« | »

Adi-hevitra Malok'ila Politika

2011-11-04 @ 11:47 in Politika

Mankasitraka anareo namaky ny lahatsoratra nitondra ny lohateny hoe Malok'ila Tohiny sy Hitohy iny. NY faniriako moa dia ny hametraka adi-hevitra ka tsy mampaninona mihitsy ny tsikera milaza fa tombatombana ny raharaha. Arakaraka ny toerana misy ny tsirairay koa moa no fomba fijery iny raharaha iny. Na izany aza dia mbola nitohy ny adi-hevitra.

 


Gazety iray moa namoaka hoe nahoana no tsy ho lany mihitsy i Botozaza, toa nalaza ho notenenin'ny Ambasadaoro Frantsay tamin'ny 28 oktobra ihany koa moa izany ka nampisy raharaha hafa, dia nolazaina fa Botozaza, amin'ny maha-minisitry ny fitaterana azy fony Ravalomanana filoha, no nametraka ny Silo an'ny Tiko tao Toamasina sy nandroaka ny vondrona Seabord amerikana, teo ihany koa ilay fividianana voromby filoham-pirenena. NOho ireo rehetra ireo dia nametraka ny VETO ny Departemanta Amerikana. Lasa ny saiko hoe: koa raha izany dia ny Amerikana mihitsy (ankoatra ilay tenin'ny Ambasadaoro Frantsay) no mitsipaka izay mety ho avy amin-dRavalomanana. Amiko Ravalomanana no tompon'andraikitra voalohany amin'ireo rehetra ireo fa mpanatanteraka fotsiny tamin'ny maha-minisitra azy i Botozaza Pierrot. Izany hoe raha raisina ny lazain'ity gazety Courrier de Madagascar ity dia tsy hahatafiditra praiminisitra mihitsy ny ankolafy Ravalomanana satria samy hitsipaka izany hatrany ny Frantsay sy ny Amerikana, noheverina ho miady tombontsoa eto Madagasikara.  

 


Hevitra faharoa nivoaka ihany koa nataona mpanadihady iray, mpanao gazety fahiny tao amin'ny RNM aza ny tenany. Namariparitra ny fijeriny tamin'ny fanantanterahana ny sori-dalana voatsikera teo amin'ny fanendrena praiminisitra. Namahavaha ny tenany fa araka ny voalaza ao amin'ny andininy fahadimy ny praiminisitra dia tsy avy amin'ny ankolafy sady tsy iray fiaviana (faritany) amin-dRajoelina. Ny niavian'ny fanendrena, hoy izy, na dia eo aza ny maha-leader azy dia izy natolotr'i Zafy sady tsy iray fiaviana amin-dRajoelina no tsy avy amin'ny ankolafin-dRaoelina. Raha itarina kely ny fanazavany dia mbola tafavoaka tsy azo fidiana indray izay avy amin-dRavalomanana satria iray fiaviana (faritany) Rajoelina sy Ravalomanana. Ny hevitro aloha dia diso izany fomba fijery izany satria toy ny manamarika hatrany fa tena natao mihitsy izay nanalana ny ankolafy Ravalomanana tamin'ilay tondrozotra. Fa raha izany no marina dia henjana ilay teti-panorona nahavitana iny sori-dalana farany teo iny. Efa rere moa ankehitriny fa tsy hiditra anatin'ny rafitra ny movansa Ravalomanana

 


Mbola raikitra hatrany ny resaka amin'ny hoe nahoana ny Beriziky? Ny nahavariana sy nisongadina teo imasoko voalohany dia izy framasao, vondron'olona manana ny heriny na aiza na aiza manerantany, raha mbola marina hatrany ny filazan'ilay gazety namoaka azy. Fa ny tena manitikitika ny maro hatreto dia ny nifidianan'i Zafy Albert azy hatolotra na dia niaiky aza Atoa Beriziky tenany fa tsy avy amin'io ankolafy io mihitsy izy. Dia hoy aho taitra tampoka hoe: toa avy any Avaratra moa izy iny? Ary Zafy Albert koa moa tsy avy any avaratra? Milaza ho tsy mahazo moa ny olona hoe nahoana no olona efa niara-dia tamin'i Andry Rajoelina tamin'ny 2009 no natolony dia hoy aho hoe mety ho safidim-paritra an! zony izany ary safidiny.

 


Jentilisa 4 novambra 2011, amin'ny 13:48 (oay, anniversaire-n-dRatsiraka moa izany? hum hum)

 

vakio koa ny resaka solika

Hevitra

zany hoe tsy firenena stratejika i Madagasikara hoan'ny bekitana dia diplomasia tsotra no ampiasainy eto fa tsy dia misy framasao loatra...
hoe otran'ny sinoa ihany ee, ze tonga eo @ fomba madiodio sy tsy nangalatra flagrant delit dia tohanana mba tsy hahavery ny tombotsoany sy izay interet nasionaliny...

Harena ankibon'ny tany toy ny vy sy varahina ary solika no tena mety ho hifaninanan'ny vahiny eto... ary io moa izany efa natao hoe tsy dia azo kitihana loatra mandritra ny tetezamita ka izay no ilazako hoe ze lany eo fotsiny no mamonjy ho tohanandrizareo avy eo... eny fa na i rajoelina aza lany eo, mety ho elaela fotsiny izy mi-reconnaitre fa tsy maintsy hanohana ihany izy surtt face @ fifaninana sinoa... mazava hoazy fa misy ny kandida tonga dia mety aminy kokoa hoe kandida anglofona sy hoe pro-americain toy an'i pierrot, monja, tantely, ra8, raymond ranjeva,... fa na izany aza tsy mivakl @ izany izy fa ze eo no aodiny... satria tsika le karazana olona mpaka 19 @ vazah no sady azy koa ny vola ee :-)

Otran'zany koa ny SADC sy ny afrika atsimo, somary tia kokoa ny anglofona noho ny hoe mpanompo ny frantsay fa na izany aza tsy manana olona tonga dia tohanana dia ny mialoha... prudence diplomatika fotsiny izany... ny mahasamihafa azy @ amerikana kosa anefa dia izy miezaka ny hoe hanao izay tsy hampiverina an'le krizy @ manaraka intsony sy ny hoe izy mpisolelaka @ vazah fa tsy hahamenatra azy mihintsy ny handa izay zavatra imposer-n'ny bekitana/britaina ankolaka...

sinon, wait and see hoe rassembleur sy bon leader ve i omer beriziky sa hoe eugene mangalaza bis fotsiny ihany koa... miankina @ lery doly anie ny zava-drehetra ee... raha mahavita mi-s'impose izy dia milamina wazy io fa ra hiezaka ny hoe hampafaly an'izao tontolo izao izy dia ee tsisy rara vanona eo fa dia ho tonga @ 2013 ny krizy...
(auquel cas, je vote mailhol ;-)

Nampidirin'i simp @ 16:52, 2011-11-04 [Valio]

adino kely,

ny antony tena tsy naha-PM an'i bobozaza dia... il vient du mouvance ra8... sy hoe homme de main an'i ra8 any @ faritra antsinana...

io le efa nokoziako hoe havendranana tanteraka sy tsy mba nieritreritra ny hamaha krizy mihintsy ny olona rehetra nanolotra PM satria... tokony ho olona hita hoe neutre sy mbola tsy manana pasipaoro maloto be loatra no tokony natolotra...

tsy haiko na misy stratezista nampiasana na otran'zany fa ra za zao nanolotra dia... olona hitako mpamadika palitao sy manana ambition personnelle fa mody mialokaloka ao ambanin'i tgv, kanefa tsy dia manana poids politika loatra no natolotro...
ohatra hoe: voninahitra jean eugene ohatra na hoe rolland ratsiraka na hoe pierre tsiranana...

le karazana olona joko-tsoriaka kanefa tsy manaiky lembenana ireny ee... ary tia tena amplement au point hoe mandaitra ny domy tapany handoa erany...

@ izay na ny camp rajoelina aza hi-se mefier anazy sy hoe rehefa eo @ fitondrana izy dia soit variana hameno ny paosiny soit hirotsaka hameno ny ambition-ny dia @ izay lasa mifaninana @ tgv... dia afaka mande milamina wazy ny ketrika ambanin'ny tany azon'i ra8 atao...

hevitr'akoho...
sy hoe efa tara loatra...

c'est la vie!!

Nampidirin'i simp @ 17:04, 2011-11-04 [Valio]

ny framasao kosa aloha ny aty afrika dia ny mpiteny frantsay no mahery kokoa. GLNM izany tonga dia GLNF avy hatrany no ao an-tsaina.

Nampidirin'i jentilisa @ 19:53, 2011-11-04 [Valio]

Framasay

Na miady sy mifamono imasom-bahoaka eo aza ireo dia voatery mifanaraka ihany rehefa ny fiadidiana ny framasao no manapa-kevitra.

Jereo ohatra ny kolonely Khadaffi sy i Bill Clinton ary George Bush zanany fa nifanaraka antsokosoko ihany tamin'ilay resaka Lockerbie. Efa fantatra fa i Khadaffi no tao ambadik'iny raharaha Lockerbie iny kanefa dia iny izy noraisin'i Washington sy Elyse ary Downing street iny (Tony Blair).

Nampidirin'i maresaka @ 06:17, 2011-11-07 [Valio]
Hampiditra hevitra

E-mail me when comments occur on this article
Momba ahy
jentilisa

Vasoky ny tambajotra sosialy tahaka ny Facebook,Twitter sy ny karazany ny blaogy amin'izao fotoana. Mora miely vetivety ny hevitra sy izay voasoratra amin'ireo sehatra ireo.

Misy lafiny iray anefa tsy ahavoazan'izy ireo mihitsy ny blaogy dia ny fitehirizana.Rehefa karohina ny vontoaty iray dia sarotra hita kokoa ny vokatry ny fitadiavana avy amin'ireo tambajotra sosialy ireo.Izay lafiny izay no tsy maharesy tondromaso ny blaogy satria mora hita kokoa ny vontoatiny rehefa karohina amin'ny alalan'ny mili-pitadiavana.

Momba ny eto manokana indray, tsy hianona intsony amin'ny vaovao eto an-toerana aho fa hisokatra kokoa amin'ny manerantany, na amin'ny sehatra ankapobeny. Hosoratana avokoa na eritreritra sendra nandalo na revin-gadra, na fanehoan-kevitra mety hanafintohina ny mpamaky. Mety ho tezitra ianao amin'izay voasoratra nefa ny hisokafan'ny saina handinika sy hamakafaka ary handanjalanja no tena kinasa ambadiky ny lahatsoratra. Ka mazotoa daholo ary ny hevitra anie no hiady fa tsy isika no hifandramatra!

calendar
« Jiona 2018 »
Ah At Ta Ar Ak Zo As
          1 2
3 4 5 6 7 8 9
10 11 12 13 14 15 16
17 18 19 20 21 22 23
24 25 26 27 28 29 30
Tahiry
Credits
LifeType IE7 XHTML CSS Firefox