« | »

Tohanana ny fandaminana na fomba mahery vaika aza!

2011-01-07 @ 09:07 in Andavanandro

Mialoha ny zava-drehetra dia miarahaba ny mpamaky rehetra nahatratra ity taona vaovao 2011 ity indray. Enga anie mba ho taom-pahombiazana sy taona zina ho antsika ity taona izay diavina ity indray. Mirary soa ho antsika mpamaky rehetra ny mpanoratra noho ny fandinganana izao taona vaovao izao. Hiresaka momba ny tanànan'Antananarivo indray ny tena fa hisintaka kely amin'ny resaka politika feno fitapitaka sy fandrika ary fivadihana mandrakariva. Ny famoahan-kevitro andavanandro rahateo moa sady tsy dia lava dia lasa any amin'ny facebook amin'ny ankapobeny. Amiko manko ny maharesy lahatra ahy dia nivadihan'ireo notendrena hiara-mitantana ny antokony indray ny filoha teo aloha kanefa tsy afaka ny handà ny fihetsik'izy ireo intsony raha tsy te-hataon'ny olona fihomehezana hoe izay anankinana andraikitra rehetra ity mivadika avokoa ary ny antokon'ny tena ihany no tena mpamadika voalohany. Tazoniko ho ahy izay hevitra izay na dia habokaina ho foza aza aho, tsy azo fefena tsy hamoaka ny hevitro ihany koa aho tsinona; nefa izay ihany koa no tsy iresahako betsaka ny amin'izy ity ihany koa aloha.
 
 
 
 
Hiresaka momba an'Antananarivo indray aho. Hita sy tsapa tokoa ny ezaka ataon'ny mpitondra azy ankehitriny. Angamba noho ny fifanolanana misy eo aminy sy ny minisiteran'ny fanajariana ny tany dia nihasahisahy kokoa ny mpitantana. Tsy dia mampaninona azy intsony na hahatezitra ny "vahoaka madinika" aza ny zavatra ataony mandroaka ny mpivarotra amoron-dalana tsy hanelingenina ny fifamoivoizana sy tsy hanakorontana ny tanàna. Ny zavatra toy izany no tena nanohanako ny filoha Ravalomanana sy ireo notendreny taty aoriana. Fahadisoana lehibe teo anatrehako ny nileferan'i Hery Rafalimanana tsy nanelingelina ny mpivarotra anaty lalana intsony tamin'ny fifidianana ho Ben'ny tanàna izay nahamontsana ny TIM teto Antananarivo tamin'iny fotoana iny. Maniry kosa aho mba tsy hilefitra na oviana na oviana ny mpitantana ankehitriny na dia ho avy aza ny fifidianana ho Ben'ny tanàna. 

 
 
 
 
 
 
 
 
Miala tsiny aho fa somary masiaka amin'ny fandaminana ny tanàna. Efa nomena toerana hivarotany ireo mpivarotra ireo nefa tsy tiany hono ny any fa tsy misy tsena. Vavabe nataon'ny mpivarotra anaty lalana tamiko indray maka ny hoe tanim-panjakana eto ka tsy hiala eto izahay raha tsy ny fanjakana no manala anay eto. Rehefa nanala azy indray ny Kaominina dia sahiny ny miteny fa tsy ny Kaominina no fanjakana... Marihina fa misy ny minia manery ny lalana hahafahana mangaro-paosy sy manendaka ary maro amin'ireny mpivarotra amoron-dalana (sy anaty lalana) ireny, fa tsy izy rehetra tsy akory, no tena mpiray tsikombakomba amin'ny mpangalatra ary ireny no tena mijery ny vola ananan'ny mpividy mitonantonana eny amin'izy ireny. Raha tena te-hivarotra ireo efa betsaka tokoa ny toerana efa natokana hivarotana no malalaka satria ny hivarotra eny an-dalana no ataony ary izaho aza dia mahasahy mihitsy ny mitaky ny fanagadrana noho ny fanelingenana ny fifamoivoizana sy ny fanakorontanana ny tanàna ary ny fandratrana ny mpitandro ny filaminana ireo mpivarotra tsy hanaiky na oviana na oviana ny hanara-dalàna ireo.


Jentilisa, 07 janoary 2011, amin'ny 11ora07mn

Hevitra

Miarahaba anao tratry ny taona Jentilisa :) misaotra amin'ireto sary mahafinaritra sy ny rehetra...

Nampidirin'i Tritriva @ 17:08, 2011-01-10 [Valio]

tsy omeko tsiny ny mpivarotra amoron-dalana

1) tsy izy na ny vahoaka eto Antananarivo no nametraka ny mpitantana ny kaominina amin'izao fotoana
2) Tsy olona nofidian'ny vahoaka hitondra azy io ka tsy mahagaga raha tsy arahiny teny
3) Raha ianao no voky amin'izao fitondrana izao, dia ny vahoaka miha mangidy hatrany ny kapoakany, ka mila fitadiavana izy
4) tsy mbola nisy namorona tsena any amin'ny toerana tsy falehan'ny olona, fa ny hotel de france aza mahalala fa eo Analakely no be kila, koa ahoana ny Gasikely mpivarotra no aondranao any amin'ny sisiny, nefa Madagasikarany ity fa tsy an'ny karana na Frantsa

Nampidirin'i Kalitalita @ 05:06, 2011-01-11 [Valio]

jentilisa

Miarahaba indray,

Voalohany: ka tohananao ve ary raha eny amorondalana lasa anaty lalana no mivarotra ireo olona ireo? Mbola misy faritra malalaka eo amin'ny Pochard (Soarano) fa tsy tianareo satria misitrika? fa matahotra ny entanao no ratsy angaha ianao no manahy tsy hahalafo? Na ahoana na ahoana rehefa manao zavatra tsara ianao na mivarotra zavatra tonga any foana ny olona. Mbola malalaka ihany koa ilay eo amin'ny Petite vitesse fa tsy tianareo ny any (Tsaralalàna); sao dia ilay fandikan-dalàna mihitsy ny tena ankafizinao?

Faharoa: tsy ny mivarotra amoron-dalana na anaty lalana ihany tsy akory no asa azo atao ary tsy ireo mivarotra amoron-dalana na anaty lalana ireo akory no atao hoe vahoaka. Anontanio ny ankapoben'ny olona raha mankasitraka ny varotra amoron-dalana na anaty lalana izy na tsia; tsy maninona anontanio ny ankapoben'ny olona raha mankasitraka na tsia ny fanesorana ireo olona ireo ihany koa izy dia fantaro amin'izay hoe tokotokony ho iza no maro an'isa kokoa?

Fahatelo: tsy hoe tsy mankasitraka izao fitondrana izao aho dia toheriko daholo izay rehetra ataony na dia any amin'ny lalana tokony alehany aza... tsy izy ny fanoherana bontolo fa atao ihany koa ny fandrisihana ny mety ataony hahatsapan'ny olona fa tena liam-pandrosoana ianao. Lavitra no nisy izany tsenan'Anosibe izany taloha fa tongan'ny olona izy izao ary hihazakazahana vao maraina mihitsy aza, noho izany tsy voatery hitombina ny hoe lavitra any dia tsy ho tonga any ny olona.

Nampidirin'i jentilisa @ 21:26, 2011-01-11 [Valio]

Zà zany eto dia te-hanome soso- kevitra ho an'ny vahoaka sy ho an'ny mpivaarotra ary ny fanjakana e!
Ho an'ny fanjakana dia izao : ampitomboina hatrany ny toerana azo ivarotana eto Tana! Atao manara-penitra toy ireo vita ankehitriny izay isaorana azy ireo.
Ho an'ny mpivarotra : Manaiky ny fandaminana izay atao aloha ary miandry amim-pitoniana ny fanaraha-mason'ny fanjakana @ fampiharana ny lalàna velona sy misy eto amintsika! Manaja koa ny asany ary miezaka manatsara izany hatrany araka izay azo atao.
Ny mpividy : Manaja koa ireo mpivarotra ireo ary manaraka tsara ny lalàna velona ihany koa. Tsy mividy zavatra @ izay mety mpivarotra tsy manara-dalana eny amoron-dalana.

Izao kosa no atao hitambaran'ny telo tonta : 1. Samy vonona hampihatra y lalàvelonana.
2. Izay mpivarotra mivarotra @ toerana tsy ara-dalana de enjehin'ny lalàna velona
3. Izay mpividy mividy entana @ toerana tsy azo ivarotana koa dia enjehina @ lalàna velona.
4. Misy mpitandro filaminana omen'ny fanjakana mihtsy hanara-maso ireo toerana mena @ ireny fivarotana amoron-dalana ireny.

Azo antoka fa rehefa tsy misy mividy ny entan'ny mpivarotra iray eny amoron-dalana de ho eny @ toerana natokana ho azy ihany izy.
Rehefa voaenjiky ny lalàna koa ny mpividy mivdy entana amoron-dalàna de tsy hividy eny intsony izy.

Ataoko fa azo eritrerretina tsara izay soso-kevitra ho an'ny rehetra izay ka de alefako ho antsika manam-panahy rehetra e!

Samia ho tahian'Andriamanitra isika rehetra!

Misaotra namaky ahy!

Nampidirin'i Dadalala @ 05:37, 2011-01-12 [Valio]

Ampitomboana ahona indray moa ny tsena nefa bdb reo aza, tsy rarain'ireo mpivarotra akory ny fisiany?

Nampidirin'i Poki @ 14:09, 2011-01-12 [Valio]

Tena ny mitehaka sisa no tsy nataoko teo ampamakiana ny lahatsoratrao ry Zoky Jentilisa.
Marina ny tenin'ny namana milaza hoe tongan'ny olona foana rehefa voafaritra hoe ary, na atsy no tsena.
Fialàna olana tsy mitombina ny fiafenana ao ambadiky ny hoe 'toerana tsy falehan'ny olona'. Aoka ho fantatry ny rehetra fa na ny tsena toa an'Andravoahangy aza dia toerana tsy falehan'ny olona fahizany (faha-mpanjaka) no natolotry ny tompony ny mpanjaka mba hatao tsena ho an'ny valalabemandry. Ka manao ahoana izy izao? Tongan'ny olona sa tsia?

Ny fanomezana hasina ny lalàana manan-kery sy ny fanaovana izay hahatsara ny tanàna tsy tokony hijerena izay hoe 'karana na Gasikely' fa izay mahavita dia mahavita, ary izay tsy manao ny tokony hatao sy mifanaraka amin'ny lalàna dia efa diso. Izay no tokony ho fitsipi-dalao hifehy.

Voninkazo ho an'itylahatsoratrao ity Razoky a!

Nampidirin'i avylavitra @ 16:47, 2011-01-12 [Valio]

famaritana

Ny lalana natao hifamoivoizana , ny tsena natao hivarotana

Nampidirin'i malagasy tia lamina @ 21:57, 2011-01-15 [Valio]

mairie_antananarivo

Faly miarahaba anao!
Mahafinaritra hatrany ny mahita sy mandray hevitra tahaka itony izay mahakasika ny tanàna izaisana. Maniry aho raha mba mandray anjara amin'ny fanehoan-kevitra ao amin'ny tranonkalan'ny CUA ianao (mbola an-dalam-pametrahana tsara fa efa azo ampiasaina) na hametraka ny rohinao aza avy eo anatin'izany!
Maro be tokoa mantsy ny lahatsoratra voalaza ao toy ny fifamoivoizana, ny foto-drafitr'asa, ny tsena!, sns.
Koa manantena ny fahatongavanao izany.

Nampidirin'i mairie_antananarivo @ 10:07, 2011-01-20 [Valio]

Na foza aza hoy ianareo dia malagasy ihany koa ireny...

Miarahaba ny rehetra,

Ny nahampontsana ny TIM tamin'ny fifidiana Ben'ny tanàna dia inoako su maharesy lahatra ahy fa tsy ny fandrindrana loatra ny fiainan'ny vahoakan'Antananarivo. Asa raha tadidintsika tsara fa tamin'ireny andro irent dia tsy misy afa-tsy fanaratsiana an-dRavalomanana sy ny TIM no betsaka. Ary ny fahasiahana tamin'ireny mpivarotra teny an-dàlam-be ireny aza no tena tsy nahafaly ny vahoaka "madinika" izay lasan'ny TGV sy ny discours populiste-ny avy eo.
Ny ahy aloha ny zavatra tadidiko dia ny fimenomenoman'ny olona hoe niharatsy ny fandridrana nony lasa Maire Rajoelina ary tamin'ireny fotoana ireny indrindra no nanomboka nirongatra ny mpivarotra amoron-dàlana sy ny fisavovonan'ny fako.
Tsara tarehy tokoa io lapan'ny tanàna io. fa moa ve tena io tokoa no ilain'ny tanànan'Antananarivo? Jereo fotsiny ohatra ny fitaovana ampiasaina any amin'ny firaisana sy fokontany...

Nampidirin'i Alidera A.R. @ 13:23, 2011-02-18 [Valio]
Hampiditra hevitra

E-mail me when comments occur on this article
Momba ahy
jentilisa

Vasoky ny tambajotra sosialy tahaka ny Facebook,Twitter sy ny karazany ny blaogy amin'izao fotoana. Mora miely vetivety ny hevitra sy izay voasoratra amin'ireo sehatra ireo.

Misy lafiny iray anefa tsy ahavoazan'izy ireo mihitsy ny blaogy dia ny fitehirizana.Rehefa karohina ny vontoaty iray dia sarotra hita kokoa ny vokatry ny fitadiavana avy amin'ireo tambajotra sosialy ireo.Izay lafiny izay no tsy maharesy tondromaso ny blaogy satria mora hita kokoa ny vontoatiny rehefa karohina amin'ny alalan'ny mili-pitadiavana.

Momba ny eto manokana indray, tsy hianona intsony amin'ny vaovao eto an-toerana aho fa hisokatra kokoa amin'ny manerantany, na amin'ny sehatra ankapobeny. Hosoratana avokoa na eritreritra sendra nandalo na revin-gadra, na fanehoan-kevitra mety hanafintohina ny mpamaky. Mety ho tezitra ianao amin'izay voasoratra nefa ny hisokafan'ny saina handinika sy hamakafaka ary handanjalanja no tena kinasa ambadiky ny lahatsoratra. Ka mazotoa daholo ary ny hevitra anie no hiady fa tsy isika no hifandramatra!

calendar
« Jolay 2019 »
Ah At Ta Ar Ak Zo As
  1 2 3 4 5 6
7 8 9 10 11 12 13
14 15 16 17 18 19 20
21 22 23 24 25 26 27
28 29 30 31      
Tahiry
Credits
LifeType IE7 XHTML CSS Firefox