Ny Dahalo sy ny Fokonolona

2012-09-08 @ 10:36 in Ankapobeny

Sanganehana ihany miatrika ny zavamisy amin'izao fotoana izao. Tonga amin'ilay hoe tsy azo anoharana isika ankehitriny. Maro zavatra tokony hotantaraina saingy tsy hita izay holazaina. Amin'izao fotoana izao no tokony hanjaka tokana ny haino aman-jery satria tsy hisy olo-tsotra mpampita vaovao any amin'ny toerana tena itrangàn'ny voina. Hafa ny fitantarana izay nitranga fa hafa ihany koa ny fanehoan-kevitra amin'ny zava-misy; fomba fijery no tena fototry ny tantara. Dia ahoana? tsy manan-kambara mihitsy ve?


Anisan'ny nanaitra tamin'ity raharaha atrehina ity ny nahenoana voalohany fa an-jatony ny dahalo manafika, ny anarana Remenabila no tena malaza na aiza na aiza. Nisahotaka ny olona nefa ho aiza moa fa misintaka ny tanàna fotoana vitsivitsy dia miverina any amin'ny misy azy indray. Nalaza fa nisy ny hetsika nataon'ny mpitandro ny filaminana, saingy toa ny tanànan'olona betsaka no nodorana rehefa tsy nahitana mponina tao. Nilaza moa ny manamboninahitra nitarika ny hetsika sy nampandoro tanànan'olona fa mba tsy hiverenan'ny dahalo amin'io toerana io no nandoroana ny tanàna, izany hoe efa nosokajiana ho dahalo avy hatrany izany ny mponina tao. Tsy fantatra ny fihetseha-pon'ny olona na mety noho ny fandrahonana hoe handroba ny... tsy dahalo... na... dahalo karazany hafa sy matanjaka kokoa no ho avy ka naleony nilefa sy nanavotr'aina, fa ahiako hisy fifampiangana  ny andaniny sy ny ankilany tao anatin'iny hetsiky ny tafika izay niala teo an-toerana noho ny "repli strategique" lasa fiteny malaza.


Variana ihany koa ny besinimaro eto an-drenivohitra rehefa mifanafika sy mifamely ny ao amin'ny tafika sy ny dahalo toa vitsivitsy ihany no voa, ain'olona tokoa ireny ary tsy azo lavina fa matetika dia tsy mihoatra ny folo no maty, nefa naninona no ny fokonolona no mifanafika amin'ny dahalo no saiky nahatratra zato no maty? Misy baraingo mipetraka eo ambony lohan'ny tsirairay nefa izay mponina sy efa niaina ihany ary mahalala ny fomba fisainan'ny olona any amin'ny misy ity toe-javatra mampalahelo ity no manana ny antony ka mba ambarako etoana. Tsy avy any atsimo aho ary tsy nipetraka any fa ireo avy any no nohenoina ka nitantara.
Voalohany, manamarika izy ireo fa mbola misy sy miasa izany odigasy izany. Tsy kitoatoa na habobo ny andrenesana fa toa mandalo fotsiny amin'ny dahalo ny bala maro atifitra azy ireo, hoy ny mpitantara. Raha misy ny fifanandrinana aza gaga raha sendra zavona tampoka ianao, natao iny tsy ahitanao iza misy ireo dahalo sy mitoky amin'ny odiny. Odibasy no ananan'izy ireo ka tsy mahagaga raha vitsy no matiny. Fa fahasahiana kosa no tena miasa rehefa atao "iray sy iray" amin'ny fitaovam-piadiana tsy mipoaka ny ady. Avy amin'ny fifanandrinana mivantana tsy misy basy no tena maro ny maty. Nahoana?


Fanaon'ny dahalo rehefa hanafika izy ny mampilaza mialoha, tsy resabe izany fa lasa fananon-dry zareo io ho fanindriana izay tafihina hiomanany raha mahavita miomana ry zareo. Eo no manapa-kevitra ny mponina na handositra na hiatrika ny fahavalo, raha handositra dia efa manaiky resy izay. Raha hiatrika ny fahavalo kosa dia tena ady toy ny tamin'ny ady lehibe faharoa no atrehina: rehefa tsy mahafaty izay mifanandrina amiko aho dia izaho no maty. Tetika iray iatrehan'ny mponina ny dahalo na mpanafika hafa ho avy dia izao: Ny lehilahy matanjaka sy mahery rehetra no voalohan-daharana amin'ny ady amin'ny fahavalo, tsy misy mahazo mihemotra na mandositra fa ny manenjika sy miaro tena ihany no azo atao. Ao aoriana kosa ny zaza amam-behivavy sy ny antitra ary mandrisika ihany koa ireo voalohan-daharana. Raha misy mandositra ireo lehilahy mahery dia ny ao aoriana, izany hoe ny zokiolona sy izay malemilemy indray no mamono azy, izany hoe ireo mpiray tanàna aminy ihany. Nahoana? koa izy mahery aza lasa mandositra mihemotra koa haharo tena ve ireo heverina ho malemy sy tsy afa-miaro tena ao afara? Noho izany samy miaro ny ainy avokoa ny rehetra. Koa raha ho faty ihany tsy aleo ve maty miady amin'ny fahavalo toy izay maty vonoin'ny mpiray tanàna noho ny tahotry ny ho faty? Lasa manana hery fiarovana ny ainy tsy ho faty eo amin'ny mpiaro ny tanàna ka vita hatramin'ny mahafaty olona maro. Amin'ny fahasahiana fampilazana mialoha dia tsy maintsy valiana fahasahiana mafimafy tsy matahotra ny ho faty intsony na inon-kidòna na inon-kihatra, ny fokonolona no manana izany toe-tsaina izany fa tsy ny miaramila sy ny zandary izay manao ny fiarovana ny tanindrazana ho KARAMA fa mba miaro ny ainy tsy ho "fatifaty foana" ihany koa. Resy lahatra aho fa marina io fitantarana nataon-dry zareo io.


Aiza ho aiza ny Fitsarana sy ny fanadihadiana? Ataoko fa tsy miteny intsony izany rehetra izany rehefa ny aina no arovana. Ny mahavariana amin'ity resaka ity dia ny finiavana hanakely hatrany ireo miaramila sy zandary alefa any an-tany fiadiana fa ny fiarovana ny lapan'Ambohitsorohitra indray no nakana mpiambina an-jatony. Tezitra avokoa ny olona ary misy aza moa ny miteny hoe na arivo aza no hiambina azy eo rehefa samy hanavotra ny ainy dia ny ainy ihany no avotany fa tsy hisy hiaro izay mpibaiko izany eo. Misy tetika eo matoa atao vitsy ny any an-tany fiadiana fa samy miandry hoe inona moa izany no tena tadiavin'ireo mpitarika ny fitandroana ny filaminana hanakelezana isa ireo irahina ireo? Sa sanatria avy amin'ireo mpibaiko ireo ny lohan'ny dahalo mandravarava etsy sy eroa ireo?

 


Jentilisa 8 septambra 2012

Nahoana no niala Ambatovy?

2012-08-29 @ 15:55 in Ankapobeny

Fanamarihana eto am-boalohany. Ny zavatra soratako etoana dia hevitro samirery, tsy misy hafa nanolo-tsaina na nanery hanoratra izao ary tsy misy olona na fikambanana na rafitra hanakana ahy koa amin'ny fanoratana azy ity ihany koa.

Eritreritra nandeha noho ny zavatra novakiana sy ny zavatra mitranga amin'izao fotoana izao. Maro ireo lohahevitra tiana horesahina saingy misy sampona hatrany fa ity kosa karazany antsoina hoe maika ihany. Misy fandraisana an-tanana na "initiative" mety ho voasakana manko ka malahelo ihany ny tena raha tsy tontosa tokoa ilay izy.

Tsy dia maharaka loatra aho hoe iza sy iza avy no mpanohana ny TEDxAntananarivo, fa ny hany fantatro dia toerana telo no azo ividianana ny tapakila ho amin'io hetsika io hihainoana hevi-baovao mendrika hohenoina ary mety hitondra ho amin'ny fampandrosoana: Chill'Out Ambondrona, Urban Café Antsahabe ary ny Outcool Ampasamadinika. Hetsika izay kasaina hotontosaina amin'ny Asabotsy 1 septambra 2012 manomboka amin'ny roa ora tolakandro. TED fanafohezana ny hoe Technology, Entertainment, Design izay manana ny tarigetran'ny fanapariahana ny «Ideas worth spreading». Manana ny mpikarakara izany ny eto Antananarivo ka mitondra ny anarana TEDxAntananarivo saingy azo tadiavina amin'ny tenifototra #TEDxTNR ihany koa.

Amin'ny ankapobeny, ny tsy miankina izay tena kitro ifaharan'ny fampandrosoana no mandray an-tanana amin'ny hetsika sahala amin'itony ary ny tsy miankina ihany koa no antenaina ho mpanohana azy itony. Amin'ny hetsika nomanina ho amin'ny Asabotsy izao dia ny orinasan'Ambatovy no mpanohana iray goavana noheverina hisahanana ny fampitaovana sy ny kojakoja hafa. Nitsoaka andaharana tamin'ny fotoana farany anefa ity orinasa iray ity ka nahasanganehana ireo mpikarakara. Tsy azony loatra hoe fa naninona no niala tampoka ity orinasa goavana iray ity? Vokatr'izany: eo am-pitadiavana orinasa na fikambanana na olona hafa ho mpanohana io hetsika io indray ry zareo mpikarakara. Manainga antsika etoana mba hierirteritra ny amin'izany.

Izay soratana manaraka kosa dia tombatombana ihany, tsy voatery ho marina ary tsy voatery ho diso ihany koa. Izay novakiana tany amin'ny gazety tany sy tany amin'ny famoaham-baovao hafa koa no nanaovana tsoa-kevitra sy tiako ampitaina. Tsy mahalala ny antony nihemoran'Ambatovy isika rehetra fa karohina kosa ilay izy. Tsy voatery hilaza ny antony ny Sherrit fa azy izany, saika hanohana izy no mety ho tojo fahasahiranana tampoka dia naleony aloha mandamina ny ao an-tokantranony. Tsy misy manery antsika noho izany hino izay soratako. Averina hatrany izany hialana amin'ny filazana hoe: "Dia tena izany mihitsy HONO". Tsia, tsy afaka ny hitompo teny velively aho fa mba mitady ny antony ihany koa.

Resaka ambany latabatra saingy nivoaka tamin'ny gazety iray, andro vitsivitsy lasa izay, ny filazana fa nisy tompon'andraikitra ambony nitaky tamin'Ambatovy handoa vola 800 tapitrisa dolara, hatreo tsy maninona loatra aloha, fa ny vola dia arotsaka amin'ny kaontin'olo-tsotra valo, izany hoe androtsahana zato tapitrisa dolara avy, fa tsy amin'ny kaontin'ny fanjakana. Sahiran-kevitra hoe ny tompon'andraikitra, ny tale jeneraly, hono, nanaiky ny handoa ny vola mba hahafahana miasa fa nandà avokoa kosa ny tale rehetra hafa teo ambany fitantanany. Tsy nisy noho izany ilay fandoavam-bola tany amin'ireo kaontin'olo-tsotra any amin'ny banky... Hatreo no voalaza. Tena fomba fiasa-na Mafia izany hoy ny eritreritro...

Vao nivoaka tamin'ny gazety indray fa tsy nomena fahazoan-dalana hiasa i Ambatovy. Izay izany no tohin'ny raharaha! Fomba ahoana moa no haneken'ny olona kosa hoe kaontin'olo-tsotra any amin'ny banky no handrotsahana vola? setriny: tsy nahazo ny fahazoan-dalana hiasa Ambatovy. Tratran'ny kenda roroka noho izany ilay orinasa, voatery nitsoaka an-daharana tamin'ny fanohanana hetsika, dia eto isika amin'izao fotoana izao. Marihana fa tombatombana daholo ireo fa izay tena iharany ihany no mahalala, tsy voatery hilaza ny antony nialany anefa Ambatovy fa mba hevitra fotsiny iny ahy. Anjaranao ny mino na tsia...


Jentilisa

29 aogositra 2012

 

"Tatitra Teknika" tamin'ny fihaonambe GVO

2012-07-14 @ 08:37 in Ankapobeny

Efa mihoatra ny folo andro sahady izay ny fihaonambe fanaon'ny Global Voices Online isaky ny roa taona. Maro ny zavatra azo raisina sy tantaraina saingy lasa aretina mpahazo ahy mihitsy ny fahakamoana hitatitra araka ny tokony ho izy. Ankoatra ny fitantarana maha-bilaogera manavanana ahy kokoa satria malalaka ny fomba fanehoana azy dia misy koa ny karazana tatitra teknika kely tahaka ny an'ny mpanao gazety. Izany angaha aloha no avoaka etoana mandra-paha...

 

Nisy fihaonambe nokarakarain'ny fikambanana Global Voices Online fanaony isaky ny roa taona notontosaina tao an-drenivohitra Kenyana, Nairobi tamin'ny 28 jona ka hatramin'ny 3 jolay lasa teo. Nihaona tamin'izany ireo bilaogera, mpanao gazety, mpianatra mpanao fikarohana, manampahaizana momba ny teknolojian'ny aterineto ary ny solontenan'ny orinasan-tserasera goavana tahaka ny Google. Nanana solontena roa tamin'izany isika Malagasy, izay samy bilaogera avokoa. 

 

Mizara roa ny fihaonana ka ny andiany voalohany (28 jona - 1 jolay) no nanaovana ny fivoriambe anatin'io fikambanana miorina an-tserasera io. Marihina fa fikambanana iraisampirenena manana ny foiben-toerany ao Amsterdam, Hollande ny Global Voices Online ary sehatra miezaka ny manasongadina ny vaovao tsy fantatry ny fampahalalam-baovao goavana tandrefana loatra. Vitsy kokoa noho izany ny vaovao avy any Amerika Avaratra sy Eoropa Andrefana no hita ao fa vaovao avy aty Afrika, Amerika Latina, Azia, Oseania, Eoropa Afovoany sy Atsinanana no ezahina asongadina. Mampiavaka ny tranonkalan-dry zareo ihany koa ny fandikana ny lahatsoratra na vaovao avy amin'ny fiteny anglisy ho amin'ny fiteny 30 ka anisan'izany sady mavitrika ny fiteny malagasy. Nifampiresahana tamin'izany ny ho avin'ny fikambanana, ny fanatsarana ny zavatra ataony tahaka ny fiarovana na fisoloana vava ireo bilaogera na mpanao gazety tampenam-bava na migadra ohatra. Eo ihany koa ny fanampiana ireo vondro-piarahamonina mbola tsy maharaka loatra ny fifampitam-baovaon'olotsotra ao amin'ny aterineto. Soso-kevitra nivoaka tamin'izany ny hahabetsaka kokoa ny lahatsoratra sy votoaty momba ny kolontsaina sy zavakanto, ny sakafo sy ny nahandro, ny fanatanjahantena, ny biby (tontolo iainana) ankoatra ireo vaovao politika na sosialy hafa mahazatra antsika. Reharehan'ny GVO mihitsy moa ny filazany fa ry zareo no nahita sy nampita voalohany indrindra ny "Lohataona Arabo" niainga tao Tonizia.     

 

Notanterahina ny 2-3 jolay kosa ny Fihaonambe Global Voices 2012 izay azon'ny daholobe andraisana anjara. Solontena avy amin'ny firenena 60 no nandray anjara tamin'izany. Ankoatra ny filazana ny toetry ny aterineto, ny zavamisy any amin'ny tontolo sasany (Arabo), ny fizotry ny hetsika Occupy manerantany dia  maro ihany koa ny atrikasa sy Barcamp natao. Anisan'ny lohahevitra ny fananganana tambazotra Afrikana hampatanjaka sy hahafantaran'izao tontolo izao ny zavamisy aty Afrika atsimon'i Sahara, ny fijoroana vavolombelona ataon'ireo mavitrika amin'ny media sosialy Kenyana ho fanabeazana ho olom-pirenena sy ny hikarohana na/sy hitodihana amin'ny vaovao tsara, na zavamisy mahafinaritra misy eto Afrika fa tsy hosaronan'ny vaovao ratsy toy ny ady sy hanoanana ary ny fahantrana fotsiny. Ao ihany koa ny fampakarana ny lanja sy ny lentan'ny vehivavy eo amin'ny sehatry ny tenkolojia, ohatra noraisin'ny mpitari-draharaha ny fahafantaran'ny rehetra ny olo-malazan'ny aterineto lehilahy fa tsy misy na inona na inona kosa fantatra amin'izay mety ho vehivavy manampahaizana na manana ny anjara toerany eo amin'io sehatra io. Maro tsy voatenisa ny lohahevitra nodinihana raha tsy hanonona afa-tsy ny fahalalahana haneho hevitra, ny sivana mihatra amin’ny firenena sasany, ny fomba hiarovana ny bilaogera sy ny mpanao gazety amin’ny fampitam-baovao ataony, ny fanatsarana ny fomba fanoratana lahatsoratra, ny tokony hanomezan-danja ny tenindreny ary ny sisa hafa mifandraika amin’ny tontolon’ny aterineto sy ny fampitam-baovao an’olo-tsotra.

 

Manana tombotsoa manokana i Madagasikara amin’ny fisian’ny teny malagasy ao anatin’ity tambazotra iraisampirenena anisan’ny goavana sy lehibe manerantany ity, satria sady manome lanja sy mampahafantatra ny fisian'ny teny Malagasy no manampy ny mpanara-baovao amin’ny aterineto hanaraka ny  vaovao iraisam-pirenena amin’ny teny Malagasy.

 

Misaotra nahavaky hatramin'ny farany.

 

Dia teto Nairobi (fahatongavana)

2012-06-29 @ 06:20 in Ankapobeny

Miarahaba ny rehetra indray amin'ny alalan'ity lahatsoratra ity. Elaela tsy nanoratra nefa tahaka ny hahavita izany indray satria ratsy dia ratsy ny fifandraisana aty amin'ny toerana ivantanako. Mba misy tombony ihany ny tahaka izay satria tsy variana mamaky teny intsony fa mba mikaroka izay hosoratana amin'izay.


Fantatsika moa fa misy zotra-pifandraisana Afrikana ihany mampifandray an'i Madagasikara amin'i Afrika. Iray amin'izany ny Airlink izay Afrikana Tatsimo araka ny fahalalako, iray hafa ihany koa ny Kenyan Airways fantatra amin'ny anarany ary manana ny tigetra ho "The Pride of Afrika" na ny reharehan'i Afrika. Raha niala tany an-tanindrazana ny tena, tsy dia feno loatra ny voromby. Angamba mitady ny seza aloha ny ankamaroan'ny mpandeha fa ny nifanitsy taminay tsy nisy olona. Roa ihany izahay no iray laharana. Voamarika kosa fa saika ny androatokon'ny mpandeha no Karana avokoa, ary tsy vitsy amin'izy ireo no mitondra ny pasipaoro malagasy. Zara fa nisy kosa, fa nisy ihany, ny Malagasy.


Teny an-dalana moa tsy dia nisy loatra ny olana, Teny Swahili sy teny Anglisy no hita amin'ny seza ary tahaka izany ihany koa no heny resahin'ireo mpikarakara amin'ny mpandeha. Rehefa tonga teo amin'ny seranampiaramanidin'i Jomo Kenyatta izahay. Variana ihany fa manana irony lalantsara mampifandray ny voromby amin'ny seranana irony ry zareo. Isika kosa moa efa ambakainy raha amin'izay lafiny izay. Somary mba nisy fifanindriam-potoana kely teo amin'ny voromby roa teo Ivato, ny iray zotra anatiny ary ny anay zotra ivelany fa tsy afa-nandeha aloha izahay fa ry zareo zotra anatiny no mandeha eny amin'ny tarmac, araka ny fitenenana vahiny, io zotra anatiny io moa dia hita fa ny teratany vahiny eoropeana no tena maro an'isa. Rehefa tapitra avokoa ry zareo ireo vao afa-nanitsaka ny tarmac izahay hizotra eny amin'ny voromby hiondrananay. Mba efa nitsidika firenena ila-bolantany atsimo hafa izahay fa toy izany ihany koa ny tany.


Saiky nahafanina ihany ny nivezivezy tao anatin'ilay seranam-piaramanidina vahiny, sady sambany rahateo no nankaty. Gaga nahita ny lalana ho an'ireo hiampita hiondrana any an-toerankafa nefa saika tsy nahita izay lalana ho an'ireo hitody. Soa fa nisy Malagasy iray tonga dia niteny hoe tsy any mihitsy ny lalana fa atsy ka! Somary nifampiresaka moa izahay avy teo. Efa mpivezivezy firenena maromaro ihany ranamana, indrindra fa ny firenena Afrikana, araka ny filazany. Rehefa hivoaka isika, hoy izy, dia etsy amin'ny firenena mpikambana ao amin'ny Comesa no andehanantsika fa tsy tokony handoa visa (US$50) isika. Tsy nahita izay fanamarihana izay aho, ary gaga ihany satria raha ny tokony ho izy tokoa dia ao anatin'izany fikambanana izany isika. Saingy rehefa tonga teo amin'ny fandoavana visa dia nandoa vola ihany ny Malagasy (tsy mandoa kosa ny Maorisiana ohatra!). Gaga ilay ranamana nilaza taminay teo satria vao tamin'ny volana desambra izy no nandeha taty, ary tsy nandoa visa, hono.


Tsy dia nisy olana loatra ny resaka fisavana teo amin'ny seranam-piaramanidina. Tsy nisy fisavana, fa ny mahaliana ahy kosa moa dia ny fisavana rehefa hody any an-tanindrazana na hifindra firenenkafa indray. Nisy taratasy izay manko nofenoina tany anaty voromby anoratanao izay zavatra manana sanda betsabetsaka na lafolafo miaraka aminao. Mety ho ampitahainy amin'izay ny io taratasy nofenoinao io sy ny zavatra entinao ary ho fantany avy hatrany ny zavatra novidianao teto Kenya. Tany aloha ny eirtreritro satria tsy nariany iny taratasy iny. Lesona azo raisina ilay izy raha izay araka ny eriteritro izay tokoa. Saingy ho hita eo ihany moa, satria toa mifandrindra amin'izay ifanarahan'ny ao amin'ny mpikambana COMESA ilay izy, na misy politika ambadika amin'ny fanaovan'ny Kenyana io famenoana taratasy io. Eto aho somary miverina kely satria nisy adino. Tao anatin'ny fiaramanidina, vao teo am-piaingana kelikely dia nomen'ny hôtesy taratasy fenoina avy hatrany izay rehetra mifarana eto Nairobi ny diany. Nieritreritra moa aho tamin'izay hoe mba be fombafomba koa ry zareo izany... Saingy samy manana ny fanaony moa ny rehetra.

 
Rehefa teny an-dalana hody vao tantara, tena mihitsoka ny lalana "fodiana", ny olana amin'izy io? Miara-mirava avokoa ny mpiasa dia miara-mamonjy ny fonenany, hipoka ho azy ny lalana ary mifanety ny fiara. Ny tena miteraka ny fitohanana, hoy ilay saofera nitondra anay, isaky ny rond-point no ajanon'ny polisy ny fiara handehanan'izay mifanapaka amin'ilay lalambe (tsy mbola misy mitovy amin'izany lalana izany any amintsika hatreto. Rehefa maraina hiasa sy ny hariva hody izany ny lalana no mihitsoka amin'ny ankapobeny raha ny filazan'ny saofera nitondra anay fa dia ho hita eo moa ny amin'izay. Adiny roa ny lalana nandehananay ry zareo a! nefa mitovitovy amin'i Ivato Analakely ihany raha heverina. Izay aloha fa rehefa avy eo indray manao misimisy.

Jentilisa, Nairobi 29 jona 2012.



Haleloia sy hosana ho an'ny PHAT

2012-06-11 @ 11:02 in Ankapobeny

Akory ny hasoan'ny zava-bitanao ry mpitondra mahefan'ny fahefana Avon'ny tetezamitatra efa anatin'ny repoblika fahaefatra? Na ny zaza miana-mandeha aza ataoko fa mahita ny rentirenty sy ny fanjelanjelatry ny tanàna amin'izao ankatoky ny tsingerintaonan'ny fiverenan'ny fahaleovantena Malagasy izao (Ny eto Antananarivo no hitako). Fantatrao dieny mialoha fa ho ampoka sy feno ny hafalian'ny olona miatrika izany. Efa voavinavinanao fa tsy ho ampy hiravoan'ny olona raha izay iray na roa andro hilanònana ho amin'izany ka dia natsanganao tapabolana mahery mialoha sahady ny podium nabahana ny lalana etsy Anosy anoloan'ny Radio Nasionaly Malagasy. 

 


Tsy maintsy nataonao izany hitsinjovana ny sehatra goavana tsy antonona raha tsy arabe efatra andalana. Eo rahateo no faritra malalaka eto Antananarivo ankoatra ny kianja efa nofefena hitandroana ny fahadiovan'ny tanànan'Antananarivo. Fantatrao fa io no androm-panafahana ny sorisory taorian'ireny fanelingelenana amin'ny alalan'ny grevy isan-karazany ireny ka hanehoan'ny vahoaka iray manontolo fa miara-dia aminao mpitondra ry zareo. Ny vahoaka madinika no tena maro an'isa amin'ity firenena ity ka ireo no tena tsinjovinao mba ho mamy hoditra eo amin'ny Malagasy iray manontolo tsy mivaky ianao. Tsy maninona na dia voatery hioadina aza ny fiara rehetra mpandalo amin'iny faritra iny satria tsy misy hery miala avy amin'ny fandehanana fiara, ary tsy misy havizanana manatrotraka avy raha mba miodina mitady lalan-kafa izy ireny satria ny lasantsy ihany no mety hisy akony kely, saingy kely ihany ny volan'olona miala amin'izany. Tsy dia ahoantsika loatra ny fitohanana aterak'ilay lalana tapaka fa ny fitohanan'ny fiara no porofo mitohoka amin'ny tendany fa mandroso be ny olona no efa manana fiara, ary rehefa be tahaka izany dia midika izany fa mandroso ny firenentsika. Dera ho anao ry mpitondra!

 


Efa maminavina sahady ny saiko fa raha izao aza efa mifaly sy mitsinjatsinjaka ny olona, angamba rehefa tonga ny 26 jona 2012 efa tafakatra velona any an-danitra avokoa isika Malagasy rehetra. Angamba rehefa tonga ny fetim-pirenena ho podium kely avokoa ny faritra be olona manerana an'i Madagasikara, hiravo sy hifaly manatrika ny artista malagasy, horakora-pitsinjahana no hameno ny lalana sy ny arabe rehetra. Hihinjitsinjitra manerana ny lalana kosa ny omby sy ny akoho amam-borona ho nofon-kena mitam-pihavanana. Hihinana sy hiletra izay laniny ny tsirairay, ho voky sy hahara-dia ny namany avokoa ny rehetra. Mbola mety hisy ny tsy ampoizina hafa hataoanao fanomezana ho an'ny vahoaka Malagasy. Dera ho anao sahady ry mpitondra amin'izany vinavina azo tanterahana soa aman-tsara izany!

 


Tsy izay ihany fa misy tahaka izao koa, raha kivy dia kivy ny mpitia ny baolina fandaka fa baolina valo ihany no saiky azon'ny TVM omena ny mpijery Euro 2012 ilay fifaninana anisan'ny faratampony sy mahafinaritra manerantany, indro ny tananao sy ny herimponao, indro ny fitiavana avy aminao sy ny fahalalahan-tanana mampiavaka anao, ny hambom-po sy ny fitiavan-tanindrazana efa nasandratrao avo, fa nahafoy vola ho famalifaliana ny Malagasy. Talentanao io ary izay no nametrahana anao ho eo amin'io toeram-boninahitra io: hamalifaly ny Malagasy! Hanome fahafaham-po ny Malagasy! izay no notadiaviny sy nifidianany anao tamin'ny 60% mahery. Natolotrao ahy ho hitany avokoa ny lalao rehetra mandeha amin'izany Euro izany. Vola avy aminao, hoy ny naverimberina, no nanaovanao izany ka tsy misy volam-panjakana mihitsy, vola madiodio avy aminao, hoy ny fandre. Toy ny tenin'ny Soratra masina izany ka ekena tsy misy adihevitra, ary ataoko fa mitovy hevitra amiko avokoa ny mpamaky rehetra eto. Somary mampanahy fotsiny, nefa mariky ny harena eto Madagasikara sy ny olona ao aminy fa misy ny olon-tsotra toa anao manana harena atolotra ny vahoaka hamalifaliana ny vahoaka noho ny fanjakana mijoro. Dera ho anao ry mpitondra!

 

 

Raha tsy mitovy hevitra amiko moa ny mpamaky ataoko ahoana fa samy manana ny safidiny io. Eny fa na izaho aza moa tsy mitovy hevitra amin'izay ambarako loatra nefa izay ilay fahalalahana! Dera ho anao ry mpitondra!

Jentilisa

Momba ahy
jentilisa

Vasoky ny tambajotra sosialy tahaka ny Facebook,Twitter sy ny karazany ny blaogy amin'izao fotoana. Mora miely vetivety ny hevitra sy izay voasoratra amin'ireo sehatra ireo.

Misy lafiny iray anefa tsy ahavoazan'izy ireo mihitsy ny blaogy dia ny fitehirizana.Rehefa karohina ny vontoaty iray dia sarotra hita kokoa ny vokatry ny fitadiavana avy amin'ireo tambajotra sosialy ireo.Izay lafiny izay no tsy maharesy tondromaso ny blaogy satria mora hita kokoa ny vontoatiny rehefa karohina amin'ny alalan'ny mili-pitadiavana.

Momba ny eto manokana indray, tsy hianona intsony amin'ny vaovao eto an-toerana aho fa hisokatra kokoa amin'ny manerantany, na amin'ny sehatra ankapobeny. Hosoratana avokoa na eritreritra sendra nandalo na revin-gadra, na fanehoan-kevitra mety hanafintohina ny mpamaky. Mety ho tezitra ianao amin'izay voasoratra nefa ny hisokafan'ny saina handinika sy hamakafaka ary handanjalanja no tena kinasa ambadiky ny lahatsoratra. Ka mazotoa daholo ary ny hevitra anie no hiady fa tsy isika no hifandramatra!

calendar
« Oktobra 2019 »
Ah At Ta Ar Ak Zo As
    1 2 3 4 5
6 7 8 9 10 11 12
13 14 15 16 17 18 19
20 21 22 23 24 25 26
27 28 29 30 31    
Tahiry
Credits
LifeType IE7 XHTML CSS Firefox