« | »

Ny volan'i dada

2010-06-15 @ 10:21 in Ankapobeny

Hiresaka zavatra tsy dia mahazatra ny mpandala ny ara-dalàna sy ny mpanaraka ny Hetsiky ny Mpitondra Fivavahana loatra aho nefa dia toy ny malaza dia malaza tokoa izy ity any amin'ny fironana hafa sy any amin'ny sehatra hafa any. Amin'izao toe-java-misy eto amin'ny firenena izao manko dia hevitra milentika dia milentika tokoa ho an'ny mpomba ny fitondrana ankehitriny ny hoe manaparitaka vola araka izay tratra i dada (Marc Ravalomanana io) hanakorontanana ny firenena, tsy hampilamina azy sy tsy hahazoan'ny fitondrana fankatoavana iraisam-pirenena.

Malaza any fa voavidim-bola ireto lazaina fa mpandala ny ara-dalàna ireto, mirarakompana ny vola zaraina isan'andro eny amin'ireny fihaonan'ny mpandala ny ara-dalàna ireny matoa izy ireny mazoto dia mazoto. Ao indray ny filazana fa mandray vola na mikarama ireo mpitarika ireo fa dia manaiky hambakainy fotsiny ireo mpitolona tsotra mafana fo. Dia re koa avy eo fa nandray vola tany amin'i dada ireto mpitarika ny Hetsiky ny Mpitondra Fivavahana ireto matoa manao izao zavatra ataony mitarika vahoaka "hanakorotam-panjakana" izao. Azo fehezina hoe matoa misy zavatra mitranga izay dia ny vola, ny vola ary ny vola hatrany no hery manetsika ny mpandala ny ara-dalàna, ny Hetsiky ny Mpitondra fivavahana ary izay mety ho hery rehetra manohintohina azy ireo.

Avy aiza moa no nampalaza izany resaka izany? Lalana iray na roa mifampitohy ihany no fantsona manapariaka ny filazana fa mpanaparitaka vola hanakorontanana ny firenena tsy mampitobina azy hatramin'izao i dada. Voalohany amin'izany ny fampahalalam-baovao ambava sy an-tsoratra ary an-taratasy ary ny faharoa manaraka izany izay somary an-takonana ihany dia ny fiangonana. 

Misy fampahalalam-baovao vitsivitsy tsy menatra mihitsy ny mandainga sy mamorom-baovao ho fanasoketana fotsiny sy ho fanaratsiana olona mba ho toy ny tena fahavalo izay haratsian'izy ireo ary hanana fankahalana izany olona na sokajin'olona na vondron'olona izany ireo mora rebirebena ao amin'ny mpanohana azy. Ny Malagasy rahateo mora mirona amin'ny fo ka tena angadin'ireo manana talenta amin'ny fanaovan-gazety ny manararaotra hanome fo ny olona fa tsy ny hampiasa saina azy velively. Ohatra farany mety ho hitanareo ihany ny filazan'ny gazety iray fa noho ny baiko nataon'ilay mpitandrina izay any amponja fa nosamborina nandritra iny any raharahan'ny FIGN tamin'ny 20 mey iny no nitorahan'ny sasany ny biraony... henon'ny iray amin'ny mpanao gazetiny mihitsy hoe ny baiko nataony tamin'ny finday. Izany dia tena tsy misy henatra mihitsy ary mampihevitra ny mpitandrina ho jiolahim-boto mpanimba fananana. Ry zareo tokoa moa no mifehy ny fampitam-baovao ka dia izay tiany atao ihany io saingy mbola hampahatsiarovana azy ireo ihany izany amin'ny androny. Lahatsoratra eo akaiky eo indray ny fahagagany fa misy ny gazety zaraina maimai-poana nefa dia tsy misy dokambarotra ihany koa ao anatiny ao eny amin'ny fivarotam-boky eny dia misy fehezanteny tsipalotra moa milaza fa "tsy mbola lany ny volan'i dada" matoa misy izany, avy eo moa dia mandokandoka ny mpamaky azy izy izay mpamaky mpisaina sy mpandalina moa araka ny filazany ary matoky azy ireo mahasahy mividy lafo ny gazetiny. Rehefa hitako ilay gazety dia tena feno dokambarotra tokoa, ary io no tena fampidiram-bolany. Heveriko rehefa nojerena ny mombamomba azy dia an'ny vondrona Andriatsitohaina (manana ny gazety taratra sy les nouvelles) ilay gazety nolazainy ary miezaka ny tsy hitongilana mihitsy izy fa na ny an'ny mpanohana na ny an'ny mpanohitra dia ambarany soa aman-tsara, eny fa na dia mety hanohintohina ny hafa na ny tombotsoany aza. Fampironana ny olona hisaina moa ireny sorany ireny hanambarany fa tena manambola tsy lany laniana sady nangalariny tamin'ny kitapom-bolam-panjakana rahateo izao dada izao. Tsaroako anefa fa tsy nisy famoahana hoe nisy fanadihadiana ka nisy fahabangana izao volampanjakana dradraodradraina ho nagalarina izao. Ny hita moa izao dia ny halatra bolabola andramena mampalaza ratsy an'i Madagasikara maneratany izao.

Tranga iray nahitako ny hantsana lalina misy eo amin'ny fiaraha-monina saingy tsy nivandravandra izay ny tamin'ny 29 marsa 2010 lasa teo. Tsaroantsika tsara angamba fa nanao fihetsiketseham-panoherana teo anoloan'ny tsangambaton'ny mahery fo teny Ambohijatovo ny mpandala ny ara-dalàna tamin'io andro io. Mba hanatrika ny fotoana koa izy ireo hampiseho ny fisiany izay toa notsinotsinoavina. Tonga ireto mpanohana azy dia ireo mpiambina ny afovoan-tanàna ka mahazo alalana matory sy milalao eny amin'ny zaridaina nahafinaritra teo aloha fa nosimbainy tanteraka ary voatery nofefena mihitsy aza sy mahazo alalana hatory eny rehetra eny sy hangatangataka amin'ny vahiny ary manao maloto eny amin'izay tiany hanaovana azy dia hifanandrina amin'ireto hanambara ny fisiany ireto. Vao nikasintanana sy nanositosika dia namaly bontana avy hatrany ny mpandala ny ara-dalàna, raikitra ny sakoroka satria nihevitra ho nanana ny hery manko izy ireo fa tsy voakitikitika hatramin'izay, voatery nitsoa-pahana mihitsy ireo nila sotasota ka naka ny ilany atsinanan'ny kianjan'ny maritiora 1947 avy eo. Ny fahatongavan'ny mpitandro ny filaminana no nampilamina azy fa raha tsy izany dia asa fotsiny izay nitranga. Avy eo amin'izay dia takoritsika teo amin'ireo hafa tsy miaraka amin'ny mpandala ny ara-dalàna fa tonga teo hanohana ny filohany ny filazana fa misy fizaram-bola mirarakompana ao amin'ireo mpandala ny ara-dalàna ireo, sy ny voakarama izy ireo hanakorontana ny lanonana teo... Mody somary nisisika teny anefatsefan'izy ireny manko aho fa tsy dia mbola be mpahalala loatra moa no naharenesako izany resaka teo amin'ny samy tanora nanatrika teo. Entiko ilazana io tantara io fa mihalalina ny hantsana eo amin'ny fiaraha-monina ary mpifanena fotsiny ny samy Malagasy fa samy misy voam-pakahalana ihany any amin'ny tsirairay any. Dia mbola horanitina hatrany ve izany?

Ny tsikaritro mandray anjara amin'ny famafazana lainga ity ihany koa dia ny fiangonana amin'ny alalan'ny famoahany ireny fanambarana ireny. Samy manana ny fironany ny fiangonana tsirairay, zony izany ary tsy rarana amin'izany izy fa ny tsy lefitro kosa dia ny filazana zavatra tsy mitombina na tsy ananana porofo fa dia toy ny hoe ka efa fantatry ny besinimaro izany dia mba miteny koa izy, tsy mendrika amin'ny maharaiamandreny izy raha manao izany. Zony ny milaza fa nandritra izay 50 taona niverenan'ny fahaleovantena izay dia nisy tokoa ny zavabita dia tanisainy amin'izay izany ka noezahiny tsy notononina izay tena nalaza nandritra ny fito taona farany... zony izany fa tsy azo ekena kosa ny filazana ao anatin'ny fanambarana ny fa misy olona manaparitaka vola hanakorontanana na tsy hisian'ny fandriampahalemana eto amin'ny firenena. Satria ve izany no ambaran'ny gazety mpandainga dia lazaina ihany koa sa eo ampelatanana ny porofon'izany? Maninona raha mba ambara fa samy mpitandro ny filaminana izao ohatra ka samy nandrava ny "fiokoana" tetsy Andrainarivo no misy mandray vola be tokoa ary nomen'ny milaza azy ho mitondra ny firenena amin'izao fotoana izao izany, nefa dia misy tsy re mihitsy izay tambiny azony tamin'ny fandraisany anjara teo. Soa moa fa hain'ireo mpitantana ny tetezamita ireo ny nanambitamby ny hery mitam-piadiana rehetra tamin'ny nanomezana azy ireo 100 000ar tsirairay avy... noho ny fetin'ny reny angamba na tsy azoko loatra fa mpitandro ny filaminana no nilaza izany taminay (satria maromaro izahay no nilazana izany).

Noho izany, tranga miverimberina mila melohina ny famafazana lainga ataon'ny gazety isankarazany sy ny fiangonana sasantsasany ary takiana ihany koa ny hampitsaharana azy mba tsy hanampy trotraka indray ny hantsana efa lalina misy ao amin'ny fiaraha-monina.

jentilisa voalohany jiona 2010

Hevitra

Misaotra anao ry Jent fa dia tena liana aho namaly teto ! Na dia mitafy hodi-janak'ondry ary ny amboadia, ny marina tsy mba maty na oviana na oviana !

Efa h@ izay no resin'ny vola ny fihavanana, raha vao manakorontana kely io dia rava ity faharoa. Mpanakorontana mahery vaika io ka araraotin'ny mahay azy

Nampidirin'i Kdaombaramita @ 17:26, 2010-06-16 [Valio]

allò, allò!

Misaotra hatrany... Efa hatreny amboalohany re io hoe "kibokiboin'ny marina toa an-dRajoelina sy ny fatiny ka izay fanaony ihany no mody hiapangany ny sasany"!("mamafaza VOLA f'aza mba malaina..." fiteny mamin'ilay milaza azy ho Ramatoa voalohany io! Marihina fa "pseudo" daholo ny zavatra ataony sy lazain'ireo milaza ho mpitondra ankehitriny!)
Ary efa hatreny amboalohany koa aho no nampitandrina hoe tandremo fa ny tany Rwanda ange ka ilay radio "des mille collines" namafy lainga sy nandrangitra adim-poko no nahatonga ireny fifamonoana tsy nisy toa izany ireny e!Ary tsy hoe tonga indray na indroa andro akory izany fa nisoko mangina an-taonany fa rehefa nipoaka dia tsy voafehy intsony ny vokany. Dia izay koa no efa nanomboka nitranga teto Madagasikara hatreny amboalohany fa asa izay hiafarany. Nanao antso avo koa aho h@izay fa tsy mba misy feo moa ka tsy misy mandre, hoe raha hanampy antsika ihany ny hafa any ivelany tokony ny rariny sy fahamarinana @ fifehezana ny haino aman-jery no hasiana fanampiana sy fanaraha-maso ahafahan'ny REHETRA manana zo sy anjara milaza sy mandre ny lakolosy rehetra maneno (ny fitantanana tsy miankina sy mangarahara eo ambany fanaraha-mason'ny fikambanana iraisam-pirenena ny haino aman-jerim-pirenena ohatra, izay tsy nisy resaka mihitsy tany Maputo & Cie nefa io anisan'ny zavatra goavana indrindra!)...

Nampidirin'i gasi @ 00:16, 2010-06-17 [Valio]

Anisan'ny marina mihitsy ny lazain'i gasi. Manahy dia manahy mihitsy koa aho ankehitriny

Nampidirin'i jentilisa @ 09:10, 2010-06-17 [Valio]

Raiso ny andraikitrareo!

Ny tian-kambara eto moa satria mba mpijery ity trano-kalan'i Jent ity za, dia itako fa raha maromaro ny olona toa an'i Jent dia mety ho difotra ihany ny lainga sy abobo afafin'ireo fampahalalam-baovao manjaka amin'izao andron'ny gestapo izao. Ny iainantsika amin'izao ange ka tsy fanajakana intsony e fa tena baroa mihitsy, iza no mahasahy milaza amin'ireo manandra-tena fa mpitondra ireo oe, lalàna inona moa no iaiantsika eto amin'izao? Ny lalam-panorenana nianinana hatrizay rehefa misy mahamety andry zareo dia ampiharina, rehefa tsy mety dia hifirana ary lazaina fa efa nalevina niaraka tamin'i filoha Ravalomanana. Ny fitondrana toy izany ve no tohanan'ireo miaramila sy tafika milaza azy ho tsy mirona amin'ny atsy na ny aroa (neutre)? Momba ny fahampahalalam-baovao, taiza no mbola nisy tany demokratika tsy namela na iray aza haino aman-jery milaza ny mifanohitra amin'ny an'ny mpitondra teo aminy? Ny zon'ny vahoaka mihitsy no voahitsakitsaka amin'izany satria tsy vitan'ny fafy laiga ilay izy fa mbola sakanana koa ny fahalalahany. Koa ny tiana hambara eto dia tsotra ary tsy sanatria handrangitra ny miaramila mitam-piadiana hiady ny tenako, fa ny herin'io manadran-tena ho mpitondra io ange ka ny basy aman-tafondro sy ny herim-pamoretana e! raha ireo tena tia tanindrazana mandala ny soa toavina sy ny teny filamatra oe ho an'ny tanindrazana no mandray ny andraikitrany dia, tsy hisy rà mandriaka na fifandonana akory eto fa hiala moramora ary tsy hipetraka eto Madagasikara akory ireo milaza azy ho be sandry sy manao didi-jadona ireo. KOA RAISO NY ANDRAIKITRAREO FA AZA NY MIFANOHITRA AMIN'IZANY NO ATAO FA FADIRANOVANA NY VALALABE MANDRY, ary aza adino fa ny fianakavianareo manohana ny FAT ireo koa tafiditra ao antin'io valalabe mandry io fa tsy afaka ny hiala ao anatin'izany.
Nampidirin'i Ilaikely @ 14:17, 2010-06-17 [Valio]

radio don bosco des mille collines ???

dia manamafy ny efa voalaza ihany sy ny resaka "volan'i Dada" ity fanambaran'ity mopera italiana ity hoe "Ravalomanana dia manam-bola be dia be dia be, ka mividy hatramin'ny ireo masoivohom-bahiny samihafa any Afrika Atsimo hanely tsaho hoe mikorontana any Madagasikara, be ny haratsiana isan-karazany eo @ fiaraha-monina... kanefa tsy marina velively izany hoy ihany izy, ary tsy marina indrindra koa hoy izy talohan'izay, ny feo miely any Eropa hoe nisy fanonganam-panjakana any Madagasikara..." santionany ihany ireo, ary araka ny filazany moa dia ny Radio Don Bosco IHANY no loharana hamoizan'izy ireo any Alaotra ny vaovao... jereo ny momba azy io ao @ http://mydago.com/2010/06/a-madagascar-il-ny-a-pas-eu-de-coup-detat-dixit-le-pere-nicolai/

Nampidirin'i gasi @ 13:54, 2010-06-23 [Valio]

Regarega

Ny olana koa anie dia tsy mbola tonga ato amintsika malagasy ny miady e.Mifamono moramora any andamosina dia samy mangingina dia izay.

Nampidirin'i Regarega @ 15:37, 2010-07-14 [Valio]
Hampiditra hevitra

E-mail me when comments occur on this article
Momba ahy
jentilisa

Vasoky ny tambajotra sosialy tahaka ny Facebook,Twitter sy ny karazany ny blaogy amin'izao fotoana. Mora miely vetivety ny hevitra sy izay voasoratra amin'ireo sehatra ireo.

Misy lafiny iray anefa tsy ahavoazan'izy ireo mihitsy ny blaogy dia ny fitehirizana.Rehefa karohina ny vontoaty iray dia sarotra hita kokoa ny vokatry ny fitadiavana avy amin'ireo tambajotra sosialy ireo.Izay lafiny izay no tsy maharesy tondromaso ny blaogy satria mora hita kokoa ny vontoatiny rehefa karohina amin'ny alalan'ny mili-pitadiavana.

Momba ny eto manokana indray, tsy hianona intsony amin'ny vaovao eto an-toerana aho fa hisokatra kokoa amin'ny manerantany, na amin'ny sehatra ankapobeny. Hosoratana avokoa na eritreritra sendra nandalo na revin-gadra, na fanehoan-kevitra mety hanafintohina ny mpamaky. Mety ho tezitra ianao amin'izay voasoratra nefa ny hisokafan'ny saina handinika sy hamakafaka ary handanjalanja no tena kinasa ambadiky ny lahatsoratra. Ka mazotoa daholo ary ny hevitra anie no hiady fa tsy isika no hifandramatra!

calendar
« Jiona 2018 »
Ah At Ta Ar Ak Zo As
          1 2
3 4 5 6 7 8 9
10 11 12 13 14 15 16
17 18 19 20 21 22 23
24 25 26 27 28 29 30
Tahiry
Credits
LifeType IE7 XHTML CSS Firefox