« | »

Taratasy misokatra Atoa Tale

2010-06-26 @ 05:13 in Ankapobeny

Miarahaba ny rehetra nahatratra ny fitsingerenan'ny niverenan'ny fahaleovantenan'i Madagasikara indray, ary ankoatra izay dia ny faha-50 taonany mihitsy no atrehina. Na inona na inona mitranga sy mihatra tsy maintsy mahatsiaro ny tanindrazako mandrakariva aho sy mirary soa ny mpiray tanindrazana amiko na mitovy hevitra amiko izy ireo na mifanohi-kevitra amiko. Samy tompon'ity Madagasikara ity ary samy manana andraikitra sy adidy aminy ihany koa raha mbola mahatsiaro ho olona mizaka ny zom-pirenena entiny. Ny eo amin'ny itondrana azy no mampisara-tsaina fa anjaran'ny tsirairay no mandresy lahatra ny hafa raha mbola azo atao ihany koa izany mifandresy lahatra tsy asiana herisetra izany fa mahay mifampiresaka kosa. Izay no ela fa hitodika amin'izay votoatin'ny tiako hosoratana amin'izay aho.

Tsorina aminareo mpamaky rehetra fa efa ela no nangidihidy ny tanako hanoratra ity taratasy iray ity fa noho ny saina miady dia miady dia feno fisalasalana tanteraka aho. Vokany anefa dia lasa tsy mahavita zavatra hafa mihitsy aho, ka anisan'izany ny fandikana vaovao hitanao ao amin'ny Global Voices Online ho amin'ny teny malagasy. Manitsy ny an'ny hafa sy mamoaka izany fotsiny hatreto no vitako. Ankoatra izay dia hitanareo fa lasa mahalana ihany koa aho tao ho ao vao mahatafavoaka lahatsoratra hovakianareo. Ny tena manakana ahy tsy te-hamoaka izay hosoratako etoana dia ny nametrahako hatramin'ny voalohany tao anatiko tao fa tsy hiresaka na inona na inona amin'ny asa fanaoko andavanandro ho hitanareo eto amin'ny bolongana mihitsy aho ary tsy te-hanohintohina velively ny orinasa izay iasako (raha misy ianareo mahalala izany orinasa iasako eto Madagasikara izany dia miangavy mba tsy hiteny izany eto na hitantara any an-kafa satria tsy te-hanala baraka azy velively no ataoko eto fa ny hilaza ny alaheloko ihany, efa nesoriko aza moa ny momba ilay asako sy ny orinasa iasako ao amin'ny facebook sao misy misavasava any ianareo tpt). Tratran'ny tsy azo anoharana aho amin'izao fotoana izao: hijanona tsy hanoratra intsony ve ho sandan'ny fahanginana sa hizaka kosa izay fiantraikan'ny soratra izay anisan'ny maha-izaho ahy sy itondrako ny anarana hoe Jentilisa? Dia indro aho hanoratra ilay saika taratasy misokatra...


Andriamatoa Tale,

Miarahaba anao amin'ny alalan'ity taratasy eto ity aho Andriamatoa tale amin'izao fetim-pirenenay izao satria raha ny marina tsy tiako ho hitanao ilay taratasy fa tiako ho ahy samirery, navoakako teto ihany anefa ilay izy hahafantaran'ny olon-kafa fa nanana adin-tsaina maro dia maro aho ka ny iray ihany no tantaraiko etoana. Nataoko amin'ny teny malagasy ihany koa ilay izy na dia fantatro aza fa tsy mahay izany tenin-drazanay izany ianao sady tsy te-hianatra izany mihitsy satria tsy tiako ho azonao izay ambarako ary faniriako ihany koa ny tsy handikan'ny hafa sy ny tsy hitateran'ny hafa izay soratako etoana ho anao anefa. Izay angamba ilay hambom-po ato amiko izay mifandraindraika amin'ny teny hoe hambom-pom-pirenena izay dradradradraina ankehitriny. Izany eo ihany fa tsy dia voafehiko loatra ny teny frantsay ka manjary lany fotoana aho hieritreritra izay rehetra tokony hosoratana rehetra.


Tsy izany manko Andriamatoa tale fa maro dia maro ny mpiara-miasa no naniry mba tsy hiasa amin'ity andron'ny 26 jona 2010 ity, ary efa nisy aza, hono, ny solontenan'ny mpiasa no nihaona taminao nanao izany fangatahana izany saingy indrisy moa nolavinao izany. Niteraka alahelo tamin'ny maro izany, tsorina aminao, satria taloha manko na niasa aza izahay andro tahaka izao dia nanana fifaliana ihany rehefa misy ny fizarana vorona na zavatra hafa ho entina any amin'ny fianakaviana. Tamin'ity indray mitoraka ity anefa dia tsy nisy mihitsy na dia iray aza mari-pahatsiarovana ilay fety. Izaho manokana aloha tsoriko aminao fa faly amin'izany toe-javatra izany aho na mety hahatezitra ny mpiara-miasa aza izany filazako izany. Nahoana? teneniko fotsiny ireo mpiara-miasa ka mifampiresaka amiko hoe porofo izao fa tsy mahaleo tena izany i Madagasikara ary misy ny mpandraharaha vahiny tsy mahalala izany fiandrianan'i Madagasikara izany. 


Ekeko tokoa fa efa fahazarana ato amin'ny orinasa ny miasa hatrany na dia andro fety aza saingy mba hitan'ny maro ihany fa maro ny tompon'andraikitra ambony no tsy mandia ny faritry ny orinasa amin'ireny andro tsy fiasan'ny ankamaroan'ny olona ireny. Raha mba miasa avokoa anie ny ambaratonga rehetra mety ho tsy dia maninona loatra fa raha maro ianareo any ambony any no tsy hita miasa andro fety manjary mampieritreritra anay hoe dia efa tena fanandevozana kosa raha izany. Maromaro ihany ny ato amin'ny orinasa no tsy miasa ny alahady fa ny tenako kosa dia anatin'ilay miasa na dia alahady aza... Vokany ho anay, izahay ilay tsy mba hita mihitsy rehefa misy ny fivoriam-pianakaviana na fihaonan'ny mpianakavy eny fa na dia amin'ireny fitsangatsaganana fanaon'ny besinimaro alatsinain'ny Paska na alatsinain'ny Pentekostra ireny aza. Tsy fantatry ny fianakaviana intsony izahay rehefa fety sy fotoan-dehibe. Toy ny hoe tsy misy izany ankohonana sy fianakaviana izany ho anay...


Fa dia aiza loatra ny fototry ny alahelo satria efa niasa hatrany ny andro fety ka izao vao tsy zaka izany? Moa va mba fantatrao Andriamatoa tale fa efa malaza loatra ilay tsaho hoe ampiasaina indray izahay ny krismasy sy ny taombaovao izay hany fety tsy niasanay tao anatin'ny telo taona izao raha niasana hatrany izany taloha? Raha naka toky hoe ireo solontena hoe miasa sa tsy miasa amin'ireo fotoana ireo dia nolazaina fa mbola ho ela izany fa ho hita eo ihany... vao maika nampitombina ny ahiahin'ny mpiasa hoe tena ho ampiasaina izany. Izao ka heno indray fa misy izany teny midina izany fa raha tsy misy mihitsy ny taratasy avy amin'ny sampan-draharaham-panjakana misahana ny asantsika na didy hitsivolana avy amin'ny governemanta hoe tsy azo atao ny miasa na misokatra amin'ny andro voatondro dia misokatra sy miasa hatrany... Na ny Shinoa malaza ho mpanalika ny mpiasany aza toa tsy sahy manao ny mpiasany tahaka izany saingy fantatro avy hatrany ny valiny hoe mandehana miasa any amin'ny Shinoa.


Izao tokoa angaha ny tambin'ny fananana ny asa hatramin'izao, tsy anisan'ireo nesorina na nanala tena nandritra ireny krizy ireny. Na izany aza Andriamatoa tale dia manoratra ihany aho hoe mba hajao, tompoko, ny zo fototra mahaolona fa mba manana ankohonana toa anareo ihany koa ary manana zo hiara-paly amin'ny ankohonana sy ny fianakaviana ary hatramin'ny firenena ihany koa aza izahay. Tsy maninona raha lazaina fa tsy manana ilay hambom-pom-pirenena izahay ary tsy manana ilay fitiavan-tanindrazana matoa tsy mahasahy manohitra imaso anao amin'izao fampiasana anay amin'ity fankalazana ny faha-50 taona ny fiverenan'ny fahaleovantena izao satria na izahay samy izahay aza tsy mety miray hina ka misy ny sasany mitati-bolana tamin'ny dingana nataon'ny delege hafa izay voasoketa ho manala baraka ny orinasa. Tsy fantatro intsony moa na ny orinasa no manala-bara-tena amin'ny zavatra ataony na ny delege SASANY no mba te-hiaro sy hanandratra kosa ny zo sy ny hajan'ny mpiasa nefa dia ampihorohoroana indray fa na izany na tsy izany alahelo anaty fety aloha no zakaina amin'izao fotoana izao. Tsy fantatro intsony na feno izay voasoratra izay na mbola misy ny adino fa atsahatro amin'izay aloha.

Raiso, Andriamatoa tale, ny haja ambony atolotro anao.


Jentilisa, Asabotsy 26 jona 2010 amin'ny fito sy folo maraina eto Antananarivo.

Hevitra

tsy fahaleovan-tena!

Izaho dia anisan'ny TSY hankalaza izay hoe faha-50 taonan'ny "fahaleovan-tena" izany, fa hahatsiaro kosa an-dranomaso ity andro ity... Asa raha misy olana tsy fahazoana dikan-teny eo amin'ny malagasy ka samy manana ny famaritany ny atao hoe "fahaleovan-tena"! amiko manokana dia tsy misy fahaleovan-tena aloha voalohany, ary manaraka ho azy amin'izany ny hoe tsy misy hankalazaina izany! Fanatsika tsara fa tsy eo ambany fanandevozan'ny frantsay fotsiny ny vahoaka malagasy fa efa fiainana an-davan'andro ny "oui patron!" iondrehana eo anoloan'ny karana, ny fiforetana eo ambanin'ny sinoa, ny tsy rere loatra misoko mangina fehezin'ny arabo, ny fihitarana toy ny tasina menaka ny fanjakana italiana any Nosy Be koa ohatra, sns tsy takatry ny maso sy ny saiko... ary na ny samy malagasy aza dia tsy misy afaka handà fa mbola mihatra ny fanandevozana!
Raha dimam-polo taona no lasa

Nampidirin'i gasi @ 08:31, 2010-06-26 [Valio]

tsy fahaleovan-tena!

OUPS! azafady fa diso fandika aho ka lasa tsy sazoka ny hafatra mbola vao nomanina teo aloha! ity no izy:

Izaho dia anisan'ny TSY hankalaza izay hoe faha-50 taonan'ny "fahaleovan-tena" izany, fa hahatsiaro kosa an-dranomaso ity andro ity...
Asa raha misy olana tsy fahazoana dikan-teny eo amin'ny malagasy ka samy manana ny famaritany ny atao hoe "fahaleovan-tena" ny tsirairay!
Amiko manokana dia tsy misy fahaleovan-tena aloha voalohany hatramin'izao, ary manaraka ho azy amin'izany ny hoe tsy misy hankalazaina izany!
Fantatsika tsara fa tsy eo ambany fanandevozan'ny frantsay fotsiny ny vahoaka malagasy fa efa fiainana an-davan'andro ny "oui patron!" iondrehana eo anoloan'ny karana, ny fiforetana eo ambanin'ny sinoa, ny tsy rere loatra misoko mangina fehezin'ny arabo, ny fanjakazakan'ny italiana any Nosy Be koa ohatra, asa koa ny avy any Tailandy, sns tsy takatry ny maso sy ny saiko... fa indrindra na ny samy malagasy aza dia tsy misy afaka handà fa mbola mihatra ny fanandevozana!
Aoka ho tsiahivintsika ilay fiteny efa lasa malaza hoe "... manotania tena hoe inona no azonao omena ny firenenao..."
Raha izay mahatsiaro tena ho malagasy tsirairay any amin'ny toerana misy azy avy any no manapa-kevitra hahatsiaro am-bavaka ny tanindrazany, na dia isa-maraina fotsiny ihany aza, dia mino aho fa raha vavaka aman'aliny tonga any an-tsofin'ilay Nahary tsy tapaka dia efa zava-dehibe hampiova zavatra.

Araky ny nosoratan'i Masindahy Paoly ho an'i Timoty hoe "Koa mananatra voalohany indrindra aho mba hatao izay fangatahana, fivavahana, fifonana, fisaorana, ho an'ny olona rehetra, ho an'ny mpanjaka mbamin'izay rehetra manana fahefana, mba hiainantsika miadana sy mandry fahizay amin'ny toe-panahy araka an'Andriamanitra sy ny fahamaotinana rehetra." (1 Timoty 2, 1-2)

Samia ho ela velona daholo hahita ary ho afaka hankalaza izay tena ho faha-50 taon'ny fahaleovan-tenan'i Madagasikara MARINA!

Nampidirin'i gasi @ 08:35, 2010-06-26 [Valio]

miankina @ le asa ilay izy fa raha ohatra ka hoe mivelona @ fety ilay orinasa na hoe cas de force majeure na hoe zavatra normale ny misy service minimale refa andro tsy fiasana dia tokony tsy maintsy miasa ny mpiasa... fa zany hoe normalement koa tokony double ny taux an'ny karama isan'ora (na du moins hoe 1.5)... tsy haiko alou ee. jereo ny kaodin'ny asa malagasy fa mety misoratra any izany...

Nampidirin'i simp @ 21:41, 2010-06-27 [Valio]

... ra tsisy any dia mety hoe misy clause any @ contrat nidirana tao hoe tsy maintsy miasa refa baikon'ny lehibe na otr'zany??
ra tsisy ao anatin'ny contrat fa hoe sata mifehy ny orinasa fotsiny dia mety azon'ny syndicat na hoe delegue an'ny mpiasa negocier-na... fa ra any anaty contrat alou dia tsisy fika fa azony roahana avy hatrany ze mi-style manao insubordination ao ee...

mahereza ee!!

Nampidirin'i simp @ 21:43, 2010-06-27 [Valio]

Fety sy asa...

Miarahaba ny rehetra,

misaotra an'i Jentilisy amin'ny soratra alefany...Raha tsy diso aho ny Fetim-pirenena dia voalaza fa Férié toy ny fetin'ny Noely sns...Ka ANJARAN'ny vahiny no MANAJA izany...Tsy fatatro hoe inona no asanao na aiza fa raha toa ny eny am hopitaly dia Mifandimby...Mahereza daholo,tsy dia manoratra firy intsony koa aho fa miray saina sy hery aminareo!Tsy maintsy mandresy ny marina

Nampidirin'i Mandimbisoa @ 08:09, 2010-06-28 [Valio]

Mahereza mivavaka ry jentilisa dia ivavaho io Tale-nareo io mba hilatsahan'i fanahy masina tampoka any anatiny ihany mba hitsinjo anareo izy. Hitondray mpiandry mihitsy raha ilaina hanala ny develiny. Tarito ihany koa izy hivavaka isaky ny alahady fa tsy natao hoan'ny Malagasy ihany akory Andriamanitra. Fadio ny miady amin'ny vazaha fa ny atody tsy miady amam-bato.

Ary aza manahy fa ny manao asa soa aza hatao koa tsy maninona na asainy miasa 24/24 sy 7/7 aza. Ny valim-pitia-nao izay miandry anao any an-danitra no jereo amin'izao asa fanasoavana ataonao izao.

Nampidirin'i akamasoa @ 11:26, 2010-06-30 [Valio]
Hampiditra hevitra

E-mail me when comments occur on this article
Momba ahy
jentilisa

Vasoky ny tambajotra sosialy tahaka ny Facebook,Twitter sy ny karazany ny blaogy amin'izao fotoana. Mora miely vetivety ny hevitra sy izay voasoratra amin'ireo sehatra ireo.

Misy lafiny iray anefa tsy ahavoazan'izy ireo mihitsy ny blaogy dia ny fitehirizana.Rehefa karohina ny vontoaty iray dia sarotra hita kokoa ny vokatry ny fitadiavana avy amin'ireo tambajotra sosialy ireo.Izay lafiny izay no tsy maharesy tondromaso ny blaogy satria mora hita kokoa ny vontoatiny rehefa karohina amin'ny alalan'ny mili-pitadiavana.

Momba ny eto manokana indray, tsy hianona intsony amin'ny vaovao eto an-toerana aho fa hisokatra kokoa amin'ny manerantany, na amin'ny sehatra ankapobeny. Hosoratana avokoa na eritreritra sendra nandalo na revin-gadra, na fanehoan-kevitra mety hanafintohina ny mpamaky. Mety ho tezitra ianao amin'izay voasoratra nefa ny hisokafan'ny saina handinika sy hamakafaka ary handanjalanja no tena kinasa ambadiky ny lahatsoratra. Ka mazotoa daholo ary ny hevitra anie no hiady fa tsy isika no hifandramatra!

calendar
« Jiona 2018 »
Ah At Ta Ar Ak Zo As
          1 2
3 4 5 6 7 8 9
10 11 12 13 14 15 16
17 18 19 20 21 22 23
24 25 26 27 28 29 30
Tahiry
Credits
LifeType IE7 XHTML CSS Firefox