« | »

Nifanafika ny samy mpivarotra [sary]

2009-12-02 @ 23:57 in Andavanandro

Raha sakoroka eo amin'ny mpivarotra sy ny polisin'ny kaominina tamin'ny ankapobeny no niheveran'ny maro tsy nahita ny zava-nitranga ny raharaha 2 desambra 2009 dia fifanenjanana teo amin'ny samy mpivarotra no nanamarika ny zavatra hitako teny Ambodifilao, Soarano, Behoririka.

Tsy nahita ny fanombohan'ny raharaha aho satria tsipalotra tamin'ny radio fahazavana nandritra ny fandaharana isa-maraina Vavolombelona no nahenoako hoe nisy sakoroka teny Soarano teny. Mpanara-baovao ny tena no sady tia mitatitra izay hita koa dia niolomay nankeny. Aleo manko mitantara toy izay itantarana sanatria toa tompon-trano mihono.


Tamin'ny 10:18 ny tena no tonga teny ka nanapika ny sary voalohany. Ireo fiara lehibe toa milahatra handray hazakaza-piarakodia nefa feno olona manatrika azy ireo no nahafantarako avy hatrany fa misy barazy eo anelanelan'ireo mpifanatrika ireo. Ny tena tsara andraisana sary dia teo amin'ny barazy mihitsy [miendrika arofanina] saingy mailo ihany aho ka naleo naka sary somary lavidavitra kely. Aza mihevitra fa vitsy kely ireo manakana ireo dia afaka ny ho fetsifetsy ny mpitondra fiara! Eo ny liana fotsiny nefa eo ihany koa ny anatin'ny tolona fa maka sisiny.



Nisy fiara fitaterana iray avy taty amin'ny ilan'ny tsenan'ny Pochard saiky hitsoriaka tamin'iny lalana iny saingy sioka be manadala sy horaka no nitsena azy. Niahanahana tampoka ny mpamily ny fiara ka naleony niolomay niverina tany amin'ny lalana nihaviany ihany. Na izany aza dia toa nisy famindram-po ihany nataon-dry zalahy tamin'ireo mpanamory soavalivy (môtô sy skotera) satria kodiaran-droa ireny fa tsy kodiarana efatra. Hita fa manakaiky ny toerana misy azy avokoa ny mpivarotra amoron-dalana hitako fa tsy namelatra ny entany amidiny kosa.



Mba nalalaka kosa ny lalana ho an'ny mpandeha an-tongotra fa sady tsy nisy ny mpivarotra amoron-dalana no tsy nisy koa ny fiara mpanelingelina. Raha izao moa no atao hoe androm-pirenena tsy ampiasana fitaovana mamoaka gaza karbonika?



tamin'ny 10:21. Nifampitadiavan'ny tompon'ny fiara rehetra amin'izay ny lalan-kiverenana fa toa tsy azo ifandaminana mihitsy ry zalahy nibahan-dalana tao. Tsy maintsy nizotra tany amin'ny lalana tsy azo aleha ny fiara rehetra nefa tsy misy bedy amin'izany. Iza kosa moa no hijanona handany andro eo? Hita ho karazan'ny voafandrika avokoa ny fiara nandeha afovoan-tanàna rehetra sady toa tsy maharaka ny fandehan'ny raharaha avokoa izy rehetra.



Tamin'ny 10:24. Mbola vitsy ihany no hitanao mitondra sora-baventy manao hoe "Miala ny jadona dia tsy refesimandidy". Sorabaventy natao maimaika ary nosoratana tamin'ny stylo fa tsy tamin'ny loko velively. Toy ny hoe  nitroatra no fahita ireto olona ireto fa tsy hoe niomana ela. Ny reko tampoka teny antsefantsefany teny dia hoe aza misaraka amin'ny besinimaro loatra fa sao dia misy tsy ampoizina tampoka eo. Izany hoe nisy tahotra ihany tamin'ireto mpitolona ireto raha heveriny fa tafahataka amin'ny namany izy ireo.




Tamin'ny 10:26. Raha mbola feno fiara ity lalana ity dimy minitra lasa izay dia efa vitsy dia vitsy sisa ny fiara tazako tetoana ary fiara mijanona avokoa fa tsy fiara mandeha. Raha mahita fiara miloko volomboasary ny tapany ary fotsy ny tapany ianao dia tsarovy fa fiara mpivarotra hanimasaka ireny. Tsy nomena alalana hivarotra eny manko ry zareo raha tsy manao izay loko izay. Tokony ho fantatrao avy hatrany hoe iza moa no tompon'andraikitra nanao izay fanapahana izay.


Tsy hoe ny mpivarotra amoron-dalana rehetra dia nitokona tsy nivarotra ka nibahana ny lalana avokoa fa nisy dia nisy ny mpivarotra amoron-dalana tsy nanaiky hiara-dalana amin'izy ireo. Ny didin'ny be sandry sy ny maro an'isa anefa no nihatra ka dia lasan-dry zalahy ny entan'ilay mpiarotra amoron-dalana nitangoroanana teto anoloan'ny mpivaro-panafody teto. Nitabataba ilay lehilahy lasan'ny sasany ny entany hoe tsy mpitolona ianareo fa mpangalatra. Naverimberiny hatrany izany teniny izany. Nohorakorahan'ny hafa kosa izy tamin'izany teniny izany. Izany hoe tamin'ity fotoana ity dia mbola nandeha ihany ny "fifandresen-dahatra".

Marihina fa efa eo ampitan'ny Lisea Rabearielo io toe-javamisy io. Nandeha dia nandeha ny sioka sy ny kiririoka, mazava loatra fa tsy vanona ny fianaran'ny ankizy mpianatra saingy tsy navela hivoaka kosa izy ireo. Nandritra izany fotoana rehetra izany dia tsy nahita tamingana polisy sy ireo tovolahy karamain'ny kaominina handrava ny tsenan'ny mpivarotra amorondalana mihitsy aho. Efa nanakatom-baravarana kosa ny avokoa mpivarotra manana toera-pivarotana ara-dalàna rehetra. Heverina fa na fahamailoana no nahatonga izany na nisy nanery ny hanidy azy ireo mihitsy. Vao mahita fivialian-dalana amin'ny tsy lalan'ny mpitolona anefa ianao dia hahita mpivarotra misokatra ihany.


Tamin'ny 10:39. Nandroso nankeny Soarano ihany ireo mpilahatra, nanaraka azy ireo avy taty aoriana aho. Io fa mananontanona eo anoloan'ny Building... efa lasan'olon-kafa na dia mbola ny anarany ihany aza no ahafantaran'ny besinimaro azy ireo mpitondra sorabaventy. Hankaiza ny lalan'izy ireo? Iny fa hizotra hiditra ao amin'ny tsenan'ny Pochard. Nihevitra avy hatrany aho fa diso paika izy ireo. Tombontsoa mifanipaka ihany manko ny an'ny roa tonta ka tsy tokony hifanelingelina loatra. Efa manana fikambanana azy manokana manko ny mpivarotra ao anatin'ny tsenan'ny Pochard no efa anaty fefy rahateo ny fivarotan'izy ireo. Misy avy hatrany koa ny nihevitra fa tetika ampiadiana ny samy olona mihitsy no kinendry ao anatin'izao paika iray izao. Tsapako avy hatrany fa hisy sakoroka ihany koa eto.

Inona tokoa. Raha nihorakoraka tahaka ireny hoe ho tafiditra tao anaty tsena ireny ireo mpitolona dia nisyaloha ny fifanosehana teo ambavahady. Niala tany amin'izay ny fifampitorahana tapabiriky, vato, sezabory, seau sns... hazakazaka arahin-tosika ny an'ny mpanafika satria tsy nampoizin-dry zareo iny valibontana ay tamin'ny mpivarotry ny tsenan'ny Pochard iny. Nampaneno ny anjomarany avokoa ny fiara mbola nizotra tsimoramora tamin'iny lalana Ampanjaka Toera iny [anoloan'ny tsenan'ny Pochard mankeny anoloan'ny garan'i Soarano]. Teto izany dia olona samy olona mihitsy no nifampitoraka. Nadio vetivety ny teo amin'ny boulevard iray manontolo. Soa ihany fa tsy dia maro loatra ny zavatra azo nifampitorahana teto.



Nihemotra ny mpanafika. Nametraka fiarovan-tena vinaninany ny notafihina. Asa izay nanaraka ny vaovaon'ny TVM raha nahatsikaritra ny fifampitorahana miandahy miambavy nataon'ny andaniny sy ny ankilany fa tsy nisy fanazavana kosa aloha nataon'ny mpitantara. Izay teny Soarano no mahalala fa samy mpivarotra ireo nifampitoraka ireo.



Efa nivonona hamono lalana toy ny eto anilan'ny Magro Behoririka teto anefa ny CUA ho an'ireo mpivarotra amoron-dalana, efa vonona ny fefy saingy tsy nisy nankeny ihany ny mpivarotra amoron-dalana avy eo. Hatreo no hitako ka azoko tantaraina. Tamin'io fotoana io dia mbola tsy nisy Emmo-reg mihitsy teo amin'ny kianjan'ny 13 mey. Ny fitantaran'ny hafa moa no nilaza fa nandefasana baomba mandatsa-dranomaso ireo mpivarotra nitokona ireo raha nikasa hankeny amin'ity toerana ity. Tena toerana saropady tokoa ilay kianjan'ny 13 mey e! io ihany no arovana fatratra.


#hevitra:
Nanome fampitandremana mialoha ny fanapahan-kevitra henjana ho an'ireto mpivarotra amoron-dalana ireto ny tao amin'ny Kaominina ny talata. Ny an'ny mpivarotra amoron-dalana no tonga aloha ka ny kaominina indray no nahazo fampitandremana. Nokaramainao ireo hanotrona ny fitokonanao tamin'ny voalohan'ny taona ka dia nampianarinao hivondrona. Tafavondrona tokoa ry zareo izao ka manana hery na dia tsy ara-dalàna aza. Toa taratry ny zavamisy eto Madagasikara ny raharaha satria ny tsy ara-dalàna izao no manjaka. Tianao mbola hiampy anarivony hafa ve ny olona mety hahavita zavatra tsy ampoizina miaro ny hany fivelomany kely? Dia tena sahiny tokoa ve ny handrava ny fifanarahan'ny AGOA manana mpiasa aman'aliny eto Madagasikara? Tsy mankasitraka velively ny ataon'ny mpivarotra amoron-dalana aho saingy heveriko ho manamarika ny tantaran'i Madagasikara ihany ity hetsika iray ity ho fampisainana ny mpanao politika tia manome fampanantenana poak'aty. Saingy ny tsy mpanara-dalàna ihany ve no mahay mivondrona sy mahavita toy izao fa ny mpanara-dalàna sy ny mpandala ny ara-dalàna kosa mba manao ahoana?



jentilisa 03 desambra 2009 amin'ny 02:02

Hevitra

misaotra ary marina izany...

Dia mahafinaritra ahy mihtsy ny manaraka ny vaovao omenao... soa fa misy ny gasy toa anao ka manana finiavana na dia tsy omena vola aza fa tsy toa ireo mpanao gazety milaza ho tena izy nefa ny vola no mibaiko na ny vaovao omeny na ny vaovao tadiaviny!! Misaotra ee! Ary marina mihtsy ny teninao hoe main'ny afo natsangany ireo satria izy ihany no namela ireo olona ireo hanao ny sitrapony ka mody natao tanatin'ny anaran'ny hoe demokrasia!! izao ka!! aleo ho eo!sarotra anie ny nametraka ny "discipline" teo e nefa rava maina tanaty fotoana fohy!!

Nampidirin'i Nirina @ 09:02, 2009-12-03 [Valio]

Resaka samy zareo...

Iza no nampianatra ireo olona ireo ho tsy tan-dalàna , ho mahery fihetsika, ho be fihantsiana, ho mpanimba zavatra????
Raha nijery ny sary tamin'ny fahitalavitra aho dia toa misarisary endriky ny tamin'ny voalohan'ny taona ihany no hitako. Ary nahamarika koa aho fa vonindaoranjy no ankamaroan'ny lokon'akanjo hitako nanaovan'ireto mpilahatra.
Izao no hoe nandrora nitsilany.

Nampidirin'i bozyboleta @ 09:39, 2009-12-03 [Valio]

Tsy zakanao io toerana io ê

omeo an'ilay mahavita azy fa lany andro ao anaty fijaliana ny olona ka ...
Nampidirin'i @ 13:23, 2009-12-03 [Valio]

Malagasy mankany

Moa tsy izao ve no atao hoe Démocratie? tsy efa izao vo ilay fitakiana natao tamin'ny 12 desambra 2007 ary nohamafisina tamin'ny 17 martsa 2009?

Aoka izay ny jadona hoy izy ireo, fa niharan'ny jadona naton'izy ireo kosa ny mpamiasa ny làlam-be rehetra...

Nampidirin'i Alidera A.R. @ 13:33, 2009-12-03 [Valio]

MINO

ANDRY RADOMELINA TSYMPIFOKA MOLY TOANAO NY VAHOAKA NADIA MADINIKA AZA DOMELINA MAMPIANATRA RATSY
Nampidirin'i MINO @ 21:09, 2009-12-03 [Valio]

Mbô misia saina

Na mpanara-dalanana na tsy mpanara-dalana ,gasy daholo isiaka,ary tadidio fa ny Malagasy izany dia efa manana sary hafa manolona izao tontolo izao,olona mpisolelaka daholo tiakely,mpamadika tanindrazana .Moa ve fa raha nisy olona nisaina sy tia tanindrazana teto dia mbola ho toy izao ihany ny foto-pisainan-tsika sy ny fivoarana.Ary aza maka ambolony ny zava misy ankehitriny fa io efa foto-pisainana amintsika Malagasy,ny eo akaiky ihany no mamadika sy manambany.MENAMASO
Nampidirin'i Fenitsa @ 09:06, 2009-12-04 [Valio]

fahantrana

Tsotra be ny filazany azy: ny tsy ara-dalàna tsy afa-manery ny tsy ara-dalàna ho ara-dalàna.
Nampidirin'i bary @ 10:11, 2009-12-04 [Valio]

FAHANTRANA

Ahoana kosa no alàna hono izy ireo nefa dia samy tsy ara-dalàna izao?

Nampidirin'i bary @ 10:13, 2009-12-04 [Valio]

fanontaniana tsy misy hifandraisany

miharahaba,
azafady mametraka fanontaniana fa nahasarika ny masoko ny sonia fiarovana ataonao amin'ireo sary. mba misy azonao atoro ahy ve ny fanaovana azy io sa misy rohy eto amin'ny tranonkala manome toromarika momba io ?
miala tsiny raha tsy dia misy hifandraisany amin'ny lohahevitra.

Nampidirin'i vincent @ 21:00, 2009-12-04 [Valio]

Amin'ny Adobe photoshop ihany no fanaovana io fa karokarohy ao e! mba karazana tsiambaratelo manko ireny aloha amin'izao fotoana izao. Mora hay io raha mikaroka na mandany andro kely fotsiny ianao.

Nampidirin'i jentilisa @ 21:51, 2009-12-04 [Valio]

misaotra!

mankasitraka lalandava indrindra ny @ sary, Jentilisa, manan-kavana tokoa manana anao mampiaina ny zava-misy any! Mahereza, dia mirary soa mandrakariva!
Ary inona no azonao lazaina momba ny resaka mandeha any hoe nisy nitifitra ny fiaran'ilay aleo tsy tononina intsony? Misaotra mialoha!

Ho an'ilay manontany tsy misy ifandraisany, na @ "Paint"-n'ny Windows fotsiny aza rehefa kitikitihana eo ny bokotra ahavitana zavatra. Andramo @ sary dikany (copie) fotsiny aloha!

Nampidirin'i gasi @ 01:50, 2009-12-05 [Valio]

miala tsiny indrindra amin'ny mpamaky fa raha nieritreritra ny hamoaka lahatsoratra mifandraiak amin'io zavatra anontanian'i gasi io aho dia tsy nahatafavoaka noho ny fahataperana mialoha no tokony ho orany ny fahana nampidiriko. Raha 4 ora manko no nifanaharana voasoratra ao amin'ny karatra dia 3h45mn izany dia lany. Raha saiky hampiditra fahana vaovao aho dia tsy mety mampiditra fahana vaovao intsony. dia aty amin'ny cyber aho no mionona vetivety. fialzana ho a an'ny mpamaky izany io e!

Nampidirin'i jentilisa @ 07:20, 2009-12-05 [Valio]

manao azafady amin'ny fahadisoan-tsoratra.

Nampidirin'i jentilisa @ 07:24, 2009-12-05 [Valio]

Tena ao tsara ve ilay EDGAR MISEHO AZY HO MILAY ê! Izaho mahita fa TSIA…

[Efa nandefa post aho talohan'ity, saingy toa tsy hit'ê] Voalohany : Tsara dia tsara ny sary – fa indrindra miampy personnalisalisation, mahasintona ny maso ka manaraka ho azy ny saina te-hamaky ny lahatsoratra. Mandrisika @ hoe « misimisià ny toa ireo » Misaotra anao ihany koa ry Jentilisa, tsy mitaraina tana-miepaka ary kinga tonga eny an-toerana misy ny tranga, sady ao tsara ihany koa ilay “sens d’observation » raha ampitahàko amin’ny samy mpisahana ny fampitam-baovao. Mahereza foana ! Faharoa : Ity Edgar miseho azy ho milay ity ve mba ao tanterak’ê? Satria: ny zavatra mahonena ahy dia ny mihafihafy mila ho voarôka hande eny am-povoan’arabe noho ny fisian’itony VÖTIRA mibahin-toerana eny @ lalana (trottoir na zone de marche aux piétons) TOKONY HASIAN’NY MPANDEHA AN-TONGOTRA NY TENANY. [Parking baranahiny eny amin’ny lalana natokana handehanan’ny piétons no resahina…] Eny Tsaralalàna iny moa matetika dia toa an-dry zareo indo-pakistanais et commerçants ny trottoir fa fanaovan’ny camion déchargement entana, indraindray aza hasiana fefy manambara moana fa any an’arabe ianareo rey olona no mandeha aloha… Teny miantefa any amin’ingahy Edgar [fidèle et element expeditif à sa façon des ordres de la francophonie]: kely io zavatra soritako io – ka asehoy ny fahalalànao eo @ fitantana ny espace publique izy. Ampiaro miaraka ny vava ity mise en fourrière vazavazainao amin’ny fomba feno hatezerana ity, FA TSY NY OLONA NO MAHAPINGAPINGA ANAO TIAN-KO FAIZINA: herim-pamoretana voavolavola koa raha ny anao, ry à la francophonie exemplaire.
Nampidirin'i HoAiza @ 07:38, 2009-12-05 [Valio]

hatsangan'ny filoha 3 lahy teo aloha ny gouvernement.

ho gouvernement mahavita ny mission aradalana izay tadiavin-dry zareo io:
- mpiompy biby (biby olona, osy mainty)
- mpamono olona,
- mpangalatra,
- mpivarotra tanindrazana
- ary mpampiady foko

Nampidirin'i mémé @ 09:10, 2009-12-06 [Valio]

liste mbola tsy feno?

- colonel Ratsimandrava,
- colonel Rakotomalala,
- cd Rapanana,
- Gl Rakotonirainy,
- Amiral Sibon Guy,
- colonel Jean Philippe,
- Bezandry Christophe
- Ravelonanosy Marijaona René ( avocats kung-fu),
- Mampilajaona,
- Maro Raymond,
- Ramboa Adrien,
- Augustin Razakanirina,
- ireo maty teny "carnage mavoloha"
- ireo maty tany tuléar: belamoty_ankerana
- .....?

mbola tsy tapitra io raha mbola afa mihetsika aho

Nampidirin'i zaza @ 10:00, 2009-12-06 [Valio]

Tafiditra ny ratsy

Tafiditra eto amintsika izao ny ratsy e ! azy ny fanjakana, tsy fantatrareo ve ny fijalian'ny mpivarotra amoron-dàlana rehefa mirava ny 13 mai ? tonga dia dakana na aparitaka ny entana, na misy lasa mandroba rehefa avy eo toy ny saika hangalatra tao amin'ny tranon' i mamy rakotoarivelo, ary hitanareo ny fandrobana atao amin'ny magro, lazaina tany foulpointe fa varin'ny faritra nefa dia hita fa vary nalain'ny miaramila an-keriny ary nanambatambazana ny mponina tao foulpointe, efa resy isika izao satria tsy misy basy fa tanam-polo koa samia miara-mizaka mandra-pahita vahaolana vaovao

Nampidirin'i Rasily @ 09:00, 2009-12-16 [Valio]

@ tantaran’i Madagasikara 3 février 2007 Jentilisa

27 Desambra 2009
Sendra nianjery tamin’ity pejy momba ny tantara ity ny mpanoratra ka noheveriny fa misy fanitsiana goavana sy famenoana tsy maintsy hatao izao dia izao tokoa. Ary enga anie izany ka mba hampirisika ny mpamaky tsy handray befahatany ny tantaran’i Madagasikara anganoganoin’ny Frantsay sy ny Malagasy forongony noho ny antony pôlitika, sy handinika bebe kokoa ny tantaram-pireneny

1°-"Ny anciens combatants dia ireo voantso ho miaramila hiatrika ady tany Eôrôpa nandritra ny ady lehibe voalohany sy faharoa.."

Ny Malagasy “anciens combattants” izany hoe ny teratany nantsoina tamin’ny anarana eso hoe « indigène” dia nilatsaka AN-TSITRAPO HIADY fa tsy hoe voantso ho miaramila noho ny fipoahan’ny Ady Lehibe anankiroa nanerana izao tontolo izao. Ny nizaka ny satam-pirenena frantsay –ny “citoyens français” ihany no tsy maintsy voantso ho miaramila. Ilaina antitranterina tsara etoana fa efa voasivana tsara ireo “indigènes” nilatsaka an-tsitrapo hiady ho an’i Frantsa Renimalalany ireo ny amin’ny toe-tsainy amam-panahy ananany raha ny fanompoany an’i Frantsa sy ny Frantsay ary ny fankatoavany ny maha-tany fanànan'i Frantsa an'i Madagasikara no banjinina. Ohatra iray, raha vao nipoaka ny Ady Lehibe 1 tamin’ny Aogositra 1914 dia anisan’ny voalohany indrindra nilatsaka an-tsitra-po hiady ny ankamaroan’ny tamin’izy fito lahy efa dokotera na mpianatra ho dokotera nanorina ny Vy Vato Sakelika (VVS) tamin’ny taona 1913. Tsapan’izy ireo manko fa mety ho vao mainka hiharatsy ny ho avin’ny zanatany frantsay raha tany ka ny Alemà no maharesy. Avy hatrany anefa dia nolavina ny firotsahan’izy ireo satria fantatry ny Lehiben’ny Sûreté Coloniale-BASTEL- sy ny Frantsay hatrany am-piandohany ny fijoroan’ny VVS, izay TSY FIKAMBANANA MIAFINA velively araky ny filaza ny mpanao tantara frantsay sy ny Malagasy forongony na mpandray befahatany izao sora-bazaha rehetra izao. Mazava dia mazava ny antony nandavan’ny Frantsay ireo Filoha nanorina ny VVS ireo. Ny mpanoratra moa dia nifandray akaiky dia akaiky tamin’ny sasany tamin’ireo MPANORINA ny VVS ireo.

Noho izany, dia mazava dia mazava ihany koa fa matoa voaray ho miaramila ny “indigenes” nilatsaka an-tsitrapo tamin’ny fipoahan’ny Ady Lehibe 2 tamin’ny Septambra 1939- toa an’dry Monja Jaona na Andriamiseza Roger- dia olona azon’ny Fanjakana Kôlonialy nitokisana.
Ho an’izay tsy dia maharaka loatra ny fizotran’ny tantara dia tsahivina fa
(i) Taorianan’ny Mey 1972 i Monja Jaona vao nivaky fa mpanorina ny fikambanana miafina JINA (nolazaina taty aoriana ela be fa hoe JINY indray hono no tena izy!) koa izy, izay fantatra hatry ny ela fa RAVELONAHINA Edmond, mpitsikilo malazan’ny Sûreté hatry ny ela, no nanorina azy araky ny baikon’ny “Bureau des Affaires Politiques” sy ny Sûreté Coloniale” ary i Jules CASTELLANI, voanjo mpamboly kafe tany MANAKARA, izay karazana toerana foibeny! I RAVELONAHINA Edmond moa dia efa namadika ny VVS tamin’ny faran’ny taona 1915 raha tsy nihambahamba nanendrikendrika ny VVS tany amin’ny mpamototra azy izy fa hoe tena nitetika marina ny hikomy, hanapoizina ny fantsakana sy hamono na handroaka ny Frantsay ny VVS! Singanina manokana etoana fa TAORIANAN’ny fifidianana depiote Malagasy voalohany indrindra tamin’ny faran’ny taona 1945 no nasain’ny Frantsay nanorina ny JINA i Ravelonahina Edmond fa tsy izany hoe nandritra ny Ady Lehibe 2 izany. Ary tsy antokon’ny Tambanivohitra izany ny JINA –araky ny naelin’ny mpanoratra ny tantaran’i Madagasikara taty aorina: Tanora avy amin’ny tanan-dehibe voakarama, ankoatra ny olon-tso-po, diso mafana fo loatra voafitapitaka na maivan-doha. Ny ivelan’ny tanan-dehibe dia NISANDOKA ho SAMPANA MIAFIN’ny MDRM ihany ny JINA isarihana ny olona ka ny depiote MDRM, Dr Ravoahangy sy Dr Raseta, ihany no tena lehibeny andraisany baiko!
(ii) Andriamiseza mirahalahy-Lucien sy Roger- moa dia fantatra fa isan’ny mpanorina ny antoko voalaza fa miafina antsoina hoe PANAMA –na Parti National Malgache- najoron’ny Voanjo frantsay sy ny Fanjakana Kôlônialy tamin’ny andron’ny Marosaly Pétain, ary mazava ho azy ny “Pétaniste” fiavian’ilay “famaritana” hoe: “NATIONAL” Ny Malagasy mpiasan’ny fanjakana kôlônialy sy tanora mpirenireny etsy sy erôa na mpianatry ny Lycée Galliéni no nampidirina ho mpikambana tao. I Lucien Andriamiseza dia fonctionnaire mahatokin’-ny fitondran’ny mpanjanantany hatry ny ela: vao vita fianarana izy dia voatendry ho sekretera mpandika teny (“écrivain-interprète”) tao amin’ny kabinetran’ny gôverinora jeneraly Cayla, misahahana raharaha miaramila (cabinet militaire,1933) ! Ny zandriny-Lucien- moa dia niasa tamin’ny État-major ny tafika kôlônialy. Mety tsy ho takatry ny taranaka ankehitriny angamba hoe toa inona ny toe-tsain’ny “fonctionnaires” Malagasy tamin’ny fitondrana kôlônialy, ny fisolelahany tamin’ny Vazaha sy ny fangalany “19” amin’ny tatibolana fanaony momba dRanona sy Ranona-na havany aza- hoe: ”Ratsy loha, tsy tia Frantsay, fahavalon’i Frantsa, sns.

2°- "Ny Mpitolona menavazana kosa dia ireo Malagasy rehetra nandray fiadiana tamin’ny 1947 hanoherana ny fitondram-panjakana Frantsay teto Madagasikara..."

Voafintin’ny mpanoratra tsara amin’io fehezan-teny io ny fanodikodinana sy ny fanganoina ny tantaran’ny 1947 tamin’ny andron’ny “Tolom-piavotana” sy ny “Boky Menan-dRatsiraka ka novolavolain-dRamatoakely Gisèle Rabesahala sy ny tariny kômonista tao amin’ny AKFM.
Mety ALOHA no mampahatsiahy kely eto ho an’ny taranaka ankehitriny fa ny Antoko Kômonista Frantsay, dia, tsy araky ny vavany ange, fa nanohana foana ny fitondrana kôlônialy eran’ny zanatany frantsay na tany Indosinina izany na teto Madagasikara izany. Ary raha nalefan’ny Secours Populaire Français (sampan’ny Antoko Komonista Frantsay ihany) teto Madagasikara avy any an-dafy i Gisèle Rabesahala taorian’ny 29 Martsa 1947 dia (1) ny hanara-maso sy hitsikilo ireto avokà frantsay nafaran’ny MDRM hiaro azy, sy indrindra indrindra (2) hisolo toerana haingana ny MDRM izay efa an-dalana ny fanapotehana azy tanteraka. Aoka tsy hohadinoin’ny mpandalina ny tantaran’ny 29 Martsa 1947, fa Maurice Thorez, sekretera jeneralin’ny Antoko Kômonista Frantsay dia praeministra lefitra foana hatramin’ny fiafaran’ny Ady Lehibe faha 2 tamin’ny 8 Mey 1945, ary efa taty aorianan’ny 29 Martsa 1947 izy vao voaraoka –fa tsy niala tsy akory- tao amin’ny governemanta frantsay. Ny fehin-teny tsoahina avy amin’izany dia izao: tompon’andraikitra tanteraka ary mahalala tsara ny momba ny NANAPOAHAN’ny Frantsay ny fikomiana teto Madagasikara ny Kômonista frantsay (sy ry Gisèle Rabesahala) izany. Ramatoa Gisèle Rabesahala moa dia zanaka miaramila frantsay, teraka tany ampitan-dranomasina, avy amin’ny fianakaviam-be nahatokisan’i Frantsa hatrany am-piandohan’ny fanjanahana an’i Madagasikara, dia ny taranak’i Rainizafimanga.
Farany, ny antsoina hoe “Groupe d’Études Communistes” (GEC) ambany fitantanan’i Pierre Boiteau no namolavola ny fijoroan’ny PADESM. (Parti des Déshérités de Madagascar). Mbola mazava ihany koa eto ny “Kômonista » fiavian’ny « famaritana » hoe « Déshérités ».
Koa raha hitodika amin’ny « Menavazana » isika dia izao no tena heviny: Ivelan’ireo manantena ny “hihinana pension kely” sitran’ny ahay, ka tsy tena naman’ny mpitonona ho tena « mpikomy », dia tsy inona tsy akory izy ireo fa ireto mpivarotra tanindrazana avy amin’ny JINA sy ny PANAMA nokaramain’ny Fanjakana frantsay hampirisika ny Vahoaka hikomy tamin’ny anaran’i Dr Ravoahangy sy Dr Raseta ary ny MDRM mba hahazoany mandevina tanteraka ny fitakiana ny fiverenan’ny fahaleovantenan’i Madagasikara amin’ny fomba ara-dalàna, tsy mampiasa hery setra, sy mandrava ny MDRM, ary mampakatra ny PADESM(mandrak’ankehitriny ainantsika izao!).
Efa fantatra hatry ny ela ireto Voanjo Frantsay nanefy ny lefona-notombohana hoe MDRM- sy nampizara antsy be sy famaky, izay natao ho fiadian’ny “ Mpitolona Menavazana” ! Ny Vahoaka no noporetin’ireo « mpitolona menavazana » mpikomy sandoka fa tena mpamadika tanindrazana, hanaraka azy tany anaty akata sy tany an’ala, ka novonoiny raha vao nandà! Ireo vahoaka ireo no nolazaina avy hoe fa « mpikomy » rehefa nasaina nanao « soumission ». Fandripaham-bahoka tambabe (GÉNOCIDE sy meurtres de masse) , FIKOMIANA FRANTSAY, ny 29 Martsa 1947 ka anjaran’ny taranaka mandimby no manenjika ny Fanjakana frantsay hatramin’ny farany ny amin’izany , satria HELOKA BEVAVA AMIN’NY ZANAK’OLOMBELONA tsy misy fahafahana amin’ny fanarahana azy (« crime contre l’humanité, imprescriptible »).

3°- "Tamin’ny 1972 manko raha nanome ny fahefana ny Jly Ramanantsoa ny filoha Tsiranana tamin’ny 18 mey 1972, ny tao an-tsain’ny filoha, araka ny fijeriko azy dia karazana praiminisitra ihany ny Jly Ramanantsoa..."

I Tsiranana dia sady prezidan’ny Repoblika no Lehiben’ny Governemanta [chef de gouvernement, na karazana praeministra izany]. Ny fahefany amin’ny maha-chef de gouvernement azy no nafindrany tamin’ny jeneraly Ramanantsoa izay nanangana governemanta ARA-DALÀNA vaovao. Tsara no mampahatsiahy kely eto fa ny jeneraly Andriamahazo angamba no tao an-tsain’i Tsiranana satria izy notendreny ho “gouverneur militaire” teto Antananarivo. Ny jeneraly Ramanantsoa kosa moa efa hanainga hody any Frantsa hisotro ronono ary efa nampanomana ny tranony tany am-pita. Ary satria hanolo vonjy maika ny Lalàm-panorenana velona no hevitry ny governemantan-dRamanantsoa –fa tsy hoe hanala an’i Tsiranana amin’ny maha-prezidan’ny Repoblika azy tsy akory!- dia nampanao “referendum” ny amin’izany izy. Tsy marina loatra izany ny hoe : “Rehefa nilamindamina ary ny hetsiky ny mpianatra lasa hetsi-bahoaka dia notakian’ny filoha Tsiranana tamin-dRamanantsoa amin’izay ny fahefana”
Ambonin'izany noho izy nampanao “TSIA” dia nametra-pialàna avy hatrany i Tsiranana (amin’ny maha-demôkraty ahy, ho izy) –NA DIA TSY VOATERY NIALA AZA IZY- satria naharesy ny “ENY”
.

4°-"Olona roa anefa no tena nisongadina tamin’ireo mpikambana tao amin’ny governemanta dia ny minisitry ny atitany ny Kolonely Ratsimandrava sy ny minisitry ny raharaham-bahiny ny Capitaine de Frégate Ratsiraka Didier. Hita mihitsy fa nifaninana haka ny fon’ny olona (mety ho efa nikendry sahady ny hitondra firenena aoriana izy mirahalahy ireo)..."

Nisy an’i Albert-Marie Ramaroson, ministry ny Vola sy ny Ekônômia, koa izay nandeha nifampiraharaha tamin’ny Frantsay ny amin’ny fanovàna ny Fifanekena Fiaraha-miasa amin’i Frantsa. Io moa dia nanaovan-dRatsiraka sinema-be niaraka tamin’ny Frantsay mpanjanan-tany manana tombon-tsoa eto Madagasikara. Zavatr’iray toa tsy voatandry ny olona loatra tamin’izany angamba dia hoe: Ratsiraka Albert, rain-dRatsiraka no fantatra hoe “bourreau de Moramanga” ka mpanenjika ny vahoaka MDRM tany Moramanga taorianan’ny 29 Martsa 1947. Ary ny rafozan-dahiny, Pascal Velonjara, PADESM nifaninana foana tamin’ny MDRM tamin’ny fifidianana ho depiote, saingy resy lava, no natolotry ny fanjakana kôlônialy ho depiote hisolo ny olom-boafidy MDRM tamin’ny 1951. Koa nilain’ny Frantsay mpanohana an-dRatsiraka ny mba hampitafina azy akanjona tia tanindrazana madio sy henjana (“pur et dur nationaliste”): ny fialana tamin’ny Fari-bola Franc” (Zone franc), -izay hany tena tombontsoa tokana nilaina ny fiarahana tamin’i Frantsa- sy ny fanakatonana ny toby frantsay teto Madagasikara no endrik’izany “akanjo” izany. Nahazo vahana i Ratsiraka taorian’ny nahafatesan’ny prezidà frantsay Georges Pompidou tamin’ny Aprily 1974 ka nodiasan’i Valéry Giscard d’Estaing: ny fianakavian’ny rahavavim-badin’i Giscard’Estaing -Simone Darde- dia sakaizam-ben-dRatsiraka, izay zanaka an-tranony fony i Ratsiraka tany amin’ny sekoly miaramila tany Frantsa.
Angamba nahadiso fanantenana ny Frantsay ny kôlônely Ratsimandrava izay zanaka PADESM ihany, kanefa tena nikatsaka ny fanavaozam-pirenena sy ny tombontsoam-bahoaka tamin’ny fananganana ny rafitra fokonolona sy ny fanadihadiana ny momba ireo orinasa voay ben’ny mpanjanantany toy ny Compagnie Marseillaise de Madagascar sy ny Compagnie Lyonnaise, sns.

5° "Tamin’ny 1973 dia velona ny fanenjehana ny Merina tany Toamasina ka nahatonga an-dRazanamasy Guy Willy voatery nifindra teto Antananarivo ohatra..."

Fihantsiana avy amin’ny vadin-dRazanamasy Guy, mpampianatra tany Toamasina, no nampirehitra ny fanenjehana efa maty paika ny Merina tany Toamasina. Ninia nampiasa teny Betsimisaraka iray manatsizarizary ny mpianany Ramatoa Razanamasy ka nahatezitra azy ireo. Ny tatitra manaraka ataonay kosa dia avy amina olona akaiky dia akaiky ny fitondrana tamin’ireny fotoana ireny, koa tsy hainay na mitombina na tsia.
-Araka ny fanadihadiana nampanaovy ny kôlônely Rabetafika “Directeur du Gouvernement” (saika karazana praeministra izany”, dia i Étienne Ratsiraka, rahalahin’i Didier Ratsiraka, sakaizan-dRazanamasy Guy, no tao ambadiky ny fandrehetana adim-poko tany Toamasina sy ny fanenjehana Merina, ka niomana ny hampisambotra azy izy
-Nihazakazaka nody avy any ivelany i Didier Ratsiraka, nandeha alahady maraina tany amin’ny fonenan’ny jeneraly Ramanantsoa (Faravohitra), nanao “tenue n°1”, ka nangataka ny famelana ny rahalahiny, ary nanome toky ny jeneraly fa tsy avelany hamerina izany intsony (“Parole d’officier”). Ary satria moa ramatoa vadin-dRamanantsoa angaha nankamamy an-dRatsiraka dia namporisihany ny jeneraly hamela an’i Étienne Ratsiraka

6°- "Nisahotaka hatrany ny faritra maro ka tsy tanan’ny jeneraly intsony ny fitondrana, nikomy rahateo ka namahatra tao Antanimora ny FRS (Forces Républicaines de sécurité) izay niova anarana ho GMP na Groupe Mobile de Police, naleony nampitaina tany amin’ny iray amin’izy mirahalahy ny fanilo. Ny hitantsika moa dia ny KOlonely Ratsimandrava no nandray izany. Tsy ampy herinandro anefa dia efa nisy nandaboka io lehilahy io. Noho ny tsy fisian’ny mpitondra mivantana dia voatery noraisin’ny Miaramila ny fahefana. Izany hoe satria tsy misy mpitondra intsony ny firenena vao nijoro ny Miaramila (Directoire Militaire), ary hitantsika fa tsy mbola tia loatra izany hoe manongam-panjakana izany ny miaramila malagasy aloha..."

Nisy tetika maromaro hamonoana ny jeneraly Ramanantsoa sy hanonganana ny governemantany nandritra ny taona 1994, indrindra moa tamin’ny 31 desambra, izay niafara tamin’ny fitokonan’ny ex-FRS tetsy Antanimora, ambany fitarihan’ny kôlônely Bréchard, mpanolo tsainan’ny jeneraly Ramanantsoa.
Natolotry ny jeneraly Ramanantsoa an-dRatsiraka ny fitondrana fa tsy tantiny intsony ny fanozongozonana sy ny fandrahonana natao azy. Notakin-dRatsiraka ny fialan-dRatsimandrava amin’ny maha-lehiben’ny Zandarimaria azy sady ministry ny Aty Tany, satria raha mbola mijanona amin’ireo toerana ireo izy dia rahampitso ihany dia ho voaongana izy, hoy, hono, Ratsiraka. Nolavin-dRatsimandrava izany fitakian-dRatsiraka mialoha izany, satria ny “governemantan-dRamanantsoa” iray manontolo no napetraky ny vahoaka tamin'ny "referendum" teo amin’ny fitondrana. Koa tsy nanaiky handimby an-dRamanantsoa I Ratsiraka. Noho izany dia ny kôlônely Ratsimandrava no notoloran-dRamanantsoa ny fahefana, ary dia izay no nahatonga ilay teniny malaza hoe “Tsy hihamboho adidy aho mon général”..
Ny alin’ny Talata 10 Febroary 1975 mifoha Alarobia dia efa nikaon-doha tany amin’ny “Catalane”-Tobin’ny Zandary, Andrefan’Ambohijanary- ny manamboninahitra sy “mpanolo-tsaina pôlitika” borizano, handray ny fahefana haingana: Raha vao nandre ny famonoana an-dRatsimandrava manko ny jeneraly Ramanantsoa dia nitomany nigogogogo [izaho no tokony ho maty, hono, hoy izy] ary nikasa hiverina avy hatrany amin’ny fitondrana, saingy tonga dia NOSAKANAN’ireto manamboninahitra teny amin’ny Catalane ireto. Natsangany faingana ny “Directoire militaire” ambany fitarihan’ny jeneraly Andriamahazo hoe hisorohana ny adim-poko izay narangaranga foana amin’ny antony tsy mitombona sy natao biby fampitahorana mba HANAMARINANA ny FANONGANAM-PANJAKANA nataon’ireo manam-boninahitra ireo.

7°- "Ny Kolonely Soja no nifaninana tamin’ny Kapiteny Ratsiraka. Raha atao hoe samy nifidy ny vondrona nisy azy avy ny tao anatin’ny directoire dia tokony ho resin’i Soja vato iray Ratsiraka..."

Samy nandeha naka toky tany Frantsa tokoa i Ratsiraka sy Soja saingy

(a) efa hatry ny ela no voaoman’ny Frantsay mpanjanan-tany handray ny fahefana i Ratsiraka ary notohanan’i Giscard d’Estaing, prezidan’i Frantsa, sy ny praeministra Jacques Chirac, mafy dia mafy, izy

(b) I Soja kosa dia i Jacques Foccart sy ny Gaullistes no nantenainy, saingy tsy nanam-pahefana intsony izy ireo
Koa very fanahy ny manamboninahitra Malagasy izay mbola mila sitraka sy toky any amin’i Frantsa foana!
Ny vaton’ny jeneraly ANDRIAMAHAZO no narotsany ho an-dRatsiraka satria nampanantenaina azy ny hampiarana aminy ilay SATA VAOVAO voa nolanina manome tombontso tsy hita velively ho an’ny “Filoham-panjakana” tsy amperin’asa intsony, izay faran’izay tsy rariny ary tokony ho foanana aty amin’ny tany mahantra ohatran’i Madagasikara

Farany: misy vavolombelona mbola velona mahalala tsara ny zava-nitranga tamin’ny 1974-1975 toy : ny profesora Zafy Albert sy Rakotovahiny Emmanel mbamin-dRajakoba, ministra tao amin’ny governemantan-dRamanantsoa; ny jeneraly Désiré Rakotoarijaona, Ramakavelo, Soja sy Andriamaholison, zandary niaraka tamin-dRatsimandrava, sns. sns.

Nampidirin'i Lysnorine @ 23:51, 2009-12-27 [Valio]

Opérateurs historiques du monopole français des jeux, le PMU et la Française des jeux (FDJ) multiplient partenariats et alliances pour tenir les premiers rôles à l'ouverture à la concurrence du marché des jeux en ligne prévue dans quatre mois. Le PMU tout comme la FDJ ont les reins solides. maillot foot
Alors quand ] autographes, j'ai dit oui, racontetelle.
Le monopole d hérité du XIXème siècle et fondé sur un triple souci de protection de l public, de l social et de la santé publique s trouvé confronté, d part, à la pression exercée par le droit de la concurrence et d part, à un développement d offre illégale de jeux et de paris en ligne plébiscitée par le public français. maillot de foot La première manifestation avait eu lieu fin avril sur les ChampsElysées à Paris et en SeineSaintDenis. Un mouvement spontané et exceptionnel, les policiers étant soumis au devoir de réserve. Les agents de police profitent de la campagne électorale pour "exprimer leur malaise, aux causes multiples et différentes" selon leur proximité syndicale.
Voeckler absent du Tour de France
Bé glais à Union StJean. Vincent Jean, passe de Girondin A. S P. maillot foot pas cher ] Dans le cadre de la Coupe du Monde de Rugby, le Mus e Fabre se propose de mettre en vidence le lien entre ce sport et l'art moderne travers une exposition confrontant l'Suvre de deux artistes issus du cubisme, Andr Lhote et Robert Delaunay.

Nampidirin'i benjaminzcz @ 02:42, 2013-08-07 [Valio]
Hampiditra hevitra

E-mail me when comments occur on this article
Momba ahy
jentilisa

Vasoky ny tambajotra sosialy tahaka ny Facebook,Twitter sy ny karazany ny blaogy amin'izao fotoana. Mora miely vetivety ny hevitra sy izay voasoratra amin'ireo sehatra ireo.

Misy lafiny iray anefa tsy ahavoazan'izy ireo mihitsy ny blaogy dia ny fitehirizana.Rehefa karohina ny vontoaty iray dia sarotra hita kokoa ny vokatry ny fitadiavana avy amin'ireo tambajotra sosialy ireo.Izay lafiny izay no tsy maharesy tondromaso ny blaogy satria mora hita kokoa ny vontoatiny rehefa karohina amin'ny alalan'ny mili-pitadiavana.

Momba ny eto manokana indray, tsy hianona intsony amin'ny vaovao eto an-toerana aho fa hisokatra kokoa amin'ny manerantany, na amin'ny sehatra ankapobeny. Hosoratana avokoa na eritreritra sendra nandalo na revin-gadra, na fanehoan-kevitra mety hanafintohina ny mpamaky. Mety ho tezitra ianao amin'izay voasoratra nefa ny hisokafan'ny saina handinika sy hamakafaka ary handanjalanja no tena kinasa ambadiky ny lahatsoratra. Ka mazotoa daholo ary ny hevitra anie no hiady fa tsy isika no hifandramatra!

calendar
« Novambra 2019 »
Ah At Ta Ar Ak Zo As
          1 2
3 4 5 6 7 8 9
10 11 12 13 14 15 16
17 18 19 20 21 22 23
24 25 26 27 28 29 30
Tahiry
Credits
LifeType IE7 XHTML CSS Firefox