« | »

Koseho izay tsy izy!

2010-10-04 @ 21:16 in Politika

Sambany, hono, eto Madagasikara no hampiasana vatom-pifidianana tokana. Raha amin'ny fifidianana sahanin'ny fanjakana tokoa dia mety ho marina izany fa raha resaka sendikaly na fifidianana delege any ampiasana kosa dia tsy marina velively izany fomba filaza izany. Fa raha dradraina ho fiovana lehibe izany zavatra izany toa tsy mba misy kosa ny fampianarana ny olona amin'ny fomba fanao amin'ny endri-batom-pifidianana tahaka itony? Tsy mbola nahita mihitsy aho aloha fa dokambarotra hampifidy ny eny kosa no nahitana fa asiana X izay safidiana. Olona mahiratra manaraka tsara no hahatsipalotra izany, ary amin'ny toerana takatr'ireny fahitalavitra ireny. Izany hoe tsy misy ny fanazavana ny sarambambem-bahoaka raha hanao ENY ny mpifidy iray ary tahaka ny ahoana kosa ny ataony amin'ny vatom-pifidianana raha hanao TSIA kosa izy. Ny mivandravandra aloha dia fampanaovana ny ENY irery ihany no atao. Misy olana goavana dia goavana iniana takonana ao ambadik'izany hampandresena amin'ny fomba rehetra ny ENY izany. Nahoana?
 
 

Raha amin'ny lojika mahazatra ny andavanandron'olona, indrindra fa ny eto amin'ny tanàna aloha, dia ny lahatsoratra na sary na voambolana tsy tiana no asiana izany X izany. Amin'ity fifidianana kasain'ny sasany hotontosaina amin'ny 17 novambra 2010 ity kosa dia izay safidiana no asiana X , izany hoe mifanohitra amin'ny mahazatra ny olona no atao ary ho hafahafa tanteraka aminy raha ny tiana indray no asiana io X io. Mazava loatra fa raha misy ny faritra atahorana hanao TSIA nefa tsy maharaka tsara ny tokony ataony amin'ny fanehoana izany safidiny izany fa mora dia mora ny mampandresy lahatra azy ireo fa "Koseho izay tsy izy". Rehefa kosehina anefa dia mahazatra ny olona ny manao azy hiendrika X. Izany dia ho an'ny olona tsy matahotra ny handray penina fa raiso kosa ny toeran'ny olona tsy mahay manoratra sy mamaky teny ary fadiranovana handray izany penina izany. Inona no hataony? Hanaonao foana sa tonga dia tsy handray anjara indrindra fa izy ihany no ho ao amin'ny efitra fitokanana vetivety. Averiko indray fa tsy misy mihitsy hatretony fanazavazavana amin'ny olona raha hanao TSIA izy ary ahoana kosa raha hanao ENY. Mbola tsy ho amin'izao fotoana izao izany biletà onìka izany.
 
 

Na dia noho ireo voalazako ireo fotsiny ihany aza dia nanova ny hevitro fa tsy mety ny hanatontosana ny fifidianana amin'io 17 novambra 2010 ho avy io ary raha azo atao aza dia sakanana amin'ny fomba rehetra izany satria fisolokiana ankitsirano ny safidin'ny Besinimaro. Ka raha sanatria sanatria tontosa ihany izy io dia tsy tsara velively ny mandray anjara ho amin'izany fifidianana izany. Tsy misy dikany fa toa mitovy ihany tsinona na ENY na TSIA no mandresy fa ry FAT ihany no hitondra koa ny vahaolana tsara indrindra dia ny tsy mampifidy sy tsy mifidy. Entano ny rehetra tsy hifidy satria fisolokiana io. Fa na izany na tsy izany dia araho maso hatrany ny lisitra ataon-dry zareo sao tsy ao ianao na misy olona hafa ampidiriny amin'ny fonenana misy anao. Marihina fa tany an-toeran-kafa aho dia efa nanatsidika kely ihany ny tokony hanaovana TSIA fa amin'izao fotoana izao dia mandrisika ny rehetra tsy hifidy amin'io fotoana io ary raha azo atao aza dia tadiavina ny fomba tsy hanatontosana io fifidianana kasaina atao tsy misy fanazavana io. Farany, oviana koa no misy mampiely trakitra arahina miaramila amina kamiao hiambina azy? Fampielezan-kevitra izany sa fampielezan-kery?
 
 
 

Jentilisa, 04 oktobra 2010 amin'ny 23:15




Hevitra

FAMPIELEZAN-KETOTRA!!
Azafady, tezitra loatra aho...

Nampidirin'i Vony @ 08:21, 2010-10-05 [Valio]

tsy aleo tantaraina lavalava kokoa ilay hoe fizarana tirakta arahina kamiao miaramila...

paranoia tanteraka le :-)

Nampidirin'i simp @ 11:52, 2010-10-05 [Valio]

Lahatsoratra efa ela no nahitako fa maranitra amin’io resaka fifidianana io ianao.
Ekena tanteraka ny voalazanao fa izao no izy. Inona no tokony atao hanakanana ireto loza mitatao amin’ny ho avin’ny firenena ireto???Mampiely hevitra amin’ny manodidina anie tsy olana fa ny hanazava amin”ny be sy ny maro indrindra ny any lavitra rehetra.

Nampidirin'i Mmm @ 17:57, 2010-10-05 [Valio]

Sandoka daholo

fifidianana sandoka , amboarin'ny fitondrana sandoka.Tsy manan-kery ny vokany.

Nampidirin'i malagasycool @ 20:29, 2010-10-05 [Valio]

TSIA

hiroso ry zareo FAT anao fitsampankevi-bahoaka amiko aloha d ôtrany diso ihany raha hitaona ny olona tsy hande handatsa-bato satria tsy maintsy misy foana ny olona hande handatsa-bato ka na firy isany eo d zay lany eo lany, ka amiko dia zao no andro iray ho any vahoaka hanomezana tehimaina mafy ho any FAT d ny fandatsahana ny TSIA mba tena ho tsapany tsara fa tsy hilainy vahoaka izy sy izay zavatra volavolainy sy karakarainy rehetra, raha lany ny TSIA d na ny eo aminy resaka iraisam-pirenena aza d hanamafy indray ny sazy sy ny tsy fankatoavana io fitondrana io,ka tsy maintsy hanova zavatra b eo amin'ireo FAT ireo ny fahalaniany TSIA.Ka eto zany d tokony ho taritina ny olona handany ny TSIA fa tsy hoe hande tsy hifidy fotsiny, satria raha olona 10 fotsiny aza mandany ny ENY d lany zany ka sao hanenenana ihany ny tsy handatsahana ny TSIA ka ho sarotra ny handrava ny efa vita! Taomy ny olona hanao TSIA, 99 ny any FAT fa io no andro iray tsy ho zakany FAT.

Nampidirin'i Zivany @ 15:35, 2010-10-08 [Valio]

jentilisa

Ny toe-draharaha amin'izao fotoana izao tsy mitovy amin'ny andavanandro taloha. Mariho tsara fa mbola mitady ny fankatovana iraisam-pirenena ny FAT amin'izao fotoana izao. Hafa ny fifidianana eken'ny Iraisampirenena hatrany na firy ny mandray anjara na firy. Eto dia mariho tsara fa mbola mitady mafy dia mafy izany fankatoavana izany ry zareo. Eo isika izany. Raha miezaka isika hanao ny TSIA, tsy midika velively izany fa hiala Rajoelina raha lany ny TSIA. Raha mandresy ny ENY nefa ataony mahatratra ny atsasa-manilan'ny mpifidy na mihoatra kely ny isan'izany mpifidy izany dia efa manaiky tsy sazoka ilay fitondrana misy ankehitriny ireo rehetra nandrotsa-bato.

Averiko indray fa efa nihevitra ny hampanao TSIA mihitsy aho no nihemotra tamin'izany indray satria fandrika mivelatra io mba hahazoany "tso-drano" avy amin'ny vahoaka raha vao mandrotsa-bato eo ka mihoatra ny 50%n'ny mpifidy no nanefa izay fandrotsaham-bato izay. Tsy mampaninona azy na dia lany tamin'ny 26%n'ny mpifidy rehetra aza ny ENY.

Mariho kosa anefa fa na dia 40%n'ny mpifidy aza no nandrotsa-bato ka 99% no nanao eny dia tsy hahita ravina avaratra amin'izay mety ho fankatoavana iraisam-pirenena ankoatra ny Frantsay izy.

Nampidirin'i jentilisa @ 21:38, 2010-10-08 [Valio]
Hampiditra hevitra

E-mail me when comments occur on this article
Momba ahy
jentilisa

Vasoky ny tambajotra sosialy tahaka ny Facebook,Twitter sy ny karazany ny blaogy amin'izao fotoana. Mora miely vetivety ny hevitra sy izay voasoratra amin'ireo sehatra ireo.

Misy lafiny iray anefa tsy ahavoazan'izy ireo mihitsy ny blaogy dia ny fitehirizana.Rehefa karohina ny vontoaty iray dia sarotra hita kokoa ny vokatry ny fitadiavana avy amin'ireo tambajotra sosialy ireo.Izay lafiny izay no tsy maharesy tondromaso ny blaogy satria mora hita kokoa ny vontoatiny rehefa karohina amin'ny alalan'ny mili-pitadiavana.

Momba ny eto manokana indray, tsy hianona intsony amin'ny vaovao eto an-toerana aho fa hisokatra kokoa amin'ny manerantany, na amin'ny sehatra ankapobeny. Hosoratana avokoa na eritreritra sendra nandalo na revin-gadra, na fanehoan-kevitra mety hanafintohina ny mpamaky. Mety ho tezitra ianao amin'izay voasoratra nefa ny hisokafan'ny saina handinika sy hamakafaka ary handanjalanja no tena kinasa ambadiky ny lahatsoratra. Ka mazotoa daholo ary ny hevitra anie no hiady fa tsy isika no hifandramatra!

calendar
« Novambra 2019 »
Ah At Ta Ar Ak Zo As
          1 2
3 4 5 6 7 8 9
10 11 12 13 14 15 16
17 18 19 20 21 22 23
24 25 26 27 28 29 30
Tahiry
Credits
LifeType IE7 XHTML CSS Firefox