« | »

Mivavaha ka aza mitsahatra satria...

2010-12-20 @ 09:51 in Finoana

 

Antomotra ity ny faran'ny taona, ho tonga ny krisimasy... nentina hahatsiarovana ny nahaterahan'ny Mpamonjy eo amin'ny finoana kristiana na dia tsy voatery ho marina aza io andro io entina ho fahatsiarovana ny fahaterahana io. Ny krisimasy rahateo niainga avy tamin'ny anarana hoe "Lamesan'i Kristy" fa tsy hoe nahaterahan'i Kristy. Tsy manakana ahy hankalaza ny Tompo anefa izany rehefa fotoana ifanarahana io. Odiana tsy lazaina intsony ny fahasahiranana fa resaka ara-panahy aloha no tsidihana vetivety nefa tsy manakana anareo ho tezitra aho raha milaza hoe hifety satria ny fankalazana ny Tompo any am-piangonana no ataoko hoe fety eto.

 

 

 


Eo amin'ny resaka ara-panahy ihany dia tsy haiko na misy finoana na zavatra hafa ao ambadik'ilay faritra tsy azo itsahina sy tsy azo andehanana ao anatin'ny Lapan'ny Tanànan'Antananarivo fa tsy maintsy lasa hatrany ny saina. Marina dia marina fa vita tamin'ny hazo ilay toerana raha vita rarivato tsara kosa ny manodidina nefa angaha moa manakana ny fahalovany na fahasimbany izany? Sa sao dia ianjeran'ilay lustre goavana mahatratra 750kg izay mandalo eo ambaniny ka ho faty tsy trà-drano? Raha anaty trano izany manko no tsy azo andehanana na tsy azo itsahina na iza na iza nefa dia mila ho eo an-tokonam-baravarana io faritra 5X4 metatra io dia hoy ny fanahiako hoe sao dia finoana kosa no antony na sanatria sanatria... tao no nametrahana ilay zavatra... hitanareo ihany ity finoana ananan'ny olombelona ity ary tsy mivaona amin'izany ny finoana ananan'ny Malagasy dia lasa lavitra ny eritreritra. Tsy voatery ho marina velively io fanahiako io fa mba zaraina aminareo fotsiny.

 

 


Na izany na tsy izany dia manentana izay mpivavaka rehetra aho hitodika hatrany amin'izay inoany ary fotoana izao hanokanana fotoana aminy sy hieritreretana lalina ny fiainam-panahintsika sy ny fiainana andavanandrontsika.


Jentilisa, 20 desambra 2010 amin'ny 11:50

PS: sa betsaka faritra an-trano tsy azon'ny na iza na iza itsahana sy tsy andehanana ankoatra ny faritra hanaovana fivavahana hitanareo?

Hevitra

saina io

Tahaka ny saina drapeau io ary sainan'ny Tana ka hohitsahana ve ny saina?

ny any amin'ny biraon'ny CIa na FBI indray dia tsy saina fa logo no apetrany eo afovoany ka azo itsahana tsara

Nampidirin'i vahatra @ 10:24, 2010-12-20 [Valio]

Raha miloko mavo sy manga io dia ekeko soa amantsara ny voalazanao ary mahavariana fa nitodika avy hatrany amin'ny FBI sy ny CIA ianao. Armoirie aloha io ka asa na saina na drapeau ny armoirie fa raha saina dia fanaovana tsinontsinona ilay saina hitsikasina amin'ny tany izany ka vao maika tsy ankasitrahako.

Nampidirin'i jentilisa @ 19:47, 2010-12-20 [Valio]

tsara kosa le izy an... asa ra mba misy plan hoe fikolokoloana azy io...

ary nga tsy mande intsony ilay jeux d'eau?

Nampidirin'i simp @ 23:02, 2010-12-20 [Valio]

aza alefa lavitra ny fisainana ra-jentilisa a...fa manjary be fanahiana amin-tsy antony...

toy ny hoe kravaty mena sy ny isa 7 ...

Nampidirin'i vahatra @ 08:53, 2010-12-21 [Valio]

Tsy sahinao ary ny namaly ny fanontaniako hoe saina ve dia atsikasina amin'ny tany... be loatra ny zavatra hitako nandritra ny andron'ny 11 desambra 2011 ka tsy maintsy avoakako tsikelikely eo ihany izany... ankoatra ny fanadinoana ny fananganan-tsaina...

Simp> tsy mandeha maraina io rano afantsitsitra io ka!

Nampidirin'i jentilisa @ 11:44, 2010-12-21 [Valio]

Izaho manokana dia tsy handaniko ron-doha na amin'ny tany io na aiza ... misy aza manao ny saina Amerikanana frantsay amin'ny takon-kenatra...tsy olana...

raha hidirana lalina mantsy dia ny an'ny sasany aza ny vatom-pifidianana mihitsy no nataony tamin'ny vola...inona no olana?

sa ndao hamorona olana...

Nampidirin'i vahatra @ 16:58, 2010-12-21 [Valio]

Misaotra

Misaora jentilisa @ sarybe dia be a!

oan'i vahatra : mety tsy ho resaka fivavahana tko aloha io e. Eritreritra fotsiny ny an'i jentilisa ange fa tsy mitompo teny izy e.

Nampidirin'i 29martsa @ 18:35, 2010-12-21 [Valio]

jentilisa

Raha araka ny eritreritrao izany dia tsy olana ny famelana amin'ny tany ny saina iray? An-dry zareo tandrefana ny manivaiva ny sainy raha hanivaiva ny azy izy fa isika kosa samy eto Madagasikara ary samy Malagasy. Tamin'izahay nanao skoto aloha raha nahalatsaka ny fanevanay tamin'ny tany izahay dia voasazy maka iny faneva iny amin'ny vava izahay satria tsy miraharaha zavatra mila tandrovina...

Hiverina amin'ny zavatra lazainao mihitsy aho dia lazaiko ny hevitro: ilay vatom-pifidianana tamin'ny vola dia filan-dera nataon'ny sasany na... Fanomezan-kasina lehibe ny safidy nataon'ny olona ka nanao azy tamin'ny vola iray alina ariary. Raha misy ny tsy mankasitraka izany dia manana ny fahadisoana mihitsy izy... fa efa mahazatra ny ankamaroan'ny firenena ihany koa ny fametrahan'ny mpitondra eo amin'ny marika nandalovany teo amin'ny fitondrana dia tahaka izay ilay izy.

Ny amin'ny hoe misy olana na tsy misy olana dia miankina amin'ny tsirairay tanteraka. Olana ho ahy mihitsy ny nanadinoana ny fananganan-tsaina tamin'ny andron'ny 11 desambra 2010 nefa tamin'ny filaharana lazaina ho fankalazana ny faha-400 taona ny tanĂ nan'Antananarivo araka ny nolazaina dia natao nitari-dalana ny posy nitondra ny sainam-pirenena frantsay. Mety ho tsy olana aminao izany fa olana amiko kosa. Nahoana?

Tamin'ny fotoana nametrahana an-dRanavalona III ho mpanjakan'i Madagasikara dia nilatsaka ny satro-boninahitra nisatrohany. Maro tamin'ny olona nanatrika teo no nieritreritra avy hatrany fa fambara ratsy ho azy iny fa tsy hahatazona ny fanjakany ny Mpanjaka, tsy nivaona ilay eritreritra nandeha. 11 des 2010: adino ny nanangana ny saina Malagasy ary nitari-dalana tamin'ny alalan'ny posiposy kosa ny saina frantsay... manana eritreritra aho fa andeha mody atao hoe kisendrasendra toy ilay satro-boninahitra latsaka 120 taona lasa izay.

Nampidirin'i jentilisa @ 21:11, 2010-12-21 [Valio]

jentilisa

Averiko fa toa misy tsy mazava tsara, Azo lazaina tsara hoe misy mihitsy ny fahadisoana raha nametraka sarim-pifidianana tamin'ny vola.

Mahazatra ny mpitondra ny mametraka marika kely amin'ny vola raha azony natao ihany koa izany...

Nampidirin'i jentilisa @ 21:15, 2010-12-21 [Valio]
Hampiditra hevitra

E-mail me when comments occur on this article
Momba ahy
jentilisa

Vasoky ny tambajotra sosialy tahaka ny Facebook,Twitter sy ny karazany ny blaogy amin'izao fotoana. Mora miely vetivety ny hevitra sy izay voasoratra amin'ireo sehatra ireo.

Misy lafiny iray anefa tsy ahavoazan'izy ireo mihitsy ny blaogy dia ny fitehirizana.Rehefa karohina ny vontoaty iray dia sarotra hita kokoa ny vokatry ny fitadiavana avy amin'ireo tambajotra sosialy ireo.Izay lafiny izay no tsy maharesy tondromaso ny blaogy satria mora hita kokoa ny vontoatiny rehefa karohina amin'ny alalan'ny mili-pitadiavana.

Momba ny eto manokana indray, tsy hianona intsony amin'ny vaovao eto an-toerana aho fa hisokatra kokoa amin'ny manerantany, na amin'ny sehatra ankapobeny. Hosoratana avokoa na eritreritra sendra nandalo na revin-gadra, na fanehoan-kevitra mety hanafintohina ny mpamaky. Mety ho tezitra ianao amin'izay voasoratra nefa ny hisokafan'ny saina handinika sy hamakafaka ary handanjalanja no tena kinasa ambadiky ny lahatsoratra. Ka mazotoa daholo ary ny hevitra anie no hiady fa tsy isika no hifandramatra!

calendar
« Jiona 2018 »
Ah At Ta Ar Ak Zo As
          1 2
3 4 5 6 7 8 9
10 11 12 13 14 15 16
17 18 19 20 21 22 23
24 25 26 27 28 29 30
Tahiry
Credits
LifeType IE7 XHTML CSS Firefox