« | »

Gadraiko ingahy!

2010-08-11 @ 21:33 in Ankapobeny

Ity misy lahatsary iray vao azoko dia zaraiko aminareo ihany koa! fireharehana Frantsay iray manoloana mpanao gazety Afrikana iray (Togoley). Tsy fantatr'ingahy angaha aho?... gadraiko ingahy! anisan'ny tenin'ilay cooperant Frantsay izany. Misy toy izao ny teniny ato amin'ity lahatsary ity: « Tu sais qui je suis ? Je suis le conseiller du chef d'état-major de l'armée de terre. Tu veux que j'appelle le RCGP [Régiment des commandos de la garde présidentielle, ndlr] pour foutre un peu d'ordre là-dedans ? Alors, je demande d'enlever les photos. Est-ce que c'est compliqué ? »

 
 
Ny hany faniriana dia izao; tsy hisy zavatra hitranga tahaka izao anie eto Madagasikara. 

Hevitra

Nampidirin'i jacta @ 07:03, 2010-08-12 [Valio]

Ny eto efa voagadra dhl ny mpanao gazety! majankazaka mht ry zalahy ireo ka asa oe in no hevitra fa raha izao manoka aloa dia tena very hvt

Nampidirin'i news2dago @ 17:35, 2010-08-12 [Valio]

hey,
sali sali an
arabaina tsy maty fo aman'aina alou ee... zay efa tena naminavina ny ratsy mintsy fa hoe tena nanjavona jentl lelika ee...
za alou tsy nokorapaka fa hoe tena nazaka sipa advantista wa lery ^:^

Nampidirin'i simp @ 22:24, 2010-08-12 [Valio]

hi, hi!

Aza manahy ianao fa tsy hitranga ny zavatra toy izao: hoe vazaha hirehareha eny an-dalambe!ny rano tapany ihany no mikobana! tsy ilainy io eto Madagasikara satria efa mandeha ho azy toy ny rano mikoriana ny any ambadiky ny sehatra, tsy mila ireharehana intsony fa efa nihatra efa ela :-)
Ny mifamadika amin'io no mety hitranga angaha: ny vtt gasy hirehareha hoe "tsy fantatr'ialahy angaha izaho? nandeha nanao matso tany @ reny malala t@ 14 juillet!..."
Mahasoava e!

Nampidirin'i gasi @ 08:33, 2010-08-13 [Valio]

Nandresy ny hetsika tamin'ity raharaha iray ity. Hay rehefa miaray hina ny mpampita vaovao rehetra na ny eto an-toerana na ny any ivelany milefitra hatrany ny miseho azy ho mafy be. Vakio ny eo amin'ny rohy.

efa an-hetsiny na tsy efa nahatratra tapitrisa aza ve izany no namaky ny lahatsoratra?

O ra simp a! tsy hoe niresaka momba ny advantista aho dia nahazaka advantista nefa misy mahafinaritra tokoa any an tpt!!!

Jentilisa

Nampidirin'i Jentilisa namaky Rue89 @ 21:29, 2010-08-13 [Valio]

Diso enao ra jentilisy.Misy eto @ tsika tokoa io zavatra io, fa any ambadika izy no mibaiko an'i rajoelina sy ny miaramila hanagadra ny opposition, fa ity any togo ity mantsy dia niharihary natao hita maso mihitsy ny zava-misy marina any afrika.Ary misy any amintsika io, fa any ambadika.Asa na mazava @ i jentilisy izany.Izay no hiadivana @ izao fotoana , hialana an'io zavatra iray io.

Nampidirin'i tsikirity @ 18:48, 2010-08-14 [Valio]

zany anie wa ra-jentl ee
neveriko fa za irery no mahatsapa fa otran'ny manja doly ny sipa advantista le ^:^

ny vaninan'andro ny teknolojia vaovao angamba no tena mahatonga an'le hoe mihasarotra dia mihasarotra ny manao mody fanina @ kozy voretra ataon'ny mpanjanaka/mpanongam-panjakana ee...
fandrosoana lehibe izany ary inoako fa tsy maintsy ho tafiditra @ izay ihany koa ny malagasy afaka 30 na 40 taona eo ho eo... ra milamina ny tany :-)

Nampidirin'i simp @ 20:31, 2010-08-14 [Valio]

Nivoaka tamin'ny LCI izy ity ka asa fa tsy tratrako ny coms nolazainy tao.

Nampidirin'i Kdaombaramita @ 18:40, 2010-08-15 [Valio]

hira vao

sarko voyou no hira malaza izao

Nampidirin'i malagsycool @ 21:00, 2010-08-16 [Valio]

nahazo mis à pied de 10 jours fotsn leiry voaantso tamny amin'ny champs elysé tany

Nampidirin'i Kdaombaramita @ 14:26, 2010-08-17 [Valio]

Efa nitranga teto Dago io ka. Surtout ilay teny hoe "Ataoko mahfantatra ny anarako..." sy ny hoe "Tsy fantatr'ialahy angaha aho"... fa izany hoe tsy tamin'ny mpanao gazety aloha.

Toa ilay commandant Charles no niteny an'io tamin'izy nisambotra an'i Manandafy. Misy video koa iny.

Nampidirin'i Hery @ 09:56, 2010-09-08 [Valio]

aleo tsika mifanampy fa tsi mifanakiana ri mpanao politique

Nampidirin'i Rado rakotoniriana @ 13:03, 2013-12-03 [Valio]
Hampiditra hevitra

E-mail me when comments occur on this article
Momba ahy
jentilisa

Vasoky ny tambajotra sosialy tahaka ny Facebook,Twitter sy ny karazany ny blaogy amin'izao fotoana. Mora miely vetivety ny hevitra sy izay voasoratra amin'ireo sehatra ireo.

Misy lafiny iray anefa tsy ahavoazan'izy ireo mihitsy ny blaogy dia ny fitehirizana.Rehefa karohina ny vontoaty iray dia sarotra hita kokoa ny vokatry ny fitadiavana avy amin'ireo tambajotra sosialy ireo.Izay lafiny izay no tsy maharesy tondromaso ny blaogy satria mora hita kokoa ny vontoatiny rehefa karohina amin'ny alalan'ny mili-pitadiavana.

Momba ny eto manokana indray, tsy hianona intsony amin'ny vaovao eto an-toerana aho fa hisokatra kokoa amin'ny manerantany, na amin'ny sehatra ankapobeny. Hosoratana avokoa na eritreritra sendra nandalo na revin-gadra, na fanehoan-kevitra mety hanafintohina ny mpamaky. Mety ho tezitra ianao amin'izay voasoratra nefa ny hisokafan'ny saina handinika sy hamakafaka ary handanjalanja no tena kinasa ambadiky ny lahatsoratra. Ka mazotoa daholo ary ny hevitra anie no hiady fa tsy isika no hifandramatra!

calendar
« Novambra 2018 »
Ah At Ta Ar Ak Zo As
        1 2 3
4 5 6 7 8 9 10
11 12 13 14 15 16 17
18 19 20 21 22 23 24
25 26 27 28 29 30  
Tahiry
Credits
LifeType IE7 XHTML CSS Firefox