« | »

Ny looks ao ...

2011-12-27 @ 14:39 in Andavanandro

Efa ela no nikasako hanoratana ity lohahevitra iray ity fa izao vao tadidiko. Tsy fantatro na misy na tsia ny sampana mpanara-maso ireny sakafo omena ny olona ireny eto Antananarivo fa hitantara izay nahazo ahy aho. Efa ho herintaona no sambany nidirako tamin'ny looks teo amin'ny toerana iray be mpandeha izay fa dia tsy nisy nitovizana tamin'izay efa nihinanako teny amin'ny toeran-kafa fa tsy tadidiko loatra.

Noho ny fiarahan'ny namana vitsivitsy no mba idirana amin'izy ireny. Rehefa tazanina hatrety ivelany moa ny laoka isan-karazany amin'ireny toerana ireny dia mampilendalenda antsika Malagasy, ny an'ny vahiny tsy fantatro izay fahatsapany, ka raha tsy misy mpitarika tsy nankeny fa nieritreritra manko aho hoe tahaka ny lafo ihany ny tolotra avy amin'izy ireo. Mba heverina ho manana ny lazany ihany koa moa ireny looks (avy amin'ny teny hoe loha-kisoa) ka izay no anoratana izay tsy mety ka mila avoatra.

Dia nihinana ny tena, fa rehefa afaka fotoana fohy taorian'ny nahalaniana ny sakafo dia nanomboka nisalebolebo te-handoa izany amin'izay aho. Ny namana moa niteny hoe sao dia nisy sakafo tsy zaka. Izaho anefa tahaka ny mba tsy mifidy hanina loatra ankoatra ny gisa (na gana) angaha, izany hoe rehefa tena mavesatra vao ho tsy zakako. Avy eo moa dia tahaka ny noana dia noana indray, ka nahatsapana hoe tena be karibonetra izany ny sakafo ao. Resaka tsipalotra vao teo no nahafantarako fa tsy any amin'ny laoka no nasiana izany karibonetra izany fa ao amin'ny vary. Moa ve tsy tahaka ny manapoizina ihany ry zareo ary mamono ny varotra ataony raha fenoina karibonetra io sakafo io?

Nanoratra aho noho fahafantarana fa mba mila fivoaran'ny toe-tsaina indrindra indrindra ny zavatra tahaka izany. Maro ihany manko ny Malagasy no mitondra vahiny eny ka ho henatra raha "tsy mahalevon-kanina" ny olona entina eny, na hoe tsy nahazo fahafaham-po araka izay tokony ho izy. Mahazo mitory ry zareo raha diso izay lazaiko , nefa averiko indray fa zavatra nihatra tamiko no soratako... fa ny fanatsarana no tena tadiaviko, sady asa raha ho tsapan'izy ireo fa hampitombo ny olona ho eny aminy raha tsy asiana ireny zavatra tsy dia mahasoa ny mpihinana ireny ny sakafo atolotr'izy ireo.


Nanoratra aho ka tsy ny looks amin'ny ankapobeny no lazaiko eto fa ao amin'ny toerana iray be mpandeha. Nesorina ny anarana fa mampifamaly... 

Hevitra

hay moa miaraka vidiana amin'ny vary ny looks ? (zany aloha dia mbola isan'ny "must" miandry ahy rehefa mba hody aho indray andro fa bola tsy reko ny tsirony e hihihi)

Fa dia marina aloha io fombantsika tia kely io dia mamono ny tsena iray manontolo amin'ny zavatra bitika dia bitika azo sorohana e..mila ezaka tokoa.

Nampidirin'i ikalamako @ 17:53, 2011-12-28 [Valio]

Nefa aho rehefa manao sakafo mavesatra ho an'ny vavony dia asiako karibonetra na levure kely 2 pincées, cuisinier malaza aty andafy no nanoro io. ohatra ny laisoa, ny tsaramaso, ny voamaina (lentilles) sy ny hena "mafy andrahoina" rehefa tiana ho masaka haingana dia azo atao izany koa, tsy maninona mihitsy. Ka hono ho aho : ianao irery no voan'io t@nareo niaraka nisakafo teny, sao mba zavatra hafa kosa ary ? Ity toerana looks ity ve ilay antsoina koa hoe " zay maika" ?

Nampidirin'i Kdaombaramita @ 20:37, 2011-12-28 [Valio]

Zay Maika indray hafa mihitsy. Fa ny somary manahirana anie tsy ny laisoa na ny tsaramaso na hena no nasiana ilay karibonetra fa vary. Tsy fantaro aloha raha fanaontsika Malagasy ny manisy karibonetra ny vary. Izay izany no tsy eken'ny saiko e!

Nanoratra azy ity aho rehefa nisy olona hafa voa andro hafa ka lasa fay tsy te-hiditra izany looks izany intsony... tahaka ahy! Raha izaho irery no tratrany dia hoy aho hoe malemy kibo aho fa rehefa nisy olona hafa nifampiresaka ary nitaraina ny olana dia izay no nanoratako.

Misy kosa ny looks tena manao azy tsara mihitsy satria fidiram-bola kosa anie io e! fa ilay manaratsy ny varotra no maha-saropiaro ahy satria mba zavatra gasy iray nivoatra vetivety izy io... niala avy tamin'ny ankalamanjana ka lasa manana trano manokana fihinanana nefa tsy mitovy amin'ny restaurant velively

Nampidirin'i jentilisa @ 12:04, 2011-12-29 [Valio]

Alaivo sary hoe ilay looks ry Jent fa tena tsy azoko an-tsaina mihitsy ilay izy. TSy resto ahoana moa izany ? manao ahoana no mety hamaritanao azy ?

Nampidirin'i Kdaombaramita @ 18:45, 2011-12-29 [Valio]

Ny resto dia miavakavaka amin'ny latabatra ny olona fa tsy mbambaray. Raha hotely (gasy) kosa indray dia akaikikaika azy saingy ny an'ny looks dia ao anaty fitaratra toy ny an'ny mpivarotra kafe sy mofogasy ny laoka (ny vary kosa any ambadika any ihany)

Nampidirin'i jentilisa @ 08:07, 2011-12-30 [Valio]

zah isaky ny mandalo Tana dia tsy maintsy mankeny amin look's...mahagaga fa ohatran'ny tiako izany...miaraka amin'ny lasary voatabia asiana sakay...fa tsy maintsy maka ranovola mamay...
Iray vilia dia tonga dia inkina...
mbola tsy narary aloha hatrami'izay...kibo gasy

Nampidirin'i finoanaranoray @ 17:09, 2011-12-30 [Valio]

Ka ilay izy anie tsy hoe izay nlooks gasy fa mba nisy toerana hafa efa nandehanako ihany koa fa ilay tao amin'ity toerana iray tsy lazaina ity no olana tamiko... manimba ny taranja izany e

Nampidirin'i jentilisa @ 20:12, 2011-12-30 [Valio]

Afaka entina mody @ barquette koa ve ilay sakafo @ looks ? dia ohatrinona ny sakafo eny ? Ary raha mahandro vary fontsiny any an-trano dia mividy laoka eny, interessant ve noho ny mahandro ? Sary Jentilisa !!!!!!!!!!

Nampidirin'i Kdaombaramita @ 07:10, 2012-01-11 [Valio]
Hampiditra hevitra

E-mail me when comments occur on this article
Momba ahy
jentilisa

Vasoky ny tambajotra sosialy tahaka ny Facebook,Twitter sy ny karazany ny blaogy amin'izao fotoana. Mora miely vetivety ny hevitra sy izay voasoratra amin'ireo sehatra ireo.

Misy lafiny iray anefa tsy ahavoazan'izy ireo mihitsy ny blaogy dia ny fitehirizana.Rehefa karohina ny vontoaty iray dia sarotra hita kokoa ny vokatry ny fitadiavana avy amin'ireo tambajotra sosialy ireo.Izay lafiny izay no tsy maharesy tondromaso ny blaogy satria mora hita kokoa ny vontoatiny rehefa karohina amin'ny alalan'ny mili-pitadiavana.

Momba ny eto manokana indray, tsy hianona intsony amin'ny vaovao eto an-toerana aho fa hisokatra kokoa amin'ny manerantany, na amin'ny sehatra ankapobeny. Hosoratana avokoa na eritreritra sendra nandalo na revin-gadra, na fanehoan-kevitra mety hanafintohina ny mpamaky. Mety ho tezitra ianao amin'izay voasoratra nefa ny hisokafan'ny saina handinika sy hamakafaka ary handanjalanja no tena kinasa ambadiky ny lahatsoratra. Ka mazotoa daholo ary ny hevitra anie no hiady fa tsy isika no hifandramatra!

calendar
« Oktobra 2019 »
Ah At Ta Ar Ak Zo As
    1 2 3 4 5
6 7 8 9 10 11 12
13 14 15 16 17 18 19
20 21 22 23 24 25 26
27 28 29 30 31    
Tahiry
Credits
LifeType IE7 XHTML CSS Firefox