Ny tantaran'ny fetin'ny lainga na ny "poisson d'avril"

2017-03-28 @ 16:30 in Ankapobeny

Tsy dia mazava loatra ny nahatonga ity fety ity ka tombatombana avokoa ny zava-drehetra. Tombana iray no soratako etoana. Teo aloha, tany Eoropa, dia maro ireo tanandehibe nankalaza ny taombaovao ny 1 marsa na 25 marsa na 1 avrily. Tamin'ny taona 1564 no nanapahan'ny mpanjaka frantsay Charles IX fa manomboka io taona io dia 1 janoary indray no ankalazana ny taombaovao fa tsy andro hafa voatonona etsy ambony intsony. Nodidian'ny Papa Grégoire XIII hampiharina amin'ny tontolo kristiana rehetra izany tamin'ny taona 1582.

Maro no sahirana tamin'io fanovana andro taombaovao ka nanohy nankalaza ilay "taombaovao taloha". Tombana iray tao anatin'ny maro ihany io nolazaiko io... Fa raha mahamarika ianareo dia efa nanomboka niala tamin'ny vanim-potoana antenantenany i Eoropa ka niditra tamin'ny vanim-potoana maoderina.

Koa raha miverina eto Madagasikara aho dia lasan'eritreritra hoe... sao hiverina amin'ny vanim-potoana antenantenany isika ary hiala amin'ny vanim-potoana maoderina. Fa resaka tsy misy dikany izany ry zareo fa ankalazao ny fetinareo a! Mirary soa!

Vaovao tselatra 23 oktobra 2016 amin'ny telo maraina

2016-10-23 @ 07:44 in Ankapobeny

Hatreto, nanomboka alakamisy alina ka hatramin'ny asabotsy, tapaka jiro tanteraka ny tanànan'Ambositra iray vohitra, araka ny fitarainan'ny mpiara-miasa amin'ny tena. Tsy fantatra moa izay tena zava-misy: izay tokoa ve no izy? Aiza tokoa moa ny olona tapaka jiro no afaka mampita ny fitarainany rehefa tsy misy ny herinjiro hamelomana vatoaratra ohatra?


Mariho fa efa nisy tranga tahaka izao ihany koa ny faritra Analavory, Imerintsiatosika ary Tsiroanomandidy tany alohaloha tany. Tsy mampino anefa izay zava-misy izay. Tsy mahagaga raha nisy ny fitroarana tany Farafangana tany ka nandoroan'ny olona ny biraon'ny JIRAMA. 


Tezitra tamin'izany fandoroana fananana izany ny ankamaroan'ny olona, eny fa na izaho izay manoratra io aza, saingy tsy hainao ary tsy takatrao ny zavamisy iainan'ireo mponina ireo mahatonga an'izany fanapahan-kevitra faratampony izany. Fantatry ny mpitondra tsara izany fahatezerana izany ka nahatonga ny fandefasana mpamelona angovon'aratra tany an-toerana. Rehefa mandoro fananana ve ny olona vao mikorapaka?


Manoratra aho satria alina fanindroany izay no tapaka maharitra ihany koa ny jiro eto amin'ny misy ahy eto  Antananarivo renivohitra. Ny resaka nifanaovako tamin'ireo izay nifampitafa tamiko any  amin'ny toeran-kafa ato anatin'ny Kaominina ihany no nahafantarako fa faritra maro no miaritra izany tsy fisian-jiro maharitra amin'ny alina izany.

 

Ny Zoma maraina tamin'ny efatra ora, no niainako ihany koa ny fitarainan'ny olona tamin'ny radio hoe rehefa tapahana dia tapaho tanteraka fa aza velomina telo segondra dia vonoina iray minitra dia velomina telo segondra dia vonoina iray minitra misesisesy fa tamin'ny dimy maraina vao novonoina tanteraka tsy niverina intsony ary tsy fantatro izay ora niverenany fa lasa niasa aho.


Manoratra ihany koa aho, satria tapaka hatramin'ny 3G (fanaovako avotra farany hiseraserana ankoatra ny ADSL fampiasa) amin'izao fotoana anoratako izao... Toa zary karazana fanampenam-bava izato izy, ary fanelingelenana tanteraka amin'ny asa mifandraika amin'ny aterineto... milaza fa tena tratra aoriana tokoa isika ary voasembantsembana ihany koa ny hoavin'ny asa fihariana. Raha tsy tsapanao ny halalin'ireo resaka ataoko ireo dia aza gaga raha mahita ireo hadalana ataon'ny Malagasy malaza ho hendry sy tia milamina tsy tia korontana.

Ny Tondro Mo Ibrahim 2016 sy i Madagasikara.

2016-10-09 @ 16:15 in Ankapobeny

Nivoaka tamin'ny 3 oktobra tany Londra renivohitry ny Fanjakana Mitambatra ny tatitry ny Tondro Ibrahim Mo taona 2016 manadihady ny fahaiza-mitantana eto Afrika amin'ny ankapobeny. Voalohany amin'izany i Maorisy manana ny isa 79,9 ary nitombo isa +2,3, faharoa kosa i Botswana manana isa 73,7 (-0,5) ary fahatelo amin'ny isa 73,0 (+1,9) kosa i Cap Vert.  Nasongadin'ity tatitra ity fa i Cote d'Ivoire no nahazo isa be indrindra tamin'izany (+13,1), arahin'i Togo (+9,7) sy i Zimbabwe (+9,7), ary i Liberia (+8,7) sy i Rwanda (+8,4).  

 
Araka io tondro navoakan'ny Orina Mpanasoa Ibrahim Mo io dia mitana ny laharana faha-33 mitovy amin'i Togo i Madagasikara amin'ny firenena 54 nampilaharina amin'ny isa 48,5 ary very 7,6 isika amin'izany fampilaharana izany eo amin'ny sehatry ny fitantanam-panjakana ankapobeny eto Afrika hatramin'ny nanombohan'ny fanangonana lahatahiry tamin'ny taona 2006. I Libya no nanary isa be indrindra teo amin'io fitantanam-panjakana io, satria very 18 isa be izao, i Libya izay fantatsika fa nopotehin'ny firenena tandrefana tanteraka, ary lohalaharana amin'izany i Frantsa nentin'i Sarkozy. Firenena faharoa nanary isa be indrindra manaraka azy kosa i Madagasikara amin'ny isa 7,6 be izao, izay firenena "tsy nisy ady" akory.

Afa-baraka tanteraka isika eto Madagasikara!

Filaminana sy Fanjakana Tsara Tantana

Eo amin'ny filaharana ankapobeny dia i Botswana no mitana ny laharana voaohany amin'ny isa 81,9 ary very isa (-1,1) izy amin'izany. Maorisy kosa no mitana ny laharana faharoa amin'ny isa 80,8 (-0,3) ary i Cap Vert no mitana ny laharana fahatelo amin'ny isa 77,1 (-2,3). Araka ny tatitra dia nihemotra avokoa tsy misy anavahana ireo firenena rehetra tratran'ny fihemorana araka ny isa azo eo amin'ny sehatry ny Filaminana sy ny Fanjakana Tsara Tantana.

Cote d'Ivoire (+17,3) manana isa 55,1 sy Liberia (+14,8) manana isa 57,2 ary i Sierra Leone (+9,6) manana isa 59,9 no telo voalohany nahazo isa tsara indrindra tao anatin'ny folo taona. Libya kosa no very isa be indrindra (-34,1) manana isa 16,3 arahin'i Repoblikan'i Afrika Afovoany (-16,2) manana isa 15,7 sy i Burundi (-12,0) manana isa 32,6.

Sokajy Fiarovana ny olon-tsotra

Roa ny refy napetraky ny Afrobarometer momba ity fiarovana ny olon-tsotra ity, eo amin'ny fisian'ny heloka bevava eo an-toerana sy eo amin'ny manodidina. Nahitana fihatsarana izany tamin'ny ankapobeny tao anatin'ny folo taona. Laharana faha-40 no misy an'i Madagasikara (-15,3) manana naoty na isa 37,8/100. Ataoko fa manaiky tsara izany tatitra izany isika na dia tsy haintsika aza ny fomba fandrefesana nataon-dry zareo.

Laharana faha-28 no misy an'i Madagasikara eo amin'ireto sehatra roa ireto, amin'ny isa 55/100 ary very isa 8,3 kosa hatramin'ny nanombohan'ny fanangonana lahatahiry tamin'ny 2006. 

Sokajy Fiarovam-Pirenena

Firenena 30 no nahitana fihemorana teo amin'ity sokajy ity ka i Libya (-54,7) no nihemotra indrindra tamin'izany, arahin'i Nigeria (-28,6) sy i Ejipta (-27,2). Firenena 20 kosa no nahitana fihatsarana tamin'izany ka Ongadà (+29,8) sy i Liberia (+29,0) no nihazakazaka indrindra ho amin'izany amin'ny fitomboan'isa ambany kely noho ny +30. Ny fidiran'ny governemanta amin'ny fifanandrinana mitam-piadiana sy ny herisetra ataon'ny mpiantsehatra tsy miankina amin'ny Fanjakana no tena miteraka izany fiharatsian'ny fiarovam-pirenena izany.

Laharana faha-20 amin'ny naoty 86,4 no misy an'i Madagasikara (-9,3) eto amin'ity sehatra ity.

Sokajy Tamberin'andraikitra na Mangarahara (Accountability)

Ny mangarahara ho ahitana ny naoty ambany indrindra ankapobeny (35,5/100) amin'ireto zana-tsokajy tantaraintsika ireto ary nahitana fiharatsiana (-1,0) ihany koa tao anatin'ny folo taona. Ny anton'ny fihemorana amin'ity tamberin'andraikitra ity manerana ny kaontinanta dia vokatry ny fihasimban'ny tondro valo andrefesana azy: Kolikolin'ny Fanjakam-birao (-8,7), Kolikoly ataon'ny manampahefanan'ny Governemanta sy ny mpiasam-panjakana (-2,8), kolikoly any amin'ny sehatry ny famotorana (-1,9), ny tamberin'andraikitra ataon'ny Manampahefana ara-panjakana (-1,1) ary ny fanodikodinana ny Vatsim-Panjakana (-0,3). 

Laharana faha-26 i Madagasikara (-8,3) amin'ny isa 36,3/100. Madagasikara (-78,1) ihany koa no nahitana fiharatsiana indrindra eo amin'ny sehatra iadiana amin'ny kolikoly tao anatin'ny folo taona. 

Sokajy Fampiharana ny lalàna

Firenena 33 no nahitana fihatsaran'ny fampiharana ny lalàna hatramin'ny taona 2006. Nijotso ny mason-tsivan'ny Fanasaziana (-5,5), ny Famindram-pahefana (-3,7) ary ny Zo hanam-pananana (-2,3) raha nisonga kosa ny Fombam-Pitsarana (+5,3) sy ny fahaleovantena ara-pitsarana (+4,3) tao anatin'ny folo taona. Firenena 34 no nisitraka izany fahaleovantena ara-pitsarana izany ka i Maorisy (94,6), Afrika Atsimo (93,9) ary i Namibia (92,9) no tsara toerana indrindra sady nivoatra indrindra tamin'izany.

Laharana faha-16 (59,4/100) no misy an'i Madagasikara (-0,7) eo amin'io fampiharana ny lalàna io.

Marihin'ny tatitra fa ahitana fifandraisana eo amin'ny Filaminana sy ny fampanjakan-dalàna sy ny fahafahana mirona mankany amin'ny fanorenana toekarena maharitra. 


Ny Fandraisana Anjara sy ny Zon'olombelona

Ny 78 isanjaton'ny Afrikana no monina any amin'ny firenena nahitana fihatsarana tao anatin'ny folo taona ny Fandraisana Anjara sy ny Zon'olombelona. Firenena 37 no misitraka izany. I Tonizia (+22,4) no nahitana fihatsarana indrindra mitana amin'izany. Cap Vert (+0,6) no lohalaharana amin'ny naoty 82,0/100 arahin'i Namibia (+0,6) amin'ny isa 76,1/100 sy Maorisy (+0.8) amin'ny naoty 76,0/100. Mitana ny laharana faha-13 kosa i Madagasikara (+0,1) amin'ny isa 64,7/100.

Laharana faha-18 (65,9/100) i Madagasikara (-0,1) eo amin'ny sokajy fandraisana anjaran'ny olom-pirenena ahitana ny mason-tsivan'ny zo ara-politika, fandraisana anjara ara-politika, fifidianana malalaka sy ara-drariny, ary ny fananan'ny eo amin'ny fitondrana fahefana hitondra.

Laharana faha-21 (52,5/100) kosa i Madagasikara (-10,7) eo amin'ny fampanajana ny zo, fahaefatra niharatsy isa indrindra. Mason-tsivana nahitana fijotsoana ankapobeny eo amin'ny sehatra afrikana ny Fahafahana ara-tsivily (-5,1), ny fahafahana hivory sy hanangana fikambanana (-4,4), ny fanitsakitsahana ny zon'olombelona (-4,3) ary ny fahafahana hiteny (-2,7).

Nahitana fihatsarana kosa teo amin'ity fampanajana ity zon'olombelona ity na dia mbola ambany aza naotiny azony i Tonizia (+26.3), arahin'i Côte d’Ivoire (+19.3), Zimbabwe (+16.3), Guinea-Bissau (+14.8), Togo (+12.5) ary i Nizera (+10.7).

Laharana fahaefatra (75,7/100) mitovy amin'i Cap-Vert (+2,1) kosa i Madagasikara (+13,9) eo amin'ny miralenta na fampitoviana ny zon'ny lahy sy ny vavy. I Rwanda kosa no sady nahitana fihatsarana indrindra (+24.6) no tsara naoty indrindra (90.3/100) manerana ny kaontinanta. Ny fihatsarana amin'ny ankapobeny dia avy amin'ny Fitoviana lenta eo amin'ny toeram-piasana (+11.5) sy ny lalàna eo amin'ny herisetra atao amin'ny vehivavy (+9.5).

Fahafaha-manorina Toekarena Maharitra

Nahitana fihatsarana ny Fahafaha-manorina Toekarena Maharitra (+1.8) taona anatin'ny folo taona saingy mbola ambany ihany ny isa ankapobeny eo amin'ny Afrikana 42.9/100. Nihatsara ny fotodrafitrasa (+6.5) sy ny sehatr'asa ambanivohitra (+2.6), raha nijotso kosa ny Tontolon'ny Fihariana (-0.8) sy ny Fitantanam-Panjakana (-1.1). Firenena 38 no nahitana fihatsarana eo amin'ny Fahafaha-manorina Toekarena Maharitra ka i Maraoka (+13.0) no firenena nahitana fivoarana indrindra, arahin'i Nizera (+10.8) sy i Ejipta (+10.7).

Libya (-22.4) kosa no nahitana fiharatsiana indrindra, arahin'i Madagasikara (-9.8) sy i Eritrea (-5.6). Laharana faha-41 isika amin'ny isa 33,1/100. Faha-49 isika (16,6/100) eo amin'ny fananganana sy fikojakojana fotodrafitrasa (-7.1).

 

Faha-44 i Madagasikara (-8.8) eo amin'ny fitantanan-draharaham-panjakana (34.1/100). Na dia mbola mitana ny laharana faha-40 koa aza dia i Madagasikara (-21.7) no niharatsy toerana indrindra teo amin'ny tontolom-pihariana (28,2/100), Madagasikara (11.2/100) kosa no ratsy toerana indrindra teo amin'ny famoronan'asa, arahin'i Zimbabwe (14.6), Tonizia (19.8), Cap Vert (22.6) ary i Sierra Leone (23.0).

Laharana faha-25 (53,6/100) i Madagasikara(-1,3) eo amin'ny sehatra ambanivohitra

Fampivelarana ny maha-olona

Ny fampivelarana ny mahaolona no nahitana naoty tsara indrindra teo amin'ny sehatra Afrikana amin'ny ankapobeny. Firenena 43 no nisy fivoarana tao anatin'ny folo taona ary mahasahana ny 87 isanjaton'ny olompirenena afrikana izany. Voalohany (84,2/100) i Seychelles (+5.2), arahin'i Maorisy (83,7/100) (-0,8) sy i Botswana (78,5/100) (+3,9). I Rwanda kosa no nihatsara fampivelarana mahaolona indrindra (+14.4), arahin'i Ethiopia (+13.9) sy i Angola (+11.2). Madagasikara (41,1/100) faha-50 kosa no faharoa avy any amin'ny farany (-13,5) manaraka an'i Libya (58,1/100) faha-19 eo amin'ny fiharatsian'ny (-15,7) fampivelarana ny mahaolona.

 

Faha-39 (38,4/100) i Madagasikara (-3,5) eo amin'ny fanabeazana raha nahitana fihatsarana teo amin'io lafiny io ny firenena 41. Faha-51 (49,6/100) i Madagasikara (-20,5) eo amin'ny sehatry ny fahasalamana ary nahitana ny fiharatsiana indrindra tamin'izany. Faha-45 (35,3/100) i Madagasikara (-16,5) eo amin'ny fanasoavana (Welfare/Bien être) ary mbola mitana ny telo farany amin'ny fiharatsian'io tontolo io.

Toy izay sy toy izay amin'ny ankapobeny ny tatitra (108 pejy) navoakan'ny Orina Mpanasoa Mo Ibrahim taona 2016 ka miresaka an'i Madagasikara.

 

Ato ny loharanom-baovao nakana ireo voalaza ireo.

 

 

Nanonofy aho, Lasan'ny Shinoa, hono, ny...

2016-09-25 @ 22:24 in Ankapobeny

Raha misy indray izao ny resaka malaza dia izao Shinoa, Shinoa izao foana. Shinoamahamanina, hono, fa tsy Soamahamanina, sao diso famaky ka hoe Shinoamahamahana indray na Shinoamahimahina no voavaky... Rehefa mahita Shinoa dia mahana na mahina avy hatrany, mailo avy hatrany. Alefa daholo ity tsaho sy fanaratsiana Shinoa ity. Dia misy tsy menatra miteny fa Shinoa no tao ambadiky ny fandoroana ny rovan'Ambohidratrimo satria te-hividy iny tany iny, hono, ny Shinoa sasantsasany. Izany ka rediredy.

Miresaka rova ihany fa dia nisy gazety iray namoaka fa misy ampahan-tany ao amin'ny faritry ny Rovan'Ilafy, hono, nisy nividy. Vahiny, hono, ilay nividy; dia raha vao manoratra fotsiny hoe 'vahiny' dia lasa avy hatrany ianareo mieritreritra hoe: "Shinoa indray izay!" Tahaka ny tsy misy vahiny afa-tsy Shinoa eto Madagasikara. Efa misy moa ny mahasahy miteny fa rehefa kelikely dia ny Shinoa indray no hampanofa ny tany amin'ny Malagasy eto Madagasikara. Dia efa lasa lavitra loatra ry zareo ity fankahalanareo Shinoa ity. Manjary mampanonofy ratsy ka any anaty nofy avy no manonofy Shinoa.

Nofy ve moa hita hotantaraina fa aleo ihany ampitaina, fa misy finoana izay manko milaza hoe raha tantaraina, hono, ny nofy iray dia lasa tsy tanteraka, fa raha tsy tantaraina dia mety ho tanteraka. Nanonofy, hono, aho fa ny namindrana ity "tobim-piantsoanan'Ambodivona ity mankeny amin'ny tany malalak'Andohatapenaka lasan'ny Frantsay "Total Madagascar" ity, anie, hono dia satria efa voavidin'ny Shinoa koa ny ampahany be amin'io Ambodivona io. Tsy maintsy itadiavana, hono, noho izany ny hamindrana ireo fiara fitaterana maro dia maro miantsona sy ireo mpivarotra isan-karazany mameno azy ka ny vahaolana haingana indrindra dia ny tany eny Andohatapenaka. Izany, hono, no nahatonga an-dRavalomanana Marc hampitandrina ny Shinoa...

Dia nofy tokoa moa izany, soa fa toa Karana no tompon'ilay tany eny amin'ny Fasan'ny Karana fa tsy Shinoa. Soa fa Frantsay avy amin'ny Total no nampiandraiketana ny fanamboarana ny tobim-pitaterana nasionaly etsy Andohatapenaka na dia Shinoa aza no manao ilay lalana ao ambadika. Soa fa Malagasy, malaza mpanankarena sady mpanolotsainan'ny Filoha izay sarotra ny hieritreritra hoe hivadihan'ny filoha tampoka, no tompon'ny Microcred, ny Cotisse, ny Ranjatiana ary mbola Total (Oadray! vitan'ny Total tokoa ve ny nanamboatra ny fiantsonan'ny fiara teo Ambodivona sa tsy nisy fifanarahana an'izany?) an'ny Frantsay kosa ny ampahany sasany fa raha tsy izany ianareo dia hino io nofy notantaraiko tsy ho tanteraka io ho marina. Aleo aho hatory amin'izay fa alina ny andro!

25 septambra 2016 amin'ny 00:25

Rehefa hanao dia ataovy hatramin'ny farany!

2016-06-26 @ 21:32 in Ankapobeny

Nosembanin-drahona indray ny fiainam-pirenena Malagasy, indrindra fa ny teto an-drenivohitra. Taorian'ny fanafihana fiara tsy mataho-dalana sy fiara fitaterana Bilomalaza tany Beroroha toa tsy mba nandrenesam-peo avy amin'ny mpitondra fanjakana dia nisy nanapoaka zavatra indray tao Mahamasina, tsy fantatra marina ilay napoaka na grenady na baomba namboarin-tanana. Mba noheverina ho mailo fatratra ny mpitandro ny filaminana saingy tratra ihany ny gaboraraka nataony.

Efa natao mahoraka fatratra fa misy mitady hanakorontana ny fetim-pirenena malagasy amin'ity taona ity, efa nandraisana fepetra manokana hitan'ny tena maso mivantana saingy nahoana no mbola nisy ihany iny fipoahana teo Mahamasina iny?

Mba tsy voagadran'ny asa fanao ny tena tamin'ny faran'ity herinandro ity ary nanararaotra nitondra ny ankohonana hilanona kely sy hampifaly azy ireo araka izay tratran'ny tena dia mba nahita ihany ny zavatra tsy mbola fahita teto Antananarivo hatrizay. Hitantara mety ho lavalava ary aho ka araho hatramin'ny farany raha mety.

Avy teny amin'ny tsenambarotra mihaja SMART teny Tanjombato ny Asabotsy 25 jona 2016 tokony ho tamin'ny 4 ora sy sasany hariva no nanapa-kevitra hijery izany Analakely natokana ho an'ny mpandeha an-tongotra izany, niaraka tamin'ny ankizy sy ny zazakely. Rehefa fotoana tahaka izao dia tsy ampoizina ny fihetsiky ny fiara fitaterana ka izay no nandehanana mialoha na dia tsy mbola vita aza ny fampialana voly nataon'ny Okaloo teo amin'io toerana io. Niandry fotoana kely dia tonga ny fiara fitaterana iray izay nilaza mialoha fa hatreo Analakely ihany no andehanany na dia tsy any aza no fitodiany mahazatra. Noraisina satria izay indrindra ny toerana izorana. Mbola vitsy ny olona tao raha niditra izahay fa feno tanteraka izany rehefa afaka fiatoana roa raha be indrindra.

Teny an-dalana dia efa nanahy ihany hoe ho tafahoatra an'Anosy ve? Satria manko raha taona vitsivitsy taloha amin'ny fotoana tahaka izao dia efa tsy azo nidirana fiara intsony izany Anosy sy ny manodidina izany fa te-hijery izany afomanga izany akaiky dia akaiky ny olona. Tsy izaho irery no nieritreritra tahaka izany fa nisy rangahy iray nahateny mihitsy, rehefa afaka ny toby Ratsimandrava ny fiara nandehananay hoe: "Mety ho tafavoaka an'Anosy ve isika amin'izao ora izao?" Tonga moa dia namaly azy ny vadiko hoe aza tenenina mafy izany sao dia ajanony eo Anosy eo ny fiara dia miala eo daholo isika, satria hita fa te-ho any Analakely ny ankamaroan'ireo nandray ny fiara fa vitsy ny niala teo Anosy akaikin'ny Boriborintany fahaefatra hijery Afomanga.

Nanomboka teo no somary efa feno olona ny lalana ary efa nihoatra nankeny an'arabe ny ankamaroany. Tamin'izahay nandalo teo no nahita ny fiaraben'ny Kaominina miloko manga mandrahona ny mpivarotra anaty lalana hanaisotra ny entam-barony. Efa ny ampahatelon'ny lalana tokoa no feno azy ireo tamin'io fotoana io, ary mbola azo nizoran'ny fiara maro ihany ny arabe. Efa tsy taitran'ny afomanga intsony ve ny olona. Marihina kosa fa efa misy dia misy tokoa ireo olona namonjy toerana amin'ny fanatrehana izany afomanga izany fa tsy hahabahana arabe mihitsy ny hamaroany afa-tsy fanahy iniana hanakana mihitsy angaha. Fa teo ihany koa no nahitana ny hamaroan'ny zandary, polisy ary miaramila misatro-mena tamin'ny manodidina ny farihin'Anosy.

Mbola nisy teo am-pilaharana araka ny fanaon'ny miaramila ry zareo tamin'izahay nandalo teo saingy azo notarafina avy hatrany fa raha asaina mifampitantana ry zareo dia hahaodina soa aman-tsara ny farihin'Anosy mihitsy. Efa miatrana ry zareo ary tena tonga amin'ilay fitenenana taloha manao hoe miharihary toy ny tafika andrefan-tanàna. Tsy mbola nahita toy izany aho hatramin'izay nipetrahako teto Antananarivo, mety ho efa nisy tany aloha tany fa izay hitako sy niainako no lazaiko. Na dia tsy tiako loatra aza ny hamaroan-dry zareo teo, tahaka ny hoe ry zareo indray no hijery afomanga fa tsy ny olona loatra, dia mety mba mahazo antoka kosa aho amin'ny isian'ny filaminana sy ny hahahaingana ny valiny raha misy ny mitady hanakorontana. Na dia nitondra fakantsary aza aho dia tsy afaka naka satria mbola nitrotro zaza ary mbola sarotra alaina ny fakan-tsary moa ny fiara mandeha hatrany. Raha hijery afomanga teo akaiky teo aho izany dia nahazo toky soa aman-tsara fa tsy ho lasa lavitra raha misy ny manendaka na mila sotasota... fa tsy nieritreritra mihitsy aho hoe mety hisy ny hanapoaka baomba. Tsy nahita ny toy izany loatra indray anefa aho raha teny Analakely tamin'io fotoana io.

Na tsy teny Anosy sy Analakely aza aho ny alahady 26 jona dia afa-nihevitra ihany fa tsy maintsy henjana ny fisavana tamin'ny fidirana nankao amin'ny kianjan'i Mahamasina ny marainan'ny matso fa tsy mahalala mihitsy kosa aho hoe nisy fisavana kosa ve ny folakandro rehefa vita ny matso? Izay teny ihany no afa-mamaly izany. Tombatombana sisa no heverina hoe efa lasa natao toy ny tao Analakely tsy nahitana mpitandro ny filaminana amim-basy loatra ve ny tao Mahamasina rehefa vita matso sy efa lasa ny olo-manankaja sa mbola nitohy ihany ny fisavana ny hariva nefa dia mbola nisian'ireny fipoahana tao anaty kianja ireny?

Raha hoe eny ny valin'izany fanontaniana izany dia azo heverina fa nisy nanao kitoatoa izany ny fitandroana ny filaminana sy ny ain'ny olona ankoatra ny manampahefana, fa raha tsia kosa dia azo heverina ho tsi-firaharahiana tsotra izao ny ain'ny vahoaka ny tsy fanaovana intsony ny fisavana rehefa natao nahoraka ihany fa hisy ny hanakorontana. Any amin'izay nanatrika ny toe-javatra androany, sy ireo natao hitandro ny filaminana androany 26 jona ny valin'izany fanontaniantsika rehetra izany. Koa dia fanehoana fiaraha-miory amin'ny fianakavian'ny maty sisa no azo lazaina satria heveriko manokana fa fanaovana sorona ny ain'olontsotra ihany ny fanaovana kinanga fitandroana ny filaminana amin'ny lanonana tahaka itony ka nahatonga ny lohatenin'ity lahatsoratra ity manao hoe "Rehefa hanao dia ataovy hatramin'ny farany!" fa aza mieritreritra zavatra hafa azafady.

Jentilisa 26 jona 2016 na 26/06/16

 

Momba ahy
jentilisa

Vasoky ny tambajotra sosialy tahaka ny Facebook,Twitter sy ny karazany ny blaogy amin'izao fotoana. Mora miely vetivety ny hevitra sy izay voasoratra amin'ireo sehatra ireo.

Misy lafiny iray anefa tsy ahavoazan'izy ireo mihitsy ny blaogy dia ny fitehirizana.Rehefa karohina ny vontoaty iray dia sarotra hita kokoa ny vokatry ny fitadiavana avy amin'ireo tambajotra sosialy ireo.Izay lafiny izay no tsy maharesy tondromaso ny blaogy satria mora hita kokoa ny vontoatiny rehefa karohina amin'ny alalan'ny mili-pitadiavana.

Momba ny eto manokana indray, tsy hianona intsony amin'ny vaovao eto an-toerana aho fa hisokatra kokoa amin'ny manerantany, na amin'ny sehatra ankapobeny. Hosoratana avokoa na eritreritra sendra nandalo na revin-gadra, na fanehoan-kevitra mety hanafintohina ny mpamaky. Mety ho tezitra ianao amin'izay voasoratra nefa ny hisokafan'ny saina handinika sy hamakafaka ary handanjalanja no tena kinasa ambadiky ny lahatsoratra. Ka mazotoa daholo ary ny hevitra anie no hiady fa tsy isika no hifandramatra!

calendar
« Mey 2025 »
Ah At Ta Ar Ak Zo As
        1 2 3
4 5 6 7 8 9 10
11 12 13 14 15 16 17
18 19 20 21 22 23 24
25 26 27 28 29 30 31
Tahiry
Credits
LifeType IE7 XHTML CSS Firefox