« | »

Fa iza no tena adala?

2011-08-18 @ 09:33 in Ankapobeny

Tsy mety misy miresaka mihitsy ho'aho ny nolazain'ny gazety iray omaly ny zavatra nolanian'ny lazaina fa solotenam-bahoaka e? Na solotenam-bahoaka aza manko izy ireo dia tsy nofidiany kosa fa dia mahamenatra kosa ilay fanapahan-kevitra. Nolaniana ary fa dia vata iray ihany no androtsahana ny vatom-pifidianana Ben'ny tanàna, mpanolo-tsainan'ny tanàna, Ben'ny faritra ary ny mpanolon-tsainam-paritra. O rey olona e! tsy misy dikany ve izany zavatra izany sa tsy raharahiana izay rehetra avokoan'izy ireo fa tsy misy idirantsika ny amin'izany? Sao dia tsy rariny kosa?

Fari-pifidianana roa tsy mitovy anie no voafaritra amin'ireo fifidianana efatra indray miaraka ireo. Manaraka izany dia impiry handrotsa-bato amin'ny vata iray izany? in'efatra? in-droa? indray mandeha ihany? koa inona ny olana ho ahy raha vato efatra ho an'ny Ben'ny tanàna iray no arotsako ao am-bata? efa vata iray ihany anie e! Sa avela hisosa ho azy fotsiny koa itony efa fahadalana mihoa-pampana itony? Dia rehefa tsy mifidy ny olona dia lazaina fa adalany ny azy nefa zavatra efa tsy izy intsony tahaka izao no miseho? Tena ela ny ela fa famotehana tanteraka ny hasin'ny fifidianana no kasaina atao eto.

Ny teti-panorona ao ambadik'ity raharaha ity manko, araka ny fijeriko, dia fanerena mba ho ny fifidianana Ben'ny tanàna sy ny mpanolo-tsainan'ny tanàna ihany no fidian'ny olom-pirenena mivantana fa ny Ben'ny tanàna sy ny mpanolotsainan'ny tanàna indray no mifidy ny Ben'ny faritra sy ny mpanolotsainam-paritra. Any no tian'ny mpanao politika tsy sahy miatrika safidim-bahoaka tanterahina dia mody ahodina amin'ny hoe vata tokana ihany. Efa nolaniana ary izy io dia akory? Izay ve izany no taratry ny fisainan'ny vahoaka malagasy lazaina fa 20 tapitrisa? Ataovy ihany ny leo politika fa mbola hahita ny tsy fahita hafahafa kokoa isika! Marina e!

Horakoraka ny an'ny sahona?

Dia be indray no tezitra tamin'ny mpiantso amin'ny haino aman-jery sasany nefa etsy ankilany tsy mitsahatra ny manasohaso ny mitondra ny firenena hatrany rehefa nahazo horakoraka ny solotenam-panjakana malagasy hanokatra ny 'Afrobasket men 2011' tontosaina eto Madagasikara amin'izao fotoana izao. Tezitra fa hoe tsy mahalala fomba sy tsy mahay manaja ny Malagasy. Misy ny gazety dia miampanga avy hatrany ny mpanohana an-dRavalomanana ho ao ambadik'iny siotsioka tao amin'ny Lapan'ny Fanatanjahantena sy ny Kolontsaina iny. KOa raha izany tsy saiky ny ankamaroan'ny mpijery tao ve izany no mpanohana ity haratsiana sy enjehina isan'andro ity na dia efa mialokaloka any ampitan-dranomasina any aza?

Dia nanome sosokevitra moa izy hoe tsy vita ve ny mividy tapakila an'arivony ho an'ny mpanohana azy na mpiray antoko aminy dia mitehaka isaky ny misy azo hanaovana izany mandritra ny kabary. Izany ka soso-kevitra na dia mety ho lafolafo ihany aza. Soa aloha fa tsy tany aho, sady tsy afaka nankany ihany koa noho ny asa, fa raha tsy izany dia nohiraiko teny an-tenantenan-kabary teny ny hira fanevan'ny tolona 1947 'Madagasikara Tanindrazanay'... indrisy moa fa tsy ho afaka hanatrika mihitsy aho fa amin'ny fahitalavitra ihany no mba mijery.

Na izany na tsy izany efa niomana tamin'ireny tranga ireny ny Jeneraly Albert Camille Vital, sady miaramila rahateo ny tenany. Efa fantany fa tsy maintsy hisy ny horakoraka hitsena azy. Notohizany ihany ny kabariny ary dia vitany soa aman-tsara. Misy rahateo ny hira fanaon'ny miaramila hoe 'Horakoraky Rasahona, tsiboboka no tompon'ny rano'. Tsy misy milaza an'izatsy na izaroa ho Rasahona sy Tsiboboka akory na izany aza fa dia hira ihany ireny ho fampaherezana izay iharan'ny horakoraka sy tsy ho taitra ny amin'izany.


Jentilisa, alakamisy 18 aogositra 2011

 

Hevitra

diniho tsara, diniho tsara fa ohatraohatran'io ny fifidianana any Amerika mpanjakan'ny demokrasia, nianaranay tany amin'ny Kilasy famaranana ny ambaratonga faharoa...

Basket: na momba an-dRavalomanana aza aho tsy hanao toetra ohatran'ireny...hevitra no miady fa tsy ny olona...

Nampidirin'i ndrema @ 18:45, 2011-08-18 [Valio]

Sao dia diso izany nampianarina anao izany? ny resaka grands electeurs ve? fa inona moa ny andraikitra hafa tanan'izy ireny? nyany koa federaly fa tsy onitera

Nampidirin'i jentilisa @ 19:09, 2011-08-18 [Valio]

ra atao hoe samihafa loko ny vato anakefatra dia mety sa va sa va ihany fa ny ankoatran'zay alou dia baroa avy hatrany eee

Nampidirin'i simp @ 18:29, 2011-08-19 [Valio]

ia tena marina izany fa diso tokoa fa tsy mifandray ny resaka, azafady...

Fa dia mazava izany fa ny lehiben'ny faritra no fidiana nefa ben'ny tanana no arotsaka... mifanarakaraka amin'ny vato azon'ny ben'ny tanana ny isan'ny mpanolotsaina na tanana io na faritra...ary lany izay lehiben'ny faritra manana ben'ny tanana betsaka lany...

mifampidipiditra ihany an...izay ilay teneniko hoe mitovitovy amin'ny grands électeurs

fa ny mahasamihafa azy fotsiny ny mpifidy no lasa grands électeurs ankolaka...

mety tsy hisy ben'ny tanana hiady amin'ny lehiben'ny faritra amin'izay rehefa lany...

Nampidirin'i ndrema @ 15:24, 2011-08-21 [Valio]

Sao dia diso hevitra fa mbola ny lalampanorenana REP faha-3 anie no manakery eto e ! Ka aiza ao amin'io lalampanorenana io no misy ireo hevitra lazainareo ireo ?

Ny resaka horakoraka an'i vital dia tsy misy azo anomezana tsiny na iza na iza mihitsy satria maneho ny olona fa na mandeha aza ny baolina, tany tsisy fanjakana i Gasikara aloha izao ka tsy ilaina mihitsy ny fisian'ny mpisoloky izay misoloky te homena voninahitra amin'ny sehatra tsy misy hidirany.

Nampidirin'i ragré @ 20:48, 2011-08-21 [Valio]

Tena mbola iadian-kevitra kosa aloha ny hoe Rep III isika sa Rep IV amin'izao fotoana izao! Efa nisy manky ny latsa-bato momba ny Lalampanorenana teto!

Nampidirin'i jentilisa @ 21:14, 2011-08-21 [Valio]

fa angaha tsy efa repoblika faha-4 izao eh?...tsy nisy vahoaka nifidy angaha tamin'ny referandoma...sa izay tsy nifidy na nifidy ny tsia ihany no vahoaka?...

tsy momba ny atsy tsy momba ny eroa aho fa saingy manaiky kosa fa nanampy ny sport malagasy ny gvt vital na dia hoe tany tsisy fanjakana aza...na dia izay fotsiny aza dia tsy hihorakorahako be fahatany...

tokony avela hiteny foana ny vahoaka amin'ny latsa-bato, fa tsy ny mouvance na ny CI no vahoaka...

Nampidirin'i ndrema @ 07:16, 2011-08-22 [Valio]

Fa ilay izy kosa aloha efa fiantsoana horakoraka kosa e! efa nisy io tranga io tamin'ny 2009 mbola midehadehaka ihany ianao handray tsy efa fitadiavana ilay horaka avy amin'ny mpijery kosa ve? Tena ekeko fa tsy maintsy misy fandraisana anjaran'ny "fitondrana" ao an!

Nampidirin'i jentilisa @ 20:48, 2011-08-22 [Valio]
Hampiditra hevitra

E-mail me when comments occur on this article
Momba ahy
jentilisa

Vasoky ny tambajotra sosialy tahaka ny Facebook,Twitter sy ny karazany ny blaogy amin'izao fotoana. Mora miely vetivety ny hevitra sy izay voasoratra amin'ireo sehatra ireo.

Misy lafiny iray anefa tsy ahavoazan'izy ireo mihitsy ny blaogy dia ny fitehirizana.Rehefa karohina ny vontoaty iray dia sarotra hita kokoa ny vokatry ny fitadiavana avy amin'ireo tambajotra sosialy ireo.Izay lafiny izay no tsy maharesy tondromaso ny blaogy satria mora hita kokoa ny vontoatiny rehefa karohina amin'ny alalan'ny mili-pitadiavana.

Momba ny eto manokana indray, tsy hianona intsony amin'ny vaovao eto an-toerana aho fa hisokatra kokoa amin'ny manerantany, na amin'ny sehatra ankapobeny. Hosoratana avokoa na eritreritra sendra nandalo na revin-gadra, na fanehoan-kevitra mety hanafintohina ny mpamaky. Mety ho tezitra ianao amin'izay voasoratra nefa ny hisokafan'ny saina handinika sy hamakafaka ary handanjalanja no tena kinasa ambadiky ny lahatsoratra. Ka mazotoa daholo ary ny hevitra anie no hiady fa tsy isika no hifandramatra!

calendar
« Jolay 2019 »
Ah At Ta Ar Ak Zo As
  1 2 3 4 5 6
7 8 9 10 11 12 13
14 15 16 17 18 19 20
21 22 23 24 25 26 27
28 29 30 31      
Tahiry
Credits
LifeType IE7 XHTML CSS Firefox