« | »

Ny zotra 119 no mety hampiongana ny fitondrana

2010-09-14 @ 23:07 in Andavanandro

Hiresaka raharaha momba ny tanàna eto an-drenivohitra na ilay niavian’ny teny hoe politika (polis) indray aho eto. Raha nitodika bebe kokoa teo amin’ny sehatra manerana ny firenena aho tao ho ao dia hitodika kely amin’ny tanànan’Antananarivo indray. Miezaka dia miezaka tokoa ny mpitantana ankehitriny amin’ny fikarakarana ity renivohitra ity. Renivohitra izay saro-tiavina toa landy mohaka, iriarivana sy ifanenan’ny karazan’olona maro avy amin’ny sehatra maro sy fiaviana isan-karazany, dia manaraka ho azy amin’izany ihany koa ny fomba tsy mitovy. Efa ankatoky ny fankalazana manetriketrika ny faha-400 taona nananganana ny tanànan’ Antananarivo rahateo ny mpitantana ka tsy mahagaga raha mba mikofokofoka kely.


Ny zaridainan’Analakely

Zavatra iray nampalahelo ny fo ny nahita ny fanitsakitsahana ny zaridainan’Analakely nahafinaritra sy nireharehana mihitsy taona vitsivitsy lasa izay ; ka efa maty hasina tanteraka saiky tsy nahitana izay endrika mahazaridaina azy izay intsony volana vitsivitsy lasa izay. Ireo mpandoto ny tanàna sy toy ny tsy manankatao afa-tsy ny mangataka no nigalabona nipetrapetraka, natoritory sy nilalao ary nanao maloto nanerana io zaridainan’Analakely io. Noho ny nanabeazana ny olona hanimba ny zava-bitan’ny teo aloha tamin’ny alalan’ny fanerena ny mpivarotra hanitsakitsaka ny bozaka  sy hamelatra ny varotra eo ambonin’io bozaka io no fomba voalohany namonoana ny endrik’io zaridaina io.
 

Ilay notendren’ny ben’ny tanàna teo aloha no karazany nampirisika ankolaka hanimba ny endriky ny afovoan’Antananarivo io, satria karazan’ny mpiambina ilay toera-manan-tantara ihany koa moa izy ireo tsy manan-kialofana na tsy te-hanana fialofana sady tsy te-hiala amin’ny afovoan-tanànan’Antananarivo ary tena nasiaka tamin’ny fiarovana ny kianja na andro na alina. Niova tanteraka anefa vokatr’izany ny fomba fijery ny afovoan-tanàna heverina ho fitaratr’i Madagasikara noho ireo karazan’olona tsy mety miala io faritra io. Nanahirana ny olon-kafa manaraka voatendry hitantana an’Antananarivo nisolo ny teo aloha ny hanala ireo olona efa manana anarana zary fanompana ireo satria nandray anjara mavitrika tamin’ny tolona koa izy ireo tsinona. Niova anefa izany tranga izany rehefa natsangana indray ny Lapan’ny tanànan’Antananarivo.


Tamin’ny voalohany dia ny faritra manodidina ny Lapan’ny tanàna ihany no nofefena. Avy eo dia nofefena ihany koa ny fiantsonan’ny fiara manatrika ny Lapan’ny tanàna. Zara raha misy ny lalana andehanan’ny fiara amin’izany famefena ny manoloana ny Lapa izany. Heveriko fa anisan’ny paika iray hanalana ireo mpanao bizina amin’iny faritra iny no nanerena araka izay azo natao iny lalana iny. Tsy nahomby loatra anefa izany paika izany fa mbola nifikitra teo amin’ny toerana misy azy ihany ireo mpibizina amin’ny fanakalozam-bola sy fivarotana finday ary zavatra maro hafa isan-karazany ireo. Tamin’izany fotoana izany dia kianja filalaovan’ny 4mi (miloka, misotro, mifoka, mi…janga) hatrany ny zaridaina hafa manerana ny lalamben’Analakely iny. Somary tsy dia nahazatra anefa ny nahita ny endriky ny tanàna amin'ireo tafo fanitso atao fefy ireo. Sahala amin'ireny hoe sisintanim-pirenena roa samihafa ilay toerana.

 
Afaka kelikely, nofefena hazo avokoa ny zaridaina rehetra  tamin’iny faritra iny, ho fanamboarana ny zaridaina. Hoy moa aho anankampo hoe hamboarina dia sokafana hilalaovan-dry kamovelona kosa aloha dia fandaniam-bola amin’ny tsy antony. Kanjo, tsy nahita loatra izay fanamboarana na fanatsarana aho fa navela hiaina fotsiny tsy ho voaelingelina ireo zavamaniry amin’io zaridaina io. Efa volana vitsivitsy sahady no lasa fa hita ho velombelom-bolo tokoa raha tsikilovina ny zaridaina, na dia nandalo ny ririnina aza isika, ririnina nampaharingitra ny voary. Azo lazaina noho izany fa hevitra vonjimaika mety aloha ilay paika « nanakatonana » ny zaridaina, fa ny fahasahiana mandrara ireo « mpiambina » nandritra ny tolona sisa no andrasana rehefa hosokafana ho endrika kanton'ny tanàna indray ireo zaridaina notakonana ireo. Ny kilema lehibe an’ny mpitantana ankehitriny manko dia noho izy ireo tsy nolaniam-bahoaka tamin'ny alalan'ny fifidianana ka tsy dia omen’ny olona hasiny loatra na dia miezaka ny manao zavatra tsara aza.

 
Ny Mpivarotra amoron-dalana

Olana iray tsy mety voavaha ny amin’ireto mpivarotra amoron-dalana ireto. Maro tamin’izy ireo ihany koa no nanaraka ny tolona volomboasary satria karazandrazany nahazo fampanantenana hahazo hivarotra malalaka nandritra ny fitantanan’ny ben’ny tanàna voafidim-bahoaka tamin’ny isam-bato 66% raha tsy diso ny fitadidiako. Ireny koa moa no « vahoaka madinika » nahazoana ny ampaham-bato nandritra ny fifidianana Ben’ny tanàna farany. Fandresena lehibe azon’izy ireo ny nanapahana ny lalana « petite vitesse » hahafahan-dry zareo mivarotra mahazo alalana anaty arabe. Tolona somary nahery vaika ihany no nahazoan-dry zareo io toerana io ka nahazoany fahafaham-po. Efa nozarina higidragidra tamin'ny mpitandro ny filaminana manko ka tsy mikoso-maso ihany koa (tombony lehibe ananan-dry zareo izany). Tsy ampy nitoeran’ny mpivarotra rehetra anefa ny toerana fa mbola henika azy ireo hatrany ny moron-dalana nisy azy ireo hatrizay.

 
Nisy ny fotoana, somary nanao fihetsika nahery vaika tamin’ny fandraofana ny entan’ny mpivarotra amoron-dalana ry zareo mpiasan'ny Kaominina,nahery dia nahery tokoa ny fifanenjehana. Maro tamin’ireo entana noraofin-dry zalahy mpiasan’ny Kaominina efa lasa « police de marchés » ireo anefa no tsy tafaverina tamin’ny tompony intsony ka lasa niheveran’ny mpivarotra fa mpanendaka sy mpangalatra nahazo alalana avy amin’ny fitantanan’Antananarivo ry zalahy ireto. Indray Asabotsy moa dia tena velona tokoa ny fifandonana satria efa masaka tokoa tamin’ny mpivarotra ny hoe mpangalatra ireo, ka mila faizina ny mpangalatra. Tratran’ny be noho ny vitsy ka tsy afa-nanoatra ry zalahy be sandry satria nisy mihitsy ny naratra araka ny fitantaran’ny mpivarotra. Voatery Narahana miaramila sy zandary mihitsy ry zalahy taorian’izany tranga izany ireo polisin’ny tsena ireo.

 
Noho ny tsikera mamaivay nahazo an-dry zalahy sy ny tondro-molotra ho mpangalatra angamba fa mety ho voatenin’ny mpitantana mafy dia mafy ry zalahy ka niova fomba fiasa. Tsy dia nanao fandraofana loatra intsony ry zalahy na dia tsy nambara ampahibemaso aza izany fa dia ny manala ireo mpivarotra amin’ny alalan’ny fahatongavana ihany no natao, ary karazany nanampy ny mpivarotra tsy manara-dalàna tamin'ny fanalana entana aza tamin'izay hitako teo Ifaliarivo Ambanidia. Tsy nisy mihitsy aloha ny fifampikasihan-tanana ao anatin’izany rehetra izany. Fantatry ny mpivarotra angamba fa tsy afa-mikasi-tanana azy ireo ny « polisy » ka dia toa tsy miraika loatra intsony ny mpivarotra. Ny hany vonjen'ny mpiasan'ny Kaominina dia ny tonga mialoha ny mpivarotra dia manakana azy ireo tsy hamelatra entana vao maraina amin’ny lalana fandehanan'ny olona sy ny fiara, toy izay natao ihany tamin'ny andro taloha.

 
Fiara fitaterana vaovao

Ny zavatra farany tantaraina nefa kosa anisan’izay tena tiana hahatongavana amin’ity lahatsoratra ity dia ny momba ny teti-panoron’ny fitantanana an’Antananarivo eo amin’ny ezaka hanatsara ny fifamoivoizana eto an-drenivohitra amin'ny alalan'ny fametrahana karazana fiara « vaovao » natao hitatitra ny olona. Ainga iray ( Ainga vao II no anaran'ny koperativam-pitaterana mampitohy an'Ankatso amin'i 67ha) hanaovana izany fanatsarana ny fifamoivoizana amin'ny alalan'ny fifanampiana amin'ny mpitatitra izany ny fananganana zotra filamatra ka notsongaina manokana  ny 119. Petra-kevitra napetraky ny mpitantana hanatsarana ny fifamoivoizana ny fametrahana izay tena tokony ho fiara fitaterana an-drenivohitra ka rere fa ireo fiara mahazaka olona 30-40 no hivezivezy manerana ny tanàna misolo ireo fiara efa antitra. 


Tsy dia vahiny loatra amin'io zotram-pitaterana io anefa ny tena satria na fony nianatra, sy niasa tamina toerana iray manaraka iny lalana iny dia io zotra io hatrany no noraisiko. Raha misy koa ny toerana handehanako ka andalovan'io zotra io dia toy ny mahavantana ahy kokoa ny mandray io zotra io noho ny mandray zotra hafa. Noho izany, hiverina kely amin'ny tantarany aho hanambara fa fanamby goavana io ataon'ny mpitantana ny Kaominina Antananarivo io ka avy amin'io tetikasa io, raha tsy mitandrina ry zareo, ny hampiongana ny fitondrana ankehitriny... ary tsy vitsy velively ny miandry izay ho tohiny. Resaka tamin'izay afa-nifampitafa tamiko no lasa ahasahiako miteny izay andrasan'olona sasantsasany izay.


Tantara kely 
 
Taona maro dia maro lasa izay dia fiara antonontonony no tsaroako manatontosa ny zotra teto Antananarivo. Nisisihana dia nisisihana tokoa ny fiara (zotra 7 Analakely 67ha no tadidiko voalohany ho fandehanana rehefa niaraka niantsena tamin'ny ray aman-dreny teny Analakely fony tena kilonga tokoa ny tena). Tadidiko fa tena isisihana tokoa ny fiara ary ny mitsangana no betsaka kokoa noho ny mipetraka. Tsaroako fa tamin'izany fotoana izany dia tsy voahaja loatra fahadiovana na dia mahazo tapakila isan'olona aza ny mpandeha rehefa mandoa saran-dalana. Tonga ny fotoana efa tafiditra tanatin'ny revolisiona sosialista tsara ny firenena, nisokatra kokoa tamin'ny tany Eoropeana tatsinanana ny mpitondra, ka dia nafarana avy tany Hongrie izany fiarabe marika Ikarus mahazaka olona hatramin'ny 80-100 izany.
 
FIBATA 
 
Nolokoina mavo misy tsipika lehibe manga tanora ary nantsoina hoe FI.BA.TA (FItateram-BAhoakan'anTAnanarivo) ireo fiarabe ireo. Fiara vaovao ve moa tsy ho tsara ny lokony ary mahafinaritra ny mijery azy? Finaritra tokoa ny tena, mbola zaza, nahita izany, saingy efa olana tamin'izany fotoana izany sahady ny tsy fisian'ny kojakoja hanolokoloana ny fiara. Vetivety ihany dia potika ny fiara ankoatra izay mety ho tsy fahombiazan'ny fitantanana. Mahatadidy koa angamba isika fa nisy trondro nafarana avy tany Korea natsoin'ny Malagasy hoe trondro FIBATA noho izy ireo toy ny amalona nefa mpihinana trondro gasy.

 
FIMA 
 
Fotoana vitsivitsy taoriana indray dia tonga indray ny andiany faharoa ny Ikarus, vita eoropeana tatsinanana ihany. Nolokoina mena midorehitra na jaky indray ireto fiara fitaterana vaovao ireto ary nampitondraina ny anarana hoe FI.MA (Fitaterana Malagasy) indray. Fiaran'ny Kaominina, mijaly fadiranovana hatrany isaky ny misy grevin'ny mpianatra satria ireny fiara ireny no enjehina hivezivezena manerana ny tanàna rehefa misy ny mahatezitra... mbola kely loatra angaha ny tena fa toa tsy nahatadidy loatra hoe inona moa no tena notakian'ny mpianatra ka nakàna ireny fiaram-panjakana teo imason'ny mpianatra ireny. Nijaly tokoa ny fiara 19 raha vao migrevy ny mpianatr'Ankatso satria ry zareo hatrany no lasibatra voalohany ka ny vahaolana tsotra indrindra dia ny mody ihany fa tsy manohy ny fitaterana intsony amin'iny andro iny. Dia mbola nitovy tamin'ireo voalohany ihany koa ny olana tsy fahampian'ny kojakoja fanolo tamin'ireny fiara izany. Tsy tsaroako tsara moa fa toa nahatadidy ratsy ihany aho fa misy fiara antonontonony nahazaka olona eo ho eo amin'ny 40-50 eo nanampy ireo fiarabe Ikarus ireo tao amin'ny FI.MA. Vokany niha-najavona tsikelikely ny koperativam-panjakana ka dia ny fiara tsy niankina mampalahelo kely ireny indray no nameno ny tanàna.

 
Antafita 
 
Vita indray ny amin'iny dia ny firenena Japoney indray no tadidiko nifanaraka tamin'ny fitondrana malagasy handefa fiara fitaterana teto an-tanindrazana. Fiara marika Japoney indray noho izany no ho tonga ary dia nantsoina indray hoe Antafita (Antananarivo Fitaterana) ireo fiara fitaterana ireo. Tsorina fa tsy tadidiko loatra intsony ny faharetan'ity koperativam-panjakana farany teto Antananarivo ity fa dia niserana navalon'ny tantara ihany koa ny momba azy taty aoriana. Tamin'izany fotoana izany tsy tsaroako mihitsy izany hoe polisy maka taratasin'ny fiara noho ny fandikan-dalàna izany. Tsy nisy maika handeha avokoa ny ankamaroan'ny fiara fitaterana tamin'izany fotoana izany na dia toa tsy naharaka ny isan'ny olona velively aza ny hamaroany rehefa firavan'ny mpiasa sy ny mpianatra indrindra. Mitokozihitra tsy mety handeha fa miandry ho feno kosa anefa ry zareo rehefa antenantenam-potoana. Nijaly tokoa ny olona niandry ny sitrapon'ireo fiara fitaterana ireo tsy maika velively.

 
Ny Papango 
 
Nisy ny vondron'olona nahita ny lesoka ka fiara somary madinika (504 sy 4O4 familiale na berline) no nanambatra mpandeha maromaro ka nanokatra saran-dalana vaovao avo noho ny fiara fitateram-bahoaka nefa nahafa-po ny olona noho ny hafainganany. Nisy vitsivitsy ny anaran'ireo fiara fitaterana vaovao tsy nanara-dalàna ireo ka misy ny manonona azy ho "taxi collectif" ary misy koa ny milaza azy ho "papango". Tery dia tery ny toerana nefa naleon'izay maika hody nihafy tamin'izany toy izay ho tratra alina. Niitatra tsikelikely na nihalehibe kokoa ny papango, ka ireo fiara marika japoney hatrano no maro nisafidy hanao ilay zotra vaovao. Tsy miandry na mijanona ela eny amin'ny fiantsonana ireo fiara ireo fa mameno dia lasa, teraka ho "buxi" indray ny fiantso azy tamin'izany fotoana izany. Tamin'izany fotoana izany dia ny mercedes 307 sy ny mazda na ny toyota no maro tamin'ireny zotra mandeha haingana kokoa ireny.
 
 
Ny nampiavaka ny 119 

Tao anatin'izany no nifaninanan'ny Mazda/Toyota tamin'ny mercedes 307 tao amin'ny zotra Ainga vao II (119). Raha somary niandry na nameno olona kokoa ny mercedes ka somary nitarazoka an-dalana, dia tsy niandry kosa ny mazda na dia tsy feno aza. Tsikaritry ny olona vetivety izay fomban'ny Mazda/Toyota izay ka naleon'ny maro niandry azy ireny toy izay hikafiry mercedes satria matetika no voasongona an-dalana ireo marika alemana. Faramparany dia tsy nisy mpandeha intsony, na tsy nety nandeha tamin'ny mercedes intsony ny mpandeha fa dia nionona tamin'ny Mazda/Toyota ny olona. Nisintaka tsikelikely tamin'ny zotra ainga vao II ny mpanana mercedes nifindra ho zotra hafa, hany ka nampiavaka ny zotra 119 ankehitriny ny tsy fisian'ny fiara ankoatra ny mazda sy toyota ary hyundai izay olona 18 eo ho eo ihany no zakan'ny fiara iray. Raha ny hafainganan'ny zotra angamba tsy nisy tahaka ny 119 ka tsy mila halalinina lavitra loatra intsony ny antony hifidianana azy ho zotra filamatra.


Izay mahatadidy dia hahatsiaro fa tetikasa efa niomanana hatramin'ny fampielezan-kevitra na fotoana fohy monja taorian'ny fifidianana ben'ny tanàna farany teo ity tetikasa heverina ho avy tsy ho ela iarahana amin'ny faritra iray any Frantsa miaraka akaiky amin'ny mpitantana ny eto Antananarivo amin'izao fotoana izao ity. Maro amin'ny olona mpandeha 119 no tsy resy lahatra loatra amin'ny fanovana ho lehibebe kokoa ny fiara fandehanan'izy ireo, satria manahy ny mpandeha fandrao hampitarazoka ny halakin'ny zotra ny fidiran'ireo lazaina fa fiara vaovao ireto, na ho tsikaritra avy hatrany fa homena tombondahiny aza izy ireto amin'ny fikarakarana manokana ny toeram-piantsonana. Anjaran'ny tompon'andraikitra ny mamaly na manome toky ny mpandeha ny amin'izay. Tsikaritra ho tsy mitodika loatra amin'ny tombotsoan'ny mpandeha manko ny fikasan'ny mpitantana an'Antananarivo.

 
Ny tsikaritra 
 
Voalohany, toa terena hosoloina ireo fiara efa niasa, raha ny vakiako avy amin'ny bolongan'ny tanàna ato. Hoy manko ny voasoratra mazava ato hoe:

Ny fanatsarana sy fanavaozana atao:

Foto-drafitr’asa momba ny fifamoivoizana (lalana, toeram-piantsoana),
Fanoloana ireo fiara fitaterana no ho voakasika.

Tsy mamorona velively aho eo fa io aloha no voasoratra nataoko dika sy petaka hovakianareo. Karazana tsy femelana hisian'ny fifaninana raha ny fahazoako io soratra io aloha, ary tsy mandehandeha foana ny soratra tahaka ireny. Mahavariana moa fa izaho angamba no tsy mahazo resaka tsara fa hitanareo tsara io hoe: "Samy hahazo tombony amin’ity tetikasa ity avokoa ireo ankoatra ny mpandeha." Tena fanaovana tsinontsinona ny mpandeha mihitsy raha ny famakiako azy fa asa ny hevitrareo...enga anie tsy hiova tampoka ny lahatsoratra.


Faharoa, mampiahiahy ihany koa ny lahatsoratra hafa avy amin'ny bolongan'ny kaominina Antananarivo renivohitra, mikasika ity resaka 119 ity ihany. Ary ny mahatalanjona ahy moa dia misongadina tsara ao anaty lahatsoratra ireo tsikeraiko. Hita mazava ao manko fa andrasana avy amin'ity famoronana sy fandrafetana ny endriky ny tanàna vaovao ity :

ny fanatsarana ny tanàna an’Antananarivo ;
ny fahafaham-po sy ny fitandroana ny ain’ny mpandeha ;
ny fandanjalanjana ny hafainganam-pandehin’ny fiara mpitatitra sy ny fihatsaran’ny fidiram-bolan’ireo mpandraharahan’ny sehatry ny fitaterana.


Fanorenana vaovao tokoa ve moa tsy ho endrika fanatsarana ny tanànan'Antananarivo izany. Voasoratra eto moa ny hoe fahafaham-po sy fitandroana ny ain'ny mpandeha, mampiavaka ny zotra 119 ny fandehanana mafy sy ny fisongosongonana eny an-dalana fa tsy milalao an-dalana izany. Raha any amin'ny zotra hafa no mety himenomenona amin'ny fandehanana haingana loatra, fa tsy amin'ny 119 kosa; ny ho tonga haingana ihany no fantatry ny mpandeha raha manandrana mandeha aminy ianao amin'ny ora fidirana indrindra indrindra. Mipetraka tsara eo ihany koa io ny hoe lanjalanjaina ny hafainganam-pandeha, io indrindra no mampanahy fa sao dia higorerarera no tena katsahin'ny mpitantana an'Antananarivo fa tsy ny hampisosa tsara ny fifamoivoizana. 


Tsaroako fony izaho andalo tany Chili fa tsy misy mahay mandeha mora ny fiara any fa maika dia maika avokoa na dia afovoan-tanàna aza, saingy miasa tsara kosa ny jiro telo soratra. Rehefa anjaran'ny fiara no mandeha dia diso avy hatrany ny mpandeha an-tongotra raha mbola mitady hisosososo hidina ny arabe hatrany ianao; maka tsoa-kevitra fotsiny tamin'izay hitako nahita izany fa tsy mahazo rariny ny mpandeha an-tongotra raha voadonan'ny fiara amin'izany. Rehefa anjaran'ny mpandeha an-tongotra indray ny miampita dia tsy misy mahazo mihetsika ny fiara, eny fa na dia tsy misy olona miampita intsony aza raha mbola tsy mivadika maitso ny loko. Mety ihany izany hoy aho anankampo fa tsy hoe omena rariny hatrany ny mpandeha an-tongotra na dia manao fanahy iniana aza indraindray. Voasoritra mazava moa ny toerana fiampitana amin'izany, ary tokony hisy fanatsarana ny lalàna ihany koa angamba.


Ny tahaka ny kisendrasendra, tamin'ity raharaha ity dia ny fampitandremana nataon'ny tompon'andraikitry ny mpitandro ny filaminana misahana ny fifamoivoizana fa horoahina avy hatrany izay polisy tratra manao kolikoly ary voasazy miaraka aminy ny saofera. Ao ambadik'izany eo anatrehan'ny olona dia hoe tsy azonareo polisy kitikitihina na tairina handeha ireo fiaranay ireo fa aleo hanao ny sitrapony na hijanona adiny iray eo amin'ny fiatoana aza. Kinga dia kinga amin'ny fakana taratasy manko ireto polisy ireto, na dia 10 segondra monja aza no ijanonan'ilay fiara eo amin'ny fiatoana iray ary mbola tsy tafavoaka ny fiara akory ny mpandeha hiala. Nahita izany matetika ny tena matoa mahasahy manoratra etoana. Te-hitango vola manko ry zalahy amin'iny fotoana iny. Eto kosa indray, toa hahazo alalana hanao "dona miala" na hoe tsy miainga ny fiara iray tsy feno raha tsy tonga ny fiara faharoa hameno eo amin'io toerana io ihany.

 
Tsoa-kevitra 
 
Eo no mahatonga ahy hiteny fa raha tsy mitandrina ny mpitantana dia avy amin'io fanovana amin'ny alalan'ny 119 io no hipoiran'ny fahatezeran'ny olona voalohany ka hiitatra amin-javatra hafa. Tsy tian'ny mpandeha 119 ny mirerarera ka raha vao mitady hanao izany ireo fiara vaovao dia mety hiteraka fifamaliana amin'ny olona. Manaraka izany, nisy ihany ny niteny fa tsy an'ny Kaominina velively ireo fiara ireo fa hovidian'ny olo-tsotra, saingy mety tsy hahalala izany ny olona ka raha avy ny sanatria dia ireo fiara vaovao ireo no ho lasibatra voalohany, aza misy anie izany. Nahoana no tsy zotra hafa tsy maharaka toy ny 115 mampitohy an'i 67ha Mandroseza no hanaovana fanandramana azy ity sa lavitra loatra ka mety hahafaty antoka? toa ny fidiram-bolan’ny mpandraharahan’ny sehatry ny fitaterana no tena tsinjovina raha ny voasoratra no asongadina... nefa dia hiaraha-mahita eo ihany moa ny tohiny.


Jentilisa, 15 septambra 2010 amin'ny 01:08


Hevitra

Hampiditra hevitra

E-mail me when comments occur on this article
Momba ahy
jentilisa

Vasoky ny tambajotra sosialy tahaka ny Facebook,Twitter sy ny karazany ny blaogy amin'izao fotoana. Mora miely vetivety ny hevitra sy izay voasoratra amin'ireo sehatra ireo.

Misy lafiny iray anefa tsy ahavoazan'izy ireo mihitsy ny blaogy dia ny fitehirizana.Rehefa karohina ny vontoaty iray dia sarotra hita kokoa ny vokatry ny fitadiavana avy amin'ireo tambajotra sosialy ireo.Izay lafiny izay no tsy maharesy tondromaso ny blaogy satria mora hita kokoa ny vontoatiny rehefa karohina amin'ny alalan'ny mili-pitadiavana.

Momba ny eto manokana indray, tsy hianona intsony amin'ny vaovao eto an-toerana aho fa hisokatra kokoa amin'ny manerantany, na amin'ny sehatra ankapobeny. Hosoratana avokoa na eritreritra sendra nandalo na revin-gadra, na fanehoan-kevitra mety hanafintohina ny mpamaky. Mety ho tezitra ianao amin'izay voasoratra nefa ny hisokafan'ny saina handinika sy hamakafaka ary handanjalanja no tena kinasa ambadiky ny lahatsoratra. Ka mazotoa daholo ary ny hevitra anie no hiady fa tsy isika no hifandramatra!

calendar
« Jiona 2023 »
Ah At Ta Ar Ak Zo As
        1 2 3
4 5 6 7 8 9 10
11 12 13 14 15 16 17
18 19 20 21 22 23 24
25 26 27 28 29 30  
Tahiry
Credits
LifeType IE7 XHTML CSS Firefox