Ny fomba fampiasana ny Google Fandikanteny

2014-12-15 @ 23:21 in Ankapobeny

Nalaza vetivety teo amin'ny Malagasy Mpiserasera indray ny fijoroan'ny "Google Translate" na "Google Traduction" amin'ny teny malagasy tamin'ity volana desambra 2014 ity. Tsorina fa efa hatry ny ela ny tena no nitady fitaovana an-tserasera na milina an-tserasera na ivelan'ny serasera ahafahana mametraka dikanteny malagasy ireo teny vahiny fantatry ny tena. Efa nampiasaina ny tahalan'ny "tenymalagasy.org" sy ny "freelang" fa tsy mahafa-po loatra satria samy manan-tompo ireo [misy fizakàmanana manokana] fa tsy mametraka ny teny na dikanteny hita ao ho fananana iombonana iaraha-misalahy na andraisan'ny besinimaro anjara ("crowdsourcing"); mahafinaritra ny zava-bitan'izy ireo fa tsy mahafa-po ahy manokana satria ao amin'ny tahala notononina voalohany dia tsy fantatra hoe nekena ve sa tsia ny tolo-kevitrao nanolotra voambolana iray, ary ao amin'ny faharoa kosa mbola tsy nahita fandikana ny teny anglisy ho amin'ny teny malagasy aho. Nihevitra manokana aho fa tsy manaraka andro loatra ny votoaty ao amin'izy ireo.

Nitady milina an-tserasera na ivelan'ny serasera ahafahana mampiasa indray ny dika efa vita

Mitady fivoarana haingana dia haingana aho ary avy amin'ny tahala ahafahan'ny besinimaro mandray anjara mavitrika ihany no fomba ahafahana manajary izany fivoarana haingana izany, ahafahana mampiely haingana sy mampiasa ireo voambolana teknika sy teknolojika na an-tserasera hitan'ny mpiray tanindrazana na mpakamamy ilay tenindrazana iombonana, na ireo teny sarotra ho an'ny mpiray tanindrazana ny mitadidy azy. Tsy manampahaizana sady tsy manam-potoana hananganana rindrambaiko ahafahana mitahiry ireo voanteny vaovao na mahazatra, eny fa na mety ho tsy fampiseho masoandro noho ny fitaizana napetraky ny misionera vahiny ny tena ka ny tao amin'ny "google translate" ihany no tena nikirizako itadiavako lalana hoe ahoana no ahafahana mitahiry ireo teny nandikana ireo teny vahiny lasa gasiana fotsiny matetika.

Ny tena tao an-tsaiko voalohany raha nikaroka rindrambaiko na milina aho dia hoe ahoana ny fomba ampiasàna indray ireo lahatsoratra ao amin'ny Global Voices Online teny malagasy ho amin'ny fandikanteny avy amin'ny teny anglisy ho amin'ny teny malagasy farafaharatsiny. Mbola ny teny anglisy aloha no teny iraisampirenena voalohany sy maharaka [ny toetr'] andro ka rehefa voadika amin'io teny io ny tenintsika Malagasy dia mora kokoa ny handikana azy ho amin'ny tenim-pirenena maro dia maro na mba efa fantapantatra ratsy eo ny tian-kolazaina. Tsy mbola nahita aloha aho hatreto ary tsy mbola nisy nilaza fa dia hanomboka na hanohy miaraka amin'ity "google traduction" amin'ny teny malagasy ity aloha no akaiky indrindra hatreto.

Lalana izorana hanatsarana ny dikanteny ao amin'ny google

Sahirantsaina ihany ny tena rehefa mahita fa izay teny rehetra sarotsarotra dia voadika ho zavatra daholo na inona na inona. Hitako hatreto amin'ny fotoana nanoratana fa ny dika mandeha ho azy rehefa hamadika pejy iray ho amin'ny teny malagasy amin'ny "application" dia "zavatra" [mariho fa mamadika pejy iray ho teny malagasy no lazaiko hatreto fa tsy ilay fafana fampiasantsika izay ahitana ny "fampiharana" nefa mety hahaliana ihany koa ny "rindranasa". Ny voambolana "application" anefa tokony tsy ho azo gasiana fotsiny amin'izao noho ny fisian'ny litera "c" izay tsy tafiditra anaty abidia malagasy amin'ny fomba ofisialy, tahaka izany ihany koa ny mi-"tweet", mi-"facebook" sns. Noho izay toe-javatra izay dia tsorina fa tsy mifanaraka amin'ny toe-tsaina mamatam-bonona mihitsy ny tokony handraisana ity "google fandikanteny" ity fa mbola vao mandavaka sy mametraka ny fototra isika, izany hoe mbola lavitra dia lavitra ny lalana. Tsy maintsy misy fandraisana anjaran'ny daholobe manana fahalalana momba ny teny adika sy ny vokatra mivoaka izany rehetra izany. Mariho izany fa tsy maintsy mandray anjara amin'ny fanatsarana ianao raha tianao ny hahahaingana ny fivoaran'ity milina ity. Tsy manampahaizana aho fa izay efa hitako sy nataoko ihany no tantaraiko aminareo.

Voalohany: miditra na manangana kaonty google vaovao

Mety misy ihany ny fahafaha-manitsy ireo fehezanteny nadika sy ny fehezanteny nivoaka fa ny tsaratsara kokoa, araka ny fihevitro manokana izay mety ho diso, dia entina ijerena ny mahamatotra ny firotsahana an-tsitrapo ho amin'ny fandikana nataonao ny miditra amin'ny kaontinao ao amin'ny google. Mba mety ho hitany ihany koa ny fahavitrihanao na mba mety ho faly amin'izay vitanao ihany koa ianao amin'ny fametrahana an-tserasera ny fandikanteny ho amin'ny na avy amin'ny teny malagasy.

Faharoa : miditra amin'ny pejy "google translate" na "google traduction"

Tsy maintsy miditra amin'io pejy io ianao raha hijery ilay fandikanteny. Azonao atao ny manao fandikana kapo-batana eo amin'ny fafana fa misy lalana iray hafa azo atao ihany koa, sady toy ny lalao ilay izy no mila saina mieritreritra ihany koa. Aza asiana na inona na inona eo amin'ny fafana ankavanana sy ny fafana ankavia. Eo ambanimbany eo somary afovoany misy fanamarihana hoe "Google fandikanteny ho an'ny orinasa..." eo ambonin'io misy soratra voaravaka loko mavomavo manao hoe "Please help Google Translate improve quality for your language here". Miloko hafa ny voambolana "here" ka io no tsindrio fa ho tafiditra ao amin'ny "Community" ianao. Eo amin'izay misy lohateny hoe "My languages", tsindrio io raha tsy efa misokatra avy hatrany ilay izy. Nasaina nisafidy teny moa aho ka telo no notsindriako dia ny Anglisy, ny Frantsay ary indrindra indrindra ny Malagasy. Vita izay safidinao dia "tehirizo" (Save na Sauvegarder).

Sady lalao no fanitaran-tsaina ilay "Improve Google Translate"

Zavatra telo no azonao atao rehefa tafiditra ao ianao, na mandika teny (soratra) na mitsara na manamafy, na manao ny roa amin'ireo telo ireo na manao azy telo mitambatra mifandimby. Rehefa mahavita maromaro ianao dia azonao jerena ny antontanisan'ny vitanao amin'ny fanindriana ny rohin'ny "My Answers". Raha mandika ianao ka mahita teny mbola tsy fahitanao dia azonao atao ihany ny mijery amin'ny ankihy - kiheba (onglet -tab) iray hafa ny google translate dia mijery ny ambaran'ny rakibolana eo ambany eo na mijery ny dikany amin'ny teny frantsay na teny hafa manavanana anao (ankoatra ny teny malagasy kosa angamba an!)

Na dia mety ho tsotsotra aza ireo nambarako ireo dia efa lavalava ihany ary mety mampihazakazaka mankany amin'ny fanatsarana ny dikantenin'ny milina koa dia mazotoa daholo ary!


Jentilisa 16 desambra 2014

Zavatra hafahafa talohan'ny hetsiky ny #wakeupmadagascar

2014-12-06 @ 23:02 in Ankapobeny

Na dia tamin'ny alalan'ny facebook ihany aza no sehatra voalohany nampitàn'ny mpiombon-kevitra tao amin'ny #wakeupmadagascar ny hetsika milaza fa hanomana tohivakana ataon'ny olompirenena ry zareo, ary herinandro teo ho eo no nanapahana sy nilazàna tao amin'ny pejy ny fotoana, dia nisy akony ihany ilay tohivakana nokarakarainy sady tsy nohamaivanin'ny mpifehy ny tanàna na oviana na oviana sy ireo vondro-tafika mpiaro azy ny ho fiantraikany fa efa niomana fatratra ry zareo. Noheveriny fa hisy ny fidinana hanitsaka io arabe io, noheveriny fa hisy ny kiakiaka na savoritaka na tabataba, noheveriny fa hisy ny kabary na fivorivoriana tsy amin'antony... saingy tsy araka izay noheveriny ilay zava-mitranga satria tsy azony tsara ny fandehan'ilay resaka.

Mifanindra-dalana tamin'ny fanomanana ity hetsiky ny Asabotsy 6 desambra ity dia hilaza aminareo ny zava-nitranga nialoha izay niainako aho. Nosoratana hahatsapantsika hoe tahatahaka ny ahoana ny zavanisy, na tahatahaka ny ahoana ny niainako ity herinandro ity, ka izay mifandraika indrindra amin'ny tohivakana nomanina no resahiko. Na andeha lazaina hoe izay heveriko fa misy mifampiditra amin'ny fahatapahan'ny facebook tamin'ity herinandro ity fa tsy kisendrasendra mahavalalanina ilay izy. Ny an'ny TGN na izay fantatry ny besinimaro amin'ilay hoe mpanao servisy Telma no resahina satria izay no nahitako ny tsikaritra.

Voalohany, ny alakamisy nanomboka atoandro dia saiky tapaka avokoa ny clé telma rehetra tamin'ny faritra maro, indrindra fa ny teto Antananarivo. Mariho fa tsy mahafantatra ny an'ireo clé hafa aho na dia nisy aza ny nilaza tamiko fa nitrangàna olana ihany koa ny an'ny orange ohatra, tsy dia nino izany loatra aho fa izay hitako ihany no tantaraiko. Nisy tamin'ireo sampana nampiasa clé telma (roa na telo) no namadika ny azy ho clé orange na clé airtel ahafahana mifandray amin'ny lohamilina (serveur) fa tsy nahavaha olana izany fa ilay telma ihany aza no nety nifandraisana tamin'ny farany. Toy ny tsy nisy intsony izany olana voalohany notantaraiko izany rehefa nanomboka ho maizina ny andro.

Faharoa, nifoha maraina aho ny zoma ary dia niditra facebook. Akory ny hagagana fa ela dia ela vao tafiditra ary lasa ratsy endrika ny tao anatiny rehefa nahatafiditra ny tenimiafina. Tsy afa-naneho hevitra tany amin'ny satan'ny olon-kafa na tao amin'ny satako aho fa ny "like" sy ny "share" kosa azo natao ihany. Azo natao kosa anefa ny nametraka sata hafa. Ny azo marihana ihany koa dia tsy hita intsony ny mari-panondroana ahafahana mivoaka amin'ilay tambajotra Facebook fa dia akatona amin'ny "X" mena etsy ambony fotsiny. Raha misy anefa olon-kafa hiditra facebook aoriako dia ho tafiditra avy hatrany ao amin'ny pejiko izay tsy azoko nakatona izy. Mampidi-doza izany amiko fa soa fa tato an-trano ihany no niserasera.

Nivadika tambajotra an-tserasera aho taorian'izany izay ahafahako mikirakira ihany koa ny votoatin'ny facebook-ko sy ny tambajotra an-tserasera hafa fa dia tafiditra soa aman-tsara tsy misy olana... misosa soa aman-tsara. Talohaloha tany anefa raha nanao izao fomba izao aho ka idirako avy ao ny facebook dia milaza aminao fa tsy afa-miditra ao amin'io "tambajotra" facebook io ianao. Taoriana kelin'izany olana tsy fahazoana miditra "facebook" na serasera hafa izany anefa dia ahitana hatrany ny vaovao iraisampirenena fa nanana olana tokoa ny lohamilin'ny facebook na tambajotra hafa efa nisedra olana tahaka izany. Teto anefa tsy nitranga izany karazana olana izany fa tena tafiditra soa aman-tsara aho. Tsy iraisampirenena noho izany ny olana raha misy fa anatiny, izany hoe eto Madagasikara ihany. Efa nampieritreritra.

Tamin'io andron'ny zoma maraina io dia ny facebook ihany no toa manana olana fa ny hafa kosa toa misokatra vetivety ihany, indrindra fa ny habaka iraisampirenena. Nony tonga ny atoandro dia niditra YouTube indray aho fa raha mandeha ilay izy amin'ny voalohany dia manodidina ny 10-30 segondra ihany no misosa ny fijerena sary fa mihantona avy eo ary tsy mihetsika intsony. Efa nanahinahy aho fa hisy fahatapahana ity raharaha ity. Kanjo inona tokoa...tokony ho tamin'ny dimy ora hariva teo ho eo (mety ho alohany na mety ho aorianany ihany koa!) dia nihanihisatra tsikelikely avokoa ny tranonkala (habaka) iraisampirenena rehetra ary tsy tafiditra intsony izay [.fr] na [.com] na [.org] rehetra avy eo fa mbola nisokatra tsy misy olana kosa ny habaka [.mg].

Nandefa fampilazana ny tao amin'ny TGN fa manana olana eo amin'ny hosina anelanelan'Ihosy sy Ambalavao. Ny tsikaritra anefa tamin'io fotoana io dia mbola afa-nifandray tamin'ny lohamilina avokoa ny sampana rehetra nanerana an'i Madagasikara na clé no nampiasainy na Adsl fa toerana iray tao Toliary ihany no tsy afa-nifandray tamin'ny lohamilina... tsy nanana olana toy izany anefa ny faritra hafa tao Toliary tao ihany. Fantatsika fa avy ao Toliary no miditra eto Madagasikara ny Hosina ampiasain'ny Telma. Misy fahatapahana tokoa ve ny hosina teto Madagasikara? Mila manampahaizana aho hamaly satria mety ho tsy takatry ny lohakeliko ny tena fandehan'ny raharaha sy ny mahalôjika izao fandehan'ny raharaha izao. Tsy tafiditra habaka iraisampirenena intsony ny tena na dia ny alimben'ny zoma hifoha asabotsy aza.

Tonga ny Asabotsy maraina. Nivaha avokoa ny olan'ny habaka iraisampirenena rehetra fa mbola nitoetra hatrany ny "olan'ny facebook" efa notantaraiko tetsy ambony. Afa-manoratra sata sy manao "like" sy "share" fa tsy afa-maneho hevitra amin'ny sata na pejin'ny olon-kafa. Rehefa tontosa kosa anefa ny hetsika nataon'ny #wakeupmadagascar dia niverina tamin'ny laoniny soa aman-tsara ihany koa ny facebook ary tsy nisedra olana ihany koa ireo habaka iraisampirenena hafa. Dia azo heverina fa tena kisendrasendra mahatalanjona ve ny fahatapahan'ny facebook tao anatin'ny telo andro raha niaina ireo toe-javatra ireo ianao? Aleo ny mpamaky ihany no hamoaka ny tsoa-kevitra.



Jentilisa 07 desambra 2014

Iza no tena dahalo?

2014-11-16 @ 11:01 in Ankapobeny

Hatry ny ela dia ny dahalo no malaza amin'ny resaka fampijaliana olona sy ny fampirohorohoana. Fa misy ihany koa ireo olona any amin'ireny toerana anjakan'ny dahalo ireny no milaza fa misy koa ireo lazaina ho mpitandro ny filaminana no mihoatra amin'ny fahefana ataony ka mamaky trano sy mandroba ny fananana kelin'ny olona ary mamono na midaroka ihany koa. Nanokatra fahalalàna bebe kokoa momba ny toe-draharaha teto Madagasikara ny fandaharana iray tao amin'ny fahitalavitra tamin'ny faran'ity herinandro ity. (rohy youtube)




Tao amin'ny fanavazavan'Atoa Latimer Rangers, mpanao gazety fanta-daza tamin'ny fandaharana iray tamin'ny onjampeom-pirenena nandritra ny repoblika faharoa antsoina hoe "Tanàna, lalana sy havoana mena masoandro" izay matetika tratran'ny sivana mahery vaika ka nandefasana io fandaharana io ho amin'ny alimbe heverina fa tsy misy mihaino intsony no nahafantarako ny lanjan'ity lahatsary iray eto ambany ahitana ny fampijalian'ny miaramila ireo olona mirahalahy noho ny fitondrana ody sy ny tsy fitondrana pasipaoro ity: (rohy youtube)



Hampisy ny fahazoan-dresaka tamin'ny fanamafisana nosoratan'Atoa Latimer Rangers hoan'ny gazety nasionaly iray eto an-tanindrazana fa tonga dia azo tondroina ho dahalo, na malaso, avokoa ny lehilahy rehetra mitondra moara, ody, rojo, fehin-tanana. Dia indro porofoin'ny sary ihany fa dia mahazo daroka mandritra ny famotorana azy ireo ny olona nitondra moara na ody any amin'ny toerana tsy misy andriamanitra (lavitr'andriana hoy ny fiteny efa tokony ho ntaolo saingy mbola azon'ny besinimaro mandraka ankehitriny). Fanendrikendrehana miteraka fanosihosena ny zon'olombelona sy ny hasiny. Anisan'ny mampihoron-koditra indrindra ihany koa ny fandrenesana fa isak'izay hivoaka ny tananany ny olona any amin'ireny faritra ireny dia tsy maintsy maka pasipaoro any amin'ny lehiben'ny fokontany, na dia hamonjy tsena fotsiny aza, voahosihosy tanteraka ao anatin'izany toe-javatra izany ny zo hivezivezy malalaka eto amin'ity tanindrazantsika ity. Misy ve noho izany ny sokajin'olona voafetra tanteraka ny fahazoany mivezivezy?

Ny lahatsary farany atolotra antsika dia fijoroana ataon'ireo olona niharan'ny antsojay nataon'ny miaramila nolazaina fa nanatontosa "opération" na izay soratanay amin'ny teny malagasy hoe "bemidina" hanakanana ny asan-dahalo nefa toa lasa mibolisatra tamin'ny iraka nampanaovina azy ireo. (rohy youtube)

 

 


Taorian'ireo natolotra anareo ireo dia tsara ny mijery amin'ny zoro hafa ny momba ireo lazaina fa "dahalo niova fo, kotro tonga saina, dahalo milavo lefona" ireo.

.

.

.

Jentilisa 16 novambra 2014

 

Lalao sy Tojo Ravalomanana: Ilay fanakanana - fandrarana naharitra ora vitsy!

2014-10-18 @ 09:00 in Ankapobeny

 

Amin'ny fotoana anoratako ity lahatsoratra ity dia mbola tsy nahita izany gazety izany aho. Na voalaza an-gazety na tsia dia tsy maintsy tahirizina ihany ny raharaha na dia manjavozavo tanteraka aza tamin'ny fotoana nanoratana. Tonga teto an-tanindrazana ny filoha teo aloha Marc Ravalomanana. Nanao valandresaka tamin'ny mpanao gazety izy ary nalaina an-keriny tao an-tranony noho ny filazana fa nanao teny fihantsiana izy nandritra izany valan-dresaka izany : "Tsy mahandry izany 2018 izany aho...". sns...

Navezivezy amin'izay ilay filoha teo aloha, ho fiarovana ny tenany, tsy nomena raha tsy efa ora maromaro aty aoriana ny toerana hametrahana azy. Tamin'ny voalohany dia noheverina fa natoka-monina tetsy Arivonimamo na tao Mantasoa na tany Ambatolampy ny filoha teo aloha, saingy nisy ihany ny nahatsikaritra fa nandeha niakandrefana, lalam-pirenena fahaefatra, ilay fiara nitondra azy. Avy eo nisy ny nitantara fa noraisin'ny angidimby tao Maevatanana ilay olona ary nentina tao Mahajanga, tao no nameno solika ilay angidimby ary niato kely tao Antsohihy ary niafara tao Antsiranana ny takariva. Nisy nanoratra avy eo fa natodi-doha ho any Morondava indray ny dia rehefa tonga ny ampitso maraina, toa miandry fankatoavana ny hamerenana azy any Afrika Atsimo, saingy niverina nankany Antsiranana ihany nony farany, tsy nanaiky ny hamerenana azy any Afrika Atsimo ny tany. Teo ny fianakaviana isoloan'ny vadin'ny filoha teo aloha tena sy ny zanany lahimatoa nanapa-kevitra ny hijery azy any amin'ny toerana anokana-monina azy ao amin'ny tobin'ny BANA ao Antsiranana.

Nanokana fotoana handehanana any ary izy mianaka voatonona teo, saika hiainga ny folakandro saingy voalaza fa mbola tsy ara-dalàna ilay fiaramanidina saika handehanana. Voatery ny ampitso maraina indray vao manainga. Tonga tany dia nisy ny fihaonana, voalaza fa indray mandeha ihany no mahazo mihaona. Tsy fantatra ny fahamarinan'izany fa dia izay no lazain'ny fianakaviana. Voalaza ihany koa fa efitra tokana sady ahitana fandriana no ahitana toera-pivoahana sy fisasana no nametrahana ilay filoha teo aloha ary mihidy avy any ivelany ny efitra misy azy. Nanambara izany ireo olona nandeha tany fa hanao valan-dresaka ho an'ny mpanao gazety rehefa tody eto an-drenivohitra indray. Miteraka olana ho an'ny mpitondra izany toe-javatra izany, andro zoma mialoha ny asabotsy no anatontosana ny valan-dresaka. Na ny mpanohana na ny ao amin'ny fitondrana dia samy mahafantatra ho azy, noho ny zavanisy teo aloha fa ity andro asabotsy ity no andro saropady indrindra ho amin'ny fitohizan'ny tolona na ijerena ny laza sy ny fanarahana ilay olona nohidiana atoka-monina.

Noho ny fitandremana be loatra ve sa noho ny fanambarana amin'ny onjam-peo niantsoan-dRamatoa Ravalomanana ny vahoaka malagasy hijoro noho ny tsy fametrahana amin'ny tokony ho toerana sahaza azy ny vadiny, izay azo raisina ihany koa ho fiantsoana ny olona hidina an-dalambe, fa dia tsy navela hitody eto Antananarivo ry zareo. Mody nolazaina tamin'ny Malagasy mpanara-baovao fa ny fiaramanidina no tsy afa-mandeha nefa tsy voafitaka amin'izany i Tojo niantso mpanao gazety tany Afrika Atsimo tamin'ny finday :
"Tafahitsoka eto Antsiranana izahay. Tsy gadraina izahay fa arahin'ny miaramila maso - manao fanamian'olon-tsotra ny sasany amin'izy ireo." Tsy tian'ny fanjakana hanatontosa ilay valan-dresaka ho an'ny mpanao gazety nomanina ny atoandro ry zareo dia mody any amin'ny zavatra hafa no lazaina misy fahasamponana. Nilaza mivantana ny Inner City Press fa voarara tsy mahazo mody an-drenivohitra ireo ao amin'ny fianakaviana nitsidika ny filoha teo aloha.

Tranonkala iray eto an-tanindrazana indray, sady mitondra ny anaran'i Lalao Ravalomanana rahateo, nahasahy niteny fa tsy mahazo alalana  hifandray amin'ny any ivelany (amin'ny hafa?) ry zareo tamin'ny telo latsaka fahefany folakandro [zoma] rehefa nahavita ilay antso tao amin'ny radio Antsiva nandritra ny vaovao amin'ny iray latsaka fahefany ary tsy mahazo mivoaka ny tanànan'Antsiranana. Niala izany fandrarana rehetra izany rehefa tonga ny tamin'ny enina ora hariva ary afaka mandray ny zotram-piaramanidina mahazatra ry zareo. Dia izay no fitantaran'ny sasany io andro zoma 17 oktodra io.




Jentilisa 18 oktobra 2014

Sakatsakana mampihomehy!

2014-09-10 @ 19:33 in Ankapobeny

Raha nisy fotoana nalaza ny fitokonan'ny mpianatra teny Ankatso sy ny gidragidra fifampitorahana teo amin'ny mpianatra sy ny mpitandro ny filaminana, noho ny gafigafy nataon'ny heverina ho olon-kafa voakarama hanakorontana sy eritreretina fa hamadika ilay tolon'ny mpianatra ho politika, tsy hita intsony ny lavenon'izany ankehitriny satria nisy ny vatsim-pianarana nozaraina. Nisy ny gidragidra toy izany ihany koa teo amin'ny mpianatra any amin'ny farintany fa tsy henoheno loatra ny momba izany amin'izao fotoana izao. Tsy mba toy izany kosa ny an'ny mpampianatra FRAM hatreto. Toe-draharaha mifanohitra amin'izay heverina no hita.

Amin'ny ankapobeny dia mora milefitra ny mpiasa, na ny tsy mpianatra intsony, satria efa mamelom-bady aman-janaka, mbola kely anaka, efa manana fandaniana. Rehefa mihatra hatrany amin'ny tsy fahazoana karama intsony manko ny tolona dia tsy hanana hery hanoherana intsony ny mpikarama. Raha eritreretina tsotra toy izany ny zavamisy dia hatramin'ny volana oktobra no tena ho hita ny herin'ny tolona ataon'ny mpampianatra FRAM mitokona. Efa mba nandre resak'olona ihany aho fa tsy mpampianatra FRAM eto an-drenivohitra no tena mikiribiby manohy ny tolona fa ireo an-tany lavitra ka izay lafiny izay no tsy hanaikinekeny fotsiny izao ny ho resy. Manana olom-pantatra ihany ny tena nanao io asa io fa tena fadiranovana ireo olona ireo, satria mba mampianatra taranaka Malagasy dia manana fahamenarana tsy hangataka an-dalambe fa karazany mitety ireo olona antenainy ho malala-tanana mahatsapa ny andavanandron'izy ireo. Fa tena ontsa dia ontsa ny fo rehefa mieritreritra hoe olona efa lasa "mpangataka" (tsy ankarihary) ve no mpampianatra ny zanakao? na mpampianatra ny maro an'isa amin'ny zanaky ny mpiray tanindrazana aminao?

Noho ny fahitana izany toe-javatra izany dia tsy afaka ny hieritreritra hanesoeso na hanohitra izay fitakiany ny tena. Mariho fa efa an-taonany ireo olona ireo no nitolona ka nahatonga hatrany amin'ny drafitra hampidirana ho mpiasam-panjakana ny 10.000 amin'izy ireo saingy mazava loatra fa tsy hahafa-po azy ireo izany raha miohatra amin'ny isany amin'izao fotoana izao. Hatramin'ny nanombohan'ny fialan-tsasatra ireo no nihanavitrika satria izay no fotoana tsy ampianarana sy tokony hanaovana ny tolona. Efa nisedra baomba mandatsa-dranomaso izy ireo ary efa niharan'ny fisamborana sy ny herisetra ny iray amin'ny mpitarika amin'izy ireo. Raha izay mpitarika efa nosamborina sy nampijaliana izay no mbola mifikitra amin'ny fanaovana ny tolona (araka ny nahitako azy tamin'ny fahitalavitra) dia efa vonona hatramin'ny farany izy, na manana fikendrena tokoa ny ho tafiditra ho mpiasam-panjakana mazava hoazy.

Rehefa nanao ny fitakiana teo amin'ny minisitera ary izy ireo no voatosi-bohon-tanana dia mazava loatra raha hitodika any amin'ireo olom-boafidy mivantana eto amin'ny firenena (na tena voafidy tokoa ireo na noho ny halabato no nahavoafidy azy ireo). Tsy tokony hatao mahagaga raha nisy ny fikasana hizotra ho any Tsimbazaza hizotra ho eny amin'ny Lapan'ny Antenimieram-Pirenena. Misy lalan-kevitra mazava tsara ao anatin'izany, ka izay no mampihomehy amin'ny zandary teo Ankadilalana tamin'ny nanakanana ny arabe tsy hizoran'ireo olona ireo hoany. Tsy misy tokony hanakananao ny olona hiresaka amin'ny olom-boafidiny ankoatra ny hoe tsy te-handray azy ireo ihany koa ny olom-boafidy atoniny. Hanakana ny fifampiresahana eo amin'ny mpidify sy ny olom-boafidy ve ianao satria hoe mpitandro ny filaminana? Moa ve tsy izany fanakanana ny tsy ifandraisan'ny mpifidy sy ny olom-boafidy izany indray no antsoina hoe fanakorontanana tsy afaka am-bavan'ireto karazan'olona ireto? Tsy handroba ireo ary tsy hanakorontana ka diso toerana ilay fepetra henjana lazaina, fepetra jadona no anaran'izany fa tsy fepetra henjana.

Ny fivoarana hita tamin'ny nataon'ny zandary kosa dia ny tsy nampiasana ny baomba mandatsa-dranomaso tamin'ity fotoana ity fa ny kobay sy ny ampinga no tena novononina. Mazava loatra fa raha resaka fifanosehana dia tsy hitovy ny hery eo amin'ny zatra fanazaran-tena sy mpikotrana lava sy efa nahazoazo habe sy ny olona efa zatra nihafy, manifinify sy fohy ary mifanakaikikaiky ny isan'ny olona. Fa mahalasa eritreritra ny mpitazana kosa ny mahita izany habe sy halava tsy dia mitovy izany, efa fantatra tsinona fa tsy hahavita herisetra na oviana na oviana ny olona efa manambady aman-janaka sy efa tsy mijery ny hoaviny intsony fa efa any amin'ny taranaka indray ny saina. Ny tena kosa moa eto dia ny manoratra ihany no atao mba hisy ny soratra vavolombelona rahatrizay.




Jentilisa, 10 septambra 2014

Momba ahy
jentilisa

Vasoky ny tambajotra sosialy tahaka ny Facebook,Twitter sy ny karazany ny blaogy amin'izao fotoana. Mora miely vetivety ny hevitra sy izay voasoratra amin'ireo sehatra ireo.

Misy lafiny iray anefa tsy ahavoazan'izy ireo mihitsy ny blaogy dia ny fitehirizana.Rehefa karohina ny vontoaty iray dia sarotra hita kokoa ny vokatry ny fitadiavana avy amin'ireo tambajotra sosialy ireo.Izay lafiny izay no tsy maharesy tondromaso ny blaogy satria mora hita kokoa ny vontoatiny rehefa karohina amin'ny alalan'ny mili-pitadiavana.

Momba ny eto manokana indray, tsy hianona intsony amin'ny vaovao eto an-toerana aho fa hisokatra kokoa amin'ny manerantany, na amin'ny sehatra ankapobeny. Hosoratana avokoa na eritreritra sendra nandalo na revin-gadra, na fanehoan-kevitra mety hanafintohina ny mpamaky. Mety ho tezitra ianao amin'izay voasoratra nefa ny hisokafan'ny saina handinika sy hamakafaka ary handanjalanja no tena kinasa ambadiky ny lahatsoratra. Ka mazotoa daholo ary ny hevitra anie no hiady fa tsy isika no hifandramatra!

calendar
« Mey 2025 »
Ah At Ta Ar Ak Zo As
        1 2 3
4 5 6 7 8 9 10
11 12 13 14 15 16 17
18 19 20 21 22 23 24
25 26 27 28 29 30 31
Tahiry
Credits
LifeType IE7 XHTML CSS Firefox