« | »

Solika tokoa ve no trandrahan'ny Shinoa ao Sakaraha?

2010-10-14 @ 10:16 in Toekarena

Somary rere tao ho ao fa hitrandraka solika ao Sakaraha hoe ny Shinoa. Sendra nisy namana nandeha nianatsimo ka nandalo iny faritra Sakaraha iny. Hitany ilay toerana lazaina fa hitrandrahan'ny Shinoa solika. Olo-tsotra ranamana ka sarotra ho azy ny hiditra any amina toby tahaka ireny. Na dia olo-tsotra aza anefa izy dia mba mahafanta-javatra ihany ka hitany tokoa tao an-toerana ny milina fandahavana tany hisintonana ny solika... fa mifanila amin'izany ihany koa dia nahita milina fanasivanana vato fahita any amin'ny toerana fitrandrahana vatosoa izy. Lasa ny sainy nanao hoe Solika ihany ve no trandrahiny eo amin'io toerana io sy voarakitra ao anaty fifanarahana sa mitrandraka vatosoa ao ihany koa ny Shinoa fa mody tsy tenenina? Fantatra ihany manko fa toerana malaza be safira iny toerana iny ary somary mavesatra ny solika amin'iny toerana iny ka manaitra ny rehetra ihany ny tena.


Jentilisa 14 oktobra 2010 , amin'ny 12: 17

Hevitra

loza izy tia ah!!!

inona no tokony hatao fa tena fanjakany baro ny ao M/CAR raha izany eh!!!!!

Nampidirin'i volaniaina @ 10:23, 2010-10-14 [Valio]

tena marinaa!

Afaaka mijoro vavolombelona amzany koa zany satria mipetraka any

Tena mitrandraka solika tokoa ry zareo, fa rehefa mandalo ny couche misy vatosoa, eo @50m eo dia manasa ranontany toy ny mpitrandraka vato koa izy ireo, ary dia mamarotra @sri lankai sy thailandais

Marina io k!

Ankoatra ny harena an-kibon'ny tany dia ny tovovavy kely koa no trandrahany
Efa "lifestyle" ao mihitsy ilay "piscine" akaikin'ny stationenement" izay, ao daholo ny tovovavy mpianatry ny CEG no mampiseho "endrika amam-bika" mba hanaitaitra ireo sinoa.

Ry zareo sinoa ireo mihitsy moa no nanambotra ilay barage ho tonga piscime, tsy andoavam-bola

Faran'ny volana aho mankany ka aleo alaiko sary iezahako!

Nampidirin'i Alisoa (kitjo) @ 11:30, 2010-10-14 [Valio]

Manao ahoana Jentilisa. Salama tsara ve nareo? Ohatry ny lasa fohifohy zavatrareo izany androany, ny halavany no fohy fa ny fahenjanany mbola henjana tsara. Izay no mampanontany hoe salama tsara ihany va?

kitjo: eka, ny ahy aloha ilay dobo filomanosana misy mpianatra ambaratonga faharoa mampidera endrika amam-bika izao no hahaliana ahy voalohany.

Nampidirin'i Dôty @ 11:36, 2010-10-14 [Valio]

Misaotra amin'ny vaovao Jentilisa.
Ny fanontaniako mitovy amin'ny an 'i volaniaina dia izao: Inona no hatao?

Ny valinteny avy aminareo (tsy ianao jentilisa ihany fa ny olonkendry hafa toa anareo) dia izao: " Aza manao na inona na inona fa atody tsy miady amam-bato satria ny shinoa dia manana fitaovam-piadiana maherivaika ka aza amporisihana mihitsy ny olona hanohitra an'izao sao dia hofatifaty foana amin'izany". Izany no filozofianareo. Isaorana anareo fa dia io fisainana sy filozofia nentinareo hatramin'ny nisian'ny coup d'état io izao no manjaka.

Nampidirin'i akamasoa @ 14:14, 2010-10-14 [Valio]

jentilisa

Alisoa> Misaotra anao fa hahasahy hijoro vavolombelona ihany koa ianao. Mampalahelo no toe-draharaha satria mbola maro ny Malagasy no tsy hahazaka ilay fomba. Mitandrema ihany fandrao misy mamely tampoka ianareo fa fantatrao ihany ny shinoa amin'ny resaka sivana ary malaza ihany koa izy ireo amin'ny resaka mafia.

Dôty> Salama tsara ny tenanay fa ilaina ihany koa ny manoratra fohy indraindray sady nampitaina tamiko izy io ka tsy tiako itarina lava loatra. Mbola manana zavatra manahirana dia zara aza tafita ny hafatra sady mba misy kokoa ny manoratra mamaly izao. Hisy tahaka izany indray ve?

Nampidirin'i jentilisa @ 20:14, 2010-10-14 [Valio]

jentilisa

Akamasoa> tsy adino tsy akory ny fanamarihana ataonao fa tena tsara ny tsikera. Milaza ny fahapotehan'ny firenena ny zavatra ambaranao. Anjaran'ny tompon'andraikitra amin'ny filaminana sy ny mpitondra fanjakana no tena miandraikitra izany fanontaniana izany. Raha mpitondra fanjakana mahefa aho efa fantatro ny natao fa hitanao tokoa fa olo-tsotra aho ka aleo tsy miteny fa manaitaitra manao ny andraikitra maha-olom-pirenena tsotra fotsiny ihany.

Nampidirin'i jentilisa @ 20:20, 2010-10-14 [Valio]
Hampiditra hevitra

E-mail me when comments occur on this article
Momba ahy
jentilisa

Vasoky ny tambajotra sosialy tahaka ny Facebook,Twitter sy ny karazany ny blaogy amin'izao fotoana. Mora miely vetivety ny hevitra sy izay voasoratra amin'ireo sehatra ireo.

Misy lafiny iray anefa tsy ahavoazan'izy ireo mihitsy ny blaogy dia ny fitehirizana.Rehefa karohina ny vontoaty iray dia sarotra hita kokoa ny vokatry ny fitadiavana avy amin'ireo tambajotra sosialy ireo.Izay lafiny izay no tsy maharesy tondromaso ny blaogy satria mora hita kokoa ny vontoatiny rehefa karohina amin'ny alalan'ny mili-pitadiavana.

Momba ny eto manokana indray, tsy hianona intsony amin'ny vaovao eto an-toerana aho fa hisokatra kokoa amin'ny manerantany, na amin'ny sehatra ankapobeny. Hosoratana avokoa na eritreritra sendra nandalo na revin-gadra, na fanehoan-kevitra mety hanafintohina ny mpamaky. Mety ho tezitra ianao amin'izay voasoratra nefa ny hisokafan'ny saina handinika sy hamakafaka ary handanjalanja no tena kinasa ambadiky ny lahatsoratra. Ka mazotoa daholo ary ny hevitra anie no hiady fa tsy isika no hifandramatra!

calendar
« Mey 2019 »
Ah At Ta Ar Ak Zo As
      1 2 3 4
5 6 7 8 9 10 11
12 13 14 15 16 17 18
19 20 21 22 23 24 25
26 27 28 29 30 31  
Tahiry
Credits
LifeType IE7 XHTML CSS Firefox