« | »

Voaompa nefa tsy mihemotra ny Mpitondra Fivavahana

2010-03-10 @ 21:01 in Finoana

Nivaly sahady mialoha ny famalian'ny Kaominina andrenivohitra Antananarivo ny valinteny avy amin'ny Prefektioran'ny polisin' Antananarivo. Araka ny nolazain'ny iray amin'ny mpitarika ao amin'ny hetsiky ny mpitondra fivavahana dia tokony ho ny ao amin'ny fitantanana an'Antananarivo aloha no mamaly na tsia amin'ny hanekena ny fangatahan'ny Hetsiky ny mpitondra fivavahana ny kianjan'Ambohijatovo, nefa moa dia tsy vitan'ny hoe nisongona namaly ny hafa ny Prefe fa anao teny an'avona sy maneso ary nihantsy mihitsy aza.


Rehefa nanaraka ny votoatiny novakian'ny mpitandrina iray aho dia misy toy izao: "...ekena tokoa fa ilaina ny fibebahan'ny firenena ary mila vavaka ny firenena, saingy efa misy ny toerana natokana ho amin'izany dia any amin'ny isam-piangonana tsirairay avy, koa tsy ilaina ny fanaovana vavaka ankalamanjana; fa raha mangataka ny hanao akalamanjana ihany ary dia aleo akatona ny fiangonana fa eny ankalamanjana indray no atao ny fiangonana..."  Dia tahatahaka izay no votoatin'ny valinteny nataon'ny Prefe araka ny fihaino azy tamin'ny radio fahazavana.


Mazava ny valintenin'ny Hetsiky ny Mpitondra Fivavahana manoloana izany valinteny izany. Ampirisihana ny rehetra hiakanjo fotsy na hitondra famantarana fotsy ny tontolo andron'ny Alakamisy hiadiana amin'ny tsy fahamarinana fa hitady ny fahamarinana kosa. Hisy ny fotoam-pivavahana maraina manomboka amin'ny fito ora ao amin'ny FJKM Ambatomena izay eo ampitan'ny Consulat General de France io Alakamisy 11 marsa maraina io. Hotontosaina amin'ny Asabotsy 13 marsa fa tsy mbola misy fiovany ny fotoam-pivavahana eny Ambohijatovo... na dia efa mazava aza ny fanakanana avy amin'ny Prefektioran' Antananarivo. Efa ela, hoy ry zareo, ny nandeferana fa ny amin'ny Asabotsy 13 marsa kosa dia hotontosaina. Mazava manko ny fanakanana fa tsy ilaina mihitsy ilay fotoana ka tsy mila tanterahina. Samy hitana ny teniny ve ny roa tonta sa hisy ny hihemotra?


Marihiko fa mandeha dia mandeha mihitsy ny fifanentanana eo amin'ny samy olona hitondra izay mari-pamantarana fotsy izay na dia any amin'ny toerana heverina tsy ankasitrahan'ny mpivavaka loatra aza. Henoko tsara io ka tsy fantatro loatra na mifananihany ry zareo na tena matotra ny resaka satria olondehibe avokoa ireo miresaka ireo.



Jentilisa, 10 marsa 2010, amin'ny 23:10

Hevitra

Tsivanona!!!!

Dia efa tena fihantsiana tokoa. Voavidin'inona loatra no dia sahy maniratsira fivavahana???

Nampidirin'i bozyboleta @ 07:24, 2010-03-11 [Valio]

Aok'etsy

Hoy rizareo pacifistes: "Aoka ireo mpitondra fivavahana tsy hanao sorona ny vahoaka eny Ambohijatovo amin'ny asabotsy 13 mars fa aoka hanaraka ny lazain'ny prefet ka any ampiangonana sy any anaty trano ihany no maneho hevitra ..."
Miangavy anao jentilisa hanaparitaka an'io satria araka ny fijerinareo, dia "adin'ny mpanao politika izy ity fa tsy ady hoan'ny tanindrazana ka tsy tokony hanaovana sorona ny vahoaka ary tsy mitovy rahateo ny hery".

Nampidirin'i akamasoa @ 10:37, 2010-03-11 [Valio]

Nofy?

manonofy ve aho rey olona raha hanontany hoe "maninona raha atambatra @ fomba hafa indray ny hery, ka andeha ny vahoaka malagasy rehetra mandà izao fitondrana sy toe-javatra rehetra izao hanao sonia hametraka fitoriana, any @ fitsarana iraisam-pirenena rehefa tsy azo itokisana ny eto an-toerana?" Tokony hatao izay hamaizana faran'izay mafy ary ampahibe-maso ireo rehetra fahavalom-pirenena mba tsy hiverina mandrakizay intsony eto an-tanindrazana ny toy izay hita izay! Eo ny GTT hikarakara ny taratasy sy manam-pahaizana momba ny lalàna!
You may say I'm dreamer, but I'm not the only one... I wish!

Nampidirin'i gasi @ 00:31, 2010-03-12 [Valio]

ataontsika afa-baraka!

Izao ry zareo an! tsotra ihany ny teniko, tongava daholo eny Antsonjobe @ sabotsy ho avy zao fa ny fahatongavantsoka maro eny no hery ahafahana manohatra ny basy. eny fa na dia tsy hita aza izany dia Andriamanitra miasa ho antsika, ary raha fenontsika io stade io, ohatr'ilay farany teo, dia hitan'ny any ivelany izany ary hanafaingana ny tolona hataontsika.

Taomy ny namana aman-tsakaiza rehetra.

PS : Aza mihaino radio hafa afa- tsy ny radio fahazavana fa misy ny manao intox ohatra ny tamin'ilay farany teo, izay lazaina fa hoe efa mikorontana be eny Antsonjombe, nefa teny tsy nisy n'inon'inona akory, ny miaramila nalefa hiambina aza lasa nivavaka, noho ny herin'ny fanahy masina.

dia @ sabotsy zany eh!

Nampidirin'i Zanak'i Dada @ 06:07, 2010-03-12 [Valio]

Na any an'efitra aza tonga foana

Na any An-tany an'Efitra aza tongantsika foana eh, za manokana zao an, tamin'ny farany teo ny vata tenako irery no nandeha teny, satria za mantsy tanora, nisy mantsy t@ radio viva, antsiva, rnm nilaza fa hoe efa nipoaka ny bomba lacrimo teny Anjonjombe tamin'ny farany, indrisy anefa fa miaramila nitondra baiboly no hitako teny,

Amin'ny sabotsy izao ary dia ho entiko daholo ny fianankaviako, satria dia te ho eny tokoa izy izeo, fa ny vahaolana dia ny tsy fihainoana an'ireo radio mpandainga ireo, fa ny radio antsika ihany henoina, dia ny radio fahazavana izany.

dia mazotoa ary eh, amin'ny asabotsy, ataotsika afa-baraka ny fat ohatr'ilay lazain'io namantsika eo ambony io

Nampidirin'i Mpakafy ny HPF @ 06:17, 2010-03-12 [Valio]

Hay ve efa nisy izany tsaho izany koa? tena mba tsy reko indray izany, nefa maneho ny ao anatin'izy ireo hisian'ny korontana tao amin'io faritra io

Nampidirin'i jentilisa @ 06:39, 2010-03-12 [Valio]

faly aho mandre ny antso any dago fa mila fibebahana ny fierentsika,tsy azo vazivaziana andriamanitra,mila fibebahana tanteraka ny zavamisy eo amin ny firenena,mijaly sady mahantra ny malagasy,mameno paosy ny eo ambony,mila fibebahana pour tout le monde

Nampidirin'i rama @ 18:28, 2010-03-12 [Valio]

faly aho mandre ny antso any dago fa mila fibebahana ny fierentsika,tsy azo vazivaziana andriamanitra,mila fibebahana tanteraka ny zavamisy eo amin ny firenena,mijaly sady mahantra ny malagasy,mameno paosy ny eo ambony,mila fibebahana pour tout le monde

Nampidirin'i rama @ 18:28, 2010-03-12 [Valio]

tsy misy solution ao afatsy ny fiantsoana an andriamanitra,tsy ho resaka fotsiny fa tena hery vaika ilaina maika mba ho voavonjy io firenena io,tsy ekena intsony ny cooperation amin ny RATsy,antsoy jesoa hamonjy

Nampidirin'i rama @ 18:31, 2010-03-12 [Valio]
Hampiditra hevitra

E-mail me when comments occur on this article
Momba ahy
jentilisa

Vasoky ny tambajotra sosialy tahaka ny Facebook,Twitter sy ny karazany ny blaogy amin'izao fotoana. Mora miely vetivety ny hevitra sy izay voasoratra amin'ireo sehatra ireo.

Misy lafiny iray anefa tsy ahavoazan'izy ireo mihitsy ny blaogy dia ny fitehirizana.Rehefa karohina ny vontoaty iray dia sarotra hita kokoa ny vokatry ny fitadiavana avy amin'ireo tambajotra sosialy ireo.Izay lafiny izay no tsy maharesy tondromaso ny blaogy satria mora hita kokoa ny vontoatiny rehefa karohina amin'ny alalan'ny mili-pitadiavana.

Momba ny eto manokana indray, tsy hianona intsony amin'ny vaovao eto an-toerana aho fa hisokatra kokoa amin'ny manerantany, na amin'ny sehatra ankapobeny. Hosoratana avokoa na eritreritra sendra nandalo na revin-gadra, na fanehoan-kevitra mety hanafintohina ny mpamaky. Mety ho tezitra ianao amin'izay voasoratra nefa ny hisokafan'ny saina handinika sy hamakafaka ary handanjalanja no tena kinasa ambadiky ny lahatsoratra. Ka mazotoa daholo ary ny hevitra anie no hiady fa tsy isika no hifandramatra!

calendar
« Jiona 2018 »
Ah At Ta Ar Ak Zo As
          1 2
3 4 5 6 7 8 9
10 11 12 13 14 15 16
17 18 19 20 21 22 23
24 25 26 27 28 29 30
Tahiry
Credits
LifeType IE7 XHTML CSS Firefox