« | »

Taratasy misokatra setriny [2]

2011-04-18 @ 21:51 in Kolontsaina

Ny mpamaky ny Maharesaka Veto tsy tapaka dia mety ho nahatsikaritra ny fisian'ny taratasy misokatra ho an'ny mpikabary malagasy rehetra. Noho ny fifanarahana an-trano teo amin'ny mpianakavy taorian'ny fivoriana fanindroany misesy ny alatsinainy alina rehefa nahatontosa ny asany avokoa ny mpianadahy avy dia nekeko ny fanesorana ny lahatsoratra, saingy soloiko hafa midadasika kokoa izany ka tsy asiana loatra ny zavatra niainana. Misy ihany koa ireo namaly tany amin'ny sehatra samihafa koa dia apetrako etoana izany ankoatra ny tena anarany angaha. Azontsika rehetra hatrany anefa ny mbola manohy ny adihevitra.


Toy izao aloha ny ambangovangon'ny lahatsoratra nofafana : 


1. Fanivaivana olona eo amin'ny samy mpikabary no tena nampisendaotra ny mpanoratra. Hoy aho tamin'izany hoe :

Raha izaho manokana raha hanivaiva olona sy hanamboniako ny tenako no hanaovako kabary dia aleoko tsy miditra amin'izany fa tsy manefy ahy ho olom-banona velively izany.

Fanivaivana fa tsy mahay mikabary aloha, avy eo indray fanivaivana fa tsy mahay fomba rehefa hita ny fahaizan'ilay mpikabary. Mbola mitoetra hatrany ny adihevitra amin'izay olona tokony handray anjara fitenenana.


2. Efa tsy fanajana olona ihany koa araka ny hevitro raha ora maromaro vao ampidirina ny olona. Satria tsy hoe tsy misy atao afa-tsy fambolena sy fiompiana tamin'ny taonjato faha-17 sy 18 intsony ny olona. Nasiaka mihitsy aho nanoratra hoe:

Raha mbola tsy vita tokoa ny fiomanana dia tsy maninona loatra ilay fampiandrasana fa raha hoe isan'ny fandondonana varavarana no amohana na tsia azy io dia tazony ho anareo ny anareo ka aza tsiny raha ilaozan'ny hafa ianareo ary mety ho anisan'ny antony goavana mahataraiky ny Malagasy mihitsy ny zavatra tahaka itony.

Na izany na tsy izany, misy ny milaza hoe ilaina ny ijerena lazon'ady ny olona te-hiditra ho fianakaviana koa. Tena mety ho an'ny fianakaviana mpiompy sy mpamboly miandry ny vokatra am-bolana ny lazon'ady fa ny vanim-potoana ankehitriny anie efa ny isam-bolana na ny isan'andro no mikaonty nefa mbola hevitro ihany izany fa inona kosa no tena lafy tsaran'ilay fampiandrasana olona ary?


3. Ao anatin'ny "lalao" ilay mody miala rehefa tsy ampidirina an-trano ka tokony anaty lalao ihany koa ny miala maina satria resy ny mpikabarin'ny tena saingy nihazakazahan'ny mpikabarin'ny mpamoaka moa ny mody nanasohaso kely ilay zazalahy na nisy teny maharary nataon'ilay mpikabary tamin-drazazalahy ihany aza. Nanontany aho ny anton'ny fandoavam-bola vao miditra mialoha ny idirana an-trano fa ny fahazoako azy tsy mahay ilay "fomba" dia saran'ny fafa trano angamba iny. Efa novaliana mpikabary etsy ambany etsy ny tena dikany ary izay rahateo no notadiaviko.

Saingy izay angaha moa ilay fomba ka dia naloa ny sara na tsy nisy tapakila nandoavana azy aza. Izany hoe eto aho dia mitady fanazavana ny dikan'iny fandoavam-bola mialoha ny hidirana ao an-trano iny satria matoa natao iny dia tokony fantarina ny antony ho fakan-desona


 4. Misy ny adin'ny mpikabary ka eny imasom-bahoaka vao manao ny ataony amin'izay. Manaiky izany ny ankamaroan'ny mpikabary nifampiresaka tamiko. Averiko eto izay nosoratako hoe:

Anjaranareo mpikabary mpitana ny fomba amam-pitenenana malagasy ary azafady indrindra no manazava aminay ny anton'ilay fifanevatevana eo amin'ny samy mpikabary misy fiantraikany amin'izay mety ho fifandraisan'ny fianakaviana roa tonta. Toa misy fifanenjehana tahaka izany, hono, eo amin'ny fikambanana mpikabary samihafa sa diso izany? Izany ve no kolontsaina tianareo ampitaina amin'ny taranaka efa tsy mahalala intsony ny hasin'ny kabary sa fitaratra ihany ireny fa tena tia nifanevateva sy nifanambanimbany tokoa ny Malagasy teo aloha ka tonga hatrany anaty kabary izany? Sao fomba tokony ilaozana kosa e? Lasa tsy nisy dikany mihitsy manko na dia voateny tao aza ilay fitenenana hoe raha misy izay mangidy nolazaina dia aza ny tenako no ariana fa ny teniko


Indreto manaraka tsy misy ahitsiko ireto kosa ny setriny izay misy avy amina mpikabary mihitsy:


A. avy amin'i Naritsimba izay namana ao amin'ny serasera:


Mahay mikabary ve?


Miarahaba an'i Jentilisa ny tenako, efa ela tokoa tsy nihaona ary na mamaky matetika izay voasoratra aza dia izao vao hanampy fanazavana momba ny Kabary Malagasy. Mpikabary moa ny tena ary efa maromaro izay kabary naleha sy ny toerana nikabariana izay raha teo @ fanaterana vodiondry.


Misy tokoa ny fomban-tany izay mbola tena manaja feno ny fomba teo aloha izay nahatonga ny fitenenana hoe: Izay resy an-kabary, very vady aman-janaka." Amin'ireto faritra ireto no mbola tena mitana azy raha manodidina an'Antananarivo: Arivonimamo miankandrefana sy ny manodidina azy, Zafindravoromanga any Ambohitrolomahitsy (Talatan'Ivolonondry).

Ny mifamaly an-kabary dia fanao izany hoe fampisehoana ny hakanton'ny teny Malagasy, ny tsy fampandrosoana ny vahiny ao an-trano ela loatra dia tsy fomba fanao fa ny fandonana im-pito na in-tsivy izany hoe isa tsy an-kasa dia tokony ho vita ao anatin'ny 15mn-30mn raha ela indrindra.

Ilay hoe misy sara-pidirana ao an-trano, tsy hoe vola aloa iny fa, raha misy eo am-baravarana na eo an-tokonana satro-bory, dia androtsahana vola iny fa tsy sanatria raisina ilay satroka dia ariana, izany dia midika fa manaja izay zavatra hitanao ianao rehefa any an-tananan'olona fa tsy manilikilika ny hafa na handray ny tsy an'ny tena, ary io dia izay foy no atao ao, mety 100ariary na 200 ariary, tsy azon'ny tompon-trano lavina izay vola voarotsaka ao ary tsy misy ady varotra.

Ankoatra izay ireto avy ny karazam-bola fandoa:

Ala-fady tany= atolotra ilay mpikabary ary miala-tsiny noho ny tsy fahafantarana ny fomban-tany, mety ho vola io mety ho toaka;

ala-diso = atolotra ny mpikabary mpamoaka an-drazazavavy alohan'ny tena hidirana @ ranja-kabary mba tsy hisian'ny tsikera hahazo ny mpitondra teny avy aty amin-drazazalahy, indrindra raha misy teny diso voalaza. Ny vola amin'ireo dia tsy azo iadiam-barotra fa izay foy.

Toy izany koa ny "tampi-mason'anadahy" tsy azo iadiam-barotra, raha mbola tsy vita tamin’ny fiantranoana.

Ny vola manaraka moa dia ilay atao hoe SOLOMBODIONDRY miaraka @ ireo sakeliny maro: ala-volofotsy solon-tsakarano, hasim-bosarin-jaza ... io kosa dia tsy maintsy feno 7 rehefa tononina, azo atao anaty valopy tokana miaraka @@ solombodiondry, na valopy 8 isa ka ny valopy iray vodiondry ary ny 7 ambiny ireo sakeliny 7. Ny sakeliny 7 dia tsy azo iadiam-barotra ihany koa.

Misy tokoa ny mpiady varotra vodiondry fa io dia ny fahaizan'ny mpikabary mandresy lahatra ny havan-drazazavavy no hisian'ny ady varotra na tsia, ary mety hisy teny toy izao hivoaka hoe: "izahay tsy hividy olona, ary ianareo koa tsy hivarotra olona", zon'ny fianakavian-drazazavavy ny manokatra ny valopy misy ny vodiondry ary isainy, eo no raikitra ny ady varotra. Izao kosa anefa raha vao sokafana ny valopy misy ny vodiondry dia azon'ny mpikabarin'drazazalahy atao ny milaza fa, raha toa ka tsy hainareo ny mizara an'iny dia aleo izahay no hizara azy fa tsy sanatria hampiady anareo mianakavy no antony hahatongavanay eto fa handrindra fihavanana sy hanori-tokantrano, miampy ohabolana sy hainteny isan-karazany io mba handresy lahatra ireo tompon-trano. Koa raha vao raikitra ny fanokafana valopy, ka mandeha ny ady varotra dia efa tokony hiomana ny mpikabarin-drazazalahy fa raha vao raikitra ny fizarana dia tsy maintsy mahazo amin'iny daholo izay olona manatrika eo rehetra na avy @ lehilahy na avy @ vehivavy, ary ny zaza vao minono hatramin'ny antitra indrindra.

Tokony hiomana amin'ny vola madinika izany ny mpikabarin-drazazalahy, fa tsy azo atao ny mitondra ny vodiondry mivoaka ny trano atakalo fa dia tsy maintsy izy no mitady izay fomba hizarana an'iny eo imason'ny rehetra, izay fizarana izay no midika fa ampy tokoa ilay vola natokana ho solombodiondry, ampy mizara fa tsy voatery hitovy ny anjaran’ny tsirairay, ary matetika dia ny mpikabary avy amin-drazazalahy no mahazo betsaka indrindra. Ary hamafisina @ hoe : hitanareo fa tsy mba manao tombo sy hala ny zanakay lahy satria mitovy na ny havan’ny lahy na ny havan’ny vavy.

Momba ny adin’ireo sekoly mampianatra kabary indray dia tsy miafina izy io ho an’izay manana io toe-tsaina io.Ny tenako moa dia anisan’ny efa nianatra ary nampianatra, fa dia misy tokoa ny fifanenjehana eo @ fikambanana maro samihafa, toy nyfikambanana nisy ahy izao dia nolazaina fa mpanimba tsena satria maimaim-poana ny saram-pianarana na ny fandehanana mikabary, fa ny sara-dalana sy ny sakafo kosa dia anjaran’izay maka hikabary.

Amiko ny mpikabary manao toy izay voalazan’ny jentilisa dia tsy mpikabary ireny fa azo lazaina hoe : Mpanao adin’androvolahy, masiaka ambo an-kadivory ka mandany zara ny ao an-tanana. Tsy ao an-tsainy mantsy fa mety hiteraka zavatra hafa ny fihetsika nasehony rehefa tonga any an-tokantranony izy roa kely(sanatria anie izany)

Misaotra an’i Jentilisa nizara, ary nanao fanamarihana.
Mirary soa jentilisa


B. Avy amin'ny namana iray ao amin'ny vondrona yahoogroupes hoe serasera:


Miarahaba ny mpisera rehetra,
Tena lalina be ny zavatra apetrak'i Jentilisa eto ka tsy naharitra ny tena ny tsy isaotra azy. Tena mila fandalinana lalina tokoa ny momba ny fomba amam-panao. Tsara fantarina tokoa ny hevitr'izy ireny, ijerena ny soatoavina malagasy. Izay hita fa tsy mety dia ariana.

 
Ho antsika tokoa ny teny dia manan-tompo, natao ho an'ny zokiolona ny ray aman-dreny. Manan-jina ka tsy mety ny miteniteny foana sao mandratra olona, na misalovana ny anjaran'ny sasany ka dia sorohina ety am-piandohana amin'ny alalan'ny fialan-tsiny. Misy fanetren-tena tokoa izany. Tsy manao rano dingain'ny zinga velively e.


Ary io no tena adinontsika Malagasy fa manana io toe-tsaina tia fanetren-tena io isika. Tsy lavorary akory isika na izany aza. Fa fifampitaizana no atao e. Tsy resaka arifenitra io (protocole) fa tena fanajana, fanomezana hasina ny tsirairay mihaino anao.

Olombelona tahaka ny olombelona rehetra anefa isika ka mba misy koa ao amintsika ao te hanambony tena, te hizahozaho. Fianarana ny zava-drehetra, ka izao no fiteninay  hoe : "Mianara any am-pilalaovana, fa aza milalao ao am-pianarana" ! Isika Malagasy koa moa dedaka indraindray ka maka tahaka be fahantany fotsiny dia manjary manaonao foana (io ilay mimitisme e), manao randrana tsy manendrika ny tena fa lamaody hono e. Ny mpanao politika sy ny mpanao gazety indraindray tratran'io "mimitisme" io. Randjazanamihoatra dia niteny hoe "Mahavariana isika Malagasy, fa isika no manahaka ny vahiny, fa tsy ny vahiny no maka volontany".


Fa ny tenako dia isan'ireo mpametraka fanontaniana hoe : "Mety ve raha tovolahy na tovovavy vao misandratra ( 20 taona any aho any) no mikabary am-panambadiana ?"  Tokony hiandry ny fotoanany izy. Mahafinaritra tokoa ny mahita zazakely manao tsianjery kabary, mitehaka be isika. Fampisehoana kolontsaina iny. Fa zava-dehibe izany fanambadiana izany fa tsy fampisehoana, ny kabary am-panambadiana dia tena misy lanjany tsy ny zavatra ho tenenina ihany fa ilay olona miteny koa. Koa tokony asiana an-tanan-tohatra ny momba io. Misy hasina fototra itoviantsika rehetra amin'ny maha-olona. Fa ny hasin'ny dada sy neny tsy mitovy ny ahy zanaka, mba fijeriko azy.

Mbola mety ifanakalozantsika eto momba ny hoe : ray amandreny sy raiamandreny sns.... Fianakaviana roa no afatotry ny fifankatiavana ireo mpifamofo. Koa hafatra be no ampitaina. Tenierana no atao. Koa aoka tsy ho fombafomba fotsiny na endriky ivelany e. Dia manjary hatrany ambavahady avy no mifampiandry. Toa mampihomehy ihany izy izany. Raha hiteny ny mpangataka hoe : "...vory ve ny mpianakavy e", dia mamaly ny mpamoaka hoe : "...mbola mampirina trano izahay fa andraso ao ivelany ao e !!!...". I Jentilisa aza niteny momba ny portable !!!
Izay no mba tsetsatsetsa tsy aritra e. Aloavy izay mangidy e.
Tahian'Andriamanitra. Ho Herinandro Masina tsara daholo ho an'izay manao izany.
XXXXX Liva


D. Olona iray hafa ao amin'ilay vondrona nolazaiko etsy ambony ihany


manahoana  

Hoy Jentilisa hoe dia tena @ "fanalikana" olona no hitany. Io moa @ kabary, fa voamariko koa, fa rahefa mijery sarimihetsika malagasy aho (sy izay miara-mijery eo) dia vaky vava fa dia feno resaka mivindavinda sy mifampivazavaza sy mifanabaty @ireto tantara. Dia variana hoe, ataok'ity ny firesahana, ny fifampitondra-tena, ary indrindra koa @ kabary MALAGASY dia feno fialan-tsiny sy fialam-pondro ary fifandeferana sy fifanajana, ary rahefa tena hoe "hamely" akory aza @ kabary, dia atao anatina teny kisarisary faran'izay lalina sy mihodina... 

Dia izao indray, averina sy ahitatra ny resaka.

Dia variana ho'a zahay fa rahefa mijery sarimihetsika frantsay, na koa ohatra ny boky avy any frantsa, dia ny vazavaza sy esoeso sy fanapepoana dia be dia be. Io aloha dia avoitrako lava amin-janako, ary efa takany tsara, ohatra rahefa mijery ireny Bill Cosby na Fresh Prince taloha ireny izy, dia avy eo boky na film frantsay, koa na ohatra fotsiny hoe Boule et Bill.  ka dia tsoriko aloha ny ahy, fa raha ny fahitako azy dia "francisé" ny any amintsika, fa dia izay izany... Enga anie ny tanora aty aoriana @izao fanatontoloana izao, mba mahatakatra mihoatra ny ataon'ireto "francisé" ireto..  mandrapiresaka

 haja


E. Mbola afaka manohy sy maneho ny hevitrareo avokoa ianareo rehetra: marihina fa tao amin'ny Facebook dia nisy amin'izay ny nahasahy naneho ny heviny ny tsy fankasitrahany mihitsy ny kabary satria maro ny tokantrano efa ravan'ny mpikabary sy ny domberina avy amin'ilay andro iray niova ho faka mangidy tamin'olona. Ninia nangina ireo noho ny tahotra lazaina ho mpanevateva ny fomba saingy fotoana iray nanararaotany nilazany ny alahelony ilay lahatsoratra avy eo satria tokony hisy hatrany araka ny fahalalahan'ny tsirairay ny mamoaka izay ao am-pony.


F. Azo atao ve ny mampisaina ny rehetra/tsirairay amin'izay mety ho fiantraikan'ny fomba mampisaraka na mampiady? Ahoana ny tokony atao hampivoarana ilay fomba hiara-dalana amin'ny fandrosoana sa tsy azo atao mihitsy fa ny tamin'ny taonjato maromaro lasa ihany no tsy maintsy arahina?


Jentilisa, Alatsinainy 18 avrily 2011 amin'ny 23:50

Hevitra

Fa sanatria ohatry ny misy fanivaivana ny mpamboly sy ny mpiompy ihany koa ilay hevitr'i Jentilisa? Hoe rehefa tambanivohitra dia mahatanty mandanilany fotoana fa ny avy ety an-dRenivohitra no manisa hatramin'ny segondra aza? Koa iriko hapetraka amin'ny toerana misy azy ny tsirairay avy fa ny tambanivohitra no ho avin'ity firenena ity, ary ny tambanivohitra no miaritra ny tsy rariny rehetra hatramin'izay fitondrana nifanesy izay. Satria dia tena ao anatin'ny foto-pisainan'ny mpanao politika ny hoe hampidina ny vidim-bary, hampidina ny vidin-tsakafo; nefa raha mandinika ny fahasahiranan'ireo tambanivohitra, ny mifanohitra amin'izay no tokony hilofosana dia ny fanondrotana ny vidin'ny vokatry ny tantsaha eny ifotony.

Nampidirin'i DotMG @ 07:42, 2011-04-19 [Valio]

tsy misy fanivaivana ny mpiompy sy mpamboly io Mahefa a! ny taonjaton'ny tsy misy zavatra atao afa-tsy ny fiompiana sy fambolena no lazaiko eo! izany hoe tsy misy afa-tsy ireo asa ireo no natao tamin'izany fotoana na hoe tsy misy fotoana mahadondona loatra raha izay no manahirana ny filaza azy?

Tamin'izany fotoana izany maharitra mandeha andro maromaro ny olona raha hamangy fa amin'izao fotoana izao impiry no misy fifamangiana eo amin'ny mpianakavy lavi-toerana?

Tamin'izany fotoana izany ihany koa mbola henjana ny fifampitondrana eo amin'ny samy olona fa ny ankehitriny vitsy izany mahari-pery izany eee!

Nampidirin'i jentilisa @ 11:38, 2011-04-19 [Valio]

Re:

Mahaliana ary miteraka ady hevitra tokoa ny zavatra voasoratra. Raha niezaka nanontany an'i Jentilisa ny tenako, dia olona fantatro ilay voalaza fa Ray aman-dreny izay mety ho nanivaiva na nanivaiva ilay mpikabary zandry olona. Raha ny valintenin'ny jentilisa dia olona samy efa manantokantrano na ilay avy amin-drazazalahy(mpangataka), na ilay avy amin-drazazavavy(mpamoaka)

Eto dia tiako ny mampahatsiahy fa ny MPIKABARY AM-PANAMBADIANA dia tsy maintsy ho olona efa manambady(ankoatran'ny Mômpera na Frera sy ireo olona efa nanokan-tena tsy hanambady, na maty vady), ny vehivavy aza dia taty aoriana vao nahazo nikabary na nitondra fitenenana(Akoho vavymaneno no filazan'ny ntaolo azy), efa mariky ny fanarahana ny fandrosoana izay, ary tsy fanaovana ankilabao ny vehivavy intsony, ny zaza dia tsy natao hitondra fitenenana. Hoy ny filazan'ny ntaolo: "manan-joky afak'olan'teny, manan-jandry afak'olan'entana" izay no niteraka ny mpikabary hiala-tsiny alohan'ny handraisam-pitenenana raha toa ka mahatsiaro fa mbola misy zokiolona manatrika ny fanateram-bodiondry, nefa, voafidin'ny fianakaviana tsy maintsy hiteny ilay zandry olona. hoy ny fanambarany azy: Miala-tsiny raha hivolana eto anatrehanareo, satria, tazana eto ny Ray aman-dreny fotsy volo, zoky be toa ray, ianareo ireo no tompon'ny fitenenana ka tsy hilazana vilany rimbona..., voatonona eo ihany koa ireo zandry mahaleo mahalasana, sy ny mitovy saranga na ireo tanora mahafehy ny fitenenana toa ahy izay mitondra teny, ary farany ianareo vehivavy, kitapo nifonosana ..., (voahaingo ohabolana sy hain-teny ny fomba entina ilazana an'ireo rehetra ialan-tsiny).

Afaka manaraka ny fandrosoana tokoa ny fomba malagasy, saingy, miankina amin'ilay mpikabary izany. Raha nianatra kabary no nahaizan'ilay mpikabary, dia izay nampianarina azy no ataony any an-tany fikabariana. Raha efa mpankafy kabary kosa no mianatra kabary, dia mahalala zavatra bebe kokoa izy miohatra amin'ilay nianatra vao nahay.
Noho izany, ilaina ny fahalalana ny fomban-tany rehetra rehefa andeha hikabary ka andeha any ambohitr'olona. Samy manana ny fombany io ary samy masina an-taniny. Araka ny voalazako tary aloha, dia, misy ny vola ariary telo miampy toaka iray litatra dia mahazo vady, ny tsy fahalalanao an'izay dia miteraka fahalavan'ny fotoana hangataham-bady. Raha ny eto Madagasikara no lazaina dia mety hahita karazan-kabary be dia be mihitsy ary izany dia noho ny fahasamihafana eo amin'ny fomban-tany. Ny mahasarotra ny kabary ho antsika izay zatra manatsotra resaka ary inoako fa izay no tsy fantatry Jentilisa, dia ny KABARY no anisan'ny anankiray amin'ny sekolin'ny Ntaolo, nitaizana ny zanany, ka nahatonga azy ireo nanam-panahy handalana, sy fahendrena, ary indrindra nisian'ny filaminana. Tsy maintsy hajaina ny tenin-dray aman-dreny, mazava ho azy izany raha ny fahafantarako ilay mpikabarin-drazazavavy dia anisan'ireo ray aman-dreny tsy manaiky ho diso eo anatrehan'ny fomban-tany, ary ny fomba fiteniny dia tena mafy rehefa miteny.
Ny tena tsara dia mifampiresaka mialoha izy roa hivady mifanontany hoe iza no mpikabarinareo, eo koa anefa dia misy ny milaza fa tsotsotra ny mpikabarinay...saingy…

TANTARA KELY IRAY:
Vao haingana aho no nikabary nangata-bady, nanontaniako ireo olona niantso ahy hitondra fitenenana, dia nilaza fa tsotra fa ny dadatoany ihany. Saingy rehefa tonga tany amin'ilay toerana misy an'ilay zazavavy, dia nijanona elaela aloha mandra-pahatongan'ny fianakaviana rehetra. Tonga ny ora nifanomezana, niroso ho any amin'ilay RAD ilay zazavavy, tsilian-tsofina no nandrenesako fa tena havany tokoa ilay mpikabary fa efa namoaka fitenenana r'izareo hoe izay tena mahay @ fianakavianareo entina na telo na efatra tsy maninona fa vonona hamaly izahay, ary tsy ho azo mora ny zanakay. Marihako etoana fa valovotaka tany Betsileo ny RAD ilay zazalahy, ary avy eto Antananarivo ilay RAD ilay zazavavy.
Vao henoko io resaka an-jorony io, dia niomana bebe kokoa aho satria eo am-pikabariana dia ilaina ny fampiasana ny SAINA AZO TAMPOKA. Io dia miankina amin'izay trangan-javatra miseho eo no teny avoakan'ny vava. Rehefa tonga tao dia tsy iza ilay mpikabary avy amin-drazazavavy fa Filoham-boninahitry ny fikambanana malaza iray, ary fony fahavelon'ny dadany dia io dadany io no mpikabarinay rehefa ny ao an-trano no misy hanambady.
Notanterahiko daholo ny fomba rehetra , manao haody, ny manolotra ny ala-fady, ny tampi-mason'anadahy. tsy nanao ala-diso kosa aho satria inona no antony, midika sahady izany fa resy ianao, ny fomba fitenin'ny mpikabary rehefa hangata-bady hoy ny Ntaolo dia hoe: Andeha ho any ambohitr'olona, ka dikan'izany dia hanani-bohitra ary tsy maintsy mitondra mody, na koa andeha ho any an-tanim-piadiana. Io fomba fitenin'ny ntaolo io raha halalinina dia midika fa hanafika, saingy, ny VAVA no fitaovam-piadiana. Raha resy an-kabary ianao dia tena very vady aman-janaka, satria, rehefa tsy mahazo vady dia tsy tanteraka ilay fiteny hoe : "Ny hanambadian-kiterahana, ary ny hiterahan-ko dimby", ary henatra @ tany ama-monina izany mitari-bady tsy lasam-bodiondry ka hifanondroan'ny olona molotra.

Izay sy izay no azoko lazaina raha io trangan-javatra niseho io, ary dia mbola nitazona ilay fomban-tany sy ny fomban'ny Ntaolo fahiny tokoa ilay mpikabarin-drazazavavy. Ho an'ny olona tsy mahalala toa an'i Jentilisa izany dia tsy mendrika ilay avy amin-drazazavy, ho ahy kosa dia tsotra, alohan'ny hanambadiana dia hadihadio tsara aloha ny fomban-tany any amin'izay toerana alehanao hangataham-bady, satria ny manontany tsy loza, ny manadihady tsy atambo, izany no atao dia mba tsy hisian'ny fahasorenana satria anjaran-drazazalahy no manazava amin'ny fianakaviana miaraka aminy fa izany no fomba any amin'ilay zazavavy ho vadiany, indrindra, amin’ilay olona hisolo tena ny fianakaviany.

Tsara ny milaza amintsika eto fa : matetika ny zazalahy tsy mivaky loha amin’izay fomban-tany fa ataony ilay izy hahazoany azy, fa rehefa azony kosa ilay zazavavy dia iny izy no tsy hita.

Tadidio anefa ny voalazan’ny Soratra Masina :
Manaja ny rainao sy ny reninao mba ho maro andro hianao ao amin'ny tany izay omen'i Jehovah Andriamanitrao ho anao. Eksodosy 20:12
Tsarovy maro amin’ny fomban-tany eto amintsika no misy itovizana amin’ny voalaza ao amin’ny Baiboly. Ny antsika aza ra-Jentilisa ora 1 na 2 dia mahazo vady, fa tadidio fa 7 taona niampy fito taona vao nahazo vady :
Ary Jakoba tia an-dRahely ka nanao hoe: Hanompo anao fito taona aho hahazoako an-dRahely, zanakao faravavy. Genesisy 29:18
Ary nony efa maraina ny andro, indro fa Lea izy; dia hoy Jakoba tamin'i Labana: Ahoana izao nataonao tamiko izao? Moa tsy Rahely va no nanompoako anao? ka nahoana no nofitahi¬nao aho? Genesisy 29:25
Ary nomen'i Labana an-dRahely zanani-vavy kosa Bila ankizivaviny hanompo azy. Dia novadin'i Jakoba koa Rahely; ary izy no tiany mihoatra noho Lea; dia nanompo an'i Laba¬na fito taona indray izy. Genesisy 29:29-30
Anisan’ny vodiondry io voalaza io.

Am-bava homana am-po mieritra, hajao ny an’ny tena fa aza diso sarotiny loatra kosa anefa, sao hanao toy ny boka mialo-poza ka hanosika azy hiverina indray.

Miala-tsiny raha lava loatra, misaotra anareo namaky

Nampidirin'i naritsimba @ 14:53, 2011-04-19 [Valio]

Misaotra anao manazava hatrany ry naritsimba ary mankasitraka ihany koa: azo tsakotsakoina tsara izay voambaranao

Nampidirin'i jentilisa @ 20:40, 2011-04-19 [Valio]
Hampiditra hevitra

E-mail me when comments occur on this article
Momba ahy
jentilisa

Vasoky ny tambajotra sosialy tahaka ny Facebook,Twitter sy ny karazany ny blaogy amin'izao fotoana. Mora miely vetivety ny hevitra sy izay voasoratra amin'ireo sehatra ireo.

Misy lafiny iray anefa tsy ahavoazan'izy ireo mihitsy ny blaogy dia ny fitehirizana.Rehefa karohina ny vontoaty iray dia sarotra hita kokoa ny vokatry ny fitadiavana avy amin'ireo tambajotra sosialy ireo.Izay lafiny izay no tsy maharesy tondromaso ny blaogy satria mora hita kokoa ny vontoatiny rehefa karohina amin'ny alalan'ny mili-pitadiavana.

Momba ny eto manokana indray, tsy hianona intsony amin'ny vaovao eto an-toerana aho fa hisokatra kokoa amin'ny manerantany, na amin'ny sehatra ankapobeny. Hosoratana avokoa na eritreritra sendra nandalo na revin-gadra, na fanehoan-kevitra mety hanafintohina ny mpamaky. Mety ho tezitra ianao amin'izay voasoratra nefa ny hisokafan'ny saina handinika sy hamakafaka ary handanjalanja no tena kinasa ambadiky ny lahatsoratra. Ka mazotoa daholo ary ny hevitra anie no hiady fa tsy isika no hifandramatra!

calendar
« Jiona 2018 »
Ah At Ta Ar Ak Zo As
          1 2
3 4 5 6 7 8 9
10 11 12 13 14 15 16
17 18 19 20 21 22 23
24 25 26 27 28 29 30
Tahiry
Credits
LifeType IE7 XHTML CSS Firefox