« | »

Ny tantaran'ny fetin'ny lainga na ny "poisson d'avril"

2017-03-28 @ 16:30 in Ankapobeny

Tsy dia mazava loatra ny nahatonga ity fety ity ka tombatombana avokoa ny zava-drehetra. Tombana iray no soratako etoana. Teo aloha, tany Eoropa, dia maro ireo tanandehibe nankalaza ny taombaovao ny 1 marsa na 25 marsa na 1 avrily. Tamin'ny taona 1564 no nanapahan'ny mpanjaka frantsay Charles IX fa manomboka io taona io dia 1 janoary indray no ankalazana ny taombaovao fa tsy andro hafa voatonona etsy ambony intsony. Nodidian'ny Papa Grégoire XIII hampiharina amin'ny tontolo kristiana rehetra izany tamin'ny taona 1582.

Maro no sahirana tamin'io fanovana andro taombaovao ka nanohy nankalaza ilay "taombaovao taloha". Tombana iray tao anatin'ny maro ihany io nolazaiko io... Fa raha mahamarika ianareo dia efa nanomboka niala tamin'ny vanim-potoana antenantenany i Eoropa ka niditra tamin'ny vanim-potoana maoderina.

Koa raha miverina eto Madagasikara aho dia lasan'eritreritra hoe... sao hiverina amin'ny vanim-potoana antenantenany isika ary hiala amin'ny vanim-potoana maoderina. Fa resaka tsy misy dikany izany ry zareo fa ankalazao ny fetinareo a! Mirary soa!

Hevitra

Fanamarihana tany amin'ny fanehoan-kevitra any an-kafa

Voasoratra mazava tsara eto fa an'ny Papa Gregoire XIII ny fanisan'andro arahintsika amin'izao fotoana izao ary tamin'ny taona 1582 izany, mariho ary fa ny Mpanjaka frantsay Charles IX no nandidy ny hametrahana voalohany ny taombaovao ho 1 janoary tamin'ny taona 1582 fa tsy ho 1 marsa na 25 marsa na 1 avrily na amin'ny tsinan'ny volana marsa-avrily araka izay tian'ny tanàna tsirairay any amin'ny ilabolantany avaratra intsony. Hitan'ny Papa Gregoire XIII fa tsara ny mampitovy ny taombaovao ho an'ny tontolo kristiana rehetra fa tsy manao izay samy manana ny azy toy ny teo aloha ka noraisiny sy nodidiany hampiharina amin'ny tontolo kristiana ny hanombohana ny taona ho janoary fa tsy marsa intsony.

Jereo tsara ny fanisanandro Latina izay arahintsika rehetra amin'izao fotoana izao: Jolay volan'i Joliana Kaisara, Aogositra volan'i Aogosto Kaisara, Septambra avy amin'ny teny hoe "Sept" na volana fahatifo, Oktobra avy amin'ny Octavio azo adika ihany koa hoe valo, novambra avy amin'ny "neuf" na sivy izany hoe volana fahasivy, Desambra avy amin'ny teny hoe "dix" na volana fahafolo. Tokony ho volana faha-11 ny janoary fa efa nomena ny anaran'i Janus, ary ny febroary dia avy amin'ny teny latina hoe februarius niainga avy amin'ny matoateny hoe februare midika hoe "purifier" na manadio [jereo ny wikipedia février azafady].

Ny mahavariana dia izao, dradradradraina hoe alohan'ny handraisana ny taombaovao dia manadio isika, efa tafiditra ao anatin'ny fanisan'andro romanina tsara fa manomboka ny 15 febroary ny "fanadiovana". Dia indro Ra-malagasy fa hoe midio isika ary marsa-avrily ny Taombaovaontsika... Sao dia hevi-bahiny avy any amin'ny ilabolantany avaratra no terena hotanterahintsika fa vao maika tsy mety amintsika izany ry zareo?

Nampidirin'i jentilisa @ 21:03, 2017-03-28 [Valio]

Hampiditra hevitra

Momba ahy
jentilisa

Vasoky ny tambajotra sosialy tahaka ny Facebook,Twitter sy ny karazany ny blaogy amin'izao fotoana. Mora miely vetivety ny hevitra sy izay voasoratra amin'ireo sehatra ireo.

Misy lafiny iray anefa tsy ahavoazan'izy ireo mihitsy ny blaogy dia ny fitehirizana.Rehefa karohina ny vontoaty iray dia sarotra hita kokoa ny vokatry ny fitadiavana avy amin'ireo tambajotra sosialy ireo.Izay lafiny izay no tsy maharesy tondromaso ny blaogy satria mora hita kokoa ny vontoatiny rehefa karohina amin'ny alalan'ny mili-pitadiavana.

Momba ny eto manokana indray, tsy hianona intsony amin'ny vaovao eto an-toerana aho fa hisokatra kokoa amin'ny manerantany, na amin'ny sehatra ankapobeny. Hosoratana avokoa na eritreritra sendra nandalo na revin-gadra, na fanehoan-kevitra mety hanafintohina ny mpamaky. Mety ho tezitra ianao amin'izay voasoratra nefa ny hisokafan'ny saina handinika sy hamakafaka ary handanjalanja no tena kinasa ambadiky ny lahatsoratra. Ka mazotoa daholo ary ny hevitra anie no hiady fa tsy isika no hifandramatra!

calendar
« Septambra 2017 »
Ah At Ta Ar Ak Zo As
          1 2
3 4 5 6 7 8 9
10 11 12 13 14 15 16
17 18 19 20 21 22 23
24 25 26 27 28 29 30
Tahiry
Credits
LifeType IE7 XHTML CSS Firefox