« | »

Ampihimamban'ny rano eto Madagasikara?

2010-10-15 @ 22:37 in Andavanandro

Manohy ny #BAD10 – Blog Action Day 2010 - water na andro ihetsehan'ny bolongana momba rano amin'ity 2010 ity angamba ny lahatsoratro. Nahatalanjona ny tena tokoa ny nampifandraisan'i simplex tamin'ny resaka nifanaovan'i Jesoa tamin'ilay vehivavy Samaritana teo am-patsakana toy ireny fitantarana sarimihetsika fitoriana fitiavana ireny. Ho an'izay tsy maharaka loatra ny fandehan'ny tantara nataony moa dia tsara ihany koa ny mamaky ny Evanjely na Filazantsara na Vaovao Mahafaly nosoratan'i Jaona toko faha-4 andininy faha-6 ka hatramin'ny faha-15, izany hoe ao amin'ny baiboly. Antoky ny fiainan'ny zavamananaina rehetra ny rano na ho an'ny biby izany na ho an'ny zavamaniry, ka tsy mahagaga raha manana ny anjara toerany manokana ihany koa amin'ny fivavahana io rano io, fitaovam-panadiovana izy amin'ny ankapobeny ary endriky ny fahateraham-baovao raha ny eo amin'ny sehatra kristiana raha ny batisa na batemy no heverina.

Saingy na dia toa miresaka fivavahana aza ny tena dia tsy any akory ny resaka fa ny momba ity rano ity aty an-drenivohitra. Fahakely dia mba nisotro rano tamin'ny paompy tokoa izahay indraindray. Nozarina ihany anefa ny tena hisotro rano avy nampangotrahana na dia efa mangatsiaka aza izany rano izany mba hahafaty ny mikroba mety hahatonga areti-kibo. Taty aoriana dia lasa nizatra tamin'ny rano tamin'ny tavoahangy novidiana somary lafolafo ihany. Toy ireny hoe miakatra fari-piainana ireny rehefa mividy rano amin'ny tavoahangy raha ny vahiny mpizahantany ihany no hita mpividy ireny ampolony taona lasa izay.  Ka ireny, hono, no tsara antoka ho mahasalama ka dia izay izany. Tsy dia nahazatra loatra ny misotro rano notantavanina na dia tokony ho mora kokoa aza ny vidin'izy ireny.

Fa ny somary mahavariana ahy amin'ny resaka rano amin'ny tavoahangy ity dia ny endrika ampihimamba manjaka eto amin'ny firenena. Ny fantatro aloha dia telo no tena fantatra amin'ny fivarotana rano amin'ny tavoahangy amin'izao fotoana izao eto Madagasikara. Ny roa voalohany dia ny Eau Vive sy ny La Source mahasahana ny ampahany be dia be amin'ny tsena eto an-toerana dia orinasa iray ihany no miandraikitra azy. Henjana dia henjana angamba ry zareo amin'ny resaka dokambarotra ka saiky lasany ambongadiny manontolo ny tsena. Efa tsy hita intsony tokoa moa ny Olympiko izay nifaninana soa aman-tsara tamin-dry zareo ka tsy dia misy manohintohina loatra intsony ny lalany. Ny iray farany kosa no mora indrindra fantatro sady tsy ratsy velively saingy tsy mety mahasahana ny tsena fa dia ifampitadiavana vao mety hita, tsy mba mitatitra any amin'ny mpivarotra ihany koa angamba ry zareo ka izay no tsy mba ahitana azy loatra : Sainto. Araka ny fanamarihana nataona olona iray izay dia tokony ho amin'ny teny malagasy no hamakiana io vokatra farany io (Sento) saingy noho ny mety tsy hahaizan'ny vahiny mamaky ny anarany (hitanareo fa fatra-panaja vahiny loatra isika Malagasy) dia natao tahaka io ny anarany. 

Mety hisy ny hafa any ho any amin'ny vokatra eto Madagasikara fa ireo ihany aloha no fantatro. Tsy dia niresaka loatra ny rano sy ny fiainana any ambanivohitra ny tena fa mba anjaran'ny hafa no tena mety. Ny tena moa tsy dia mpisotro rano loatra fa karazan'ny terena mihitsy vao mety hahatratra ny fatran'ny rano 1,5 litatra isan'andro izany. Fa mihamafana moa ny andro eto an-toerana ka dia mitady rano daholo ihany ny olona sy ny tena ka mba mahazo betsaka kosa ny mpivaro-drano sy zava-pisotro.

Jentilisa 16 oktobra 2010, amin'ny 00:36

Hevitra

kiiiiiiiiii
tsy hita tsony koa ve ny ranon'i dada?
sarotra ny miaina eee hihi

fa ny rano @ paompy eto madagasikara tokoa hono otran'ny hoe somary misy calcaire izany... i dadabeanay izany narary dia rehefa avy no-hospitaliser-na dia nataon'ny dokotera hoe rano avy nampangotrahana, avy @ le entona na rano @ tavoangy ihany no azony pehana fa misy jus de vato kely hono ny ranon'ny paompy... zany hoe mety tsy dia ho olana loatra hoantsika olon-tsotra ngamba le izy satria izy efa antitra be manko...

misy ihany koa ilay toerana hoe tsy dia siora loatra ny rano, indrindra ra hoe tsy nasiana eau de javel ilay rano... tena tonga dia mankarary kibo be, ra ohatra ka tsy avy eo an-toerana enao...

ny tiako tenenina hoe ilay resaka rano @ tavoangy tsy dia hoe ratsy en soi fa ilay resaka corporate be ao ambadika no tsy dia milay... mba ohatrinona ny marge beneficiare raisin-drizalah @ ireny kanefa dia hoe rano no traiter-na dia atao anaty boaty... tsisy zavatra hoe mila fanodinana goavana na hoe mila materialy ahodina be akoriny... sady izay hoe rano, tena zavatra faran'izay hoe zo an'olombelona fondamentale alohan'ny hoe fandehanana any an-tsekoly aza, tsy tokony natao ho fangalana profit izany... asa ra mba azo asiana lalana kely na otran'zany hamerana ny politika hoe somary monopolistika ataon'ny sasany... asa anefa, mety ho azon'ny hoe henoy izany ry azondamosiko koa ny tena marina... hita ihany ity tsy fitiavana an'i dada sy harantsian-toetra tapi-trohatra eran'ny tanana ity...

Nampidirin'i simp @ 00:19, 2010-10-16 [Valio]

Nampidirin'i simp @ 00:20, 2010-10-16 [Valio]

oops,
lasa in-2 le izy...
je vois double... obviously
^:^

Nampidirin'i simp @ 00:21, 2010-10-16 [Valio]

ary le resaka sur'eau sur'eau taloha ireny ve mbola mitohy wa eee...
effective ve?
hoe tena manadio rano marina? iza no efa nanandrana

Nampidirin'i simp @ 00:23, 2010-10-16 [Valio]

Ny sur'eau aloha toa tsy mahita intsony aho.

Nampidirin'i jentilisa @ 11:03, 2010-10-16 [Valio]

Resaka rano ihany...

Nanao ahoana tokoa ary izay ilay resaka hoe "rano an-drenirano alefa aondrana ambongadiny any Arabie Saoudite" iny ? (ilay lahatsoratra niseho tao amin'ny Madagascar Tribune tamin' ny volana maromaro lasa)

Nampidirin'i ikotokoely @ 08:16, 2010-10-17 [Valio]

Izany vaovao izany moa dia tsy fantatra intsony ny tokotaniny satria tsy misy atobaka amin'ny tsena eto an-toerana intsony iny. Ianao io no nampahatsiahy ahy indray

Nampidirin'i jentilisa @ 18:57, 2010-10-17 [Valio]
Hampiditra hevitra

E-mail me when comments occur on this article
Momba ahy
jentilisa

Vasoky ny tambajotra sosialy tahaka ny Facebook,Twitter sy ny karazany ny blaogy amin'izao fotoana. Mora miely vetivety ny hevitra sy izay voasoratra amin'ireo sehatra ireo.

Misy lafiny iray anefa tsy ahavoazan'izy ireo mihitsy ny blaogy dia ny fitehirizana.Rehefa karohina ny vontoaty iray dia sarotra hita kokoa ny vokatry ny fitadiavana avy amin'ireo tambajotra sosialy ireo.Izay lafiny izay no tsy maharesy tondromaso ny blaogy satria mora hita kokoa ny vontoatiny rehefa karohina amin'ny alalan'ny mili-pitadiavana.

Momba ny eto manokana indray, tsy hianona intsony amin'ny vaovao eto an-toerana aho fa hisokatra kokoa amin'ny manerantany, na amin'ny sehatra ankapobeny. Hosoratana avokoa na eritreritra sendra nandalo na revin-gadra, na fanehoan-kevitra mety hanafintohina ny mpamaky. Mety ho tezitra ianao amin'izay voasoratra nefa ny hisokafan'ny saina handinika sy hamakafaka ary handanjalanja no tena kinasa ambadiky ny lahatsoratra. Ka mazotoa daholo ary ny hevitra anie no hiady fa tsy isika no hifandramatra!

calendar
« Novambra 2019 »
Ah At Ta Ar Ak Zo As
          1 2
3 4 5 6 7 8 9
10 11 12 13 14 15 16
17 18 19 20 21 22 23
24 25 26 27 28 29 30
Tahiry
Credits
LifeType IE7 XHTML CSS Firefox