« | »

Fanantenana lehibe!

2011-06-21 @ 15:55 in Politika

Nanoratsoratra ihany ny tena tamin'ny fanombohan'ity volana ity hoe ekeo izay lazainy. Efa natolotsika teo ampelantanan'ny SADC ny ho avy politikantsika Malagasy. Efa toy ny hanaiky mangingina any am-pony sy any an-tsainy tsirairay avy any ny mpanao politika avy amin'ny ankolafy sy tsy ankolafy rehetra. Heverina manko fa avy amin'izay fanekena izay rehetra mivoaka avy any no lalana mora sy haingana indrindra hivoahana amin'ny krizy sy ny tetezamita.

 

Samihafa tokoa anefa ny fomba fihevitr'olo-tsotra sy ny fomba fihevitra mpanao politika. Hay ry zalahy ireto mitady ny fandresena avy amin'izay lazain'ny SADC. Ny fandresena tadiaviny dia ny hahazo iray manontolo izay kendreny, ka anatin'izany ny eriteritra hanakana izay mpifaninana na mpifanandrina aminy rahatrizay tonga ny fifidianana, tsy ho afa-miditra ho amin'izany fifaninanana izany mihitsy. Endrika tahotra safidim-bahoaka sy tahotra fandrao ny mpifanandrina amin'ny tena no tian'ny olona kokoa. Koa raha mbola mikatso eo amin'izany kizo izany isika, aiza amin'izany ity fanantenana lehibe lazain'ity lohateny?

 

Fanantenana lehibe fa tambatambazana fatratra ny foloalindahy ankehitriny hisian'ny fitombenana ara-pitondrana, araka ny eritreritr'ireo mifehy ny fanjakana ankehitriny. Ary ny tena nivandravandra aza dia izato 9 miliara ariary nomen'ny tafika Frantsay ho an'ny tafika Malagasy hanaovana fiofanana isan-karazany, porofo fa matotra tanteraka ny fiaraha-miasa ara-tafika eo amin'ny Malagasy sy ny Frantsay. Fa inona hoy ianao no tsara kokoa, fifandraisana diplomatika sa fifandraisana ara-tafika? Fanantenana lehibe fa tsy ho fantatra sy tsy ho azo faritana mihitsy ny datim-pifidianana mety ho atao saingy hanao tokoa ve? Rehefa tsy misy datim-pifidianana voaomana dia mbola mitohy izany ny teteza-miitatra sy ny fitantanany ny firenena. Amiko manokana: eritreritra ny an'olona fa tsy ho araka ny eritreritra mihitsy ny ho fandehan-javatra. Fehiny : Toa finoana ihany koa izany iankinan'ny fanantenako izany!


Jentilisa, 21 jona 2011

 

Hevitra

mino

Izaho koa dia mino fa :
- ny nalaina t@ makarakara dia tsy maintsy hivoaka @ kiloadaoka.
- tsy misy ny tody fa ny atao no miverina,
- tsy misy mpanao ratsy izay tsy hifoteran'ny nataony taman'olona.

Koa matatesa fotsiny izay tandrifin'ny hafatra.

Nampidirin'i Miora @ 12:30, 2011-06-22 [Valio]

Aoka tsy hitaraina

Efa ny SADC no nanankinanareo ny tolona nataonareo ka aza be sentiments fa soniavo ny taratasy fa elabe. Izao no notadivinareo. Ny anay dia tsotra ihany: tsy mifampiraharaha amin'ny putchistes izahay fa miomana saina, vatana, fanahy fa tsy maintsy ady ihany no fanavotana tanindrazana fa tsy io SADC-nareo io. Izao ianareo vao mody mitsetsetra eo. Noheverinareo ho dadatoanareo ry Chissano...

Nampidirin'i Ndrema @ 14:48, 2011-06-22 [Valio]

Mapme

Ny tena Napme dia hoe hoavy hono ny brigady SADC hanongotra an'i domelina eo. Ka ianareo sy ny rainareo aza tsy te hiady amin'ny fahavalo fa kery say koa ny zanaky ny Afrikana ve no hataony sorona hamerenana an'ilay Kanosalahy taloha. Ady ambony latabatra no nataon'Ilay "Kanosalahy taloha" ka resy izy izao dia tokony hangina ary tokony hiaiky. Aleo ny tena tia tanindrazana hiomana hiady amin'ny fahafahana amin'izay toy ny tany Ejypta, Tonizia, VietNam.

Nampidirin'i Ndrema @ 14:53, 2011-06-22 [Valio]

Ndrema> raha nipetraka eto Madagasikara ianao dia hoe io ary ianao ka tariho ary izato izy fa izany hoe any Ivelany moa ianao dia mba tia manome tsiny. Izahay eto efa mizaka ka aza manahy ianao. Tsy misy tafika hitanay ho afaka miaraka aminay tsinona ka dia mionona izahay mandrapahatongan'ny... tsy fantatra

Nampidirin'i jentilisa @ 19:01, 2011-06-23 [Valio]

Io indray ilay hoe "ianareo any ivelany sns..."... Izahay aty ivelany dia miaina amin'ny maha-olona feno (na tsy tonga lafatra aza) ary rehefa misy manankatsankana ny fiainanay aty dia manao manif izahay ary tsy matahotra na basy na bala. Ianareo milaza ho tia tanindrazana ao madagasikara na hanaovan'ny olona maloto aza ny loha sanatrian'ny vava dia "mizaka sy mionona araka ny teninao" na lasa misolelaka (toa an-dry Yves Aimé sy ry Fetison sns ...) amin'ilay nanisy maloto ny lohanareo. Izany no toe-tsaina ampianarinareo ny taranaka malagasy. Ny mampalahelo tena mampalahelo dia fendrofendroinareo sy ny rainareo koa ny Malagasy rehetra hoe "aza manao ninoninona fa minoa fotsiny ihany". Ary tafika inona moa ity lazainao rahalahy? Nanana tafika aza ianareo tamin'ny 2008-9 tsy hita izay nampiasainareo azy (tadidiko tsara ny lundi noir sy ny fandokafanareo an-dRavalo hoe hendry fa tsy nampiasa tafika). Ka na omena tafika aza ianareo rahampitso dia tsy hankaiza satria ny toe-tsaina no efa voa.

Nampidirin'i Ndrema @ 08:02, 2011-06-24 [Valio]

Ianao miasa amin'ny Organisation Mondiale indray ve no manao izany fomba fiteny izany. Raha mpamaky ianao dia mahafantatra tsara fa tsy mba manilika ny Malagasy ampielezana velively aho. Ny olana dia tahaka izao: ianareo no mandrisika hoe mitolona mandray basy sy ny karazany... Manjary mampiteny hoe tongava aty hahatsapa ny tsapan'ny olona amin'ny ankapobeny. Efa leo gidragidra ny olona satria tsy hanana fitaovam-piadiana hanoherana ny mpaka fahefana sady tsy hitovy fitaovana na oviana na oviana amin'ny Efa manana izany ankehitriny. Koa olo-tsotra hitana fitaovam-piadiana izany...tiana atao ho Somalie angaha i Madagasikara!!!

Nampidirin'i jentilisa @ 20:01, 2011-06-24 [Valio]

ok

Rehefa misy tsy mety hono eo amin'ny toe-draharaha iray ... na ny mpinamana aza lasa miady. Ilaina ve anefa izany?

Mampandroso ny soso-kevitra ... fa tsaratsara kokoa ny mampiseho modely aloha, manatanteraka ilay tokony hotanterahin'ilay kianina.

Satria ... tsy voatery ho adala na kely saina ny olona toròna hevitra.

Nampidirin'i Tokinao @ 22:57, 2011-06-28 [Valio]

Daty

Ny daty aroson'ny fat dia ny febroary 30 isan-taona

Nampidirin'i malagasycool @ 18:44, 2011-07-04 [Valio]
Hampiditra hevitra

E-mail me when comments occur on this article
Momba ahy
jentilisa

Vasoky ny tambajotra sosialy tahaka ny Facebook,Twitter sy ny karazany ny blaogy amin'izao fotoana. Mora miely vetivety ny hevitra sy izay voasoratra amin'ireo sehatra ireo.

Misy lafiny iray anefa tsy ahavoazan'izy ireo mihitsy ny blaogy dia ny fitehirizana.Rehefa karohina ny vontoaty iray dia sarotra hita kokoa ny vokatry ny fitadiavana avy amin'ireo tambajotra sosialy ireo.Izay lafiny izay no tsy maharesy tondromaso ny blaogy satria mora hita kokoa ny vontoatiny rehefa karohina amin'ny alalan'ny mili-pitadiavana.

Momba ny eto manokana indray, tsy hianona intsony amin'ny vaovao eto an-toerana aho fa hisokatra kokoa amin'ny manerantany, na amin'ny sehatra ankapobeny. Hosoratana avokoa na eritreritra sendra nandalo na revin-gadra, na fanehoan-kevitra mety hanafintohina ny mpamaky. Mety ho tezitra ianao amin'izay voasoratra nefa ny hisokafan'ny saina handinika sy hamakafaka ary handanjalanja no tena kinasa ambadiky ny lahatsoratra. Ka mazotoa daholo ary ny hevitra anie no hiady fa tsy isika no hifandramatra!

calendar
« Jiona 2018 »
Ah At Ta Ar Ak Zo As
          1 2
3 4 5 6 7 8 9
10 11 12 13 14 15 16
17 18 19 20 21 22 23
24 25 26 27 28 29 30
Tahiry
Credits
LifeType IE7 XHTML CSS Firefox