« | »

Fanomanana ny saina amin ny loko

2009-10-16 @ 02:40 in Ankapobeny

Rehefa hanomana ny sain'ny olona dia amin'ny zavatra tsy tandrina no tena hanaovana azy ireny. Manana taletana amin'io ihany koa ny Malagasy. Ny zavatra tokony ho tsy tandrina no tena iaingan'izy ireny saingy rehefa tsikaritra dia mampisaina izay mahita.


Voalohany, loko manga sy mavo no tena manavaka ny lokon'Antananarivo. Namboarin'ny TGV ho loko laoranjy sy manga antitra kosa izany rehefa avy eo, ka na dia ny zava-bitan'ny teo alohany aza nolokoiny ireo loko roa ireo toy ny tsena, ny fijerem-baolin'i Mahamasina ary foto-drafitr'asa isan-karazany. Fa ity eto ity kosa dia loko manga sy mena arahin'ny fotsy eny an-tsefatsefany eny, loko frantsay sa loko amerikana? ny tsikaritro aloha dia misy toa sarina sainam-pirenena frantsay eo ambany ankavanan'ny sary famantarana an'Antananarivo. Kisendrasendra fotsiny io sa fanomanan-tsaina?


Dia taitra indray ny tena raha vao nisy fiovana kely monja ny sora-pamantarana ny gazety Tia Tanindrazana. Raha loko mena sy maitso no nandokoana ny anaran-gazety nahazatra ahy dia niova ho mena sy manga tampoka teo izany. Lasa ny saina mieritreritra hoe fa tsy ny nampitovitoviana ny loko tamin'ny faneva ve no nanaovana io anaran-gazety io ho loko mena sy maitso? sa lany ny ranomainty maitso? Sa mitsapa ry zareo raha misy mahatsikaritra ny fanovana ataony?

Saingy nampitsiry fanantenana kely ihany kosa ny loko nanaovana ny famantarana ny Best Of Malagasy Blogs tamin'ny loko maitso. Ny loko maitso tokoa no lokon'ny fanantenana. Maniry anao handray anjara hifidy ny bolongana [blaogy] malagasy tianao indrindra ho fampiroboroboana ny fifandraisana sy ny fampitan-kevitra an-tserasera malagasy aho. Marihina fa tsy mandray anjara intsony i Jentilisa satria efa izy no nandrombaka izany tamin'ny fifaninanana farany tamin'ny 2007, no efa ao anatin'ny mpitsara ihany koa izy amin'ity indray mitoraka ity. Ireo rehetra nanohy namoaka lahatsoratra na endrim-pamahanana bolongana hafa [sariitatra, saripika, lahatsary,...] tao anatin'ny enim-bolana farany no anaovanao ny safidinao. Efa nanomboka izany fifidianana izany, ary azoanao jerena ao ny andinindininy momba izany fifaninanana izany.

Fanamarihana 1: Mbola mitohy ihany ny fanoavana laingalainga amin'ny alalan'ny gazety. Efa herinandro izay no nanambara mivantana tamin'ny alalan'ny antso an-tarobia tamin'ny mpanohana azy ny filoha Ravalomanana fa tsy hanatrika ny fihaonana andaminana ny toe-draharaha eto Madagasikara ivelan'i Madagasikara sy Afrika. Efa nandre izany mivantana ny tena tamin'ny alatsinainy. Mahafantatra ny toetrany tsy mba mivadibadi-dela ny olona, nefa toa inian'ity gazety ity adinoina ny fanambarany, ka lazainy fa tamin'ny ora farany vao nisy ny fandavana. Indrisy manko fa ny gazety tahaka itony no eken'ny mpamaky teny kokoa fa tsy ny feo hafa miezaka manambara sy mampita ny zava-misy marina.

Fanamarihana 2: Anisan'ny manintona ny fifantohako ny vaovao mpitranga any amin'ny firenena nisiana fanonganam-panjakana na firenena enti-miaramila. Ity ohatra dia fijoroana vavolombelona nataona miaramila iray [teny malagasy] nandritra ny fandripaham-bahoaka nataon'ny miaramila tany Ginea tamin'ny 28 septambra lasa teo. Toa betsaka ihany, hoy ilay tsy mahay manisa ny fitoviana nisy tany sy teto. Ny hany niavahany dia lasa nandripaka olona ilay mpitondra nidehaka fa nahazo ny fahefana tsy nisy ra latsaka! Enga anie mba tsy hisy izany fandripahana olona izany eto Madagasikara.

jentilisa, 16 oktobra 2009 amin'ny 4: 44 maraina

Hevitra

Io sary ny Commune io kosa dia sainan'ny Frantsay e...satria any Frantsa no misy an'i VENDEE...fifanarahana fiaraha miasa main'ny Tana sy Vendee io...

http://www.courriermada.com/spip.php?article2093

mahagaga tokoa ilay gazety???

Fa tadidiko tamin'izany talohan'ny 2002 dia efa niparitaka na tany amin'ny Epicerie kely ambanivohitra be tsy misy vokatra TIKO aza ny Plaque TIKO...hay moa hirotsaka ingahirainy avy eo

Nampidirin'i ndrema @ 17:29, 2009-10-16 [Valio]

Tsy misy miova manga fotsy mena izany eo an !

Ary maninona aty koa i Philippe De Villier raciste, sa efa mihevitra sahady fa zanatany i Mcar ?

Nampidirin'i Kdaombaramita @ 20:44, 2009-10-16 [Valio]

HoAiza

Mahay ry zareo ka! Anefa isika mbola matsilo noho izany. Voalohany: nahatsikarika ny fiovan'ny loko ho laoranjy tokoa ny tenako. Ohatra ho an'ireo izay te hahita izany fihovana izany, dia meteza mandalo eo @ ilay pont flottant kely miampita avy eo @ hotely Nugaro miampita mankeny antsinanana (eny @ Cenam – Jirama 67ha atsimo izany) Hevitro: toa tsy mifanaraka ny loko roa (manga sy laoranjy en 2 tons) - tsy ny fo no efa efa zatra hafa, fa ny tenako no manana eo amin'ny fampivadiana loko, koa hoan-dry zalahy ao @ CUA ô: manimba maso, tsy misy fahaiza-manao eo @ marketing ny fampiarahana ny loko manga sy laoranjy! Aleo aza mainty sy laoranjy raha laoranjy foana no tian-kasosoka! Maninona ihany koa no tsy nadaboka hatramin’ny loko manga (izay fantatra fa anisany an-dRa8), rahefa samy hanohintohina ny masom-bahoaka (provoquer) ihany dia tanterao hatramin’ny farany to any mbola ataon’ilay maivan-doha nitantana io CUA io talohanao ry Edgar an! Anefa anie hono ianao toa NITAN-JIRO IRERY TENY ANJORO-TRANO tany @ firaisam-bem-pirenenan’ny Maires Francophonie… Faharoa: tsy azo tsinoavina ny tarehin-javatra mikasika ny loko toa izao, fa ny maso mijery dia anisan'ny mikolokolo ny saina ihany koa. Ny manga na maintso aloha ry Jentilisa dia mi-passe daholo ihany an! Ny maintso an’ny fanantenana, ary ireo loko roa ireo dia anisan’ireo voalohany tsy mandreraka maso. Fahatelo: raha ny fisian'ny saina miloko manga – mena - fotsy ery ambony indrindra ankavia, dia … asa aloha fa mila maka expert ihany angamba sao zava-doza ka lasa manao ny Malagasy ho tompon-trano mihahaka eto isika. Anefa indray: dia ho lasa adaladala hatrany ve ndrematoa Edgar, ka ny gasy koa no fokafokaina?! Qu’ils sont fous ces gaulois! Aleo koa ho any, ho tantara mipetraka hataon'ny zanak'ilay Edgar ho souvenir: un drapeau rouge bleu sur Mada, mon essai de recolon…con con con ! Raha lasanao ity RTA (hoy ny olona), tsy mahagaga ahy raha lasa misy tanora vavy manao Striptease nanomboka t@ taon-dasa. Mendrika censure ireny. Hay i Rajemison Rakotomaharo nitsidika ny Pazzapa tamin'ny taona 2008 koa (vendrana sy tara foana ny poukl) dia efa de connivence nanomboka t@ ireny?! Dia ianareo ve no olom-pirenena ambony mbola azo lazaina hoe TENA MITANA NY TOE-TSAINA MALAGASY ê! Manaova veloma mampamangy fa vita eo ny fankamamian'ny olona anareo: adalan'ireo izay mbola manankim-po, fa izahay dia HIAKA MANAO HOE: TSIA. SANATRIA. ho an'i Maire @ izao, sy ny Ambasadaoro Malagasy ao Suisse ==> MAHAMENATRA ERAN-TANY. Mpitarika ny tanora any @ rendrarendran’ny Frantsay be fahatany. Misalotra ny randrana tsy mendrika ny tena. Vita tompoko. Misaotra antsika mpandray anjara, fa indrindra ny mpanolotra ny dinika.
Nampidirin'i @ 19:06, 2009-10-18 [Valio]

Lokoloko - TSY MATIKO LOLO

Mahay ry zareo ka! Anefa isika mbola matsilo noho izany.
Voalohany: nahatsikarika ny fiovan'ny loko ho laoranjy tokoa ny tenako. Ohatra ho an'ireo izay te hahita izany fihovana izany, dia meteza mandalo eo @ ilay pont flottant kely miampita avy eo @ hotely Nugaro miampita mankeny antsinanana (eny @ Cenam – Jirama 67ha atsimo izany)
Hevitro: toa tsy mifanaraka ny loko roa (manga sy laoranjy en 2 tons) - tsy ny fo no efa efa zatra hafa, fa ny tenako no manana eo amin'ny fampivadiana loko, koa hoan-dry zalahy ao @ CUA ô: manimba maso, tsy misy fahaiza-manao eo @ marketing ny fampiarahana ny loko manga sy laoranjy! Aleo aza mainty sy laoranjy raha laoranjy foana no tian-kasosoka!
Maninona ihany koa no tsy nadaboka hatramin’ny loko manga (izay fantatra fa anisany an-dRa8), rahefa samy hanohintohina ny masom-bahoaka (provoquer) ihany dia tanterao hatramin’ny farany to any mbola ataon’ilay maivan-doha nitantana io CUA io talohanao ry Edgar an!
Anefa anie hono ianao toa NITAN-JIRO IRERY TENY ANJORO-TRANO tany @ firaisam-bem-pirenenan’ny Maires Francophonie…

Faharoa: tsy azo tsinoavina ny tarehin-javatra mikasika ny loko toa izao, fa ny maso mijery dia anisan'ny mikolokolo ny saina ihany koa. Ny manga na maintso aloha ry Jentilisa dia mi-passe daholo ihany an! Ny maintso an’ny fanantenana, ary ireo loko roa ireo dia anisan’ireo voalohany tsy mandreraka maso.

Fahatelo: raha ny fisian'ny saina miloko manga – mena - fotsy ery ambony indrindra ankavia, dia … asa aloha fa mila maka expert ihany angamba sao zava-doza ka lasa manao ny Malagasy ho tompon-trano mihahaka eto isika. Anefa indray: dia ho lasa adaladala hatrany ve ndrematoa Edgar, ka ny gasy koa no fokafokaina?! Qu’ils sont fous ces gaulois!
Aleo koa ho any, ho tantara mipetraka hataon'ny zanak'ilay Edgar ho souvenir: un drapeau rouge bleu sur Mada, mon essai de recolon…con con con !
Raha lasanao ity RTA (hoy ny olona), tsy mahagaga ahy raha lasa misy tanora vavy manao Striptease nanomboka t@ taon-dasa. Mendrika censure ireny.

Hay i Rajemison Rakotomaharo nitsidika ny Pazzapa tamin'ny taona 2008 koa (vendrana sy tara foana ny poukl) dia efa de connivence nanomboka t@ ireny?!

Dia ianareo ve no olom-pirenena ambony mbola azo lazaina hoe TENA MITANA NY TOE-TSAINA MALAGASY ê!
Manaova veloma mampamangy fa vita eo ny fankamamian'ny olona anareo: adalan'ireo izay mbola manankim-po, fa izahay dia HIAKA MANAO HOE: TSIA. SANATRIA. ho an'i Maire @ izao, sy ny Ambasadaoro Malagasy ao Suisse ==> MAHAMENATRA ERAN-TANY. Mpitarika ny tanora any @ rendrarendran’ny Frantsay be fahatany. Misalotra ny randrana tsy mendrika ny tena.

Vita tompoko. Misaotra antsika mpandray anjara, fa indrindra ny mpanolotra ny dinika.

HIAKY NY MALAGASY MANANA NY MAHA-IZY AZY!

Nampidirin'i HoAiza @ 19:11, 2009-10-18 [Valio]
Momba ahy
jentilisa

Vasoky ny tambajotra sosialy tahaka ny Facebook,Twitter sy ny karazany ny blaogy amin'izao fotoana. Mora miely vetivety ny hevitra sy izay voasoratra amin'ireo sehatra ireo.

Misy lafiny iray anefa tsy ahavoazan'izy ireo mihitsy ny blaogy dia ny fitehirizana.Rehefa karohina ny vontoaty iray dia sarotra hita kokoa ny vokatry ny fitadiavana avy amin'ireo tambajotra sosialy ireo.Izay lafiny izay no tsy maharesy tondromaso ny blaogy satria mora hita kokoa ny vontoatiny rehefa karohina amin'ny alalan'ny mili-pitadiavana.

Momba ny eto manokana indray, tsy hianona intsony amin'ny vaovao eto an-toerana aho fa hisokatra kokoa amin'ny manerantany, na amin'ny sehatra ankapobeny. Hosoratana avokoa na eritreritra sendra nandalo na revin-gadra, na fanehoan-kevitra mety hanafintohina ny mpamaky. Mety ho tezitra ianao amin'izay voasoratra nefa ny hisokafan'ny saina handinika sy hamakafaka ary handanjalanja no tena kinasa ambadiky ny lahatsoratra. Ka mazotoa daholo ary ny hevitra anie no hiady fa tsy isika no hifandramatra!

calendar
« Novambra 2019 »
Ah At Ta Ar Ak Zo As
          1 2
3 4 5 6 7 8 9
10 11 12 13 14 15 16
17 18 19 20 21 22 23
24 25 26 27 28 29 30
Tahiry
Credits
LifeType IE7 XHTML CSS Firefox