« | »

Haleloia Mahaleo hiraina vazaha

2011-05-26 @ 11:26 in Ankapobeny

Dia misy tokoa ny mahita raha, raha "La Marseillaise" nohiraina gasy no naseho anao farany dia ny Haleloia Malagasy hiraina any am-piangonan'ny vazaha indray ity manaraka ity. Nahafinaritra an-dry zareo ilay izy ary nataony hoe Haleloia Malagasy ny anarany.

Hevitra

Efa mandeha foana any amin'ny fiangonana katolika vitsivitsy any Frantsa io, surtout le misy Gasy ireny. Rehefa ny Gasy mantsy no asainy mitarika litorjia dia io no mora hiraina dia vetivety dia hain'ny vazaha.

Nampidirin'i Hery @ 13:45, 2011-05-26 [Valio]

zany eo ihany fa... is it just me or... olona antitra daholo no vazah mamonjy fiangonana? :-)

mibebaka satria efa mandindona ny farany ve? ^:^

Nampidirin'i simp @ 21:43, 2011-05-26 [Valio]

Re: antitra daholo ny any ampiangonana

Marina ny anao. N'aiza n'aiza io de mitovy. Isan ny antony le hoe efa manakaiky ny fodiana fa ihany ko rehefa manomboka retirety ka tsy miasa saina @ asa andavanandro intsony de isany famenoana ny banga ny resaka ara-panahy (tsy voatery any am-piangonana na Kristiana irery)

Nampidirin'i kotsikotsy @ 09:12, 2011-05-28 [Valio]
Hampiditra hevitra

E-mail me when comments occur on this article
Momba ahy
jentilisa

Vasoky ny tambajotra sosialy tahaka ny Facebook,Twitter sy ny karazany ny blaogy amin'izao fotoana. Mora miely vetivety ny hevitra sy izay voasoratra amin'ireo sehatra ireo.

Misy lafiny iray anefa tsy ahavoazan'izy ireo mihitsy ny blaogy dia ny fitehirizana.Rehefa karohina ny vontoaty iray dia sarotra hita kokoa ny vokatry ny fitadiavana avy amin'ireo tambajotra sosialy ireo.Izay lafiny izay no tsy maharesy tondromaso ny blaogy satria mora hita kokoa ny vontoatiny rehefa karohina amin'ny alalan'ny mili-pitadiavana.

Momba ny eto manokana indray, tsy hianona intsony amin'ny vaovao eto an-toerana aho fa hisokatra kokoa amin'ny manerantany, na amin'ny sehatra ankapobeny. Hosoratana avokoa na eritreritra sendra nandalo na revin-gadra, na fanehoan-kevitra mety hanafintohina ny mpamaky. Mety ho tezitra ianao amin'izay voasoratra nefa ny hisokafan'ny saina handinika sy hamakafaka ary handanjalanja no tena kinasa ambadiky ny lahatsoratra. Ka mazotoa daholo ary ny hevitra anie no hiady fa tsy isika no hifandramatra!

calendar
« Aogositra 2019 »
Ah At Ta Ar Ak Zo As
        1 2 3
4 5 6 7 8 9 10
11 12 13 14 15 16 17
18 19 20 21 22 23 24
25 26 27 28 29 30 31
Tahiry
Credits
LifeType IE7 XHTML CSS Firefox