« | »

Tanàna kanto? Tsena mendrika? Nofinofy sy revin-gadra?

2016-01-23 @ 21:46 in Toekarena

Zavatra nahaliana ahy hatry ny fahazaza ny politika. Mety hahagaga anao angamba izany teny izany hoe fahazaza nefa dia izay no marina. Tamin'izaho folo taona no efa nentin'ny raiko hanatrika fiantsoan'ny Monima (antoko mpanohitra ao anatin'ny Mandatehezana Miaro ny Tolom-Piavotana) ny vahoakan'Antananarivo tao amin'ny Coum 67ha. Tamin'izany fotoana izany no nahalany depiote teto Antananarivo an'i Monja Jaona, izay indrisy moa fa nanenjika Merina taty aoriana. Antananarivo hany mijoro eo anatrehan'ny fitondrana foibe tamin'izany fotoana izany. Ilazako aminao izany fa novolavolaina tao anatin'ny fikatrohana politika ivelan'ny antoko politika aho ary efa nanana ny hevitro manokana ihany koa. Dia marihina eto fa hatramin'izay ka hatramin'izao aho dia tsy mbola nisoratra anarana tamin'ny antoko politika na fikambanana politika na iza na iza. Tsy adinoina ihany koa ny nitondrana ahy teny amin'ny Catalanes, nefa tsy azo itondrana zaza hoe ny famangiana manjò eo amin'ny fomba malagasy, tamin'ny nahafatesan'ny kolonely Ratsimandrava filoham-panjakana tamin'izany fotoana izany... Vao efa-taona monja aho tamin'izany fotoana izany.

Henjana dia henjana sy tsy mbola zakan'ny besinimaro amin'izao fotoana izao ny fihevitra sy fomba fiasa ara-politikako raha izay no azo ilazana azy. Tsy misy mahafapo ahy ihany koa ireo antoko politika rehetra misy eto Madagasikara amin'izao fotoana izao fa izay manakaiky indrindra amin'ny fototra na firehan-kevitro no nofidiako na be aza ny tsy itovizako amin-dry zareo. Raha heverina tsotra dia manana firehana henja-piheverana aho, revolisionera fa tsy mpisolelaka mamitaka mpitondra fanjakana. Tsy hisy hanaiky izany hoe esorina eto Antananarivo renivohitra ny tsena ankalamanjana rehetra izany, na isa-potoana iray ao anatin'ny herinandro aza, nefa dia izay no tadiaviko (ohatra ny tsena alakamisy eo Mahamasina).

Raha amin'ny zavamisy eto Antananarivo dia ataoko fa efa miharihary aminao ny fanohanako ny asam-panadiovana amin'izao fotoana izao. Sarotra dia sarotra io sady mandeha ambony hoditr'akondro ihany koa. Ny nandrafetana ny tanàna mihitsy no olana fototra ary amiko, ohatra, dia tokony nosaziana, na iza na iza, izay nanome alalana tamin'ny fananganana ireo trano fivarotana eo Behoririka amin'ilay antsoina hoe Gauloise taloha eo. Ety dia ety loatra ny lalan'ny mpandeha an-tongotra, na navela hanao ny danin'ny kibony ny nanangana ny trano. Tokony nohalalahana ny lalana na ho an'ny fiara na ho an'ny mpandeha an-tongotra. Tsy tokony ho fiatoana fa fijanonan'ny fiara fitateram-bahoaka ihany koa eo.

Ireo tsena namboarina rehetra teto Antananarivo ihany koa, amiko dia tsy misy mety fa toy ny manenjika hampiditra isan'olona amin'ny toerana kely velarana, manome vahana ny mpangaro-paosy avokoa. Rafitra toy ny mitaiza ny olona hirona amin'ny kivarobarotra fa tsy mametraka ilay olona ho tena mpivarotra mandoa ny patanty sy ireo hetra sy haba rehetra tokony aloa fa tsy mihevi-tena ho madinika tsy mahaloa izany hetra izany. Tsy mety ihany koa ny toe-tsain'ny mpivarotra mamela ny hafa hivarobarotra eo anoloan'ny fandraharahana ataony, izay miteraka fibahambahanana avokoa, mety hahatezitra anao angamba izany fa hoe tsy misy fitserana ny mahaolona mihitsy ve? Amiko dia misy sandany izany fipetrahana sy fiasana eto amin'ny renivohitra izany. Fa raha ny fampidiran-ketra eto Antananarivo aza tsy voafehy dia ahoana ny ifehezana ny fampidiran-ketra manerana an'i Madagasikara? Tsy mahagaga raha manjaka ny kolikoly. Ny endrika tsena ho an'ny daholobe misy eto Antananarivo manakaiky indrindra amin'izay heveriko dia io Pavillons Analakely io, nefa io aza mbola tery loatra ny lalan'ny mpiantsena fa tokony hahatafiditra fiara na dia tsy azon'ny fiara aleha aza, izany hoe amin'ny ankapobeny dia lalana manana sakany efatra metatra raha kely indrindra fa ahafahan'ny fiarabe mpanadio tsena amin'ny alalan'ny fanasana azy amin'ny rano izany. Tokony hanintona olona indrindra ihany koa, tahaka ny taloha ny endrika tsena feno arcades na karazana lalana sy vavahadin-tsena iray mananan karazan'entana manokana amidy.

Arcades natao ho lalan'ny mpandeha an-tongotra irery ihany, tsy azon'ny fitaovana rehetra misy kodiarana andehanana afa-tsy amin'ny sasakalina ka hatramin'ny efatra maraina, fotoana ampidirana ny entana amidy ao an-tsena, soritana fa tafiditra amin'ny fampidirana na famoahana entana eto ihany koa ny fanadiovana sy fanangonana ny fako aterak'izany famindran'entana izany. Voafaritra ao anatin'ny fitaovana misy kodiarana avokoa ireo mandeha motera na voizin-tongotra na voizin-tanana, na apetaka amin'ny kiraro, fa ny hany karazana fitaovana misy kodiarana tokana azo entina dia ireo fitaovan'ny tsena, atosi-tanana, itondran'ny mpiantsena ny entany raisina sy ajanona eo am-bavahady efa misy itoerany manokana. Ireny ihany koa no itondran'ny mpivarotra ny entana amidiny rehefa tsy nahatratra ny ora fampidiran'entambarotra izy. Ny mpivarotra rehetra dia manana velaram-pivarotana sivy metatra tora-droa raha kely indrindra, tsy misy mpivarotra entana mijorojoro an-dalan'ny miantsena miaraka amin'ny zavatra amidiny fa heverina avy hatrany ho mpijirika sy jiolahy izay manao izany ka omena sazy henjana dia henjana. Ny tsena dia misokatra manomboka amin'ny dimy sy sasany maraina - izany dia noho ny sakafo maraina indrindra indrindra - ary ny fikatonan'ny tsena aloha indrindra azo ekena ankoatra ny fotoana manokana dia amin'ny valo ora alina, ny fisokafana farany azo ekena kosa dia amin'ny sivy sy sasany maraina. Azon'ny hafa atao kosa ny mivarotra hatramin'ny sasakalina. Fanadiovana faobe ny tsena ataon'ny mpitantana kosa manomboka amin'ny telo ka hatramin'ny dimy maraina, fandraofana ireo fako nangonin'ny mpivarotra tamin'ny fampidirana entana sy fanasana ny tsena iray manontolo.

Tsy azo leferina ny halatra sy ny fandrobana, ny fanendahana sy ny haro-paosy ao an-tsena ka hatramin'ny 50 metatra manodidina ny tsena fa heverina ho fananihana lapam-panjakana ahazoana ny sazy ambony indrindra, tahaka ny tamin'ny andron'ny Ombalahibemaso. Tsotra ny antony: iankinan'ny ain'ny mpiantsena sy ny mpivarotra, ny aim-bahoaka sy ny fandraharahana ary ny toekarena iray manontolo ny tsena ka miteraka fatiantoka goavana na ho an'ny tsirairay na ho an'ny tanàna sy ny firenena ny fanohintohinana ny fampandehanana ny tsena. Amin'ireo fitantarana sy fanazavana rehetra ireo dia sainina fa tsy kivarobarotra no atao fa tena fandraharahana mihitsy, tsy asan'olon-tokana fa olona maro mifandimby sy mifampita raharaha, tsy maintsy misy ny famoronan'asa. Efa lava loatra sahady nefa zavatra hafa mihitsy no saiky hosoratana fa dia tsakotsakoy aloha izay!


Jentilisa 23 janoary 2016

  

Hevitra

Soso-kevitra feno fahendrena ireo, asa raha mba vakian'ireo tompon'andraikitra?
Mila fahasahiana be fa isika Malagasy manko efa zatra ny hitsin-dalan-dririnina, ao ilay fiheverana fa rehefa "opposants" dia tsy maintsy mitsipaka izay hevitra rehetra na dia mibaribary aza fa mahasoa.
Maro ny tany nolalovako fa ny tsena dia tapak'andro ihany, na maraina hatramin'ny 1 ora, na tolak'andro hatramin'ny 7. Ny tsena alina indraindray dia tena efa voatokana mihitsy natao hanintonana ny mpitsidika hanindraindràna ny vokatra avy ao amin'ny tanàna na faritra iray.
Ka raha tontolo andro no ivarotana dia tena fitandroana ny mpivarotra mihitsy izany. Nefa raha tena mpivarotra anana, voankazo ohatra dia matetika ny maraina dia efa lafo ny entana. Mahatadidy aho fa taloha teo Analakely dia mahalana ny mpivarotra na olon-kafa mihitsy no mivarotra rehefa hariva. Angamba azo atao koa ny mizara ny toeram-pivarotana : maraina sy hariva (hetra samihafa miditra ny kitappom-bolan'ny CUA).
Fa ilay fanarahan-dalàna re no tena ilaintsika mianakavy e.
Ialana tsiny ny diso tsipelina fa mba niezaka manoratra teny gasy.

Nampidirin'i RAKOTO @ 15:31, 2016-01-25 [Valio]

Tena azo heverina tokoa io hoe mifandimby toerana io nefa tsy tao anatin'ny vinako mihitsy. Mila eritreretina tsy tsakotsakoina. Ataoko fa takatrao tokoa ilay tiako apetraka amin'ny tsena: hampiderana amin'ny mpizaha tany ny toerana, izay no hikarakarana tsara ny toerana mba ho rehareha, sady tena porofo fa nanana rafitra ara-toekarena ihany koa ny Malagasy talohan'ny fanjanahantany. Tamin'izany aza dia ny maraina tokoa dia mety ho efa lafo daholo ny entana.

Nampidirin'i jentilisa @ 19:37, 2016-01-25 [Valio]

..............ampiana kely ilay titre hoe : "toe-tsaina mirindra"
Mbola tsy namaky ilay lahatsoratra aho an, any an-trano fa tsy azo atao ny milalotra eto ampiasana.

Nampidirin'i Kdaombaramita @ 12:16, 2016-02-18 [Valio]

Hampiditra hevitra

Momba ahy
jentilisa

Vasoky ny tambajotra sosialy tahaka ny Facebook,Twitter sy ny karazany ny blaogy amin'izao fotoana. Mora miely vetivety ny hevitra sy izay voasoratra amin'ireo sehatra ireo.

Misy lafiny iray anefa tsy ahavoazan'izy ireo mihitsy ny blaogy dia ny fitehirizana.Rehefa karohina ny vontoaty iray dia sarotra hita kokoa ny vokatry ny fitadiavana avy amin'ireo tambajotra sosialy ireo.Izay lafiny izay no tsy maharesy tondromaso ny blaogy satria mora hita kokoa ny vontoatiny rehefa karohina amin'ny alalan'ny mili-pitadiavana.

Momba ny eto manokana indray, tsy hianona intsony amin'ny vaovao eto an-toerana aho fa hisokatra kokoa amin'ny manerantany, na amin'ny sehatra ankapobeny. Hosoratana avokoa na eritreritra sendra nandalo na revin-gadra, na fanehoan-kevitra mety hanafintohina ny mpamaky. Mety ho tezitra ianao amin'izay voasoratra nefa ny hisokafan'ny saina handinika sy hamakafaka ary handanjalanja no tena kinasa ambadiky ny lahatsoratra. Ka mazotoa daholo ary ny hevitra anie no hiady fa tsy isika no hifandramatra!

calendar
« Jolay 2017 »
Ah At Ta Ar Ak Zo As
            1
2 3 4 5 6 7 8
9 10 11 12 13 14 15
16 17 18 19 20 21 22
23 24 25 26 27 28 29
30 31          
Tahiry
Credits
LifeType IE7 XHTML CSS Firefox