« | »

Lahatsary 21 janoary 2012 maraina [Nampiana]

2012-01-21 @ 12:30 in Politika

Dia tsy tafody indray izany i Dada, na izany aza dia misy sary omena anareo teo am-piandrasana izany...

#M21112

 

Ny sary hafa rehetra kosa moa dia hitanao ato

Hevitra

Tondrozotran’ny tetezamitan’ny Gasy
Mampisara-kevitra tanteraka

Tsy hita intsony izay hevitra isarangotana raha mbola te-hamaha ny olana eto amin’ny firenena ihany isika. Mizara roa indray farafahakeliny ny hevitra eo am-panatanterahana ilay tondrozotra izay nolazaina tany ampanaovana sonia azy fa hany lala-tokana hahazoana ny fitoniana sy ny fankatoavana iraisam-pirenena, ary indrindra ahafahana manao fifdianana.
Raha ireny fanehoan-kevitry ny filohan’ilay tetezamitan’ny tondrozotra Rajoelina farany teo ireny dia tsy hisy hirika ho amin’ny fanatanterahana ny tondrozotra ho amin’ny ambolongany arak’ izay efa nohazavain’ny Praiminisitra Beriziky. Ny mpanao politika mihitsy no lasa sakana ho amin’ny fizorana amin’ny fampiharana iny tondrozotra iny. Nanjary nihodikodina eo amin-dRajoelina sy Ravalomanana ny resaka ho fanatanterahana azy. Tsy hisy intsony ve ny fibanjinana miaraka ny ho avin’ny firenena iombonana ?
Vondrona hiaro ny tondrozotra
Raha nampiharina araka ny tokony ho izy ny tondrozotra dia efa ela no tokony ho vita, tsy nisy akory ireny fisakanana an-dRavalomanana ireny, tsy niara-nantsoina tany Pretoria indray ny mpanao politka, ary farany : tsy maintsy ho iray ihany ny fehin-kevitra nivoaka tamin’iny dinika farany iny. Ankehitriny dia misy ny mpanao politika miara-mikononkonona ny hanangana vondrona hiaro ny fampiharana ny tondrozotra. Iza sy iza avy indray no hiara hivondrona ao amin’ity vondrona vaovao ity ? Tsy maintsy ireo rehetra mitovy hevitra amin’ilay Praiminisitry ny tondrozotra izay efa naneho ampahibemaso fa ilaina ny fampiharana amin’ny ankapobeny izay efa voasoratra. Eo andanin’izay dia tsy maintsy hisy ny hanohitra io hevitra io ka mbola hidrikina amin’ny isan’andininy, ary ny hiafarany dia hanohitra ny fampiharana izay voasortra. Iza sy iza avy no mety ho ao ambadik’izay ? Ireo rehetra mbola manana fanantenana amin’ny filoha mpitarika ny tetezamita. Ireo mbola mihevitra fa azo entina amin’ny tari-tokana ihany ny firenena. Saingy tsy hanampy azy ireo mihitsy ireo mpitsipaka ny fitsabahan’ny vahiny amin’ny raharahan-Gasy.
Tsy misy elanelam-panahy ?
Ho lany andro ireo rehetra mbola mihevitra fa azo atambatra ho vondrona iray ireo rehetra efa niana-kendry nanao ny sonian’iny tondrozotra iny. Tsy hita izay tena lalan-kivoahana satria nifototra loatra tamin’ny fiarovana tombotsoan’olona ilay fomba nanoratana azy. Noheverina ho lalàna fototra hitondrana ny tetezamita kanefa lalàna misy anaran’olona efa voasoratra mialoha tao anatiny. Anisan’ny antony lehibe tsy hahombiazany mihitsy izany. Nanjary niankina amin’ilay anarana efa voasoratra tao ny fomba fampiharana azy. Nanjary Rajoelina no manapaka ny momba an-dRavalomanana, nanjary Ravalomanana no fototry ny fampihetsehana ny fitsarana na tsia. Resaka sy fandaniam-bola fotsiny ny palemantera sy ny Ceni, ary ilay fampihavanana. Tsy hisy elanelam-panahy azo antenaina raha tondrozotra no foto-dresaka.

Nampidirin'i Ony Rambelo @ 11:51, 2012-01-29 [Valio]

"Efa tara loatra angamba vao nisaina,
he 'ty maso efa jamba ka toa mangaina,
efa tery avokoa ny lalan-kaleha,
... "
(Mahaleo)

Nampidirin'i Kdaombaramita @ 09:11, 2012-02-01 [Valio]

Ny tondro zotra dia karaoty , ny rotsa-kazo sisa no andrasana.

Nampidirin'i mitadynysoa @ 20:43, 2012-02-06 [Valio]
Hampiditra hevitra

E-mail me when comments occur on this article
Momba ahy
jentilisa

Vasoky ny tambajotra sosialy tahaka ny Facebook,Twitter sy ny karazany ny blaogy amin'izao fotoana. Mora miely vetivety ny hevitra sy izay voasoratra amin'ireo sehatra ireo.

Misy lafiny iray anefa tsy ahavoazan'izy ireo mihitsy ny blaogy dia ny fitehirizana.Rehefa karohina ny vontoaty iray dia sarotra hita kokoa ny vokatry ny fitadiavana avy amin'ireo tambajotra sosialy ireo.Izay lafiny izay no tsy maharesy tondromaso ny blaogy satria mora hita kokoa ny vontoatiny rehefa karohina amin'ny alalan'ny mili-pitadiavana.

Momba ny eto manokana indray, tsy hianona intsony amin'ny vaovao eto an-toerana aho fa hisokatra kokoa amin'ny manerantany, na amin'ny sehatra ankapobeny. Hosoratana avokoa na eritreritra sendra nandalo na revin-gadra, na fanehoan-kevitra mety hanafintohina ny mpamaky. Mety ho tezitra ianao amin'izay voasoratra nefa ny hisokafan'ny saina handinika sy hamakafaka ary handanjalanja no tena kinasa ambadiky ny lahatsoratra. Ka mazotoa daholo ary ny hevitra anie no hiady fa tsy isika no hifandramatra!

calendar
« Jolay 2019 »
Ah At Ta Ar Ak Zo As
  1 2 3 4 5 6
7 8 9 10 11 12 13
14 15 16 17 18 19 20
21 22 23 24 25 26 27
28 29 30 31      
Tahiry
Credits
LifeType IE7 XHTML CSS Firefox