« | »

Ny zoko tsy hitovy hevitra aminao

2010-02-06 @ 11:14 in Politika

Efa ela aho no te-hanoratra ho anareo saingy sampona mahazo ny fahakamoana hampita ny hevitra indraindray. Mbola ao anaty krizy koa angaha hany ka raha manana hevitra tsy iraisana amin'ny besinimaro loatra dia heverina ho mpamadika avy hatrany. Efa zatra ny nanoratra ny hevitro aho ka mitandro hatrany ny fahafahako miteny amin'ny alalan'ny bolongana angaha. Be ihany ny hevitro no toa notanterahina ihany am-bolana manaraka. Tojo firehana misedra na mifanohitra ny an'ny besinimaro indray ny tena ankehitriny... nefa tsy ataoko ho sakana velively raha hifanohitra izay mety ho hevitrareo ny soratako etoana.

Izay no ela fa dia atao toy ny donak'afon'Analakely izy ity ka avy hatrany dia any am-bovonana. Mpitandro ny fandriampahalemana araka izay fetran'ny azo atao aho, efa tsinjonareo amin'ny fomba fanoratro ihany. Tsy te-hahita olo-tsotra tra-boina toy izay nitranga tamin'ny 7 febroary 2009 intsony aho... ka hoe tsy raharahiana intsony ny ain'olona noho ny fitiavam-pahefana sy voninahitra ary seza, na an'iza izany na an'iza. Mazava loatra aho raha nankasitraka ny Loa-bary an-dasy notanterahina tetsy amin'ny Carlton Anosy tamin'ny fiandohan'ity volana ity. Fitadiavam-bahaolana  hanerena ny ankolafy efatra hifampidinika hampandeha ny tetezamita hizorana amin'ny Repoblika tsy misy ra mandriaka intsony no atao, raha mbola azo atao ihany koa izany. Nahoana no andrandraina ny hiavian'ny tafika vahiny raha mba mety ho voavaha eto an-toerana ihany ny olana? Saingy maro loatra no tsy te-hahalala intsony izay fitadiavam-bahaolana avy amina Malagasy... ary lazaiko indrindra ny mpanao politika avy amin'ny ankolafy efatra mihitsy ka tsy niraharaha izay antso ho amina fifampidinihana izay.

Fijeriko dia te-hijoro ho toy ny "ray aman-dreny" te-ho ambonin'ny fironana misy tokoa Atoa Fetison Rakoto Andrinirina, raha nandray iny fanapahan-kevitra iny, ary mametraka fa mendrika azy tokoa ny nanendrena azy ho filoha mpiara-mitantana, izay nanasa na dia ireo mpifanandrina aminy ara-politika aza. Lalana nankany amin'ny tetezamita iraisana tokoa no nokasainy, saingy ny omby indray mandry moa tsy indray mifoha. Tsy nahay nanararaotra iny fotoana tokana nampananontanona ny fahitana vahaolana iny ny ankamaroan'ny mpanao politika malagasy fa nifampibaiko tsy hisy hahazo manatrika ny fotoana sy ny filazana fa tsy manaiky ny hanatontosana iny hoe ny lehibe no naverimberina. Tsy nisy nandre mivantana izany baiko izany ka manahirana ny mieritreritra azy. Atao ahoana moa fa dia izay izany no izy. Noho izaho mpandala ny tsy fampiasana herisetra dia tsara amiko ny fanapahan-kevitra toy ireny fa tsy manao toy ny rafotsibe very laona ka hiandry izay igadonany. Tsy vahaolana mihitsy ny tsy fandraisana andraikitra. Hatreo ihany aloha.




Jentilisa, 06 febroary 2010 amin'ny 13:19


Hevitra

za

te hitondra rery ny bolina ndray refetison so de taraiky enao

Nampidirin'i za @ 17:12, 2010-02-06 [Valio]

Zony koa izany ka!

Nampidirin'i jentilisa @ 08:38, 2010-02-07 [Valio]

Sao dia mahatezitra ny mpamaky ny valinteniko teo. Tamin'ny voalohany dia tsy nisy nahalala momba an'i Fetison Rakoto Andrianirina akory ny mpitolona fa rehefa nandeha tamin'ireny dinika ireny vao gaga ny mpitolona ny amin'ny fisiany. Ny tenako ihany koa dia gaga tahaka ny besinimaro ihany saingy nalain'ny filoha Ravalomanana izy dia tsy nisy loatra ny kiana. Gaga izahay hoe fa taiza koa ary no nahitan-dRavalomanana ity rangahy ity? Eritreritra fotsiny tao anatinay izay niresaka ny hoe angamba izy io anisan'irony manam-pahefana amin'ny Franc-maçon irony (mariho eto fa tsy mi-diaboliser ny franc-maçon aho eto na dia tsy "rahalahy" aza)... dia hevitro samirery ny hoe tsy tokony ho niditra anaty ankolafy ity rangahy iray ity fa tany amin'ny mpanelanelana no misy azy. Tsy nety niala tamiko mihitsy io eritreritra io mandraka ity androany... izany hoe heveriko izaho manokana fa diso andraikitra izy tamin'ity tolona iray ity, na dia noho izay andraikiny any amin'ny tsy fantatsika izay aza no mety nakan-dRavalomanana azy hanana fahefana kokoa rehefa misy ny fifampidinihana.

Rehefa nanao iny loa-bary an-dasy iny ny tenany dia hoy aho hoe izay mihitsy ilay tokony ho nataony hatry ny ela fa izao izany vao notanterahiny. Ny hafa manao hoe tsy mbola fotoanany hanaovany izany izao, izaho kosa manao hoe efa tara ihany aza io fanapahan-keviny io. Mariho fa maro tamin'ireo mpanatrika fantatro tao no tokony ho tao anatin'ireo mpanelanelana malagasy tokony handravona izao disadisa misy eto amin'ny firenena izao. Fahadisoana politika hatramin'izay ny tsy namelana ny "olo-tsotra" handray andraikitra amin'ny raharaham-pirenena, indrindra fa ireo izay tsy mitovy firehan-kevitra amin'ny tena na notondroina hoe "mpanohitra". Ratsy koa moa ny famaritana ny atao hoe mpanohitra eto amin'ny firenentsika hany ka izay nifaninana tamin'ny "kandidam-panjakana" rehefa misy ny fifidianana na dia mpiray antoko izao aza dia nanono-tena ho "mahaleotena" na "indépendant". Rehefa avy eo dia ny "mahaleotena" hatrany no ipoiran'ny hery politika vaovao.

Amiko, izaho irery izany, dia tsy tsara loatra ny manakatsakana fandraisana andraikitra toy ireny fa ny mpanao politika hatrany no manahy sao hisongona ny tenany eo amin'ny sehatra nasionaly izay manana ireny karazana fanapahan-kevitra hampivondrona ankolafin'olona maro ireny. Mamoaka ny hevitro hatrany aho na dia mety ho diso aza any aoriana any satria traikefa tsara horaisina avokoa ireny sy ny vaim-potoana mandalo toy izao.

Nampidirin'i jentilisa @ 09:04, 2010-02-07 [Valio]

Ny blaoginao ry ngahy no taraiky enao fa i Fetison dia mpitsikilon'ny frantsay ary te hampanadino ny vahoaka izany atao oe Ravalomanana izany. Tsy hitanao ry rolland ratsiraka efa nihogahoga oe fetison no zao sy zao. Mba mijere lavitra sy mandiniha ihany ry akama a.

Nampidirin'i RAANTO @ 10:57, 2010-02-07 [Valio]

Non opportun fotsiny ilay izy

Lainga ny hoe: mpitsikilon'ny Frantsay i Fetison. Manaja an'Andriamatoa Fetison ny tenako satria heveriko fa ny tempérament sy ny fifehezany ny tarehan-draharaha tsy misy mipika hatrany am-piandohana ka mandrak'anio dia efa zava-dehibe tokoa. Diniho fotsiny hoe: raha tsy izy angamba tsy naha-montsana an'i Roindefo t@ débat indray mandeha. Raha toa kosa anefa tsipahiny fa indrindra LAVIN'ny Filoha Ravalomanana ny fanaovany an'izatsy na zaroa, dia misy antony lehibe izany satria efa mifanapa-kevitra amin'olona maro, anisan'izany ireo antoko politika 4 ao anatin'ny mouvance, ny filoha Ravalomanana matoa mandray izany fanapahan-kevitra izany.
Nampidirin'i HoAiza @ 13:49, 2010-02-07 [Valio]

DAP

Tsy misy ny MAP raha tsy misy ny DAP na demokrasia am-perin'asa.

Nampidirin'i malagasycool @ 14:17, 2010-02-07 [Valio]

jentilisa

Ka ilay izy ho'aho tsy nisy nandre isika hoe notsipahan-dRavalomanana io resaka io fa mpanao politika hafa no nilaza fa nilazana izany.

Sarotra izay toe-draharaha izay. Ataoko koa fa izaho irery aloha no nahasahy niditra cafouillage tahaka izao amin'ny mpandala ny ara-dalàna satria izay fotsiny ny zavatra nosainiko.

Nampidirin'i jentilisa @ 17:15, 2010-02-07 [Valio]

inona ny olana

fa inona ary ny problema @ fetison e? vao mihisy mihetsika ankoatrany i ravalomanana ve dia mpamadika ny dikany izany? tsy misy fiatraikany @ fitiavany olona an i ravalomanana ny momban i fetison,ka aza miertreritra zavatra ratsy na afa afa; hitako hoe vaomaika mampitombo ny mpanaradia ny legalistes sy ny mouvance ravalomanana aza ireny fietsika ireny, satria manitona ny "sceptiques"sy misalasala sy "neutres"
Nampidirin'i prezidanareo @ 20:39, 2010-02-07 [Valio]

jentilisa

Tena mitovy hevitra isika. izay mihitsy ilay tanjona fa misy ny fatra-piahiahy loatra.

Nampidirin'i jentilisa @ 09:50, 2010-02-08 [Valio]

ady ny fiainana

Amim-panajana no ilazako aminao ry Jentilisa fa tsy hitovy mihitsy ny hevitsika.

Samy Malagasy ahoana moa? Efa tsy Malagasy intsony ireto olona lelafinareo sy fetison faladia ireto fa jiolahy sy mpandroba. Mbola tsy nahita mihitsy aho olona ka hilelaka faladia lava ny jiolahy satria manambasy ny jiolahy. Ary tadidio fa ny fihetsika toy izao ataonareo izao no vao maika manome vahana sy rariny ny mpanao ratsy. Rehefa vandana dia kary hoy ny tenindrazantsika.

Ary mbola diso be ianao raha milaza fa ady seza sy voninahitra izao atao izao. Ady amin'ny mpanjanaka sy ny saribakoliny izao. Ny firenena tsy manana olona sahy hisedra herisetra dia hataon'ny olona kilalao eny foana.
Tsy sanatria mahafinaritra akory ny mampiasa hery sy misedra herisetra. Fa rehefa ny fiandrianampirenena sy ny zo maha-olona (araka ny anaranao) no voahitsaka dia tsy tokony hilefitra.

Efa ela i fetison no manao ity dialogue etsy sy eroa ity ary miteny eny ambony pilopitra rivotra. Inona no vokany? Tsy misy ankoatry ny fampiraviraviana tanana ny tena mpitolona.

Tanteraka ny tanjonareo izao satria mihakivy ny olona ary ny firenena mihamilentika.

Toy ny nataon-dry Rabemananjara sy ry Sylla, dia hiala tampoka eo izao i fetison rehefa avy nopotehiny ny tolona.

Nampidirin'i akamasoa @ 10:55, 2010-02-08 [Valio]

fanampiny

fanampiny: Itodiho ny tantara fa na ry Martin Luther King sy ry Gandhi aza dia sahy nisedra herisetra fa tsy nandadilady manao loabary andasy lava miaraka amin'ny mpamono olona..

Jereo ny fahasahiana tany Viet nam, Guinée (vao tsy ela), Irak, sns...

Tsy misy olon-kendry tia herisetra mihitsy kanefa tsy maintsy miatrika herisetra sy mampiasa herisetra rehefa ny fahafahana sy ny tanindrazana no resahina. Tsy resaka seza sy ny voninahitra mihitsy no ao antsain'ny olona. R'ingahy fetison izao no mitady seza sy voninahitra .

Mbola tsy tara ny miova hevitra ry Jentilisa a.

Nampidirin'i akamasoa @ 11:02, 2010-02-08 [Valio]

Tena manaiky mihitsy aho fa tsy mitovy ny hevitsika. Soa ihany anefa fa anaty fifanajana no anaovana izany. Izaho raha mitady ny hifanaovana tapatapak'ahitra tsy midika velively izany hoe filelafana faladia azy ireo fa mitady ny vahaolana tsotra sy haingana ary mora vitaina indrindra dia ny fifampidinihana izany. Raha mbola azo atao ihany koa izany dia atao aloha... sady matetika tsy maintsy hiafara eo hatrany anie ny zava-drehetra na dia hisy aza ny ady e! izany hoe fifanaovan-tsonia indray no resaka eto fa tsy maintsy latabatra no hiafarany e!

Rehefa miady hevitra na miresaka amin'ny olona aho dia anisan'ny lazaiko ny hoe fanavotana azy ireo (mpandrobam-pahefana) tamin'ny tsy mety sy ny fahotana be dia be nataony anie ireny Satan'i Maputo sy ny Tovana tany Addis Abeba ireny fa tena tsy tonga saina mihitsy ry zareo e! Rehefa hisy anie ny gidragidra noho ny tsi-fanekenao izay efa nosoniavinao ihany dia azo enjehina amin'ny heloka rehetra vitanao indrindra fa ny tamin'iny taona 2009 e! fa tsy ao an-tsainy velively izany satria mihevitra ny mbola handresy sy hahomby amin'izao diany mandeha irery izao angaha. Raha mpamaky ahy ianao dia hahita ilay andalan-tSoratra Masina misy resaka FAT iny. Mety hivadika tombontsoantsika tokoa anie ny tsy haneken-dry zareo ireo efa nifanarahana sy nosoniaviny ireo e!

Ny olana mandra-pahatonga izany dia mety tsy ho vita moramora ny fahatrarana ny tanjona raha maro ny minia te-handeha irery. Mety ho faniriantsika ny haharipaka ny jiolahy sy ny mpandroba rehetra saingy tsy maintsy hisy ny "dommages collateraux" izany hoe mety ho tsy manantsiny maro ihany koa no ho ripaka miaraka amin'izy ireo ary izay ihany koa no mety ho kendreny. Satria manko izahay no monina eto Madagasikara tsy maintsy hieritreritra tsara rehefa hisy ny dingana manaraka izay tsy mbola niainanay teto Madagasikara nandritra ny androm-pahavelomanay. Dia izay no mbola tsy mahasasatra anay niantso ho amina fifampidinihana hanatanterahana sy hanerena ny ankolafy efatra hampihatra ny Satan'ny Tetezamita nosoniavina tany Maputo sy ny Tovana tany Addis Abeba. Averiko indray, antso natao ireny hampiverin-dalana ny ankolafy Rajoelina mba hampihatra ny Satan'ny tetezamita izay nitsipaka am-bava avy hatrany ny tolo-kevitra nentin'i Jean Ping. Tsy hisy intsony ny nenina avy amin'izay nanao iny fanapahan-kevitra iny.

Tadidio tamin'iny Loa-bary an-dasy iny no nahazoana ireo Ampanjaka mba hiditra an-tsehatra amin'ny fanelanelanana. Manana hery ara-piaraha-monina any amin'ny faritra misy azy ireo na dia tsy raharahian'ny avara-pianarana loatra aza. Karazana fandresena sahady izany raha nosainina kely fotsiny. Efa reraky ny teny an-kianja ny ankamaroan'ny mpitolona ka izay koa no mbola nahamety ilay Loabary an-dasy izay kianinao. Efa be ireo olona mpankeny isan'andro tamin'ny herintaona no tsy mazoto loatra intsony ny ho amin'izany na tsy miova aza ny heviny koa tahatahaky ny ahoana moa ny dingana manaraka izay diavina?

Ny olana lehibe amin'ny fiandrasana izay fanapahan-kevitry ny iraisam-pirenena anie ka lasa miankina tanteraka amin'izay ataon'ny any ny zava-drehetra eto e! dia raha mbola mametraka fotoana manaraka indray ry zareo dia ahoana? Dia raha toa tsy misy na inona ataon-dry zareo dia iza ihany no ho kivy voalohany? Fa enga anie ka tsy ho izany no hitranga.

Nampidirin'i jentilisa @ 19:14, 2010-02-08 [Valio]

fanina

Izaho fanina mijery baolina... ary asa raha tara lamasinina koa fa tato ho ato aho toa tsy nahare vaovao na teny kely avy @ n'ny Filoha Ravalomanana intsony. Misy raha ao? Ilay milamina alohan'ny oram-baratra?

Nampidirin'i gasi @ 01:13, 2010-02-09 [Valio]

Mbola anaty fahanginana mijery izay tohin'ny raharaha kosa angamba izy.

Nampidirin'i jentilisa @ 09:26, 2010-02-09 [Valio]

fifanajana

Misaotra anao ry jentilisa ary mirary antsika miresaka eto tokoa hifanaja hatrany satria io fifanajana io mihitsy no mbola tsy ampy amin; ny sasany amintsika.

Efa vita ireny ny fifampidinihana, ny sonia marobe, .... ny loabaray an-dasy.

Dia hoy aho hoe tsy efa niala nenina ve. Inona indray no andrasana? Tsy efa andron'ny mobilisation générale sahala amin'ny tamin'ny Ady lehibe faha-2 ve izao no tokony atao?

Ny tsy mbola tsy maharesy lahatra ny maro dia fahavalo hita maso fotsiny ry sankalité mianakavy ireo fa ny fototry ny olana dia ny fampahantràna ny gasy sy hangalarana ny harena ankibon'ny tany eto. Izay ihany.

Tsy ny loabary an-dasy miaraka amin'ny ampanjaka mihitsy no hahavaha izany olana izany raha toa ka tsy ampahafantarina ny fototry ny olona.

Nampidirin'i akamasoa @ 11:49, 2010-02-09 [Valio]

ny tiako lazaina dia manana fahefana amin'ny olona feheziny ireo ampanjaka ireo na dia amin'izao fotoana izao aza.

Nampidirin'i jentilisa @ 13:03, 2010-02-09 [Valio]

ampanjaka

Manana fahefana tokoa ny ampanjaka, fa ny hafatr'i fetison amin'ny ampanjaka dia toa hafatra sadasada foana.
Raha hampita hafatra ihany, tsy azo atao angaha ny milaza amin'ny ampanjaka ny tena marina: i sankalité dia frantsay izay ny hamotika sy hanjanaka aní Madagasikara no tanjony. Ilaina porofobe indray ve izany? Sarotra ve ny mampita izany hafatra izany?

Toa resaka be manidina lava ny an'i fetison. Miantsoantso an'i domelina ho "prezida" izy satria te-hitàna ilay titre sandoka Co-president na efa tsy asian'i domelina sira mihitsy aza. Na i Rakotovahiny aza efa nangina ary manam-pahendrena kokoa. Ry Mangalaza efa lasa nitsoaka. I Fetison sy jentilisa irery no mbola mino fa co-prezida i fetison ary ho voavaha amin'ny blabla ny olana

Nampidirin'i akamasoa @ 08:32, 2010-02-10 [Valio]
Hampiditra hevitra

E-mail me when comments occur on this article
Momba ahy
jentilisa

Vasoky ny tambajotra sosialy tahaka ny Facebook,Twitter sy ny karazany ny blaogy amin'izao fotoana. Mora miely vetivety ny hevitra sy izay voasoratra amin'ireo sehatra ireo.

Misy lafiny iray anefa tsy ahavoazan'izy ireo mihitsy ny blaogy dia ny fitehirizana.Rehefa karohina ny vontoaty iray dia sarotra hita kokoa ny vokatry ny fitadiavana avy amin'ireo tambajotra sosialy ireo.Izay lafiny izay no tsy maharesy tondromaso ny blaogy satria mora hita kokoa ny vontoatiny rehefa karohina amin'ny alalan'ny mili-pitadiavana.

Momba ny eto manokana indray, tsy hianona intsony amin'ny vaovao eto an-toerana aho fa hisokatra kokoa amin'ny manerantany, na amin'ny sehatra ankapobeny. Hosoratana avokoa na eritreritra sendra nandalo na revin-gadra, na fanehoan-kevitra mety hanafintohina ny mpamaky. Mety ho tezitra ianao amin'izay voasoratra nefa ny hisokafan'ny saina handinika sy hamakafaka ary handanjalanja no tena kinasa ambadiky ny lahatsoratra. Ka mazotoa daholo ary ny hevitra anie no hiady fa tsy isika no hifandramatra!

calendar
« Mey 2019 »
Ah At Ta Ar Ak Zo As
      1 2 3 4
5 6 7 8 9 10 11
12 13 14 15 16 17 18
19 20 21 22 23 24 25
26 27 28 29 30 31  
Tahiry
Credits
LifeType IE7 XHTML CSS Firefox