« | »

Namaky ady ny antso am-pinday nataon-d Ravalomanana Marc androany 28 mey 2009

2009-05-28 @ 11:21 in Politika

Indro indray omena anareo ny antso nataon'ny filoha Marc Ravalomanana androany alakamisy 28 mey 2009 tao amin'ny radiô fahazavana.

Ry vahoaka malagasy tia tanindrazana izay mijoro sy mitaky ny ara-dalàna. Kely sisa dia olona afaka indray ny vahoaka malagasy. Midika izany fa  ireo izay nisafidy nandika lalàna tamin'ny endrika maro dia hofaizina araka izany rehefa tafaverina ny ara-dalàna sy ny filaminana eto amin'ny tany sy ny fanjakana malagasy. Hotsaraina ihany koa ireo miaramila sy zandary ary polisy izay mbola manampy sy manohana an'i Andry Rajoelina sy ireo jiolahy namany amin'ny fandikan-dalàna rehetra ataony raha vao manapa-kevitra ny fianakaviambe iraisampirenena, tonga ny fotoana hamerenana ny fitondrana ara-dalàna sy ny filaminana ary ny fandriampahelamana eto amin'ny tanin'ny Repoblikan'i Madagasikara.

Miantso ireo miaramila, zandary, pôlisy rehetra tia sy filaminana sy fandriampahalemana aho ary manao ny asany amin'ny fiarovana ny aina sy ny fananan'ny vahoaka hametra-piadiana avy hatrany rehefa tonga ny fotoana asaina hanaovany an'izany. Iharan'ny sazy faran'izay henjana izay tsy manaiky an'izany.

Ireo olom-pirenena tsotra izay niharan'ny asan-jiolahy sy ny tsy rariny nataon'i Andry Rajoelina sy ireo jiolahy namany dia iangaviana tsy hanelingelina ny asan'ireo mpampandry tany. Manampy antsika izy ireo hamerina ny ara-dalàna koa avelao hanao ny asany ary omeo tanana raha misy ilàna izany. Miantso ireo olom-pirenena tsotra aho, izay niharan'ny asan-jiolahy sy ny tsy rariny nataon'i Andry Rajoelina sy ireo jiolahy namany. Aoka tsy hisolo ny asan'ny Fitsarana. Fantaro tsara ary tadiavo ireo nanao asan-jiolahy. Rehefa tafaverina ny ara-dalàna dia manaova fitoriana eny amin'ny manampahefana. Hosamborina izy ireo ary hotsaraina sy ho faizina araka ny lalàna.

Ry vahoaka malagasy tia tanindrazana mijoro, mitaky ny ara-dalàna : Ampaherezo ny tapaka sy ny namana, ny fianakaviana, ireo mpiara-mitolona amin'izao fitsapana mamaivay diavin'ny firenentsika izao. Sahia mijoro hatrany ao anatin'ny firaisankina. Hifandray aminareo tsy tapaka aho, hilazako aminareo ny fandroson'ny tolona ataontsika ho an'ity tanindrazana malalantsika ity. Mahereza, manàna finoana, momba antsika mandrakariva Andriamanitra.

Ravalomanana Marc, 28 mey 2009


Henjana dia henjana izao kabary izao. Tena fitsapana mahamay tokoa. Nisy ny fomba fitenanana iray manao hoe mora ny manomboka ady fa sarotra kosa ny mamarana azy. Dia tsy maintsy ho tonga amin'izany ady izany ve ity tanindrazana malalantsika ity? Samia ary mieritreritra!



jentilisa, 28 mey 2009

Hevitra

Anaran'Andriamanitra tonotononina nefa ady no atsangana,

Nampidirin'i booz @ 12:46, 2009-05-28 [Valio]

Andriamanitra, tanindrazana... samy manana ny fomba fiheviny ny olona, hiditra ady ve isika?

Nampidirin'i manontany @ 12:52, 2009-05-28 [Valio]

I zafy (daka vody) sy manandafy (naboridana ary monja jaona(voatifitra t@ tongotra),dia miara-maty @ mpitolona.

Fa i Ravalomanana, dia hoe: miadia ho ahy iananreo:
1)Mandresy ny tolona : izaho no mandresy satria miverina president
2)Tsy mandresy ny tolona: ianareo no maty fa raho aty Afrique atsimo migalabona.

Nampidirin'i ndaty @ 13:16, 2009-05-28 [Valio]

Ilay izy anefa mampahatsiahy ahy ny 'débarquement' alliés tamin'ny 1944 izay tsy nisy frantsay nefa hanafaka an'i Frantsa!

Tsy nilaza mihitsy aloha ny filoha hoe miady ny sivily e

Nampidirin'i manontany @ 14:19, 2009-05-28 [Valio]

Wait and see.
Ny kabary aloha dia marina fa henjana tokoa. Ny zava-hitranga kosa no asa ...

Nampidirin'i LeRastah @ 15:04, 2009-05-28 [Valio]

Amiko raha mbola any andakira ny misy anao dia tsy mbola tokony ho toy izany ny hafatra tokony alefa.

Raiso mora ry vahoaka Malagasy fa matoa isika toy izao dia nisy ny niandohany. Isan'ny nahatonga izao olana izao isika tsirairay avy ary anjarantsika ihany koa no mahay mamela ny tenantsika sy ny hafa amin'izay hadisoany vita avy.

Alaivo madinidinika ary aleo hisesy. Ny androany ihany no masaka fa ny ampitso mbola any ankibon'ny omby!

Ho ela velona anie ny Malagasy!

Nampidirin'i soanja @ 16:59, 2009-05-28 [Valio]

Manana filoha tokoa isika manana an'io rangahy io.

Olana efa hatry ny ela izy ity ary efa nakana fotoana tokoa nandinihana azy.

Ny fiandrianam-pirenena no fototra voalohany ny firenena iray. Mandry tsy lavo loha ny olona raha toa ka olona mpanao hery setra no maka ny fitondrana amin-kery.

Ka dia aleo hiseho tsara. Efa maro ny firenena afikanina nanaovan'ny frantsay coup d'Etat. Tsy maintsy resena izay.

Raha mahatohitra azy eto ny malagasy dia hiverina ny voninahitra maha-malagasy.

herezo

Nampidirin'i sitlo @ 18:45, 2009-05-28 [Valio]

kdaombaramita

HOy ianao hoe : "Tsy ekeko ny fiheverana fa lasa eo ambany vahohon'ny mpanjanatany indray isika.", izao ihany ny fanafodiny h@izay ary hatraiza hatraiza : potehina ireo saribakoliny ireo fa ireo no mivarotra tanindrazana ! koa antsika no misafidy na hijanona ho eo ambany fahefan'ireo na hiatrika ady ho fandaminana !

Nampidirin'i kdaombaramita @ 19:54, 2009-05-28 [Valio]

Raha nitazona ny teniny ireo Miaramila ireo ts tonga amin'izao isika Malagasy teo rahateo moa ny fisian'ity TGV zay mpamono olona sady mpangalatra .ITY mis fanontaniana kely hoan'ireo TGV .RAHA MILAHATRA HO ANY AMBOTSIROHITRA VE NY LEGALISTE DE TS HOTIFIRINAREO ???????????HIHI .etsy ambohijatovo aza dia efa ts zakany mahita azireo.Aleo hiady dia hita eo tohiny e.zAY TS MILA tgv.mpangalatra.mpandainga .mpanely tsaho.dehors
Nampidirin'i BYE BYE FRANCE @ 12:32, 2009-05-29 [Valio]

Rediredin'ny very seza izany fa "ny tokonana aza tsy afany ka ny rindrina ve no hiakarana ?" Efa teo izy no nitsoaka ka any lavitra any indray ve no hanezaka ?
Asa aloha ?

Nampidirin'i Pat @ 14:51, 2009-05-29 [Valio]

Ny hevitro

Avelao hody Ra8 ary terena hilaka ho fidina i Andry fa revô tsy met izy de ampangaina ho mpanankorontampirenena ary tandremana ny FranceAfrique fa tsisy ol donto eo ka tsy hahalala fa misy adivarotra momban'ny petrol sy ny harenakibon'ny tany ao ambadik'io! Zay hahatanteraka ny baikompitomomna izao no malaza : MADAGASIKARA MIJORO FA TSY MANDOHALIKA

Nampidirin'i Tafohasina @ 13:36, 2009-05-30 [Valio]

Aiza ianao Rajentilisa??

Tsy mahazatra anay ny mahita ny blog-nao tsy mihetsika toy izao?? Fa ahoana no mikatso tsy misy soratra intsony hatrizay 28 may izay??

Nampidirin'i niry @ 21:24, 2009-06-04 [Valio]
Hampiditra hevitra

E-mail me when comments occur on this article
Momba ahy
jentilisa

Vasoky ny tambajotra sosialy tahaka ny Facebook,Twitter sy ny karazany ny blaogy amin'izao fotoana. Mora miely vetivety ny hevitra sy izay voasoratra amin'ireo sehatra ireo.

Misy lafiny iray anefa tsy ahavoazan'izy ireo mihitsy ny blaogy dia ny fitehirizana.Rehefa karohina ny vontoaty iray dia sarotra hita kokoa ny vokatry ny fitadiavana avy amin'ireo tambajotra sosialy ireo.Izay lafiny izay no tsy maharesy tondromaso ny blaogy satria mora hita kokoa ny vontoatiny rehefa karohina amin'ny alalan'ny mili-pitadiavana.

Momba ny eto manokana indray, tsy hianona intsony amin'ny vaovao eto an-toerana aho fa hisokatra kokoa amin'ny manerantany, na amin'ny sehatra ankapobeny. Hosoratana avokoa na eritreritra sendra nandalo na revin-gadra, na fanehoan-kevitra mety hanafintohina ny mpamaky. Mety ho tezitra ianao amin'izay voasoratra nefa ny hisokafan'ny saina handinika sy hamakafaka ary handanjalanja no tena kinasa ambadiky ny lahatsoratra. Ka mazotoa daholo ary ny hevitra anie no hiady fa tsy isika no hifandramatra!

calendar
« Jiona 2018 »
Ah At Ta Ar Ak Zo As
          1 2
3 4 5 6 7 8 9
10 11 12 13 14 15 16
17 18 19 20 21 22 23
24 25 26 27 28 29 30
Tahiry
Credits
LifeType IE7 XHTML CSS Firefox