« | »

Tsy mahita ny mailako aho

2011-06-07 @ 20:59 in Ankapobeny

Somary hiresaka zavatra hafa indray aho ary atao hoe fiainana an-tserasera indray ity resahina ity. Niditra tamin'ilay Yahoo Mail vaovao miloko manga antitra iny ny tena fa tahaka izay nidiran-doza. Rehfa tafiditra ao amin'ny boaty fandraisana aho ka hiditra amin'ny lisitra tsirairay dia tsy misy hita avokoa fa fotsifotsy mangotatana fotsiny no solon'ny votoaty. Nidirako tsirairay daholo ny "taratasy" rehetra fa taratasy fotsy daholo. Gaga aho, noankotrihina (update) fa tsy nisy fiovana. Inona ary ity loza nidirana ity ho'aho? Andao hisolo fafana hoaho ka tsy ato amin'ity Google Chrome ity aho no hijery ny mailaka fa jerena kely ao amin'ny Mozilla Firefox indray. Niditra tao amin'ity notononiko farany aho dia hitako fa indreo hita ny votoatin-tsoratra lasa taratasy fotsy ao amin'ny Google Chrome. Dia asa any aminareo izay efa nanova mailaka Yahoo ho ilay farany iny raha tratran'io nolazaiko io ianareo fa mitantara aho hijeren'izay manam-pahaizana aminareo azy!

Hevitra

FAMAHANA OLANA POLITIKA

TSY AZO SAFOANA BE MANTSINA NY FITANTANANA NY TETEZAMITA SY NY FAMERENANA NY DEMOKRASIA SATRIA MIFANIPAKA NY HEVI-DEHIBE MIFEHY AZY.
NY TOKONY HO IZY:
- TETEZAMITA TSY MIRONA ATSY NA AROA (neutre) SATRIA TSY MISY MPANAO POLITIKA ANATY FITONDRANA (exclusive)FA OLONA TSY HILATSAKA HO FIDIANA NA BE NY TANANA AZA
- FAMERENANA DEMOKRASIA (processus du retour ordre constitutionnel)IOMBANAN'NY MPANAO POLITIKA REHETRA (inclusive)HANOLOTRA FEPETRA IARAHA-MANAPAKA (consensuelle)
MANIRY HAMAKY NY FANDINIHANAO

Nampidirin'i Raha ilaina mifandray: lazao imailaka @ 07:25, 2011-06-08 [Valio]

VAKIO BATSILANA NY TSY METY REHETRA

Efa ela aho no mba maniry ny hampita ny hevitro amin'izao setrasetra politika ataon'ireo tsy tia an'i dago izao.Voalohany vakio batsilana ny marina sy ireo lainga ataon'izay tsy tia fampandrosoana fa potika anie ry Jentilisa ny (economie) raha izao no mitohy e.Ambarako anao fa izahay aty amin'ny faritra dia efa miaina ratsy nefa ny mpitondra mandalo aty aminay hoatr'ireny Andriamanjaka ireny na mandalo amin'ny lanana tsy azo ifanenana fa mandrahona mihitsy ny polisy mitondra azy ireo.Ary mba manaova tatitra isanandro toa andry mydago moa ianao satria mafinaritra be ny filazanao.Misaotra

Nampidirin'i JUSTIN MAHARAVO @ 07:37, 2011-06-08 [Valio]

Politika

Tsy azo safoana be mantsina ny fitantanana ny tetezamita sy ny famerenana ny demokrasia satria mifanipaka ny hevi-dehibe mifehy azy.
Ny tokony ho izy:
- Tetezamita tsy mirona atsy na aroa (neutre) satria tsy misy mpanao politika anaty fitondrana (exclusive) fa olona tsy hilatsaka ho fidiana na Be ny Tanàna aza
- Famerenana ny demokrasia (processus du retour à l'ordre constitutionnel) iombonan'ny hery politika rehetra sy ny fiarah-monim-pirenena(incluive)hanolotra fepetra hiaraha-manapaka (consensuelle)
MANIRY HAMAKY NY FANDINIHANAO
aparitao raha miombon-kevitra

Nampidirin'i ho.olo.marina @ 07:40, 2011-06-08 [Valio]

miverena amin'ny classique fa mety ho hitanao avokoa ilay izy, misy safidy ho hiverina amin'ny boîte clqassique raha tsy diso aho.

Nampidirin'i Kdaombaramita @ 17:57, 2011-06-08 [Valio]
Hampiditra hevitra

E-mail me when comments occur on this article
Momba ahy
jentilisa

Vasoky ny tambajotra sosialy tahaka ny Facebook,Twitter sy ny karazany ny blaogy amin'izao fotoana. Mora miely vetivety ny hevitra sy izay voasoratra amin'ireo sehatra ireo.

Misy lafiny iray anefa tsy ahavoazan'izy ireo mihitsy ny blaogy dia ny fitehirizana.Rehefa karohina ny vontoaty iray dia sarotra hita kokoa ny vokatry ny fitadiavana avy amin'ireo tambajotra sosialy ireo.Izay lafiny izay no tsy maharesy tondromaso ny blaogy satria mora hita kokoa ny vontoatiny rehefa karohina amin'ny alalan'ny mili-pitadiavana.

Momba ny eto manokana indray, tsy hianona intsony amin'ny vaovao eto an-toerana aho fa hisokatra kokoa amin'ny manerantany, na amin'ny sehatra ankapobeny. Hosoratana avokoa na eritreritra sendra nandalo na revin-gadra, na fanehoan-kevitra mety hanafintohina ny mpamaky. Mety ho tezitra ianao amin'izay voasoratra nefa ny hisokafan'ny saina handinika sy hamakafaka ary handanjalanja no tena kinasa ambadiky ny lahatsoratra. Ka mazotoa daholo ary ny hevitra anie no hiady fa tsy isika no hifandramatra!

calendar
« Novambra 2019 »
Ah At Ta Ar Ak Zo As
          1 2
3 4 5 6 7 8 9
10 11 12 13 14 15 16
17 18 19 20 21 22 23
24 25 26 27 28 29 30
Tahiry
Credits
LifeType IE7 XHTML CSS Firefox