« | »

Lainga avy amin'ny Marina

2011-12-01 @ 21:15 in Andavanandro

  Mba fetsy koa ny mpampita vaovao sasany ka. Ny polisy mahalala fa mirongatra noho ny fanomanana ny fety ny asan-jiolahy amin'izao fotoana izao dia milaza indray ny sasany fa misy manao politika manakarama jiolahim-boto hanakorontanana ny tanàna.

Entina hanendrikendrehana ny hafa ho mpampahory vahoaka tsy mahalala afa-tsy ny fitadiavan-tseza indray ny fampielezam-baovao tahaka izany. Oviana re vao ho tapitra ny fanodikodinana ny saim-bahoaka e? Mandeha zotra tokana manko amin'izao fotoana izao ny filazam-baovao fa tsy misy feon-dakolosy hafa matanjaka dia manararaotra toy ny banga mihomehy alina ny sasany.

Hevitra

tena hita tokoa amin'izao andro fa tena nadro farany araka ny voalazan'ny baiboly ka ilay satana dia mamafy lainga eto amin'izao tontolo izao ka na dia ny mpitondra fivavahana aza dia tafalatsaka @ lainga manaiky ho fitaovan'ilay ratsy satria tsy mitory ny Tenin'Andriamanitra marina noho ny fitiavam-bola ihany koa tafalatsaka @ fanaovana politika izay tsy eken'Andriamanitra (baiboly) velively ka noho izany dia ambarako eto fa tsy tokony hiditra amin'ny resaka politika rehefa mety ho milaza mpitondra fivavahana na iza na iza raha tena Andriamanitra marina no naniraka azy fa raha tsy Izy moa no naniraka azy dia mahazo manao izay tiany hatao izy

Nampidirin'i FĂ©lix @ 20:20, 2012-02-28 [Valio]

-aiza ve koa zazakely no ataony batisa nefa anie fantany tsara fa Jesosy Kristy efa olon-dehibe no nataon'i Jaona batisa
-rano atete indray no anaovany azy nefa ranobe no takin'Andriamanitra satria ny heviteny hoe batisa dia asoka
-amin'ny anaran'i Jesosy Kristy Tompo no tokony hanaovana azy satria no tena anarana ka te hahalala bebe kokoa ny amin'izany dia aleo amin'io mailaka io

Nampidirin'i jean @ 20:27, 2012-02-28 [Valio]

jentilisa

Tsy dia ilaina loatra ny miovaova anarana rehefa milaza hevitra ka! sa Jean Felix no anaranao?

Ny tena kristiana miompana amin'ny fomba fiaina fa tsy dia any amin'ny fombafomba mampisaraka izany; tahaka ny fanaovana ny mariky ny lakroa ankavia vao ankavanana na ankavanana vao ankavia.

Miaina araka ny fomban'Andriamanitra ve ianao? Mitari-dalana anao ve ny Fanahin'Andriamanitra...

Fa raha ny fomba tahaka itony tsy mankaiza loatra fa vaoa maika aza mampihena ny lanja maha-kristiana raha izay no tianao asongadina

Nampidirin'i jentilisa @ 21:04, 2012-02-29 [Valio]
Hampiditra hevitra

E-mail me when comments occur on this article
Momba ahy
jentilisa

Vasoky ny tambajotra sosialy tahaka ny Facebook,Twitter sy ny karazany ny blaogy amin'izao fotoana. Mora miely vetivety ny hevitra sy izay voasoratra amin'ireo sehatra ireo.

Misy lafiny iray anefa tsy ahavoazan'izy ireo mihitsy ny blaogy dia ny fitehirizana.Rehefa karohina ny vontoaty iray dia sarotra hita kokoa ny vokatry ny fitadiavana avy amin'ireo tambajotra sosialy ireo.Izay lafiny izay no tsy maharesy tondromaso ny blaogy satria mora hita kokoa ny vontoatiny rehefa karohina amin'ny alalan'ny mili-pitadiavana.

Momba ny eto manokana indray, tsy hianona intsony amin'ny vaovao eto an-toerana aho fa hisokatra kokoa amin'ny manerantany, na amin'ny sehatra ankapobeny. Hosoratana avokoa na eritreritra sendra nandalo na revin-gadra, na fanehoan-kevitra mety hanafintohina ny mpamaky. Mety ho tezitra ianao amin'izay voasoratra nefa ny hisokafan'ny saina handinika sy hamakafaka ary handanjalanja no tena kinasa ambadiky ny lahatsoratra. Ka mazotoa daholo ary ny hevitra anie no hiady fa tsy isika no hifandramatra!

calendar
« Febroary 2020 »
Ah At Ta Ar Ak Zo As
            1
2 3 4 5 6 7 8
9 10 11 12 13 14 15
16 17 18 19 20 21 22
23 24 25 26 27 28 29
Tahiry
Credits
LifeType IE7 XHTML CSS Firefox