efa lasa alohan' ny tanindrana ve dia hanaiky ho songonany, fa mbà mailo mailo. Te hamalifaty izy ireo, fa mialona anareo manana avar-pianarana maro, ianareo tsy lany olo-manga. Ireo rehetra izay mpakatô na mpila ranondranony amin' ny vazaha, dia alefa hanao fiofanana, anarany fotsiny (pseudo formation) any ampitan-dranomasina. Avy any izy dia mora baikôna sy tena mpankatô. Ireo tonga saina sy tia tanindrazana tamin'ny fotoan'andro (Rabemanajara, Raseta, RAvoahangy sns...) dia nanoha riana (sont entrés en résistance) ary namorona ny MDRM (Mouvement Démocratique pour la Rénovation Malgache) sady nitolona tao anatin'io. Tsy nahazo vahana sy tsy nahatohitra ny MDRM sy ny fikambana mhafina "Jiny", ny antoko PADESMA izay nasaina natsangn'ny tanindrana hanohitra ny MDRM, satria efa nihenika hatrany anindrana ny fitavan-tanindrazana hetsehin' ny MDRM. Marihina fa avy any anidrana, faritany antsinana ohatra i Jean Jacques RABEMANANJARA namandr'i Ravoahangy ANDRIANAVALONA sy i Dr RASETA. Mba hanomezana soketa an'io antoko MDRM io, dia noketrehin'ny mpanjana-tany ny hotakotaka tamin' ny taona 1947, izay nanomboka tamin' ny fihantsiana nataon' ny vazaha. Nararaotina ny fientan'ny tia tanindrazana mba handripahana ny mpitolona, ary hanenjehina sy hampidirana am-ponja, ary hanaovana sesitany ireo mpitarika, "pour l'exemple". Nohamafisina indray avy eo ny fadranitana ny adi-mpoko, hampisara-bazana ny malagasy, fa mampidi-doza ny fitsetsafan' ny mpanjanatany ny fahatongavan-tsain' ny malagasy. Eraky ny zanatany frantsay rehetra eo amin'izao tontolo izao anefa dia mahazo vahana ny fifohazampirenena, (réveil national) sy ny fitakiana ny fahaleovantena. Reheafa tsapan' i De Gaule fa tsy ho tàna, ary tsy azo gejaina ny fitrenan'ny vahoaka voan'ny tsindry hazo lena, dia nampiharina ny "loi cadre" tamin' ny taona antsasany faharoa an' ny 50 "deuxième moitié des années 50". Mandrahona ihany ny fitroatran'ny zanatany tonga saina, koa dia nomaniana haingana ny sarintsarim-pahaleovantena (semblant d'indépendance) tamin' ny 1958. Avy eo dia nolazaina fa nahazo fahaleovantena i MAdagasikara tamin' ny 1960. Saigy saribakolin' i lafrantsa reny malala (marionette de la mère patrie), no natsagana ho filohan'ny repoblika: Philibert Tsirana izany. Avy amin' ny foko tsimihety izy, mba hamapangina ny tanindrana; fa ny merina dia ampiadiana antrano, tahaka ny tetika efa natao teo aloha, tamin' ny nosy manontolo. Ny merina rahateo, satria izy ireo efa nanana avara-pianarana maro, sy misy efa nahazo bahana teo amin' ny fiharian-karena, dia nanao samy "olon-ko ho azy" sady nifaninana tamin' ny avy any anindrana. Dia niverina indray ny tantara, ary toga tamin' ny fihetsiketsehana niafara tamin'ny 13 Mey 1972 sy ny vokatr'izany, efa voamambarano tamin'ny "rticle"-nao ... Tsy hamerina ny tantarampirenena aho, fa maha monamonaina, araka ny ohabolan betsileo hoe "teny maro tsy hilaozan'ota" mba tsy hilazàna hoe "ompa". Tsetsatsetsa tsy haritra tonga tato an-stsaina ireo, teo am-pamakiana ity lahatsoratrao ity ry "Jentilisa", koa aza fady indrindra aminareo mpamaky (raha ho tafavoaka eto amin'ny serasera ity), fa lava tariha aho, nefa maha mailomailo ny fisoko maginan'ireo mpihavy mpanjantany, mamerina foana ny "lalan-kitan-kisoa" fambotriana ny firenena. Fa vao maika maha lasa vinany koa ny tsy fahatongavan' ny sain' ny malagasy, manoloana izao fanakorontanana sy fampiadiana antoerana ataon' ny "tsy maty volavo an-kibo" izao. Isika ve valala koa hiady an-karona ? Manahy aho fa maro ny malagasy tsy mahatakatra fa "sokina mifnkahita t.y", manao "fikitra mampiady angely" eo ireo frantsay, eropeanina, amerikanina ireo. Koa samia tonga saina, tsy hanaiky hataon' ny mpandromba-pahefana ho tohatra iakaran' ny "charognards" !(aza fady fa tsy mahay teny gasy loatra e !)
Nampidirin'i Mailou-x2 @ 18:57, 2009-05-15 [Valio]
Hampiditra hevitra

E-mail me when comments occur on this article
Momba ahy
jentilisa

Vasoky ny tambajotra sosialy tahaka ny Facebook,Twitter sy ny karazany ny blaogy amin'izao fotoana. Mora miely vetivety ny hevitra sy izay voasoratra amin'ireo sehatra ireo.

Misy lafiny iray anefa tsy ahavoazan'izy ireo mihitsy ny blaogy dia ny fitehirizana.Rehefa karohina ny vontoaty iray dia sarotra hita kokoa ny vokatry ny fitadiavana avy amin'ireo tambajotra sosialy ireo.Izay lafiny izay no tsy maharesy tondromaso ny blaogy satria mora hita kokoa ny vontoatiny rehefa karohina amin'ny alalan'ny mili-pitadiavana.

Momba ny eto manokana indray, tsy hianona intsony amin'ny vaovao eto an-toerana aho fa hisokatra kokoa amin'ny manerantany, na amin'ny sehatra ankapobeny. Hosoratana avokoa na eritreritra sendra nandalo na revin-gadra, na fanehoan-kevitra mety hanafintohina ny mpamaky. Mety ho tezitra ianao amin'izay voasoratra nefa ny hisokafan'ny saina handinika sy hamakafaka ary handanjalanja no tena kinasa ambadiky ny lahatsoratra. Ka mazotoa daholo ary ny hevitra anie no hiady fa tsy isika no hifandramatra!

calendar
« Aogositra 2019 »
Ah At Ta Ar Ak Zo As
        1 2 3
4 5 6 7 8 9 10
11 12 13 14 15 16 17
18 19 20 21 22 23 24
25 26 27 28 29 30 31
Tahiry
Credits
LifeType IE7 XHTML CSS Firefox