« | »

Ho lasa tany Silamo ranoiray i Eoropa (atsimo)?

2010-09-12 @ 23:25 in Ankapobeny

Somary nivadika taranja vetivety aho eto hilaza na hitatitra izay notaterina tamiko ary tsy miresaka manokana momba an'i Madagasikara. Mahavariana ny fitantarana, tsy ilay zavatra tantaraina loatra no tena nanintona ahy fa zavatra tiako asongadina. Voalohany dia hoe hanomboka amin'ny 29 oktobra 2010 ny ady lehibe fahatelo ifanaovan'ny Tandrefana sy ny Firenena Silamo maro, tsy nilaza izay tena vokany izy fa dia ady hafa dia hafa tokoa izy io izay hifarana amin'ny 2014... Ho lao tanteraka i Eoropa manontolo noho ny ady nokleary...dia ny fivavahana ISlamo no fivavahana hanjaka tokana amin'ny firenena Eoropeana. Izaho amin'izao fotsiny dia mahita fa mety ho tontosa izany tranga izany satria mihabetsaka ny Silamo any amin'iny faritra eoropeana iny ary manana tanjaka sy mametraka ny horohorony mihitsy. Tsy mijery azy amin'ny lafiny hoe filazana ny ho avy aho eto fa mijery araka ny zavamisy amin'ny fanjakazakan'ny "tavaratra" araka ny fitantaran'izay te-hitantara azy amiko fotsiny ihany. Ho rotiky ny ady tanteraka anefa ny ila-bolantany avaratra (tahaka ny mametraka fa tsy dia iharany loatra kosa ny ila-bolantany atsimo)

Tsy dia voambara firy fa tahaka ny nahatohitra ny fanafihana ihany ny Amerikana...saingy tsy nisy filazana moa ny amin'izany, dia nihomehy irery aho namaky azy ka nanao hoe izay lehiretsy vao hidodododo hody an-tanindrazana avokoa ny Malagasy mpila ravinahitra any amin'ny ilabolantany avaratra rehetra any... Fa inona loatra no nahatonga ahy hanoratra ity lahatsoratra ity? Raha misy tohiny manahirana sy mitohy ny fifandranitana momba ny fandoroana ny boky silamo Qu'ran any Etazonia io dia mety hitranga tokoa izany ady lehibe fahatelo izany. Fa ny tohiny aloha somary mahafinaritra ho antsika ihany koa e: ny firenena nandevozina indray no hanandevo ireo nanandevo azy... Asa fa re aloha fa votsotra tsy azon'i Madagasikara ny Plateau Continental eo atsimon'ny Nosy sady mitady hitovy habe aminy, soa ihany fa tsy lasan'ny firenena hafa ihany koa aloha fa dia mbola lasa faritra iraisam-pirenena. Miandry 20 taona indray isika hiadiana ny hahazoana azy, tsy niady ho amin'io manko ny fitondrana malagasy misy ankehitriny no tena nahavotsotra azy. Dia indro ilay lahatsary nahavariana ahy, izay amin'ny teny anglisy fa mety ho mora azontsika rehetra.
 
 

Mety ho nahita momba azy ity angamba ny Mpitarika Lybiana Mouammar El Khaddaffi no mampirehaka azy hoe ho Faritra Silamo i Eoropa ary ny lohany amin'izany dia i Roma...  
 
jentilisa, 13 septambra 2010 amin'ny 01:25

Hevitra

Somary realista ihany alou le kozy ee:
ity misy resaka momba ny hoe olona tao @ vatican no mampitandrina an'io resaka hoe silamo ho lasa majorite any Eoropa ao anatin'ny zato taona maromaro...
http://www.telegraph.co.uk/news/worldnews/europe/vaticancityandholysee/7986528/Muslims-will-become-majority-in-Europe-senior-Vatican-official-warns.html

eo koa ny hoe i Iran mety hahavita baomba atomika afaka 2taona eo farafahaelany dia mety i Europa sy i Israely no hajifa pre ao... eny e, mety ho darohan'i Israely baomba alohan'zany alou ry zalah fa en tt cas ra tsy mivaha ato ho ato io kozy io dia mety hisy gidraka ngoza lavitra noho ny tany Irak any antoerana...

Ny tena predictions an'ny olona dia ny hoe i Chine no hanjaka @ faram-paran'ny 21eme sy fanombohan'ny 22eme siecle... somary sceptika ihany alou @ izany satria mety ho raikitra ny ady @ i Japana sy i Chine izay mazava hoazy fa mivadika Bekitana sy Chine... na koa ny ady eo @ i Chine sy India... en tt cas, firenena manana nokleary daholo ireo ary mety hisy kontinanta hanjavona ny mponina ao aminy ra tena raikitra ny kombaka...

sinon, amiko manokana matetika tsy dia marina loatra ilay previsions @ futur alavitra loatra ireny... Soit izy zavatra "tsara" tena lasa alavitra be an'ny noheverina Soit izy zavatra tena ratsy be mihoatra @ noheverina... Eritrereto hoe t@ andron'i Jesoa, zany hoe 2000 taona lasa ve dia nisy nieritreritra hoe hisy an'zany telefona portable izany... na hoe satellita sy hoe makeny @ volana ny olona?

Dia tsy maintsy zavatra tsy eritreretina, sy tsy takatry ny saintsika @ izao mihintsy no mety hitranga @ izany hoe taona 4000 izany: ohatra hoe ho afaka miampita galaksia ny olombelona... ny teleportation tena pratika courante,, tsy mila fiara tsony... ny ordinatera sy ny aterineto dia efa lasa integrE ao anatin'ny atidoha... tsy mila lelah sy vevavy izany tsony ny miteraka ary hiverina ho 900 taona otran'ny @ andron'i Adama vao jokotra ny olona... ho olana nasionaly ny fifankatiavana/fanambadiana eo @ extraterrestre sy ny terriens...

Na hoe lasa ratsy be: mifandona @ planeta hafa ny tany... na hoe misy meteoro ngozabe milatsaka aty ambonin'ny tany ... na hoe ny galaksia misy antsika trohan'ny galaksia hafa ngozangoza manodidina... ny tena pira indrindra: ho zanahin'ny extraterrestre ny olombelona... na hoe lasa nifindra monina any @ galaksia hafa doly tsika mianakavy manadino ny tanindrazana hahaha...
tena ho lava be ity kozy lelika eee
^:^

Nampidirin'i simp @ 00:09, 2010-09-13 [Valio]

aoka tsy ho hadino ny adin'ny robots @ zanak'olombelona -> terminator ;-)
Nampidirin'i simp @ 00:12, 2010-09-13 [Valio]

Normal raha toa ka ny silamo no lasa maro an'isa kokoa ao Eoropa, satria ny vazaha dia tsy miteraka firy, ary efa tratran'ny "vieillissement de la population" amin'izao fotoana izao. Ireo mpifindra monina kosa (Arabo sy Afrikanina, anisany ny Gasy) dia miteraka maro, ka normal raha ireo no lasa maro an'isa.

Nampidirin'i ikotokoely @ 04:45, 2010-09-13 [Valio]

pfffff !

Nampidirin'i Kdaombaramita @ 12:58, 2010-09-13 [Valio]

Fiaianana ara-panahy

Zavatra roa no hitako misongadina 1- Manjaka ny fanompoan-tsampy aty Eoraopa : ny vola,ny tombon-tsoa , fahafinaretan'ny nofo..sns..sns. 2-Vokatr'izany ny fiainana ara-panahy dia mihamahantra ary hanjavona raha tsy misy fifohazana ara-panahy hitranga. Ny fivavahana silamo dia mahery vaika satria malemy ny fiainana ara-panahy eoraopeana.
Nampidirin'i malagasycool @ 16:36, 2010-09-14 [Valio]
Hampiditra hevitra

E-mail me when comments occur on this article
Momba ahy
jentilisa

Vasoky ny tambajotra sosialy tahaka ny Facebook,Twitter sy ny karazany ny blaogy amin'izao fotoana. Mora miely vetivety ny hevitra sy izay voasoratra amin'ireo sehatra ireo.

Misy lafiny iray anefa tsy ahavoazan'izy ireo mihitsy ny blaogy dia ny fitehirizana.Rehefa karohina ny vontoaty iray dia sarotra hita kokoa ny vokatry ny fitadiavana avy amin'ireo tambajotra sosialy ireo.Izay lafiny izay no tsy maharesy tondromaso ny blaogy satria mora hita kokoa ny vontoatiny rehefa karohina amin'ny alalan'ny mili-pitadiavana.

Momba ny eto manokana indray, tsy hianona intsony amin'ny vaovao eto an-toerana aho fa hisokatra kokoa amin'ny manerantany, na amin'ny sehatra ankapobeny. Hosoratana avokoa na eritreritra sendra nandalo na revin-gadra, na fanehoan-kevitra mety hanafintohina ny mpamaky. Mety ho tezitra ianao amin'izay voasoratra nefa ny hisokafan'ny saina handinika sy hamakafaka ary handanjalanja no tena kinasa ambadiky ny lahatsoratra. Ka mazotoa daholo ary ny hevitra anie no hiady fa tsy isika no hifandramatra!

calendar
« Jolay 2019 »
Ah At Ta Ar Ak Zo As
  1 2 3 4 5 6
7 8 9 10 11 12 13
14 15 16 17 18 19 20
21 22 23 24 25 26 27
28 29 30 31      
Tahiry
Credits
LifeType IE7 XHTML CSS Firefox