« | »

Tsy matahotra sazy marina moa koa!

2010-02-28 @ 19:06 in Spaoro

Nisy ny namana nalahelo mihitsy fa lasa tsy niresaka baolina fandaka intsony ny tena, rehefa nisy ity krizy mbola haharitra an-taonany ity (miala tsiny aho raha mahatezitra anao fa moa tsy mizotra ho amin'izany moa isika izao?). Mpankafy io taranja iray io ny tena ary vitsy (raha tsy hoe izaho irery) ny malagasy mamaham-bolongana resaka baolina fandaka izany nialoha ny taona 2009. Tsorina kosa aloha fa tena tsy any mihitsy ny saina amin'izao fotoana izao, ary zavatra hafa mihitsy koa moa no laharam-pahamehana androany izay. Saingy mba hiserana kely aho amin'ity indray mitoraka ity.


Raha hilaza aho hoe hiserana kely dia aleo mitsotra dieny ety amboalohany fa tsy nijery baolina aho... na dia nisinisy ihany aza ny dokambarotra sy ny fanentanana, ary mety ho eo ihany koa ny fanantenana amin'ireo mpitia fanatanjahantena hoe raha niova ny mpitondra dia hiova ihany koa ny filalaon'ny ekipa malagasy ka handresy ho tafakatra dingana avoavo vao mety ho raraka. Ho diso fanantenana avy hatrany aloha raha izay no ao an-tsaina fa tokony hoe hanala azy amin'ny antonony (am-pahamendrehana) na hiala voly ao anatin'ity fiainana gidragidra ity. Betsabetsaka ny olona nanatrika ireo lalao famerenana dingana savaranonando eo amin'ny sehatra afrikana (izany hoe tsy dingana voalohany akory) teny amin'ny kianjan'i Mahamasina fa tsy anisany aloha ny mpanoratra. Fa matoa nanoratra dia noho ny savorovoro teny amin'ny kianjan'i Mahamasina nandritra ny lalao ny alahady 28 febroary 2010.


Ny resaka eto izany dia miainga avy amin'ny hita na nasehon'ny MaTV nandritra ny vaovaom-panatanjahantena. Nanantena fandresena ny mpijery kanjo ny vahiny indray no nahatafiditra ny baolina voalohany, 8 mn monja taorian'ny fanombohan'ny lalao tamin'ny alalan'ny daka anjoro izay lesoka lehibe ho an'ny Malagasy mandrakariva. Niakatra ny maripana teo amin'ny mpijery ka nampisy gidragidra madinidinika teo amin'ny mpijery vitsivitsy sy ny mpitandro ny filaminana teny amin'ny gradins. Rehefa resy moa amin'ny ankapobeny ny olona tsy mety miaiky fa misy tsy fahaizan'ny mpilalaony na hoe misy lesoka avy aminy fa ailiny amin'ny hafa mandrakariva ny fahadisoana. Dia hitan'ny mpijery tamin'ity mpitsara anjorony Sheisheloà (izany hoe avy amina firenena mpikambana aoamin'ny SADC raha tsy diso aho) izany rihitra izany. Io no nitoratorahan'ny mpijery tavoahangy ka nampiatoana ny lalao mihitsy aloha ka nidiran'ny mpilalao roa tonta tany amin'ny efitra fisoloana akanjo. Ny nampihomehy dia niala teo amin'ny "rihana" voalohany avokoa ny mpijery fa niakatra teny amin'ny "rihana" faharoa. Miala ilay toraka tavoahany io. Rehefa misy ny toraka tavoahangy tahaka ireny raha etsy Mahamasina dia misy amany izay ao anatiny.


Rehefa tonitony vetivety ny mpijery dia niverina teny ambony kianja indray ny ekipa roa tonta sy ny mpitsara. Vao nitsoka ny kiririoka fanombohana indray ny mpitsara dia velona indray ny toraka tavoahangy andiany faharoa. Manala ny fony eo ny mpijery raha ny fieritreretana izany satria resy daholo na hoe raraka daholo izany ny solontena anankiroan'ny Malagasy eo amin'ny sehatra Afrikana. Niato atsasak'adiny mihitsy indray aloha ny lalao vao novitaina hatramin'ny farany. Mazava loatra fa efa maro ny mpijery no nody teo anelanelan'izany fotoana izany. Nifarana tamin'ny isa iray noho ny telo izay faharesen'ny tompontany moa ny lalao. Koa aiza indray no tiako ahatongavana sy nahatonga ny lohateny?


Voalohany: tsy hoe eto amintsika ny lalao no atao ka hoe manana ny fiandrianam-pirenentsika isika sady masi-mandidy eto amin'ny tanintsika. Tsia, rehefa lalàna iraisam-pirenena dia lalàna iraisam-pirenena. Io lalàna iraisam-pirenena io no hajaina rehefa iraisam-pirenena ny lalao. Rehefa resy angaha na tsy mbola tonga amin'ny fetra aza ny lalao dia hoe ravao any io? Lalàna na fifanarahana mitoetra eo amin'ny mpifidy ny ny nofidiana ny fe-potoana voasoratra. Tsy hoe tsy tianao ny nataon'ny mpitondra dia avy koa ianao hoe ravao any io na hoe ataovy izay haharava io? Rehefa naharava ilay lalao tsy tamin'ny fotoana ianao dia efa manampoiza sazy mifandraika amin'izany. Tsy maintsy fantarina ianao nandrava lalao io ary samborina sy saziana rehefa avy eo.


Faharoa: satria manko atao litania mandrakariva amin'ny haino aman-jery ny hoe aleo voasazy, aleo voasazy toy izay hiverina amin'ny efa nifanarahana tsy an-tery, dia hain'ny mpijery tokoa ny mampihatra izany eo amin'ny sehatry ny fanatanjahantena, fa tsy eo amin'ny sehatry ny politika irery ihany. Fantatra izao fa mahavoasazy eo amin'ny sehatra iraisam-pirenena ny mandika lalàna ka manakorontana ny fizotry ny lalao dia mbola natao ihany izany ho fanalana ny fo feno fahatezerana. Tsy mampiova na inona na inona anefa izany natao izany fa mbola fanampiana ny fanorisorenana ny tena ihany... indrindra raha tsy mankasitraka ny gidragidra tahaka ireny izay nanatrika teny. Dia manampoiza ary ho voasazy fa aza ny hafa no endrikendrehana ho anton'izany sazy izany avy eo fa kitoatoa nataonao ihany no niaviany.


Farany: Eo amin'ny resaka sazy dia lasa lavitra avy hatrany ny saina. Hakatona ve izany ny kianjan'i Mahamasina? Sa ny ekipa no handoa onitra noho ny tsy mety nataon'ny mpijeriny? Dia niitatra ny eritreritra hoe sao dia nisy nanozona kosa tahaka ny ozona nataon'i Kristy tamin'ilay aviavin'i Betania maina vetivety teo hoe :"Rehefa akatonao amin'ny hetsiky mpitondra fivavahana io kianjan'i Mahamasina io dia aleo hikatona mihitsy (mandritra ny taona maro!)". Dia ho inona izany no hampiasana azy sisa? Fa aleo tsorina ny resaka: misy dia misy ny maniry ny hikatonan'ny kianjan'i Mahamasina tsy ho azo anaovana na inona na inona... sady tsy tokony hanaovana matso amin'ny 26 jona ihany noho ny didim-pitondrana izay navoaka... sa ho "exceptionnel" amin'io fotoana io? Izay tiany atao ihany io ka!!!



jentilisa, 28 febroary 2010 , Antananarivo 21:12

Hevitra

Ef mahazatra ve ilay resy?

Tena mpaka fy kitra koa aho ary mbola milalao aza rehefa malalaka.

Faly foana ny tena rehefa voamarina ny eritreritra sy ny tombana natao. Matetika io tombana io dia ny hoe resy!!!

Mpilalao ny tena hoy aho ary misy an'itony hoe RNS itony aty Frantsa isan-taona. Mpandray anjara tamin'ireny ny tena ary mandray anjara ihany koa rehefa afaka. Tamin'ireny lalao ireny no nahita an'i Maître Kira tamin'ny 2007 tany Vichy. Mbola ao tsara ny tongony na efa antitra aza izy. Tamin'ireny ihany koa no nahitana mpilalaon'ny Scorpions am-perin'asa nilalao tamin'ny ekipan'i Parisy angamba izy iny. Tsy nisy nampiavaka azy loatra tamin'ny mpilalao rehetra anefa ilay zalahy. Ity rombo ity moa efa takaitra ho an'ny fanatanjahan-tena malagasy dia nisy rombo tokoa teo ambony kianja. Ny nampalahelo dia ny anao lahy izay "International" hoy ny teny teknika, tokony ho modelin'ny fair-paly no nandray anjara tamin'ny rombo.

Efa niara-nilalao tamina mpilalao afrikana misotro ronono sy ireo afrikana manazatra tena ary ireo naratra mitaiza tena ihany ny tena, anisan'ireny ry Roger Milla, Bakayoko, sns., fa tena hitanao mihitsy hoe ry zalahy dia ampy hampisy ny tsy fitoviana eo ambony kianja.

Ny Scorpion ihany koa izay i Haja Rasoanaivo tamin'izany no mpanazatra azy dia resin'ny Black Stars Paris izay club-na antillais/africains izy io raha tsy diso aho ary milalao amin'ny 5 na 6 ème division. Io ekipan'ny Black stars io anefa dia resin'ny club gasy foana any amin'ny championnat, club-n'ny Voromahery izy io na ny ASM raha tsy diso aho.

Mahalasa saina ihany hoe mitovy² lenta ny fahazain'ny malagasy manala azy sy ireo maty hanina.

Nampidirin'i Alidera A.R. @ 13:31, 2010-03-01 [Valio]

Vonona ny hivoatra ve ny malagasy?

Efa nitranga im-betsaka ny korontana toy izao teo amin'ny sehatry ny kitra.

Anisan'ireny ny zava-niseho efa ho 20 taona lasa izay na efa mihoatra aza. Raha tadidiko tsara dia ny lalao nifanandrinan'ny AC SOTEMA sy ny Majia Majia-n'i Tanzania ity lalao ity ary resy ny isika tamin'izay. Fa ny tena tsaroako dia ilay mpitsara saika tsy fafavoaka velona tao Mahamasina ary mbola narahan'ny olona hatrany amin'ny Hilton. Tsy tadidiko loatra moa ny sazy nihatra tamintsika tamin'izany.

Tadidintsika tsara koa ny zavatra niseho tao Mahamasina vao 2 taona monja izay. Volana martsa 2008 tokoa mantsy izy iny.

Ny zavatra tsapa dia efa taona maro izay no niainantsika irery ny "spaorontsika" saingy toa mbola tsy haintsika hatramin'izao ny ny fitsipika mifehy ny lalao. Ny lalao mantsy dia tsy eo ambony kianja ihany.

Ny fanontaniana mipetraka dia ny hoe na tamin'ny 2008 na 2010 dia seiseloà avokoa no rangory fototry ny afo dia ny malagasy no mifanimba an-toerana.

Raha ny tamin'ny 2008 manokana no asian-teny dia mazava fa tsy nahay nitantana ny raharaha ny ministra tamin'izany andro. Fa ny zavatra hita sy tsapa mibaribary kosa tamin'iny fotoana iny dia ny fanehoan'i Andry TGV ny fitiavany teo ho eo amin'ny sezan'ny filohan'ny Repoblika sy ny fanehoany avy hatrany koa fa tsy ho voafehiny izany seza izany. Ben'ny tanàna Rajeolina ary fananan'ny tanànan'Antananarivo izay faritra iadidiany ny kianjan'i Mahamasina. Izany hoe tokony nametraka fitoriana ny CUA tamin'ny fanimbana ny fananany. Tsy izany kosa anefa no nataony fa nanao fanoherana ny governementa tamin'izany ary indrindra ny fanehoany an-kolaka na mivantana ny filohan'ny FMF. Tsy nampaninona azy mihitsy ny nandoa ny vola fanamboarana satria volan'ny CUA io fa tsy azy.
Moa ve ny FMF mba nametraka fitoriana na taza na taiza satria ny namotika ny kianja filalaovany?
Nankaiza ny police/procureur/juge d'instructions satria nisy famotehana fananam-bahoaka ireny?

Ny zavatra toa izao no mampiseho fa tsy haintsika izany hoe mivoatra izany.

Nampidirin'i Alidera A.R. @ 15:07, 2010-03-01 [Valio]

Ka tsy ho hita eo ve e

Dia ho hitantsika eo zany tsy matahotra sazy izany e, aza mandositra fotsiny fa atreho hatramin'ny farany rehefa tsy matahotra ihany, kanefa aza mialokaloka any ambadika ny vahoaka koa e, toa hita fa manao sorona ny vahoaka manko ingahy io.
Mbola ala nenina ihany ange izao ataon'ny GIC zao e, ny fahendrena dia mahaiza miverina fa tsy mahamenatra izany.
Zay fa dia aleo ny tantara no hitsara e
Tselatra

Nampidirin'i Tselatra @ 17:57, 2010-03-02 [Valio]
Hampiditra hevitra

E-mail me when comments occur on this article
Momba ahy
jentilisa

Vasoky ny tambajotra sosialy tahaka ny Facebook,Twitter sy ny karazany ny blaogy amin'izao fotoana. Mora miely vetivety ny hevitra sy izay voasoratra amin'ireo sehatra ireo.

Misy lafiny iray anefa tsy ahavoazan'izy ireo mihitsy ny blaogy dia ny fitehirizana.Rehefa karohina ny vontoaty iray dia sarotra hita kokoa ny vokatry ny fitadiavana avy amin'ireo tambajotra sosialy ireo.Izay lafiny izay no tsy maharesy tondromaso ny blaogy satria mora hita kokoa ny vontoatiny rehefa karohina amin'ny alalan'ny mili-pitadiavana.

Momba ny eto manokana indray, tsy hianona intsony amin'ny vaovao eto an-toerana aho fa hisokatra kokoa amin'ny manerantany, na amin'ny sehatra ankapobeny. Hosoratana avokoa na eritreritra sendra nandalo na revin-gadra, na fanehoan-kevitra mety hanafintohina ny mpamaky. Mety ho tezitra ianao amin'izay voasoratra nefa ny hisokafan'ny saina handinika sy hamakafaka ary handanjalanja no tena kinasa ambadiky ny lahatsoratra. Ka mazotoa daholo ary ny hevitra anie no hiady fa tsy isika no hifandramatra!

calendar
« Jiona 2018 »
Ah At Ta Ar Ak Zo As
          1 2
3 4 5 6 7 8 9
10 11 12 13 14 15 16
17 18 19 20 21 22 23
24 25 26 27 28 29 30
Tahiry
Credits
LifeType IE7 XHTML CSS Firefox