« | »

Krizin'ny menaka!

2019-08-26 @ 16:46 in Toekarena

Efa tsy dia tia manara-baovao loatra fa toa resaka fifanilihana sy fifampiangana ankolaka no mameno izany. Izay no tsy dia nampazoto nanoratra loatra. Saingy tsy maintsy mangidihidy ny tanana rehefa misy ny toe-javatra tahaka izao.


Vao tamin'ny herinandro aho tao SabNam no mbola nahita menaka (amin'ny bidon mavo) eny amin'ny mpamongady, fa tsy nahita intsony aho androany maraina raha saika hividy. Toerana iray no hany nisy tao fa amin'ny vidiny nitombo 19,5% ka hatramin'ny 22% noho ny amin'ny vidiny nahazatra izany (arakaraka  ny mpamongady mahazatra anao).


Vao haingana dia haingana no nisy fitarainana an-gazety amin'ny fandotoana ataon'ny orinasa mpanodina menaka iray ao Toamasina ao, saingy orinasa hafa vao nijoro tamin'ity taona ity indray no nahazo didy hitsivolana hakatona... satria, hono, Ravalomanana ihany no olona ao ambadik'ity orinasa vaovao ity. Tsy haiko izay fahamarinany fa mihevitra izany ho fisintonana lakolosy aho satria orinasa an'ny milaza tena ho Malagasy saingy tsy mbola eken'ny maro ho Malagasy noho ny tsy fanekeny hifanambady ara-dalàna amin'ny Malagasy hafa no lazaina ho tompon'ilay orinasa nanaovana fitarainana.


Dia misy izany ny manararaotra ny toe-javatra, satria ilay orinasa nanaovana fitarainana no manana ny ampahany be amin'ilay tsenan'ny menaka amin'ny bidon mavo raha aty amin'ny faritra misy anay. Mety ho avy ihany koa ny tsahotsaho izay tsy marina fanaon'ny te-hanatsafa fa mety nandoa vola tany amin'ny tompon'andraikitra ambony tany hanakatonana ny orinasan'ilay gasy kely ny tompon'ilay orinasa iray dia mamerim-bola izy ka alentika kely aloha ny menaka hitomboan'ny vidiny, fa tombatombana any amin'ny tsy izy izany. 


Ny hany marina aloha dia tsy misy ny menaka, mipenimpenina daholo ireo mpividy amin'ny atsinjarany fa tsy mahazaka vidin'ny iray tavoahangy.  Taorian'ny krizin'ny arina izany dia menaka indray no bizina ahazoana vola haingana eto amin'ny tanàna.

 

 

Hevitra

Hampiditra hevitra

E-mail me when comments occur on this article
Momba ahy
jentilisa

Vasoky ny tambajotra sosialy tahaka ny Facebook,Twitter sy ny karazany ny blaogy amin'izao fotoana. Mora miely vetivety ny hevitra sy izay voasoratra amin'ireo sehatra ireo.

Misy lafiny iray anefa tsy ahavoazan'izy ireo mihitsy ny blaogy dia ny fitehirizana.Rehefa karohina ny vontoaty iray dia sarotra hita kokoa ny vokatry ny fitadiavana avy amin'ireo tambajotra sosialy ireo.Izay lafiny izay no tsy maharesy tondromaso ny blaogy satria mora hita kokoa ny vontoatiny rehefa karohina amin'ny alalan'ny mili-pitadiavana.

Momba ny eto manokana indray, tsy hianona intsony amin'ny vaovao eto an-toerana aho fa hisokatra kokoa amin'ny manerantany, na amin'ny sehatra ankapobeny. Hosoratana avokoa na eritreritra sendra nandalo na revin-gadra, na fanehoan-kevitra mety hanafintohina ny mpamaky. Mety ho tezitra ianao amin'izay voasoratra nefa ny hisokafan'ny saina handinika sy hamakafaka ary handanjalanja no tena kinasa ambadiky ny lahatsoratra. Ka mazotoa daholo ary ny hevitra anie no hiady fa tsy isika no hifandramatra!

calendar
« Jiona 2023 »
Ah At Ta Ar Ak Zo As
        1 2 3
4 5 6 7 8 9 10
11 12 13 14 15 16 17
18 19 20 21 22 23 24
25 26 27 28 29 30  
Tahiry
Credits
LifeType IE7 XHTML CSS Firefox