« | »

Mpitarika mpamadika

2010-04-17 @ 23:07 in Politika

Fony nanana ny lazany ny mpitondra fivavahana iray fony tanora sady nanana ny lazany teo amin'ny sehatra politika ihany koa dia nitantara fa efa niova ny fomba fanenjehana na famotehana ny fiangonana. Tsy kianina mivantana na enjehina avy any ivelany intsony ny fiangonana fa atao izay hahatongavana ho lohany ka rehefa tonga eo amin'ny toerana tadiavina dia tarihina hivily lalana tsikelikely amin'izay ny fiangonana, ho very hasina ka tsy hisy dikany intsony izy ary dia ho rava ho azy avy eo satria tsy raharahian'ny besinimaro intsony. Toa tsapako izany toe-javatra izany eo amin'ny tolona ataon'ny legalista hatramin'ny herintaona ka mandraka ity androany.


Teo ny niady ho loha sy solontenan'ny legalista ka rehefa hitany fa voakisaka tsikelikely izy dia naleony niditra ho minisitra fa any no misy ny tombontsoa kokoa. Teo ny mody tsy hitahita mihitsy fa rehefa voatendry dia misehoseho indray, rehefa tsy tanteraka ny fifanarahana dia iny koa no milentika. Teo ny tsy mety tafiditra anaty lisitra mihitsy fony nisy ireny fifanarahana ireny ka toy ny nigafy ny tolona avy eo. Teo ny mpitarika te-hampiditra ny olona ao anaty gidragidra mandrakariva nefa potika tanteraka ny legalista raha vaomiditra amin'izay herisetra izay. Eo ny olona nampidirina ho mpitarika nefa toa manao izay hahapotika ny tolona hatrany no kendren'izy ireo. Tsy te-hitanisa intsony aho fa tena mahaletra ny mieritreritra ny toe-javatra satria toa maro amin'ireo mpitarika ireo no efa mamadika ny tolona amin'izao fotoana izao.


Tranga niseho farany tamin'ity herinandro ity no itarihako ny sainao mpamaky. Iny fa nosokafana ny faritry ny Blueprint Behoririka ambadiky ny Magro Behoririka hanohizana indray ny tolona anaty fefy mba tsy hiharan'ny famoretana ny mpitolona mpandala ny filaminana sy tsy tia ny korontana. Vao andro voalohany nanaovana ny fihaonana dia hipoka sahady ny kianja, mazava ho azy fa kelikely kokoa noho ny teny Ankorondrano. Fahombiazana sahady izany, inona ny nataon'ny mpitarika? Nambara avy hatrany fa hotontosaina eny amin'ny kianjan'Ambohijatovo ny fotoana amin'ny sabotsy ho avy izao. Gaga ny tena! inona no mampipendipendina hankanesana any amin'io toerana io sa sosotra ireo mpitarika fa mbola maro hatrany ireo vahoaka vonon-kitolona? Tao amiko tao dia tsy mpitarika intsony izany fa mpamadika. Tena tsy manana stratejia hafa ankoatra ny fanakiviana olona hianoka baomba mandatsa-dranomaso ve? Sao dia tetika efa lany daty kosa izany e?


Nandeha ny fotoana, nanambara ny televiziona iray fa tsy mbola nanao fangatahana haka ny kianjan'Ambohijatovo amin'ny Asabotsy izany ireo mpitarika ireo. Na dia ninia ny hangina tsy hilaza ny hevitro aza aho dia niboraka ho azy ny fahatezerako. Tena famotehana ny tolona mihitsy izao, mpandala ny ara-dalàna ve ianao dia toa tarihinao any amin'ny tsy fanarahan-dalàna ny olona? Nisy avy hatrany ny namaly ahy fa fanosoram-potaka fotsiny izany fa raha tsy mpitarika adala koa tsy hahalala izay tokony ataony. Asabotsy mifankahita ary hahita azy tsara! hoy aho. Zoma: nalefa teny amin'ny tiko Tanjombato ny tolona: tsy nasiaka loatra aho satria mba misy koa ny olona akaiky iny toerana iny haneho ny heviny.


Zoma alina: nisy zavatra nipoaka ny teny amin'ny toby mpitsinjara solika ana orinasa frantsay. Iza no mahazo tombotsoa amin'ny fanapoahana tobin-dasantsy tahaka izany ary iza no ahiahiana avy hatrany? Na dia manambara endrika grenady aza ireo nanatri-maso tamin'io toe-draharaha dia misy ny manam-pahefana kinga amin'ny filazana fa baomba namboarina indray io... izany hoe te-hanameloka ny legalista ankolaka izy. Fepetra raisina voalohany: tsy maintsy masiaka amin'izay mety ho fidinana an-dalambe ataon'ny legalista. Mazava loatra fa nahomby tamin'izay nokendreny ho tohin'ny tantara izay nandefa io grenady tamin'ny tobin-dasantsy io. Vinavinako izany saingy tsy maintsy araka ny fizotran'ny raharaha tsinona.


Tonga ny Asabotsy, tsy nanambara ampahibemaso ny fanovana ny zavatra tian-katao ny mpitarika legalista, gazety iray nivoaka io andro io no mba nahitako fa tsy hihetsika eo Behoririka indray ny tolona ho fitandroana ny ain'ny olona. Tsy nilazana na inona na inona ny tany amin'ny fampitam-baovao fanarahan'ny mpandala ny ara-dalàna. Inona no dikan'izany? Na dia be aza ireo nanam-pikasana ny hivory io andron'ny Asabotsy io dia efa voky baomba manempotra izy ireo ka tsy hitonantonana eny Ambohijatovo izany. Vokany: Vitsy tsy araka ny nanampoizana azy ny isan'ny olona tonga teny Behoririka. Na ireo mpandeha amin'ny tolona azy dia naleony nanao zavatra hafa. Izay ve no tanjona tao amin'ireo mpitarika efa mpamadika eo imasoko ireo? Dia manahy sahady aho fa dia haveriny indray io fahadisoana niniana io fa amin'ny Asabotsy ho avy izao vao ho eny Ambohijatovo amin'izay. Dia ireo lazaina ho tanora tsy haiko hoe avy aiza ireo tsy mankasitraka ilay tsy fidinana an-dalambe... Hery tsy mitovy ve dia mbola hanao inona ihany sa voakarama hanakorontana rehefa misy ilay tahaka izay?


Miala tsiny aho raha manakiana ampahibemaso ny mpitarika ny tolona legalista satria be loatra ny fahadisoana ataon'izy ireo ary iniana ireny fahadisoana ireny amiko. Amiko dia misy ireo tsy menatry ny handainga rehefa mikabary amin'izy ireo: Lazaina fa efa vonona ao Ambohitsorohitra ny lalampanorenana vaovao mametraka an'i Madagasikara ho Departemanta Frantsay... tena fanimbazimbana ny tolona ataon'ny legalista ho fampielezana tsaho ny filazana tahaka izany. Ajanony ny fanaovana tsahotsaho fa itondray porofo mazava ny olona, mahatonga ireo hafa hieritreritra hoe mba vendrana koa ireo legalista ireto manaiky fahanana abobo tahaka izany. Fandrangitana ny olona mba hanao inona moa ny fanambarana zavatra tahaka izany? Rehefa tolona mandala ny filaminana no atao dia tohizo amin'izany fa aza manaiky hobaikobaikoan'ny sasany hivoaka ny vala mandrakariva. Na dia maro aza ny zavatra tiako hosoratana toy ilay "tsy fanonganam-panjakana" dia hatreo ihany aloha ny soratana. 


Aoka handinika ny tsirairay fa dia misy mihitsy ny manao zinona ny tolon'ny legalista ary avy ao anatiny mihitsy sady lohandohany ireo mamily ny tolon'ny mpandala ny ara-dalàna ho lasa tsinontsinona sy tsy mikendry afa-tsy ny hahatezitra ireo mafana fo mbola tsy kivy hatramin'izao na dia efa herintaona mahery aza izay ny nanaovana ny tolona. Deraina kosa aloha ireo olona ireo amin'ny fikirizany.



Jentilisa, alahady 18 avrily amin'ny 01:05 maraina


PS: efa mivoaka an-tserasera izao ny gazety Tia Tanindrazana mpivoaka eto Madagasikara koa dia tsiditsidiho ihany na dia tsy ahitana ireo sariitatra tena manintona ny besinimaro eto an-toerana aza.

Hevitra

tsy mpamadika!

Ie, tsy mpamadika no fahitako ireo "milaza ho" mpitondra satria tsy ary niniana ny hikatsaka ny tombotsoan'ny legaliste hatreny am-boalohany izy ireo (koa tsy misy ivadihany izany!)fa nanome toky ny mpangalatra fitondrana handrava ny tolona (koa manaja ny teniny koa izy izany any!). Koa masa-bary mainty kitoza izy ireo satria ny tetika misy ary ny legaliste tsy misy sahy mitarika intsony fa matahotra ny ainy koa dia mameno ny banga fotsiny izy ireo. Matoky fa tsy ho voatohatohana ny ainy izy ireo matoa mody sahy mijoro eo satria tsy misy adala akory na ireo miafina noho ny tahotra na ireo matoky tena fa tsy hisy hanjo azy raha mody mitarika izy ireo!
Efa tsy mandaitra intsony angamba ny stratejia midina an-dalambe raha tsy misy mpitarika TENA IZY koa sao tokony hitady lalana hafa kosa ary? (fanentanana miainga @ isan-tokatrano, dia avy eo anivon'ny fokontany dia rehefa mafy orina ny any vao miaraka daholo @ izay, ohatra?)Dia ampiasaina ny Radio Fahazavana hitazonana ny kofehin'ny fifandraisana sy ny fampahafantarana tsy ho tapaka, @ alalan'ny hafatry ny Filoha Ravalomanana isan'andro ohatra, hanentanana ny olona.
Na izany na tsy izany dia ho foana daholo ny zavatra rehetra raha mbola isika olombelona irery ihany no hiankinana! Raha entintsika eo am-pototry ny hazo fijalian'i Jesoa ny enta-mavesatsika rehetra ary avela hiara-maty aminy izay rehetra mahaolombelona tsy tonga lafatra antsika... dia Izy no ho mpitarika hany azo hitokisana sy afaka hitondra tanteraka @ fandresena marina sy maharitra!
Hihomehy sy handatsa ny ankamaroan'ny mpamaky fa raha mafy dia mandehana midina an-tsehatra ho hita izay hapoaka!

Nampidirin'i gasi @ 01:24, 2010-04-18 [Valio]

inona ny vahaolana

Ka inona ary hoy ianao ny vahaolana azo atao. Mba lazao kely aloha fa mora ihany koa anie ny mitsikera e!

Nampidirin'i fahendrena @ 16:49, 2010-04-18 [Valio]

Ataovy mifandrindra amin'ny ara-dalàna

Nahoana moa no miovaova hevitra ny mpitarika? rehefa mivory dia toerana fantatra fa efa azo no idirana fa tsy mitarika ny olona hodarohana baomba manempotra. Rehefa hoe ao Behoririka dia tsy mihetsika ao fa tsy ampanatenaina hoe Ambohijatovo nefa toerana tsy ho azo akory!

Amin'izay fotoana izay tonga ny olona fa tsy hilasala hoe aiza ihany no hotontosaina? Rehefa fihetsehana ampahibemaso io

Nampidirin'i jentilisa @ 18:36, 2010-04-18 [Valio]

marina

Marina io fa io fitarihana io no olana satria ataony izay hahakivy ny olona nefa mody hoe mafana fo ery izy.Mahaletra! Ny mpitarika mahery vaika izao tamin'io tolona io amiko dia R. Constant sy Yves Aimé... fa nangina izy ireo ...toa ahy ihany. Miandry fotoana fa tsy ho sesefan'ny mpitarika sasany lalimanga eo foana e!

Nampidirin'i Gon @ 15:00, 2010-04-21 [Valio]

Mamaly Jentilisa

-Anisan'ny Mpitarika izaho na kely aza no mba hiezaka hamaly anao ary mahafinaritra raha miasa saina ianao satria tian'isika rehetra ity Tanindrazana malalantsika ity
- Nisy ny fangatahana teny Ambohijatovo (nadainga Tv plus niseho ny alakamisy) fa sainga valinteny Pds dia tsotra tsy misy statut juridique 3mouvances
- Monban'ny Tranga sabotsy lasa teo dia, hatramin'ny farany dia Ambohijatovo foana fa saingy efa confirmer: Ho any Johnnesburg ny Mouvance Ravalomanana (izay misy tenako) dia voatery nanapa-kevitra fa tsy mankany Ambohijatovo indray satria sao hisy sakoroka dia mba afahany FAT tsy handeha
- Marihiko amintsika mpiray tolona fa nisian'ny Magro tanjombato dia baiko avy amin'ny Filoha Hajaina Ravalomanana mba afahan'ny Mpitolona atsimondrano handray anjara
- Aza adino misy foana ny olona maningana fa anjarantsika no mamerina an'ireny olona ireny amin'ny lalana tsara
Ho fintina dia miombona isika fa firaisnkina ho hery ary aza miala raha tsy miverina ao amin'ny Fitondrana 4ème Republique ny Filohan-tsika Marc RAVALOMANANA
Mirary soa indrindra Tompoko

Nampidirin'i Firaisankina ni hery @ 04:51, 2010-04-23 [Valio]

ravola

Izao no mampalahelo aminareo mpitarika legaliste ireo. Ny mpitolona miady @ hiverenan'ny ara-dalàna, ny ny hiverenan'ny Filoha Marc Ravalomanana ho lany indray, hanalana ny jadon-dRajoelina, ianareo miady ho amin'ny paosinareo. Ny mpitolona tia tanindrazana fa ianareo tia tena. Raha mbola ny vola, ny seza no ataon'ireo mpitarika ireo ambony tsy lasa io.Mba mandiniha tena fa ny azo t@ makarakara anie ka mivoaka @ kiloadoaka e!

Nampidirin'i ravola @ 14:35, 2010-04-23 [Valio]

malahelo izaho mahita ny diam-peninao nefa kosa tsy omeko tsiny ianao. Ny monban'ny Mouvance Ravalomanana manokana dia manazava aminao aho fa izay Andraikitra (mety seza fijerinao azy) izay nisy hatramin'izao aloha raha ny tovana tany Addis Abbeba no jerena dia olona ao amin'ny TIM DAHOLO no nahazo azy (Co-President,Cst,Cnr)fa izahay (Tsy TIM ) dia TSY NISY Iray monja. Koa raha mbola nijoro izahay, dia aoka kosa tsy tenenina TIA TENA,fa mba fitiavana Tanindrazana na dia Kely aza ary napetraka io Komity KMFB io satria ny Tolona ataontsika dia antsika Vahoaka rehetra tsy an-kanavaka ary ny hevitra dia avy any Vahoaka (hanontanion ireo coordonateurs ao KMFB mivory isan'andro) fa izahay dia hatao handrindra fotsiny. Ho fehiny, hoatry TSY METY io Soratra ataonao raha miampanga fotsiny nefa tsy marina velively, miangavy anao aho, ajanona ny fanenjehena fa ampio izahay ary raha misy feo na tsaho henonao dia aza misalasala manatona anay fa vonona handray an'isika isan'andro izahay Mpitarika tsy ankanavaka fa ny TANJONA TOKANA ihany an'isika dia Fiverenan'i PDT Marc RAVALOMANANA hitondra ny 4ème Republique. Mirary soa indrindra Tompoko
Nampidirin'i HIRA @ 03:39, 2010-04-24 [Valio]

tsy misy idirany mivantana

Miarahaba Jentilisa, tsy hitako hoe aiza no hanoratana dia mba ataoko ato aloha fa afaka fafana avy eo.

Misy toraka nataoko ao amin'ny MalagasyMiray momba ilay resaka Chile.

ito ny rohy : http://malagasymiray.net/2010/04/27/malagasy-miray-as-a-reliable-and-objective-citizen-media/

misaotra e

Nampidirin'i Mitiyu @ 13:11, 2010-04-27 [Valio]

Hampiditra hevitra

Momba ahy
jentilisa

Vasoky ny tambajotra sosialy tahaka ny Facebook,Twitter sy ny karazany ny blaogy amin'izao fotoana. Mora miely vetivety ny hevitra sy izay voasoratra amin'ireo sehatra ireo.

Misy lafiny iray anefa tsy ahavoazan'izy ireo mihitsy ny blaogy dia ny fitehirizana.Rehefa karohina ny vontoaty iray dia sarotra hita kokoa ny vokatry ny fitadiavana avy amin'ireo tambajotra sosialy ireo.Izay lafiny izay no tsy maharesy tondromaso ny blaogy satria mora hita kokoa ny vontoatiny rehefa karohina amin'ny alalan'ny mili-pitadiavana.

Momba ny eto manokana indray, tsy hianona intsony amin'ny vaovao eto an-toerana aho fa hisokatra kokoa amin'ny manerantany, na amin'ny sehatra ankapobeny. Hosoratana avokoa na eritreritra sendra nandalo na revin-gadra, na fanehoan-kevitra mety hanafintohina ny mpamaky. Mety ho tezitra ianao amin'izay voasoratra nefa ny hisokafan'ny saina handinika sy hamakafaka ary handanjalanja no tena kinasa ambadiky ny lahatsoratra. Ka mazotoa daholo ary ny hevitra anie no hiady fa tsy isika no hifandramatra!

calendar
« Janoary 2018 »
Ah At Ta Ar Ak Zo As
  1 2 3 4 5 6
7 8 9 10 11 12 13
14 15 16 17 18 19 20
21 22 23 24 25 26 27
28 29 30 31      
Tahiry
Credits
LifeType IE7 XHTML CSS Firefox