« | »

Sambatra ianareo miaramila fa tambatambazana hatrany

2009-12-11 @ 23:17 in Politika

Fanamarihana voalohany, dia arahabaina izany ny miaramila fa nisondrotra indray ny karaman'izy ireo tamin'ity volana desambra ity. Mbola anaty krizy ihany ny firenena fa tsy mahalala izany ianareo. Efa nampanantenaina anareo manko, hono, nyhampakarana avo dia avo ny karamanareo koa dia tontosa izy ankehitriny. Hita tokoa fa nandray anjara mavitrika tamin'ny tolona ianareo ka dia azonareo ny valin- kasasaranareo. Heveriko fa manantena ny mpitondra nanondrotra ny karamanareo fa fantatrareo avy hatrany ny andraikitra ankinina aminareo amin'izao toe-java-misy eto Madagasikara izao.

Matoa anefa nankinina aminareo izany andraikitra izany dia mety ho tsy moramora velively ilay izy fa mety iangonan'ny fialonan'ny hafa rehetra tsy nahazo fanondrotan-karamana ianareo. Manahy aza aho fa hitombo bebe kokoa ny fankahalana anareo saingy inona moa no iraharahianareo izany? Impiry impiry no mahazo tambin-karama midangana, izao indray fanondrotan- karama mihitsy! Ny tsy azoko tsara dia hoe 50% hoe ny fisondrotana? Toa tsy mampino kosa izany, afa-tsy hoe nidina dia nidina angaha ny sandam-bola malagasy... nefa azo tanterahina soa amantsara kosa raha ho anareo irery ihany ny fanondrotana ny karama ka.

Ankehitriny, tena antoka tsara tokoa ianareo tsy hahafaha-manozongozona ny fitondrana tokony arovanareo. Araraoty tsara fa tsy misy fitondrana toa ity amin'izao fotoana izao ity ka hitsinjo anareo. Izaho kosa, lasan'eritreritra fa mizotra amin'iny lalana iny izay nodiavin'i Alzeria tamin'ny fotoan'androny ny fiainana politika eto Madagasikara. Potehina tanteraka ny endri-panoherana rehetra, lazaina ho mpampihorohoro izy ireny, mpanakan-dalana. Tsy mandehandeha foana tsy akory ireny aferana basim-borona tratra teny Ivato sy ireo hafa saiky halefa aty kanjo hita IHANY tany Paris ireny. Niniana notratrarina ve ireny fitaovam-piadiana ireny sa tratra tsinahy? Nahavariana moa tao amin'ny Tvplus fa sary tahiry ka mampiseho basy Kalakhnikov no naverimberina fa tsy ireo basim-borona tratra tanaty baoritra (mba matanjaka mahazaka be mihitsy kosa ireo baoritra ireo an!). Toa karazana paika Saikolojia ireny, te-hanambarana fa nisy nikotrika fanonganam-panjakana indray teto e!

Fa angaha vitan'izany ihany. Miverina indray ny lazan'izao tsahotsaho rehetra izao fa METY hisy amin'izay ny mpikarama an'adin-d Ravalomanana (famerimberin'i Randy-do-it hoe Ravolomanana). Dia ambenana avokoa ny karazana sisintany rehetra na an-dranomasina na an'habakabaka. Efa nanendrikendrehana io filoha teo aloha io moa izany hoe fakana mpikarama an'ady vahiny izany. Oadray nisy tokoa ka! tsy tadidinao angaha ireny mpiambina azy taloha fony vao nirotsaka hofidiana ho filoham-pirenena voalohany ireny izy? Sa moa tsy mpikarama an'ady intsony ry Jean Marc Koumba ireny? Fa ilay izy fotsiny no adino no nilaza azy tamin'ireny fotoana ireny e!

Etsy ankilan'izany koa, ny fidradradradrana fa misy ny manakarama ny ambany tanàna indray handroba sy hamotika ary handoro tahaka ilay indray alatsinainy tamin'ny fiandohan'ny taona iny. Dia hampangaina ny sasany ho tena mpandroba fa mody milaza tena ho zanaka hendry mankahala fandrobana. Samborina avokoa izay miseho ho basivava rehetra. Dia tsy hisy intsony ny herim-panoherana, na dia hery tsy manana fitaovam-piadiana aza izany. Tsy ny famongorana ny mpanohitra velively anefa no lalana ahafaha-mampandroso an'i Madagasikara fa ahafahana  mitoetra maharitra eo amin'ny fitondrana izany, eny fa na dia amin'ny alalan'ny fandrahonana sy ny fampihorohoroana aza no itondrana ny firenena, rehefa milamina tsy misy mikofoka dia izay no tadiaviny.

Fa iza aminareo no mbola hieritreritra fa hisy fifidianana izany eto Madagasikara ao anatin'ny dimy taona raha ny fitohizan'izao toe-javatra izao no jerena e? Tsy maintsy ao anaty firenena milamina anie no hanaovana ny fifidianana. Noho izany, izay kandidà tsy miteraka korontana ny firenena, indrindra indrindra tsy manohintohina ny tombotosan'ny miaramila, ihany no afa-mirotsaka. Fa na izany aza mbola misy olona mety ho andrasana ho ampy 40 taona eto vao mety hisy izany fifidianana ho filoham-pirenena izany (izay ilay hoe afaka dimy taona).

Fa antony iray mampitarazoka ity toe-draharaha ity ihany koa ny fihazohazoan'ny vondrona iraisam-pirenena tsy mety hanasazy ny tsirairay amin'ireo mpanongam-panjakana  fa mbola variana mandrahona fotsiny. Ny an'ny olona jereo fa tonga dia tsy navelany hiditra teo Madagasikara fotsiny izay manelingelina azy dia vita kabary, sahirana avokoa ny nitady vahaolana tsy hanjerana ny sazy amin'i Madagasikara hanapahana ny AGOA miaraka amin'ny Amerikana. Faly ery ny mpanohana azy mitehaka amin'izao fahasahiana ananan'ny mpitarika azy izao. Araka ny nambarako moa dia ilaina fantarina tsara ny tanjona kendreny ahafahana manohitra tsara ny fikasany. Ny tiako marihina aloha izao dia ny tsy tokony ivoahany mankalaza ny fetin'ny faran'ny taona any amin'ny Reny Malala nefa andro mandalo fotsiny izany fa tsy manakana ny hanohizany iny lalana iny, izay feno hazofijaliana.

Farany: Lasa maharikoriko aoka izany ho'aho ny miresaka politika eto Madagasikara ary tsy maha-te-hanoratra intsony, satria raha mbola tsy mihetsika avokoa ny antokon'olona iharan'ny tsy rariny sy ny tsindry hazolena rehetra tsy misy na inona na inona azo atao hanoherana basy mihitsy eto. Efa tsy mila fifampiresahina intsony ireo olona ireo, nefa na dia maharikoriko tahaka izany aza ilay miresaka politika dia mbola lerako ihany. Fa na eo aza izany, Happy Birthday to You Mr President Ravalomanana!


jentilisa, 12 desambra 2009 amin'ny 01:22

Hevitra

Mampahatsiahy ahy ny tamin' ny andron'i Deba izany fanambatambazana miaramila amin' ny alalan'ny karama izany. Io angamba no nalain-dry zalahy tahaka amin' izao fotoana.

Nampidirin'i Bema @ 01:07, 2009-12-12 [Valio]

Thanks

Thank you my friend for this article : clear, complete, rapid and true.
Nampidirin'i nicodème @ 07:21, 2009-12-12 [Valio]

Aiza kivy e !

Aiza kivy ihanao. Tsy maintsy tohizana ny lalana. Tsy maintsy tohizana ny filazana ny marina. Tsy maintsy tohizana ny sensibilisation @'ny rehetra. Tsy irery ihanao. Tsy irery ianareo. Tadidio fa betsaka ny zanak'i Madagasikara eran'ny tany manohana anareo. Lazao foana ny marina sy ny rainy sy izay misy.

Nampidirin'i LaurencoMarques @ 11:09, 2009-12-12 [Valio]

arabaina aloha tsy maty fo aman'aina ee :)

za tena nieritreritra be hoe tena nihitsoka any Maputo jentl fa toa tsy hita tsony looooooooooolllll

Ny tena marina, ny fahitako azy, otran'ny tsapan'ny DJ fa otran'ny poinsa tsy miditra 2e toro akory izy ra ohatra ka "free and fair" ny fifidianana dia lasa tsy maintsy manao ze fika mba hahazoana tombony kely izy... Ny mouvance rehetra koa otran'ny tsy dia misy hoe tena sincere 100% izany ka mety anisan'ny antony hoe tsy hisian'ny fifampatokisana... En plus, ny DJ mieritreritra fa manana position dominate foana ka otran'ny tsy mety aminy ny midina @ toeran'ny mouvance hafa... bref, sans issue be le kozy...
Na hatao miaramila 100% aza ny governemanta dia mbola tsy poinsa foana io... ra zao fandehany zao aloha dia any @ 2011 any ndray ny fifidianana vao mety hiainga...

En tt cas, tsy hahavita 5taona eo @ fitondrana eo zany ny DJ raha tsy hoe hanao didy jadona sy sosialisma anga... Efa manakaiky ny ady antrano, indrindra @ ity fidiran'ny sinoa @ resaka fitrandrahana solika ity...

Tsy hita ze ho tenenina @ le izy fa dia hoe izao no notadiavin'ny vahoaka ka aleo mba andramany kely aloha eee... rehefa misy mesia hafa indray dia mba mijinja ny anjarany koa izy otran'ireo nitondra taloha rehetra... tsy efa izay ve ny destin antsika malagasy??

Nampidirin'i simp @ 11:49, 2009-12-12 [Valio]

Salama Jentilisa
Ianao natao tsy ho leo,loza ity!
Aza avela re ny malagasy o!
Izaho izao vao nierireritra hoe raha mba mirotsaka politika moa ianao ity? Tsy vazivazy akory izany. Tsy ianao indrindra ve no atao hoe olom-baovao? Mahavarina ahy foana ny mamaky ny zavatra soratanao ary mahavelom-bolo satria mandinika lalina. Manana ny olona tohananao ianao anefa tsy mitongilana amin'ny resaka ary manana an'izay fomba fijery lavitra izay. Indrindra indrindra tsapa fa tia an'ilay Tanindrazana. Sa mandoto ve ny fanaovana politika? Izaho zatra manortra teny frantsay satria na tiako na tsy tiako dia izay no nahalehibe ahy. Tsapako anefa fa olom-bisty ihany no afaka na te-hihaino an'izany ary rariny satria tena olana eo anivon'ny malagasy izao zava-mitranga izao.Olona ohatranao mahay miteny malagasy ary manandratra an'izany avo no afaka hiresaka amin'ny tena vahoaka malagasy ka anao no misafidy ny zavatra tokony ho ataonao fa rendrika moramora ilay firenena.
"Tout ce qui n'est pas donné est perdu..." Ho antsika mianakavy io.

Nampidirin'i Mmm @ 18:06, 2009-12-12 [Valio]

anjara asany

Ny tena mpanakarama dia ry mesié bwana vozongo isany , ny mpanatanreaka ny asa dia ny marasily ary ny saribakoly baikona sy atao kilalao dia ny mpanodina kapila...isika vahoaka , araka ny mahazatra dia fahanan-dalitra sy atao tohatra fiakarana.....
Nampidirin'i malagasycool @ 18:17, 2009-12-12 [Valio]

Etat fascisant mitondra fascisme : brutalités

Les militaires sont privilégiés, on a un critère de gouvernement fascisant. Mitondra brutalités dont meurtres et assassinats.
Nampidirin'i poiuyt @ 18:59, 2009-12-12 [Valio]

Mahereza r'ise a

Na de lavitra az zany làlana
na fidinana na fiakarana
tsy maintsy tonga izany
fa TIA TANINDRAZANA.

ô na de lavitra ee
...

kôpy ise :).
Mahereza e. Tonitoniana ny ezaka sy herim-po satria ho lavitra sy sarotra ny ady. Tsy maintsy mandresy ny rariny sy ny ara-dalàna.

Nampidirin'i Jean Mathilde @ 00:37, 2009-12-13 [Valio]

jentilisa

Mmm> Tsy dia leo miresaka politika ho'aho izaho na dia maharikoriko aza ilay izy. Izay no nahatonga ahy hanoratra hoe nolerako ihany, izany hoe narapako hatrany e! izaho ihany koa dia noterena hianatra teny frantsay fahatanora, izany hoe nanomboka teo amin'ny faha-11 taonako teo ary mpivezivezy nindram-boky ampolony taona tao amin'ny CCAC Analakely. Noho ilay izy noterena angamba dia tsy nety levoko mihitsy ilay fandraisana ny teny frantsay, Naleoko niezaka nianatra teny anglisy... kanefa dia mbola tsy dia mahay loatra ihany eo amin'ny masontsivana malagasy be mahay noho izaho ity. Fa tadidiko tsara kosa fa tsy dia ratsy loatra ny naotiko rehefa aeo amin'ny taranja malagasy na dia be tamin'ny mpiara-mianatra aza no mikolay fa sarotra dia sarotra ilay teny malagasy.

Raha eo amin'ny lafiny politika, tsy dia mahay loatra io angamba aho satria ny tontolon'ny fanaovana politika mihitsy no mbolamanahirana eto Madagasikara. Tsy mifanaraka amin'ny eritreritro mihitsy ilay hoe mody manome zavatra madinidinika toy ny haninkanina kely tsy mitondra mankaiza mba hangalana na hitazonana ny vaton'ny maro an'isa. Raha tsy manao izany indray anefa ianao dia herverin'ny sarambambe ho tsy miraharaha azy indray fa lazaina ho manao tohatra fiakarana azy indray. Ny ahy, satria mbola tany mahantra isika dia ny fametrahana foto-drafitr'asa no tiako imasoana, dia ny fanamorana ny fandraisan'ny olona andraikitra eo amin'ny fitantanana ny fiainany. Izany hoe: tiako ny olona raha mba mahay manao investissement, ary manana fahalalahana manao izany fa raha mbola tia ity hataka sy manataka ity dia mibotetaka eto hatrany. Hatramin'izao aloha dia ny fanoloran-kevitra ihany no sahiko fa raha tsy mipetraka tsara ny valam-politikako sy ny olona azoko itokisana hanatratra ny tigetra mitovitovy amin'ny ahy dia ahiana ny hanaonao foana e!

Hatramin'izao ihany koa dia voavakavaka ihany ny olona malalaka afaka ny hampiasa vola hampiroborobo ny toe-karena... satria tsy hanaiky ny ho tratranao ka ho lasa hitovy aminao mihitsy ireo efa lasa aloha amin'ny fananan-karena. Oadray! lasa rediredy eo ny farany saingy dia tena izay mihitsy no sainiko ao anatiko ao.

Nampidirin'i jentilisa @ 09:02, 2009-12-13 [Valio]

happy birth... angaha?

Gisitra indray aho fa angaha efa lasa teny anglisy izao no firesahana @ Andriamatoa Filoha? hi, hi!
Ny anay dia "Tràra antitra ianao Andriamatoa Filoha Ravalomanana! Mifanantera amin'ny taranaka aman-jafy" ihany! Ho tahian'Andriamanitra daholo e!

Nampidirin'i gasi @ 20:23, 2009-12-13 [Valio]

Rariny ho an'ny miaramila

Nomena tombony manokana ny miaramila satria nasaina nanasa vodin'omby vavy be ronono no asa nomena azy tamin'ny andron'ingahy ravalomanana. Tsy nomena ny tena anjara asany fa nambaniana! basy no fitazony nefa nasaina nanasa maloton'ny biby no niafaran'ireo manamboninahitra! sa mendrika azy ireo foana ny rovitra akanjo na manasa maloto? rariny kosa angamba raha mba jerena manokana amin'izay izy ireo satria nahavita zavatra soa ho an'ny firenena! tena nanampy betsaka ny vahoaka tao anatin'ny vahohon'ny jadona sy ny tian-kano tsy tian-kano!

Nampidirin'i Anti-Ra8 @ 20:29, 2009-12-14 [Valio]

Miarahaba, Ramatoa anarako no Camilla Barbro. Tiako ny hampiasa fitaovana izany ny mampahafantatra ny rehetra mpikatsaka bola mba ho tena tsara satria misy fisolokiana na aiza na aiza. Volana vitsy lasa izay dia sahirana ara-bola, sy ao anatin'ny hakiviana, aho scammed lenders sasany amin'ny aterineto. Saika very fanantenana aho mandra-ny namako no nampiseho ahy ny tena azo antoka hoe Mrs.Heather Whyte mampisambotra izay hampisambotra unsecured amounting fampindramam-bola ho 30.000 Euro Tsy ampy 72 ora tsy misy fanerena na ny adin-tsaina amin'ny zanabola ny 2% monja. Gaga be aho, rehefa nijery ny banky mahay mandanjalanja, ary nahita aho fa ny isa ampiharina halefa mivantana amin'ny kaonty aho dia tsy mba nijanonjanona. Ka nampanantena azy aho mitory ny vaovao tsara ny olona mba afaka mora foana fampindramam-bola tsy misy adin-tsaina. Noho izany raha toa ka mila bola isan-karazany, mifandraisa azy amin'ny alalan'ny email: qualityloanltd@europe.com.
Afaka koa anefa ny miresaka ahy eo amin'ny email: camillabarbro15@gmail.com
Ankehitriny, izay rehetra ataoko dia miezaka ny hihaona bola bola fa Izaho maniraka mivantana ny kaonty.
Ny Krismasy sy New Fankalazana nahafinaritra
Mirary ny soa indrindra.

Nampidirin'i Mrs Camilla Barbro @ 16:27, 2015-02-21 [Valio]
Hampiditra hevitra

E-mail me when comments occur on this article
Momba ahy
jentilisa

Vasoky ny tambajotra sosialy tahaka ny Facebook,Twitter sy ny karazany ny blaogy amin'izao fotoana. Mora miely vetivety ny hevitra sy izay voasoratra amin'ireo sehatra ireo.

Misy lafiny iray anefa tsy ahavoazan'izy ireo mihitsy ny blaogy dia ny fitehirizana.Rehefa karohina ny vontoaty iray dia sarotra hita kokoa ny vokatry ny fitadiavana avy amin'ireo tambajotra sosialy ireo.Izay lafiny izay no tsy maharesy tondromaso ny blaogy satria mora hita kokoa ny vontoatiny rehefa karohina amin'ny alalan'ny mili-pitadiavana.

Momba ny eto manokana indray, tsy hianona intsony amin'ny vaovao eto an-toerana aho fa hisokatra kokoa amin'ny manerantany, na amin'ny sehatra ankapobeny. Hosoratana avokoa na eritreritra sendra nandalo na revin-gadra, na fanehoan-kevitra mety hanafintohina ny mpamaky. Mety ho tezitra ianao amin'izay voasoratra nefa ny hisokafan'ny saina handinika sy hamakafaka ary handanjalanja no tena kinasa ambadiky ny lahatsoratra. Ka mazotoa daholo ary ny hevitra anie no hiady fa tsy isika no hifandramatra!

calendar
« Jiona 2018 »
Ah At Ta Ar Ak Zo As
          1 2
3 4 5 6 7 8 9
10 11 12 13 14 15 16
17 18 19 20 21 22 23
24 25 26 27 28 29 30
Tahiry
Credits
LifeType IE7 XHTML CSS Firefox