« | »

Andavanandro Mialoha Fety [Sary]

2011-12-13 @ 23:17 in Andavanandro

Hono ho'aho e! tena ilaina ve ny iasan'ny mpitatitra fako amin'ny atoandro miaraka amin'ilay fofona mampihoaka iny?

Hitantsika fa mampiasa traktera mihitsy ny Kaominina hampiakarana ny fako saingy izao: Tsy matetika hitsantsika ve ny fako no atao lafiky ny entana izay matetika ilay ampidirina am-bava tahaka ny hita eto Andravoahangy? Efa tsy mahatsapa ny haratsian'ny loto intsony ve ny mponina?

 

Talata maraina mialoha ny amin'ny fito ora: mbola indreo eny an'arabe ny entana amidy

Izay matetika Sakafo no mihosina eny amin'ny tany, amin'izato plastika izay mety ho efa nivadibadika manitsaka tany no mikasika mivantana amin'ny sakafo indray

 

Ary rehefa misy fiara mijanona eo amorony na anaty arabe dia miditra anatiny kokoa ny mpivarotra ka tery avy hatrany ny lalana. Ny sary rehetra dia nalaina tamin'ny finday tsotra dobla parasy haha

Hevitra

tsy hita Jentl a, miady amin'ny fiainana ny malagasy, on ne vit plus là, on survit !

Nampidirin'i Kdaombaramita @ 15:30, 2011-12-14 [Valio]

Tena ilaina ny fanaitairana ny vahoaka

Tela ilaina ny manamarika ireny fombantsika tsy mitandrina. Ny kely hanana @kdaomaramita no tanjovina sy konokononina ho tsara sy madio. Na mahantra aza isika, ny sakafo manome aina mila madio.

Nampidirin'i Hanta @ 14:52, 2011-12-15 [Valio]

Misaotra Jentilis

Miady amin'ny fiainana tokoa ve sa mionona amin'ny fiainana toy izao sisa ?
Ohatra raha samy mandala ny maha-izy azy na antsipirihiny kely aza isika gasy asa mety hiova ny ho avy ?
Ohatra raha samy mividy vokatry ny tany "made in Madagascar" asa hanao ahoana ?
Ohatra samy mihaino ny tsikeran'i Jentilisa asa mety hadio ?

Nampidirin'i Hanta @ 14:57, 2011-12-15 [Valio]

Misy tolokevitra mety hivoaka izay tena henjana ho antsika malagasy fa tsy mahita vahaolana ankoatra izay anefa aho... mbola hivoaka izay fa andraso aloha

Nampidirin'i jentilisa @ 15:45, 2011-12-15 [Valio]

Lalina tokoa ilay "fahazarana miaina ao anaty loto". Ny azon'ny tsirairay atao dia ny samy manadio sy mampangotraka tsara an'izay sakafo rehetra novidiana alohan'ny hampidirana azy any am-bava. Ny misakafo eny an-kalamanjana dia ezahina fadiana satria aretim-pivalanana sy kankana no ho entiny fa tsy aina hahavelona akory.

Nampidirin'i raprôsy @ 06:58, 2011-12-17 [Valio]

Re: vahaolana ho antsika ...

Tena sarotra sy henjana ny maka fepetra, kanefa dia hionona amin'izao fotsiny ve isika malagasy ?

Nampidirin'i Hanta @ 16:44, 2011-12-17 [Valio]
Hampiditra hevitra

E-mail me when comments occur on this article
Momba ahy
jentilisa

Vasoky ny tambajotra sosialy tahaka ny Facebook,Twitter sy ny karazany ny blaogy amin'izao fotoana. Mora miely vetivety ny hevitra sy izay voasoratra amin'ireo sehatra ireo.

Misy lafiny iray anefa tsy ahavoazan'izy ireo mihitsy ny blaogy dia ny fitehirizana.Rehefa karohina ny vontoaty iray dia sarotra hita kokoa ny vokatry ny fitadiavana avy amin'ireo tambajotra sosialy ireo.Izay lafiny izay no tsy maharesy tondromaso ny blaogy satria mora hita kokoa ny vontoatiny rehefa karohina amin'ny alalan'ny mili-pitadiavana.

Momba ny eto manokana indray, tsy hianona intsony amin'ny vaovao eto an-toerana aho fa hisokatra kokoa amin'ny manerantany, na amin'ny sehatra ankapobeny. Hosoratana avokoa na eritreritra sendra nandalo na revin-gadra, na fanehoan-kevitra mety hanafintohina ny mpamaky. Mety ho tezitra ianao amin'izay voasoratra nefa ny hisokafan'ny saina handinika sy hamakafaka ary handanjalanja no tena kinasa ambadiky ny lahatsoratra. Ka mazotoa daholo ary ny hevitra anie no hiady fa tsy isika no hifandramatra!

calendar
« Jolay 2019 »
Ah At Ta Ar Ak Zo As
  1 2 3 4 5 6
7 8 9 10 11 12 13
14 15 16 17 18 19 20
21 22 23 24 25 26 27
28 29 30 31      
Tahiry
Credits
LifeType IE7 XHTML CSS Firefox