« | »

Saritaka hiasa fety?

2015-12-23 @ 10:11 in Ankapobeny

Misaritadritaka ny ato am-piasananay amin'izao fotoana izao. Ny hafa rehetra miomankomana sy somebiseby avokoa amin'ny fikarakarana ny fetin'ny faran'ny taona fa ny ato aminay kosa mikorontandrotana sy feno tebiteby amin'ny hoe hiasa ve krismasy ary hiasa ve taombaovao. Efa mahazatra ny orinasanay ihany ny mampiasa anay rehefa andro fety, indrindra fa ny ao amin'ny departemanta misy anay miasa paska sy alatsinainin'ny paska, pentekôsitra sy alatsinainin'ny pentekôsitra, fetin'ny mpiasa, fiakaran'ny Masina Maria... izany hoe izay andro fety tsy iasana rehetra ho an'ny daholobe nefa andraisan-karama. Ho anay kosa dia toy ny andavanandro ireny fotoana rehetra ireny.

Ny departemanta hafa, maro an'isa tsy miasa ny alahady fa ny anay kosa misokatra tsy misy fitsaharany ny toera-pivarotana sy ny masoivohom-barotra rehetra manerana an'i Madagasikara. Izahay no tsy maintsy mifandamina ka indray mandeha isam-bolana no mahazo alahady fa ny andro hafa kosa no ahazoana solon'alahady iray isan-kerinandro tsy nahazoana fialan-tsasatra alahady. Ny anay manokana dia tsy maintsy mihoatra hatrany, tsy ahazoana tambiny na ariary aza ny 173,33 ora isam-bolana, ka rehefa mitaraina amin'ny fihoaran'ny ora dia mahazo valinteny hoe manaova fônksiônera [mpiasam-panjakana] fa any no misy an'izany. Tsy fantatra intsony hoe ho an'iza tokoa ilay lalàna sosialy fa toa tsy mihatra aminay velively izany. Ary amin'izay ny andro alahady no mafy sy betsaka indrindra ny asa (mariho fa toy ny andro tsotra io aminay "birao" ka tsy ahazoana tambiny na ariary aza satria izay no voalazan'ny fifanarahan'asa).

Hatramin'izay nitsanganan'ny departemantanay izay misokatra isan'andro io dia ny andron'ny krismasy sy ny taombaovao irery ihany no mikatona ny toeram-pivarotana, efa folo taona mahery izao. Taona vitsivitsy ihany koa izao ny departemanta hafa no tsy niasa intsony koa amin'ireo andro ireo. Tamin'ny nitsanganany voalohany tokoa dia niasa tamin'ireo andro ireo rehefa mitontona andro fiasana ny andro fety, nefa ny andro niasana tamin'izany fotoana izany dia ny alakamisy sy ny asabotsy ihany, niampy talata afaka volana vitsivitsy dia niampy zoma taona vitsy taoriana ary alarobia nanaraka avy eo.

Nivadika tampoka ny toe-draharaha tamin'ity taona ity, voatery nofoanana tamin'ny ora farany ny saika hisokafana tamin'ny fetim-pirenena sy tamin'ny andron'ny fifidianana ben'ny tanàna. Taloha tsy nisy fisokafana andro fifidianana mihitsy fa vao kinasa tsy tanteraka kosa tamin'ity taona ity. Ny tato amin'ny orinasanay no fantatro voalohany indrindra nanery ny mpiasa tsy maintsy miasa amin'ny andro fandalovan'ny rivodoza na dia vehivavy aza no maro an'isa tany alohaloha tany. Ary mety ho nahatsikaritra izay monina teto Antananarivo fa tamin'ny fandalovan'ny rivodoza farany teto Antananarivo tamin'ity taona ity dia maromaro ihany koa ny orinasa hafa nanaradia anay tamin'ny fampiasana ny mpiasa hiasa tamin'ireny andro ireny. Tamin'ny fotoana nandalovan'ny rivodoza, izay mpiasa tsy nanaiky ny hamonjy ny toera-piasany nefa mbola mpisolo toerana dia voaroaka tsy misy hatakandro, nahazo sazy kosa ireo efa mpiasa raikitra nandà tsy hiasa.

Ireo andro roa, fetim-pirenena sy fifidianana ben'ny tanàna, ireo no nolazaina ho antony nampiasana ny mpiasa krismasy sy taombaovao tamin'ity indray mitoraka ity. Io fanapahan-kevitra nivoaka ofisialy valo andro alohan'ny krismasy io no niteraka ny saritaka tato am-piasana. Tsy nitombina tamin'izay fety sy fikarakarana azy intsony ny saina fa lany tamin'ny fahakiviana sy ny lonilony. Hany andro saika hiarahana mifaly sy misakafo am-pilaminana miaraka amin'ny ankohonana na/sy ny fianakaviana. Maty tanteraka ny programa. Maro no tsy ho afaka akory hamonjy ny fotoana fiderana maraina any am-piangonana ary efa hariva (amin'ny telo ora) vao ho afaka hisakafo ao an-trano amin'ny olona efa tapi-nihinana, ho an'ny miasa maraina. Ny departemantanay indray, afaka mitondra ny ankohonana any am-piangonana ihany izay tsy voatendry hiandry birao maraina fa tsy maintsy efa mahalany ny sakafo rehetra kosa alohan'ny hiaingana hiasa amin'ny iray folakandro. Efa nolazaina tokoa manko fa tsy maintsy misy olona avokoa ny birao rehetra amin'ireo andro roa efa voalaza ireo.

Setrin'izany dia misy ihany ny valy bontana malemy dia malemy. Misy ireo mitabataba fa tena efa tsy rariny intsony kosa izao toe-javatra izao, tsy manana andro ifaliana intsony ny mpiasa. Efa rava sy simba tanteraka aloha izany fety izany na dia mety hisy aza ny fiovan-javatra amin'ny ora farany. Efa nisy aza ny fitakiana hihaona amin'ny tompon'andraikitra voalohany tompon'ity fanapahan-kevitra ity. Sambany koa tsy nisy resaka mihitsy ny "prime" faran'ny taona hatramin'ny ora anoratana ka mbola mitambesatra manampy trotraka amin'ny tsy faharisihana hiasa mihitsy koa izany. Maro dia maro kosa anefa ny mikombom-bava tanteraka satria ato ihany no fidiram-bola ary aleo miaritra fa rehefa tsy mahatanty mipitika. Ary hitanareo ihany fa sarotra dia sarotra ny toe-javamisy eto Madagasikara, ary hitanareo ihany fa mbola raiki-tapisaka ilay foto-pisainana malagasy manao hoe: "aleo mahazo kely toy izay mandry fotsy, ary aleo maty rahampitso toy izay maty anio."

Efa nisy ihany anefa ireo fitadiavam-pifanarahana toy ny fampitambazana hoe hoheverina ny isian'ny prime rehefa avy miasa krismasy sy taombaovao soa aman-tsara. Nisy ihany anefa ireo niteny hoe tsy fantatra akory izay mety ho sandan'ny prime mety ho azo fa aleonay tsy miasa mihitsy dia tsy mahazo prime toy izay miasa mety ho tsara fitapitaka tamin'ny zavatra tsy voasoratra an-taratasy. Dia nisy ary ny fitsapan-kevitra natao tamin'ny departemanta be mpiasa indrindra sy be indrindra no mahasahy manohitra ity fanapahan-kevitra nialohavana tsahotsaho ity saingy tsy mazava mihitsy ny fandehan'ilay fitsapa-kevitra.


Tantara hafa mihitsy ity fitsapan-kevitra ity satria samy manana ny filazany ny mpiasa nanontaniana na samy manana ny nanontaniana azy. Misy ny milaza fa nanontaniana izy raha afaka miasa na tsia amin'ireo andro ireo. Raha matahotahotra ny ho voaroaka na ho tratran'ny antsojay any aoriana any dia mamaly tsy satry fa mety ho afaka miasa ihany, ireo izay tonga dia mahasahy miteny fa tsy afaka miasa kosa dia mila na omena permission izy amin'io fotoana io... permission andro fety. Misy indray ireo nanontaniana hoe raha afaka miasa dia mitondra ny fitaovana alaina any amin'ny foibe sy ny lakilen'ny kiôska ve? Izany hoe niampy kely indray ilay asa fa mamonjy maka fitaovana any amin'ny foibe aloha vao mamonjy ny toerana iasana raha tonga dia mamonjy ny toerana iasana kosa amin'ny andavanandro.

Hamaranana dia tsy fantatra intsony izay ho tohin'ity resaka ity fa mety ho mazavazava aminao kokoa amin'izay ny dikan'ilay lahatsoratra teo aloha manao hoe "Mivavaha ho anay!" Azoko natao tsara ny nindrana olon-kafa handefa ity lahatsoratra ity saingy aleoko izaho ihany no namoaka azy sao lazaina ho mandainga na tsy mino ilay ampindramina ka tsy ho avoakany ity lahatsoratra lava dia lava loatra ity. Tsy haiko intsony na tokony hirary fety sambatra ho anareo aho na tsia, raha eo amin'ny toerako na toeranay ianareo, fa ny fety tsy maintsy mandalo fa izahay no mety ho malok'endrika. Tsy ho tia tena akory sanatria fa omena anareo ihany ny firariantsoa hifalianareo fa mangataka hatrany izahay manao hoe : "Mivavaha ho anay!"




Jentilisa 23 desambra 2015



Hevitra

hery

Tsy haiko aloha izay voafono ao anatin'ny fifanarahan'asa saingy hitako misy tsy rariny maromaro ihany. Ny olana nefa dia raha mitroatra dia ho voaroaka.
Tahaka ny vehivavy ampijalian'ny vadiny ihany. Misy ny lalàna izay azo ampiasaina saingy ny fidiranao amin'izay safidy izay dia mety hiantoka ny ho avinao. Raha toriana any amin'ny sampan-draharaha mpanara-maso ny asa izy dia mety ho voasazy saingy ianao kosa ho voaroaka. Ny saziny mora efainy amin'ny vola be efa azony, fa ianao avy eo tsy hahita asa.
Sarotra ny fandidiana

Nampidirin'i hery @ 11:15, 2015-12-23 [Valio]

Sarotra tokoa ny fandidiana arka io lazain'i Hery io. Na izany aza, mila olona sahy mijoro sy maneho hevitra tahaka anao vao hisy ny fiovàna. Somary nitsiky sy ravo ihany aho nahita ilay hoe 'permission andro fety'....Lalàna vaovao mifehy ny asa angamba izany

Nampidirin'i avylavitra @ 04:05, 2015-12-24 [Valio]

Tranga iray izao dia nanitrikitrika mihitsy ilay mpiasa fa amin'io fotoana io no atao batisa ny zanany vao nekena ny "permission" dia nosoloina ankizy hafa izy. Lavitry ny tanàna anefa ny toerana iasany ka ankizy hafa no tsy maintsy misolo azy. Tsy misy fiara fitaterana anefa mankany sy avy any rehefa andro fety.

Nampidirin'i jentilisa @ 04:51, 2015-12-24 [Valio]

.Mangoraka tokoa ny fo amam-panahy mamaky ilay lahatsoratra.
Mety tsy mpiray tanindrazana Malagasy ray sy reny angamba ny tompon'ny "fonja" iasanareo aho. Lasa asa fanompoana sy fanandevozana amin'ny endriky ny fitiavana diso tafahoatra noho ny maha-olombelona ny zavatra sy ny vola ny vanin'andro ankehitrio, ka manao ny Andriamanitra Lehibe toy ny tsy misy, sa mety amin'i Allah ny tompon'ny "fonja mamokatra" no mandohalika.
Mahereza daholo fa ny Tompo dia tsy manary izay tena miankina Aminy sy mametraka ny fiainany eo ampelatanany.

Tsy mahatonga anao akory ao amin'ny lisitry ny hahazo ny fanjakan'ny Lanitra io vola be azonao amin'ny fitaka, alaelo sy fanitsakitsahana ny olombelona io.

Nampidirin'i Veryhasina @ 14:45, 2015-12-28 [Valio]
Hampiditra hevitra

E-mail me when comments occur on this article
Momba ahy
jentilisa

Vasoky ny tambajotra sosialy tahaka ny Facebook,Twitter sy ny karazany ny blaogy amin'izao fotoana. Mora miely vetivety ny hevitra sy izay voasoratra amin'ireo sehatra ireo.

Misy lafiny iray anefa tsy ahavoazan'izy ireo mihitsy ny blaogy dia ny fitehirizana.Rehefa karohina ny vontoaty iray dia sarotra hita kokoa ny vokatry ny fitadiavana avy amin'ireo tambajotra sosialy ireo.Izay lafiny izay no tsy maharesy tondromaso ny blaogy satria mora hita kokoa ny vontoatiny rehefa karohina amin'ny alalan'ny mili-pitadiavana.

Momba ny eto manokana indray, tsy hianona intsony amin'ny vaovao eto an-toerana aho fa hisokatra kokoa amin'ny manerantany, na amin'ny sehatra ankapobeny. Hosoratana avokoa na eritreritra sendra nandalo na revin-gadra, na fanehoan-kevitra mety hanafintohina ny mpamaky. Mety ho tezitra ianao amin'izay voasoratra nefa ny hisokafan'ny saina handinika sy hamakafaka ary handanjalanja no tena kinasa ambadiky ny lahatsoratra. Ka mazotoa daholo ary ny hevitra anie no hiady fa tsy isika no hifandramatra!

calendar
« Jiona 2018 »
Ah At Ta Ar Ak Zo As
          1 2
3 4 5 6 7 8 9
10 11 12 13 14 15 16
17 18 19 20 21 22 23
24 25 26 27 28 29 30
Tahiry
Credits
LifeType IE7 XHTML CSS Firefox