« | »

Mazava ny antom-panakanana ny "écran genant"

2019-01-10 @ 18:52 in Politika

Efa re sy hitan'ny besinimaro ny vokatra navoakan'ny HCC fa mitovy tsara amin'ny isanjato navoakan'ny CENI ihany na dia tsy mitovy aza ny isan'ny vato nolazaina. Efa re sy hitan'ny besinimaro fa Rajoelina Andry Nirina no natao nandresy ary efa niarahaba azy tamin'ny alalan'ny Fair-Play ny resy tamin'io fotoana io dia ny Filoha teo aloha Ravalomanana Marc. 
Mariho tsara fa hatramin'ny voalohany ka hatramin'ny farany Atoa Ravalomanana Marc sy ny mpanohana azy no nitazona izany Fair-Play izany araka izay azony natao ary ny fijeriko kosa no milaza fa tsy nanao izany hatramin'ny voalohany kosa ny kandidà nandresy fa nikiribiby hatrany amin'ny filazana fa "tsy maintsy izy no mandresy". Midika izany amin'ny mpanoratra fa tsy maintsy atao mandresy amin'ny fomba rehetra ilay mpifaninana, na dia tsy mety na tsy mendrika aza ny nanaovana izany. 


Ohatra niharihary indrindra, ny bileta tsy nahitana laharana no midika fa efa ela no nanomanana ilay hosoka ary hatrany anivon'ny CENI, tamin'ny fandrafetana ny endriky ny biletà, no nanaovana izany. Tsy vitavitaina fotsiny ho fanadinoana io toe-javatra io na hoe manjary "tsy secret" intsony ny safidy fa efa miharihary tamin'ireo mpitaky ny marina ny tanjona tao ambadika. Nihazakazahana navoaka ny valim-pifidianana na dia tsy mazava tamin'ny mpanara-baovao aza hoe avy aiza daholo ireo safidy nampidirina ireo. Fihazakazahana fampandresena ny lah-13 no natao ary tsy nasiana fihatsarambelatsihy mihitsy, nisy aza sary nahitana ny filohan'ny CENI niara-nampakatra vera tamin'ny kandidà nampandreseny rehefa navoaka ilay vokatra vonjimaika.


Dingana faharoa sady farany avy eo ny fanakanana araka izay azo atao ny famoahana ho hitam-bahoaka (etsy amin'ny kianjan'ny 13 mey) ireo hosoka sy halatra natao tany amin'ny faritany, indrindra ny tany amin'ireo faritra lavitra andriana izay nahazoana tombom-bato 600.000 mahery avy amin'ny biraom-pifidianana miisa 5452 (lasa tsy tadidiko tampoka fa mety ho 5254 ilay izy) ho an'ny mpandresy tamin'ny taham-pandraisana anjara mihoatra noho ny isan'ny mpifidy nisoratra anarana aza indraindray. Ny elanelam-bato manodidina ny 110 ka hatramin'ny 115 tamin'ireo biraom-pifidianana manokana ireo dia efa ahazoana io isa 600.000 io. Ny tsy amoahana ireo porofo ho hitan'ny besinimaro ka manjary manelingelina ny famoahan'ny HCC ilay fampandresena hitsindalana no antony nanakanana araka izay tratra ilay tolona mitaky ny fahamarinam-bato ary nitsipahana ireo fitoriana rehetra sy ireo fangatahana fanafoanam-bato rehetra. Efa tetika maty paika voaomana hatry ny ela sady goavana ka tsy tratran'ny lalàna intsony fa dia toy ny azo atao ho ara-dalàna, satria eo amin'ny fifidianana dia izay avoakan'ny fitsarana ihany no marina... 


Tsy maintsy nanao dia miantsoro-mianoatra kely isika, hitodika kely tany amin'ny talohan'ny valim-pifidianana ofisialy mialoha ny mety amoahako ireo fihetsem-poko tany amin'ny media sosialy ho tsiaron'ny tantara amin'izay hevitry ny "nanohana ny  resy".

Hevitra

Indrisy fa nanome rariny ho an'ny mpanakana ny "Fafana (manahirana) be" ny famoahana sarina mpanao gazety teo amin'io fafana io, sy nanondroana izany mpanao gazety izany ho mitanila. Amin'ny saina tsy miangatra kosa, iny fihetsika anankiray iny dia afaka ilazana fa fikasana hamboly korontana eto amin'ny tany sy ny firenena ny fampiasana ilay fafana, ary izay no tena tanjona fa tsy ny hamoaka ny hosoka loatra.

Faharoa, ny Filoha Ravalomanana dia tsy nanao fanambarana loatra tao anatin'ireny "tolona" ireny, sady tsy tonga teny an-kianja, fa ireo mersenera politika izay tavan'olona mahay mampiasa vava sy mpivadika palitao ny ankamaroany, no hita nitarika teny.
Fahatelo, izaho aloha tsy teny an-kianja, fa ny tamin'ny sary hitako dia vitsy ny mpanao fihetsiketsehana tonga teny an-kianja, ary mahery fihetsika ny sasany, sahala amin'ny hoe tovolahy voakarama hanakorontana aza.

Raha ny fijeriko miezaka ny tsy hitanila, dia izao : resy mazava ny Filoha Ravalomanana, ary mahalala ny tarehimarika tena marina izy. Tsy avy aminy ny fanapahan-kevitra hidina kianja saingy navelany hatao ihany izany sao izay no sitrapon'Andriamanitra. Mety hoe tsy 530.000 ny elanelam-bato raha diovina ireo valiny mampiahiahy rehetra, saingy tsy hifamadika ihany koa anefa izany. Milaza mitaky ny fahamarinana ny K25, kanefa mamoaka tarehimarika tsy araky ny fahamarinana (ilay milaza fa hoe 53% hono ny vato azon'ny 25). Raha io 600.000 ezahin'ireo K25 hoenjehina io aza no esorina amin'ny vaton'ny 13, dia mbola hanodidina ny 51,30% farafahabetsany ny salanisan'ny 25.
Mazava fa noezahina nokarohina izay fomba hilazana fa mihoatra ny 530.000 ny vato azon'ny 13 amin'ny tsy ara-drariny. Saingy izay olona miezaka ny tsy ho fanatika dia miaiky fa tsy ho voazavan'izay lazaina ho hala-bato io elanelanisa io.

Lazaina fa hoe tsy mangarahara hoe avy aiza ny vokatra ... Ny valim-pifidianana rehetra teto Madagasikara hatramin'ny tetezamita no mankaty dia mivoaka malalaka, hita ao amin'ny site web an'ny CENI sy ny HCC. Nanana 5 taona ny ekipa Ravalomanana nikarohana hoe aiza no faritra ahiana ho misy hosoka, ary nandray ny fepetra hisakanana ny mety ho hosoka, saingy toa niniana tsy nandraisana fepetra izany hahafahana mampiasa porofo aty aoriana hoe nisy ilay hosoka. Raha mampitaha ny vokatra tamin'ny 2013 sy 2018 ianao amin'ny ankamaroan'ireo birao mampiahiahy ireo, dia hahita fa mitovitovy ihany ny tahan'ny fandraisana anjara sy ny vato azon'ny andaniny sy ankilany. Mbola tsara toerana eo anivon'ny FJKM ny Filoha Ravalomanana. Afaka nampiasa ny mpino tao aminy ho mpanara-maso fifidianana ny FJKM, mba hisian'ny fifidianana mangarahara, saingy tsy nanao izany.

I Prezida Ravalomanana, amiko, manaiky izay fahareseny izay, ary tena amin'ny fo madio no anehoany izay fanekena izany. Ny mpanohana no tsy mahatanty resy.

Te hampiverina ny resatsika mirahalahy aho, tamin'ny mbola tsy nanomboka ny fihodinana voalohany. Hoy aho hoe nahay nifidy ny mpanohana tsara ny Prezidà Rajoelina (Siteny, tsy filatsahan'i Hajo, ...). Hoy ianao hoe misy koa ny mpanohana mampihena vato fa tsy mampitombo. Marina izany, ary anisan'ireny ireo mersenera sasany izay milaza ho manohana ny 25 kanefa ny toetra, ny fihetsika aseho, ny vava avoaka dia mikolokolo an'ilay sary hoe mpanambany olona ny 25 mianakavy.

Koa rehefa manitrikitrika ianao hoe "natao lany ny 13", dia disoiko kosa izany. Izy no lany, nofidian'ny maro an'isa.

Nampidirin'i DotMG @ 08:52, 2019-01-11 [Valio]
Hampiditra hevitra

E-mail me when comments occur on this article
Momba ahy
jentilisa

Vasoky ny tambajotra sosialy tahaka ny Facebook,Twitter sy ny karazany ny blaogy amin'izao fotoana. Mora miely vetivety ny hevitra sy izay voasoratra amin'ireo sehatra ireo.

Misy lafiny iray anefa tsy ahavoazan'izy ireo mihitsy ny blaogy dia ny fitehirizana.Rehefa karohina ny vontoaty iray dia sarotra hita kokoa ny vokatry ny fitadiavana avy amin'ireo tambajotra sosialy ireo.Izay lafiny izay no tsy maharesy tondromaso ny blaogy satria mora hita kokoa ny vontoatiny rehefa karohina amin'ny alalan'ny mili-pitadiavana.

Momba ny eto manokana indray, tsy hianona intsony amin'ny vaovao eto an-toerana aho fa hisokatra kokoa amin'ny manerantany, na amin'ny sehatra ankapobeny. Hosoratana avokoa na eritreritra sendra nandalo na revin-gadra, na fanehoan-kevitra mety hanafintohina ny mpamaky. Mety ho tezitra ianao amin'izay voasoratra nefa ny hisokafan'ny saina handinika sy hamakafaka ary handanjalanja no tena kinasa ambadiky ny lahatsoratra. Ka mazotoa daholo ary ny hevitra anie no hiady fa tsy isika no hifandramatra!

calendar
« Aogositra 2019 »
Ah At Ta Ar Ak Zo As
        1 2 3
4 5 6 7 8 9 10
11 12 13 14 15 16 17
18 19 20 21 22 23 24
25 26 27 28 29 30 31
Tahiry
Credits
LifeType IE7 XHTML CSS Firefox