« | »

Coronavirus: Lasa natao soavalin'i Troie, tafiditra an'i Madagasikara

2020-03-20 @ 21:41 in Ankapobeny

Daty tafiditra ao anatin'ny tantaran'i Madagasikara indray ny 20 marsa 2020, (20 anankitelo). Izay manko vao nambara tamin'ny fomba ofisialy ny nahatafiditra ny Coronavirus teto Madagasikara ary vehivavy anankitelo mbola salama jerena no mitondra izany. Vehivavy 41 taona, vehivavy 19 taona ary vehivavy 45 taona. Toeram-piaingana iray na hoe mitovy fa lalana anankitelo no nidirany teto Madagasikara na dia samy avy amin'ny voromby avokoa aza izany. Ny voalohany niditra tamin'ny 17 marsa 2020 tamin'ny alalan'ny sidina Air France, oadray, nitovy daty tamin'ny nampiongana ilay rangahy iry! Ny faharoa niditra teto Madagasikara tamin'ny 18 marsa 2020, niainga tany Frantsa fa nandalo tao amin'ny nosy Maorisy, vao nentin'ny sidina Air Mauritius ho eto Madagasikara. Ary ny fahatelo kosa tamin'ny 19 marsa 2020 avy amin'ny sidina Air Madagascar... Raha araka ny nambaran'ny Filohan'i Madagasikara.


Voamarika avy amin'izany fa tamin'ity herinandro ity daholo ireo olona ireo no niditra an'i Madagasikara, izany hoe tao anatin'ny fotoana efa nisian'ny fanapahan-kevitra hanidy sisintany fa ny andro no nandrasana hoe tapitra ny andro alakamisy vao hohidiana ny fampidirana olona. Dia aza atao mahagaga raha voasoratra ny hoe efa tena notadiavina mihitsy ny nampidirana azy vao hohidiana ilay sisintany, dia izay no nahatonga ny lohateny hoe dia nampidirina toy ny soavalin'i Troie mihitsy izany vao nohidiana ny vavahady nefa efa miandry fotsiny ao anaty soavaly ny fahavalo ary handripaka ny mponina. Ho an'izay tsy mahazo ny resaka mihitsy dia fanazavana lavabe amin'ny tantara nosoratan'i Homère mitondra ny lohateny hoe "L'iliade et l'Odyssée" ny valiny azoko omena azy. Io tantara io koa no nahatonga ny anarana rindram-pisompatra malaza amin'ny solosaina hoe "trojan".


Efa folo andro talohan'izao indrindra anefa ilay rangahy voaongana iry no nilaza ny hanakatonana ny sisintany saingy ny valiny moa dia hoe manjary potika ny toekarena. Efa lava angamba izay soratra izay fa aleo aloha samy hitsakotsako daholo.

 

 

Hevitra

Manana zanaka folo mianadahy ianao. Lasa nivahiny tany amin'olona ilay zanakao faravavy. Misy aretina anefa miparitaka, ary samy miahy ny marariny ny ankohonana rehetra tratran'io aretina io. Mifindra ilay aretina, saingy misy fepetra azo atao amin'ny fitsaboana izay marary mba tsy hifindrany amin'ny hafa. Maniry hody io zanakao faravavy io sao ho tratran'ilay aretina any an-tanànan'olona ka tsy ho voakarakara tsara. Inona no fanapahan-kevitra horaisinao ?

1) Efa mirindrina ny varavarana. Andrao vao mainka hanahirana ahy raha mamindra amin'ny zanako 9 hafa aty izany aretina izany fa aleo ianao rafaravavy mijanona any an-tranon'olon-kafa any ihany. Mandry ivohon'ny vato izahay fa lavitry ny aretina, lavitra anao.

2) Adidiko ny zanako ka omeko fe-potoana ianao hodiana. Saingy iangaviako ianao mba ho hendry be rehefa tonga aty, tsy hipelipelika sao mamindra aretina fa miara-maty ato isika.

3) Adidiko ny zanako ka omeko fe-potoana ianao hodiana, raha maniry ny hody. Saingy tsy avy dia ho afaka hiara-hitankosina aminay mianakavy ianao fa hatokanay monina ao an'efitra iray aloha, ary tena harahinay maso akaiky.

Nampidirin'i DotMG @ 15:03, 2020-03-21 [Valio]

Samy manana ny lafiny ijerena azy isika. Toy izao manaraka izao no fijeriko:
1- Tsy resa-pianakaviana ny resatsika fa politika. Mifanohitra tanteraka izy roroa ireo. Raha hanao resa-pianakaviana isika dia olona vitsy ihany no mikaonty. Raha politika kosa indray dia ny olona maro ny iharan'izany, na avy amin'ny olona maro no misy manana fiantraika ratsy amin'izany.
2- Eto raha mampiditra resa-pianakaviana isika dia lasa toy ny hoe kiantranoantrano. Tsy azon'ny politika ekena mihitsy anefa ny kiantranoantrano raha izay no ilazana azy hitandroana ny tombontsoan'ny besinimaro.
3- Amin'ny politika matetika tsy ijerena fo io, tsy asiana fihetseham-po io raha tena te-hahomby amin'ny zavatra atao. Na Andrianampoinimerina, na Radama rainy na Ranavalona reniny, samy nahavita namono ny havany ireo hitsinjovany ny sezany sy hilaminan'ny firenena amin'ny ankapobeny. Ankehitriny moa tsy ny zavatra tsara vitan'ireo no tena hitan'ny taranaka ankehitriny?
4- Tsy voasahana sy tsy voajery araka ny tokony ho izy ireo rehetra nampidirina farany teto Madagasikara matoa lasa misy indray ireo olona mbola hotadiavina sy nanaovana fampilazana fikarohana. Raha tena nivonona tokoa ary isika, naninona raha nahiboka tamin'ny toerana ahafahana manao izany ireo olona rehetra ireo ho fiarovana ny olona marefo eto an-tanindrazana indrindra indrindra? Fahadisoana politika goavana izany amiko.
5- Niaiky ankolaka ny fahadisoany ihany ny mpitondra ankehitriny raha tsy nanome fotoana ireo olona hody any amin'ny tanindrazany avy na niaviany avy eto Madagasikara fa tonga dia nandidy ny hanafoanana ny fitaterana an-tanety. Ary mbola nampiany trotraka ny fahadisoany raha mbola namela hampizotra ny fitaterana an'habakabaka indray ry zareo... tahaka ny hoe tsinjovina hatrany ny mpanankarena na ny mitovitovy saranga amin'ireo mpitondra, misy fitongilanana sy fitanilàna tsy tokony ho eken'ny rariny ao anatin'izany rehetra izany.

Fehiny: Angamba i Faravavy no mamelona ny fianakaviana matoa notsinjovina manokana saingy nampidi-doza ny tao an-tranony, indrindra fa ireo zanany hafa, ny rainy rehefa nampiditra an'i Faravavy. Nefa tsy afa-niomana ho amin'izay fandraisana azy araka ny tokony ho izy ny tao an-trano na efitra iray monja ny ao an-trano. Safidy mora ve ny an-drainy raha nampisafidianina hoe maty avokoa ny zanakao rehetra raha mampiditra an'i Faravavy ianao sa velona avokoa ny zanakao hafa rehetra rehefa tsy ampidirinao i Faravavy... Fa raha Malagasy fiheverana dia tonga amin'ilay fiteny hoe "raha maty aho matesa rahavana..." ary eo koa ilay hoe "velona iray trano, maty iray fasana" toy ny manao hoe aleo miara-maty eto daholo isika.

Nampidirin'i Jentilisa @ 19:47, 2020-03-24 [Valio]
Hampiditra hevitra

E-mail me when comments occur on this article
Momba ahy
jentilisa

Vasoky ny tambajotra sosialy tahaka ny Facebook,Twitter sy ny karazany ny blaogy amin'izao fotoana. Mora miely vetivety ny hevitra sy izay voasoratra amin'ireo sehatra ireo.

Misy lafiny iray anefa tsy ahavoazan'izy ireo mihitsy ny blaogy dia ny fitehirizana.Rehefa karohina ny vontoaty iray dia sarotra hita kokoa ny vokatry ny fitadiavana avy amin'ireo tambajotra sosialy ireo.Izay lafiny izay no tsy maharesy tondromaso ny blaogy satria mora hita kokoa ny vontoatiny rehefa karohina amin'ny alalan'ny mili-pitadiavana.

Momba ny eto manokana indray, tsy hianona intsony amin'ny vaovao eto an-toerana aho fa hisokatra kokoa amin'ny manerantany, na amin'ny sehatra ankapobeny. Hosoratana avokoa na eritreritra sendra nandalo na revin-gadra, na fanehoan-kevitra mety hanafintohina ny mpamaky. Mety ho tezitra ianao amin'izay voasoratra nefa ny hisokafan'ny saina handinika sy hamakafaka ary handanjalanja no tena kinasa ambadiky ny lahatsoratra. Ka mazotoa daholo ary ny hevitra anie no hiady fa tsy isika no hifandramatra!

calendar
« Aprily 2020 »
Ah At Ta Ar Ak Zo As
      1 2 3 4
5 6 7 8 9 10 11
12 13 14 15 16 17 18
19 20 21 22 23 24 25
26 27 28 29 30    
Tahiry
Credits
LifeType IE7 XHTML CSS Firefox