« | »

Raharaha FPVM Antaninanandrano tohiny

2010-12-26 @ 23:36 in Finoana

Efa mandeha siosio eny ihany ny resaka momba izay nitranga tao amin'ity toerana iray ity. Ireto indray aloha no azo marihina:

Voalohany, tsy ny collectif GTT no nahita ity resaka ity voalohany raha ny tamin'ny aterineto no resahina. Efa andro vitsivitsy taty aoriana aho vao nahatadidy fa efa nisy ny mpamaham-bolongana (jereo Zouboon) avy any Mahajanga niresaka momba azy ity tamin'ny 7 desambra 2010. Efa nanontany ny mpanoratra aho tamin'io daty io hoe afaka milaza ny toerana ve izy saingy tsy namaly mivantana. Ny Collectif GTT kosa dia tapabolana taty aoriana vao namoaka mihitsy ny ampahan-dahatsary izay efa nosoratan'ny mpamaham-bolongana voatonona etsy ambony nilaza fa naharitra iray ora sy sasany (ny ora iray ihany no hitantsika). Hita tsipalotra ihany anefa fa efa nisy sahady ny fanamboarana ny fandaharana ny fandehan'ny tantara raha tarafina ny nitantaran'ilay mpamaham-bolongana azy. Angamba tsara kokoa raha manontany izay nahita ny "lahatsary iray manontolo" ny niafaran'ny tantara isika izay liana amin'izany.

Faharoa, rehefa nahita ny lahatsary indray ny collectif GTT dia toy ny nampifandray azy tamin'ny resaka politika. Ilay izy somary niaro ny filoha voafidim-bahoaka teo aloha no tena nampafana ny adihevitra sy nielezan'ilay lahatsary haingana kokoa, indrindra fa ho an'izay niserasera. Azo heverina izany fa nanana ny tanjony ny namoaka azy ho VCD izay nahitana ny fiparitahany tany Mahajanga ary tsy mitovy tamin'izany tanjona izany kosa ny an'ny collectif GTT na dia naka "sombiny" tamin'ilay tantara aza. Ny iraisan'ny roa tonta kosa anefa dia ny fanalana baraka ny FPVM.


Ankoatra izany kosa dia mba niezaka nikaro-baovao araka izay azonay natao izahay ary dia zaraina aminareo izay voaangona tamin'izany fikaroham-baovao izay:

Isika dia namakivaky izay voasoratra any amin'ny dinika isan-karazany any. Tsy maintsy mikaroka izay olona mety ho fantatra tao anatin'ilay lahatsary. Nisy tokoa ny nahita an'i Ta... izay mpihira ao amin'ny tarika evanjelika iray antsoina hoe Me... avy ao amin'ny fiangonana FJKM Ambalavao Isotry. Ny forum no nahitako fa mpiasa voaroaka na niala tao amin'ny vondron'orinasa tiko io Ta... io ary efa lasa mpitarika tanora tao amin'ny FPVM. Notadiavina ny fanamarinana hoe efa lasa ao amin'ny FPVM tokoa ve io mpihira ao amin'ny tarika Me... io? resaka an-jorom-bala tsy avy amiko fa notaterina tamiko ary somary namboarina fa ny hevitra nampitaina no notandrovina (mpiandry tao ihany no nanontaniana):

__ Mahalala mpihira ao amin'ny tarika Me... miangona ao amin'ny FPVM ve ianao?
__ Tsy mahafantatra afa-tsy Ta... ihany aloha aho
...
__ Nanatrika izany fandroahana devoly nisy fanaboridanana olona izany ve ianao?
__ Tsy nahita izany aho fa mpiara-mivavaka tamiko no efa niresaka fa nisy, hono, izany! Fa ahoana no nahalalanao izany?
__ Efa malaza amin'ny aterineto anie izany e!
__ Efa nahare ilay izy aho fa tsy fantatro hoe hay efa nandeha tamin'ny aterineto io resaka io.

Hatreo ihany ny soratako aloha dia anjaran'ny tsirairay no mino na tsia izay soratako, anjaran'ny tsirairay no mamoaka tsoa-kevitra. Mety mbola hisy tohiny hatrany angamba ity raharaha ity nefa asa aloha!!!

Jentilisa 27 desambra 2010 tamin'ny 01:37


Hevitra

namidin-dry zalahy 10 000 Fmg teo anal kely ilay CD...

Nampidirin'i finoanaranoray @ 16:36, 2010-12-28 [Valio]

jentilisa

Hatreto izany rehefa somary natambatra ny vaovao navoakan'ny gazety isan-karazany dia olona iray tany Mahajanga antsoina hoe "Karàna" fa manana fanampin'anarana hoe Gerard anisan'ny TCR na Tanora Contre Ravalomanana no nandrafitra ilay video na lahatsary araka ny fomba filazako azy. Ny TCR dia vondrona mpanohana ny FAT na HAT izay tianareo raisina... ary raha ny antony nanaparitahany azy dia resaka bizina madiodio, ny nakan'ny GTT sy namoahany azy tamin'ny aterineto moa no nanova tanteraka ny fandehan'ny raharaha ka nilazan'ny gazety Telonohorefy fa Ravalomanana (izay ankahalain'ny TCR) Marc sy Rakotoarivelo Mamy no tao ambadik'ity resaka lahatsary ity...

Aleo marihina fa ny gazety Tia Tanindrazana sy ny gazety Midi Madagasikara no maro nakako ity hoe Gerard sy TCR ity. Ary sahirana tanteraka ihany koa ny zandarimaria any an-toerana satria manao fanerena amoahana ny namany ny TCR

Nampidirin'i jentilisa @ 21:09, 2011-01-02 [Valio]

Tratry ny Taona i Jentilisa e !

Nampidirin'i M @ 19:02, 2011-01-03 [Valio]

mmmm

mampanontany tena... fanalàna devoly hafa dia hafa mihintsy, tena hafa kely mihintsy... tsy mahita ambara aho satria tsy eo ambany masoko ny làlana mikasika ny fanalàna devoly nefa mampanontany tena ihany...

Nampidirin'i milakory @ 08:36, 2011-01-08 [Valio]

mmmm

mampanontany tena... fanalàna devoly hafa dia hafa mihintsy, tena hafa kely mihintsy... tsy mahita ambara aho satria tsy eo ambany masoko ny làlana mikasika ny fanalàna devoly nefa mampanontany tena ihany...

Nampidirin'i milakory @ 08:36, 2011-01-08 [Valio]

Cialis pilules sont largement disponibles sur un certain nombre de sites en de sante. cialis Il est disponible en dosages de 2 5 mg et 5 mg.

Nampidirin'i honeFoeptuqhwx @ 04:08, 2013-04-28 [Valio]

Hampiditra hevitra

Momba ahy
jentilisa

Vasoky ny tambajotra sosialy tahaka ny Facebook,Twitter sy ny karazany ny blaogy amin'izao fotoana. Mora miely vetivety ny hevitra sy izay voasoratra amin'ireo sehatra ireo.

Misy lafiny iray anefa tsy ahavoazan'izy ireo mihitsy ny blaogy dia ny fitehirizana.Rehefa karohina ny vontoaty iray dia sarotra hita kokoa ny vokatry ny fitadiavana avy amin'ireo tambajotra sosialy ireo.Izay lafiny izay no tsy maharesy tondromaso ny blaogy satria mora hita kokoa ny vontoatiny rehefa karohina amin'ny alalan'ny mili-pitadiavana.

Momba ny eto manokana indray, tsy hianona intsony amin'ny vaovao eto an-toerana aho fa hisokatra kokoa amin'ny manerantany, na amin'ny sehatra ankapobeny. Hosoratana avokoa na eritreritra sendra nandalo na revin-gadra, na fanehoan-kevitra mety hanafintohina ny mpamaky. Mety ho tezitra ianao amin'izay voasoratra nefa ny hisokafan'ny saina handinika sy hamakafaka ary handanjalanja no tena kinasa ambadiky ny lahatsoratra. Ka mazotoa daholo ary ny hevitra anie no hiady fa tsy isika no hifandramatra!

calendar
« Janoary 2018 »
Ah At Ta Ar Ak Zo As
  1 2 3 4 5 6
7 8 9 10 11 12 13
14 15 16 17 18 19 20
21 22 23 24 25 26 27
28 29 30 31      
Tahiry
Credits
LifeType IE7 XHTML CSS Firefox