« | »

Ny vahaolako Malagasy

2010-08-18 @ 00:30 in Politika

Nanjary lamaody eo amin'ny famahana krizy eto amin'ny firenena indray ny fanandratana ny teny hoe "vahaolan'ny samy Malagasy" [solution Malgacho-Malgache]. Noho ny filazana volana vitsy lasa izay ny hoe hambom-pom-pirenena ny tsy tokony idiran'ny vahiny amin'ny raharahan'ny samy Malagasy ve no antony nanandratana ity fitenenana ity indray? Mariho mazava tsara anefa fa vao niandoha ity krizy diavina ity dia ny "vahaolan'ny samy Malagasy" no nampiharina teto amin'ny firenena. Nanandrana niditra ihany ny vahiny, nanomboka tamin'ny Frantsay, noho ireny raharahan'ny 26 janoary 2009 teto Antananarivo sy ny telo andro manaraka tany amin'ny faritra rehetra tany ireny saingy hitantsika ny vokany. Teo amin'ny fanelanelanan'ny mpitarika ny FFKM kosa no nandraisan'ny Malagasy ny fanelanelanana ny samy Malagasy... izany hoe ireo mpifanandrina politika no marina kokoa... narahin'ny fikambanana vahiny maso izany sady efa fantatsika ny vokany sy ny tohiny. Hatramin'izay nisian'ity vahaolana amin'ny krizy amin'izao fotoana ity izany dia tsy nisy nahomby na ny vahaolana nataon'ny samy Malagasy na ny vahaolan'ny fifanarahana nosoniavin'ny solontena vahiny koa fomba ahoana no hivahan'ny krizy raha tena mitady tokoa isika?


Ny tsikaritro aloha, satria voambolana Frantsay no tena novoizina amin'izao fotoana izao, dia ny hevitra fonosiny. Mampiova fisainana tokoa ny voambolana raisina amin'ny raharaha tahaka itony ary mety hiantraika amin'ny famahana ny olana ihany koa aza. Raiso anie ny teny hoe "Solution Malgacho-Malgache", ny fijeriko dia manome lanja ny fisaraham-bazan'ny samy Malagasy io fiteny io. Misy izany ny vondrona Malagasy hifanaraka amin'ny vondrona Malagasy hafa izany eto, Matoa naverina indroa ny anarana dia maneho fiavahana sy fihatahana amina vondrona Malagasy samihafa mihitsy izany. Toy ny manambara io fa mizara roa miavaka tsara ny Malagasy tondroina eto. Ohatra: Centre Franco-Malgache manondro toerana fihaonan'ny Frantsay sy ny Malagasy, dia ovay hoe "Malgacho-" ilay "Franco-" fa amiko manokana dia hafahafa ny mihaino azy. Nahoana no tsy nosoratana na nolazaina ohatra hoe "Solution entre Malgaches" na "Solution Malgache" tsotra izao? Heveriko fa misy dikany matoa izay voambolana izay nonoraisina.


Nanao ahoana ny fampiharan'ny sasany ilay "Solution Malgacho-Malgache"? Tsy vahaolana no napetrany fa famefena ny fahitam-bahaolana tena izy hialana amin'ny krizy amin'ny fanapahan-kevitra mety hivoaka rehefa misy tokoa ny fikatsaham-bahaolan'ny samy Malagasy. Misy sakana avy hatrany napetraka tsy ho azo iadian-kevitra nataon'ny mpanao politika sasany nihazakazahana nosoniavina.Nivoaka ry zareo ny fifanarahana politika nosoniavina teny amin'ny Ivotoerana Ivoriambe Iraisampirenena Ivato dia karazana "Armistice" no nosoniavina satria fifanarahana politika ilay izy nefa dia "capitulation" no votoatim-pifanarahana satria izay tian'ilay "napetraka" ho mpandresy tamin'ny ady miaramila nifanandrinana no harahina. Azo lazaina noho izany fa tena niketrika tokoa ny mpitetika ny paikady tamin'ity Fifanarahana politika teny Ivato nosoniavina ny "Vendredi 13" ity...[fa dia naninona loatra aho no nanoratra teny frantsay maromaro tato?]... Voafaritra mazava tsara ao anatin'ny fifanarahana fa tsy misy azo esorina na aongana intsony ny mpandresy sy izay vonon-kiara-dia amin'ny mpandresy ka tafiditra na voatendry anatina rafi-pitantanana hajoro. Mifandamina izany ry zareo samy mpanao politika amin'ny fizarantseza. Tsoa-kevitra : Olana hatrany ny mpanao politika [Malagasy amin'izao fotoana izao] na misaraka na mitambatra, ary izy mitambatra no mampidi-doza kokoa ho an'ny firenena.


Etsy ankilan'izany dia fahadisoana ihany koa raha ny fijeriko azy ny fitadiavana hifikitra mandrakariva amin'ny "Satan'ny Maputo sy Adis-Abeba" izay mametraka hatrany ilay mpandresy eo amin'ny toeram-boninahitra ambony indrindra raha hijoro ihany ny tetezamita ary mbola ho olana ho an'ny Malagasy, araka ny fomba fijeriko, ny mieritreritra ireo olona halany sy tsy nofidiany na nanaovany latsa-bato akory, nefa dia hiteroterona amin'ny seza fisoloan-tena ny vahoaka. Manahirana ahy ihany koa ny mahita ilay rafitra mavesatra dia mavesatra itadiavana amin'ny fomba rehetra hametrahana olona maro dia maro ho anatina andrim-panjakana. Fandaniambola mihoa-pampana izany na dia azo heverina ho vahaolana ihany aza nefa ny hitavana ny volam-bahoaka ihany no ho raharahan-dry zareo ao anatin'izany rehetra izany. Mila rafitra mahomby ny tetezamita raha ilaina izany ary ny antoky ny fahombiazana dia ny fanomezana andraikitra ireo manampahaizana vitsy eo amin'ny fitantanana mandra-pihavin'ny fifidianana isafidianan'ny Malagasy izay tiany hitantana ny firenena na olona tsy manana diplaoma io na jiolahimboto na olonkafa tsy ary ho voatanisa.


Fandrika iray ilaina sorohina ny fitadiavana fanaovana zara fa vita ny tetezamita ka manjary ratsy fototra izay rafitra tian-kajoro aoriana. Averimberina mandrakariva ny filazana hamitana haingana ny tetezamita, tsy fahamehana ho amin'izany mihitsy no tanjona amin'izao fotoana izao, raha ny fijeriko, fa ny fialana amin'ny krizy. Ny krizy hita amin'izao fotoana izao dia ny fitokana-monina manjo ny Malagasy eo amin'ny sehatra iraisam-pirenena. Fiandohan'ny famahana krizy noho izany, amiko, ny fiverenan'ny fitokisan'ny iraisam-pirenena, raha sainina fa olana izany fitokana-monina izany eo amin'ny sehatra diplomatika. Raha sainina ho tsy olana kosa dia tsy manan-kambara ny tena fa dia tena tsy misy tokoa noho izany ny krizy ka avela amin'izao hanohy ny asany izay mitantana ny firenena. Raha ny amin'izao fotoana, aloha, dia tsy tokony atao an-kamehana ny fihaonambem-pirenena kasaina hotontosaina ny faran'ny volana io satria efa fefen'ilay fifanarahana politika nosoniavin-dry Tia Tena isany. Nanimba ny hevitra tera-bary avy hatrany manko io toe-javatra iray io. Tadiavina kosa ny fampandraisana anjara ny daholobe vonon-kandray andraikitra [tsy miandry izay tsy handihy sy tsy hiteha-tanana kosa] ary mbola eo amin'ny fifanentanana isika izao. Raha te-hahalala izay mifanakaiky indrindra amin'ny hevitro noho izany ianao dia ato amin'ity vondrona Facebook ity no fantatro aloha. Sarotra ny lalana saingy samy manana ny fandresen-dahatra ary izay aloha no anjara birikiko. Tetezamita ny resaka izao!


Jentilisa 18 Aogositra 2010 amin'ny 02:30 maraina.

Hevitra

asoanaivo a dit :
le Mercredi 18 août 2010 à 10 h 24 min
Hadinon’i Ngahy Zaza Ramandimbiarison, angamba fa tsy misy ary tsy hisy fiaraha-miasa azo hatao raha tsy misy mihitsy aloha fifamelankeloka eo amin’ny samy Malagasy sy ny mpitondra rehetra nifandimby teto. Tsy nisy na dia iray aza ankehitriny hilaza fa tsy nanao fahadisoana teto amin’ity Firenena ity. Samy efa namono ny Malagasy daholo fa ny fomba famonoana no tsy mitovy. Ny famonoana olona tamin’ny 07 febroary 2009 izay hizirizirian’Ingahy Andry Rajoelina ka tsy hanekeny ny fifamelankeloka, dia samy tompon’andraikitra tamin’io daholo ny rehetra voakasik’izany : ny nitondra ny olona ho vonoina nefa mahafantatra tsara ny ahafaty ny olona no tena tompon’andraikitra voalohany amin’izany. Efa fantatrao izao fa ahafaty ny olona ka mbola entinao eny ihany ny olona ho vonoina !? Amin’izao fotoana izao, dia maro ihany koa ireo olona maty noho ny fahantrana, ny fahaverezan’asa, ny fangalarana ny harenam-pirenena …vokatry ny fandrombaham-pahefana sy fanonganam-panjakana nisy teto, nefa toa tsy misy mpiteny ary modiana tsy fantatra, satria ireo misora-tena ho mpitondra no tompon’andraikitra amin’izany. Tsotra anie ny vahaolana ry Zaza eh ! Mandefasà taratasy any amin’ireo misoratena ho Mpitondra ireo, mba hanokana fotoana amin’ny fifamelankeloka, handraisan’ny olon-drehetra sy ny ankolafin-kery rehetra anjara ka tsy hisy intsony hifampiampanga fa samy efa nanao ny tsy nety teo anatrehan’ny Vahoaka malagasy ny rehetra, ary andao samy hifamela heloka, ary hametraka fiaraha-monina vaovao indray tena hanjakan’ny Fifankatiavana (FIHAVANANA).Heveriko fa raha tanteraka izany fifamelankeloka izany, mino marimarina aho fa ho mora ny fiaraha-miasa eo amin’ny samy Malagasy, eo amin’ny Mpanao politika ! Izay anie ilay vahaolana tadiavina amin’ny samy malagasy eh ! Mino aho fa tsy sarotiny amin’izany ny Malagasy, satria samy mahatsapa ankehitriny fa efa tena ambavahaon’ny fahafatesana ny Malagasy. Manaraka ho azy avy eo ny fametrahana izay rafitra na paikady ahazoana manatanteraka ny Fifidianana. Avelao hilatsaka daholo izay te hilatsaka ho fidina Filoham-pirenena, ary aza asiana fepetra izany fa hain’ny Vahoaka foana ny mifidy izay tiany. Ny Miaramila kosa anefa etsy andaniny dia tokony hipetraka tsara amin’ny toerany hoe Miaro ny vahoaka sy ny safidiny, mba ho antoky ny fahamarinana; Manampy azy amin’izany ireo Sociétés civiles, ny Fiangonana, ireo Mpanara-maso iraisam-pirenena …
Tsy olana anie ny hoe iza no ho Mpitarika izany rafitra tetezamita izany eh ! Ny tena olana dia ny fampiasana ny voambolana hoe Filoham-pirenena nefa tsy voafidim-bahoaka akory. Nahoana moa izay hitarika eo ka eken’ny rehetra raha antsoina hoe TALEN’NY TETEZAMITA na Directeur de la transition satria tsy olom-boafidy izy fa olom-boatendry

Nampidirin'i rasoanaivo @ 09:41, 2010-08-18 [Valio]
Hampiditra hevitra

E-mail me when comments occur on this article
Momba ahy
jentilisa

Vasoky ny tambajotra sosialy tahaka ny Facebook,Twitter sy ny karazany ny blaogy amin'izao fotoana. Mora miely vetivety ny hevitra sy izay voasoratra amin'ireo sehatra ireo.

Misy lafiny iray anefa tsy ahavoazan'izy ireo mihitsy ny blaogy dia ny fitehirizana.Rehefa karohina ny vontoaty iray dia sarotra hita kokoa ny vokatry ny fitadiavana avy amin'ireo tambajotra sosialy ireo.Izay lafiny izay no tsy maharesy tondromaso ny blaogy satria mora hita kokoa ny vontoatiny rehefa karohina amin'ny alalan'ny mili-pitadiavana.

Momba ny eto manokana indray, tsy hianona intsony amin'ny vaovao eto an-toerana aho fa hisokatra kokoa amin'ny manerantany, na amin'ny sehatra ankapobeny. Hosoratana avokoa na eritreritra sendra nandalo na revin-gadra, na fanehoan-kevitra mety hanafintohina ny mpamaky. Mety ho tezitra ianao amin'izay voasoratra nefa ny hisokafan'ny saina handinika sy hamakafaka ary handanjalanja no tena kinasa ambadiky ny lahatsoratra. Ka mazotoa daholo ary ny hevitra anie no hiady fa tsy isika no hifandramatra!

calendar
« Desambra 2018 »
Ah At Ta Ar Ak Zo As
            1
2 3 4 5 6 7 8
9 10 11 12 13 14 15
16 17 18 19 20 21 22
23 24 25 26 27 28 29
30 31          
Tahiry
Credits
LifeType IE7 XHTML CSS Firefox