« | »

Fitoriana Voalohany azona Bilaogera Malagasy Hotsaraina

2011-05-03 @ 22:20 in Ankapobeny

Na dia saiky zavatra hafa aza aloha no nosoratana dia tsy maintsy manao ity adidy ity ny tena ho fiarovana ny fahalalaham-pitenenana. Tafiditra ho tantara izany fa nisy ny fitoriana voalohany eny amin'ny Fitsarana ny Bilaogera Malagasy Iray eto Madagasikara. Samsoudine manana ny solon'anarana SSD-Dago no nahazo ny loka voalohany notoriana noho ny zavatra nosoratany tamin'ny aterineto. Ary tao amin'ny vondrona Facebook LES INSATISFAITS DE MOOV-ORANGE-BLUELINE ET CIE (PROVIDERS INTERNET) no namoahany izany vaovao izany. Ny mpitory dia ny Moov.


Marihina tokoa fa somary henjakenjana ny teny navoakan'ny namana tao amin'ny bolongany saingy raha ny hatezerana niarahan'ny rehetra nanana tamin'io fotoana io dia mety ho tonga amin'izany mihitsy ny fitenenana. Ny fahatapahana ela dia ela nataon'ny moov nanomboka ny 12 mars 2011 kanefa tsy nisy fampihenam-bidy ny fotoana tsy nahafahana niserasera dia azo lazaina ho karazana halatra ihany izany raha ny fijeriko azy aloha. Ny vahaolana nataon'ilay orinasa moa izany dia ny nitory an-dranamana mba hanana ny lazany kokoa angaha ny MOOV. Ny fotoam-pitsarana moa dia amin'ny zoma 6 mey 2011 amin'ny valo ora maraina ao amin'ny efitra faharoa. Manentana ny mpamaky sy ny "iray asa" ary ireo rehetra tsy faly tamin'iny fahatapahan'ny aterineto iny ho tonga maro amin'io fotoana io. Ary handinika ihany koa izay rehetra azo atao mialoha.

 



Jentilisa 4 mey 2011, amin'ny 00:20

 

Hevitra

:-)
dia inona no hiampangana azy lesy?

Nampidirin'i simp @ 17:41, 2011-05-04 [Valio]

sy ny hoe
navoakan'ny google ve ny identitE-ny?
sa hoe lery no nitono-tena hoe za io blogger io?

Nampidirin'i simp @ 17:42, 2011-05-04 [Valio]

Mbol ho fantatra avokoa ny momba izany fa mety ho fantany amin'ny alalan'ny IP satria mpanjifa ao aminy.

Nampidirin'i jentilisa @ 04:02, 2011-05-05 [Valio]

non ka, encryptee ny login an'ny blogspot/google noho izany tsy afaka fantarin'ny ISP fantarina mazava hoe i lery marina io SS Dago io ra tsy ny google no mi-confirme...

oui hitany @ IP hoe ni-browse blogspot matetika lery fa tsy profo irrefutable izany fa izy marina io... satria afaka miteny izy hoe nande namaky blaogy tao ah fa tsy nanoratra...

Bon, ny google alou matetika manaiky mi-se plier @ hoe baikon'ny tribonaly sy fitsarana fa en general tsy manaiky ny hoe censure sy ny otran'zany ka asa...

Ny tena tsy fantatritsika dia ny hoe sao dia mba resaka personnelle io zavatra io? ny tiako tenenina hoe misy problema manokana any ambadika any dia lasa io ny niafarana...

en tt cas, ra ny @ izao fotsiny alou tsy tokony niditra tribonaly akory io satria non lieu avy hatrany satria tsy afaka porofoina akory hoe izy no tena nanoratra an'le article...

sady tsisy diffamation akory anie fa satria zavatra azo angalana temoins hoe nitranga marina doly ny zavatra notantarainy tao ee...

Nampidirin'i simp @ 13:47, 2011-05-05 [Valio]

Ho avy any aho hanaraka akaiky, satria isan'ireo tsy faly tamin'ireny fahatapahana ireny. Ary na ny anarako fotsiny aza no tenennina dia efa vitan'ny mpikarakara mpanjifa ao amin'ny 22 572 76 tsianjery ka mampihomehy irery azy ireo indraindray. Raha ilaina ny hanononana ny anarako rahampisto, Tonony ry SSD fa tsy olana a. Vonona aho

Nampidirin'i avylavitra @ 13:47, 2011-05-05 [Valio]

sao dia mba tokony manangana associations ana-blaogera less?
na hoe syndicats na otran'zany...

zavatra otran'zao no tokony mba hisian'ny hoe firaisan-kina an'ny mpitoraka iray manotolo...
otran'ny hoe souverainete an'ny firenena blaogasifera anie no mahazo daka-vody be ee
aiza ho aiza ny tana miblaogy, malagasy miray sy ny foko madagasikara...
mifohaza oooo

Nampidirin'i simp @ 13:52, 2011-05-05 [Valio]

ny tiako tenenina hoe entano ny ankizy... somary mila leadership kely na otran'zany fa ra tsy izany dia samy hihainohaino eo fotsiny indray... dia ny farany hifampitazana hiditra eny ambany tsinana mande toro

ity bandy ity izao avocat...
sao dia mba azo anotaniana hevitra izy, conseils juridique...

http://andrydago.wordpress.com

;-)

Nampidirin'i simp @ 13:59, 2011-05-05 [Valio]

avylavitra,

misaotra manaraka eee
mba tantarao ny tena fandehany sy ny tohiny radem...

Nampidirin'i simp @ 14:01, 2011-05-05 [Valio]

Nahemotra amin'ny 27 mai 2011 ny fotoam-pitsarana...

Nampidirin'i jentilisa @ 10:59, 2011-05-06 [Valio]

Mankasitraka ny fanohanana avy aminareo i SSD Dago

Misaotra anareo mpitoraka bilaogy manohana ahy amin'izao sedra izao.

Hitondra fanamarihana tsotsotra aho. Tamin'ny vanin'andro nanoratako io lahatsoratra io dia nandefa ny rohy tany amin'ny Service Client aho nampahafantatra ny fisiany.

Raha ny namoahany iny indray dia tsy misy idiran'ny lonilony fa dia hatezerana noho ny fahatapahan'ny fifandraisana ADSL tsy misy fampandrenesana.

Nampidirin'i SSD Dago @ 09:12, 2011-05-09 [Valio]

ah okay

manin ra tairina @ fitoriana any tribonaly en parallele kou izy @ le hoe fahatapahana nefa tsy mampandre... hitatahana domazy na otran'zany... mety maromaro ny hanohana an'zay action izay na ny isan'ny kil lagy @ le kozy fotsiny aza...

@ izay mety miafara @ hoe negociation/reglement a l'amiable fa tsy voatery asiana litige be na hoe fanagadrana sy otran'zany...
siora manko fa na mety any ampaosiny aza ny hoe fitsarana ny image negative sy ny anti-publicite azony @ izany mety hahadona millions ngoza be mihoatra @ ze mety hoe victoire personnelle amin'i toi azony... dia mazava wazy ny lalana... ra tsy hoe operateur tsy mitady benefice nga izy... autrement, sans issue sa ahoana?

hevitr'akoho
:-)

Nampidirin'i simp @ 21:39, 2011-05-09 [Valio]
Hampiditra hevitra

E-mail me when comments occur on this article
Momba ahy
jentilisa

Vasoky ny tambajotra sosialy tahaka ny Facebook,Twitter sy ny karazany ny blaogy amin'izao fotoana. Mora miely vetivety ny hevitra sy izay voasoratra amin'ireo sehatra ireo.

Misy lafiny iray anefa tsy ahavoazan'izy ireo mihitsy ny blaogy dia ny fitehirizana.Rehefa karohina ny vontoaty iray dia sarotra hita kokoa ny vokatry ny fitadiavana avy amin'ireo tambajotra sosialy ireo.Izay lafiny izay no tsy maharesy tondromaso ny blaogy satria mora hita kokoa ny vontoatiny rehefa karohina amin'ny alalan'ny mili-pitadiavana.

Momba ny eto manokana indray, tsy hianona intsony amin'ny vaovao eto an-toerana aho fa hisokatra kokoa amin'ny manerantany, na amin'ny sehatra ankapobeny. Hosoratana avokoa na eritreritra sendra nandalo na revin-gadra, na fanehoan-kevitra mety hanafintohina ny mpamaky. Mety ho tezitra ianao amin'izay voasoratra nefa ny hisokafan'ny saina handinika sy hamakafaka ary handanjalanja no tena kinasa ambadiky ny lahatsoratra. Ka mazotoa daholo ary ny hevitra anie no hiady fa tsy isika no hifandramatra!

calendar
« Novambra 2019 »
Ah At Ta Ar Ak Zo As
          1 2
3 4 5 6 7 8 9
10 11 12 13 14 15 16
17 18 19 20 21 22 23
24 25 26 27 28 29 30
Tahiry
Credits
LifeType IE7 XHTML CSS Firefox