Aiza ho aiza marina ilay Taombaovao Malagasy?

2014-07-28 @ 22:24 in Ankapobeny

Raha ny marina dia setrin'ny lahatsoratra iray mivoaka ao amin'ny Facebook ao ity zavatra nosoratako ity. Setriny ao amin'ny Facebook fa tiako hotehirizina sy ho mora hitan'ny rehetra ka dia adika petaka avy hatrany :

 

Manameloka ny lainga! 

Raisiko ny nosoratan'ny manonona azy ho Taombaovao Malagasy ary avy amin'ny nosoratany no entiko hanoherana azy! Mariho fa izaho izay manoratra dia momba ilay hoe ny Taombaovao Malagasy dia mifanandrify hatrany amin'ny Aid El-Fitr ankalazain'ny Silamo, ary avy amin'Andriamahazonoro sy ny namany noraisin'Andrianampoinimerina no niavian'ilay fankalazana ny Taombaovao Malagasy soratako etoana io.

Ao anatin'ny fanazavana nosoratany moa misy filazana manao hoe: "Efa nentinay ihany koa ny porofo amin'ireo taratasimpanjakana nifanaovan'ireo Governora sy ny Pm Rainilaiarivony sy ireo Governora sy ny Printsy Ramahatra teo amin'ny taona 1894 - 1895 sy 1896 fa nandritra ireo taona ireo dia mifanandrify hatrany amin'ny martsa na aprily ny volana alahamady araka ny fanisan'andro ofisialy ny fanjakan'i Madagasikara, taratasimpanjakana voatahiry ao amin'ny arsivampirenena. Tsy hiroharoa saina intsony isika ny amin'ny tokony hamerenana ny fankalazana ny taombaovao malagasy isaiky ny tsinambolana akaiky ny 21 martsa izay anaty fararano tanteraka satria efa io ny porofo mitohoka amin'ny tendany fa tamin'io vanimpotoana fararano io no miandoha ofisialy ny taona malagasy taloha nahalasa zanatany an'i Madagasikara" 

Nolazainy fa nifanandrify hatrany tamin'ny volana marsa na Aprily ny alahamady araka ny fanisan'andro ofisialin'ny fanjakan'i Madagasikara tamin'ireo taona telo notononina: Mariho ary fa ny taona 1894 dia 8 marsa no nanomboka ny volana Ramadany ary ny 7-8-9 avrily kosa no nankalazana ny Aid-El-Fitr ary amin'io daty io ihany koa no nankalazana ny taombaovao malagasy (alahamady) 

Mariho indray fa ny taona 1895 dia ny 26 febroary no nanomboka ny volana Ramadany ary ny 28-29-30 marsa kosa no nankalazana ny Aid-El-Fitr izay ankalazana ihany koa ny taombaovao malagasy "araka ny ny fanisan'andro ofisialy ny fanjakan'i Madagasikara, taratasimpanjakana voatahiry ao amin'ny arsivampirenena"

Ny taona 1896 indray dia ny 15 febroary no fanombohan'ny volana Ramadany ary ny 16-17-18 marsa koa ny Aid-El-Fitr... Ny taona 1897 indray dia ny 5 febroary no fanombohan'ny volana Ramadany ary ny 5-6-7 Marsa kosa no ankalazana ny Aid-El-Fitr. 

Noho izany, raha misy ny manoratra fa tamin'ireo taona telo notononina ireo dia manakaiky ny 21 marsa hatrany ny volana alahamady dia azo atao tsara ihany koa ny mamaly fa nifanandrify tsara tamin'ireo taona telo ireo ihany koa ny Aid-El-Fitr nampanandrifiana tamin'ny lazaintsika ho taombaovao malagasy... Am-bava homana am-po mieritra.

Ankoatra izay: Aid Mubarak hoan'ny Miozolomana rehetra!

Loharano iray hafa nakana ny datinandron'ireo taona voatonona ato

Endrikendreho Daholo Ary e!

2014-06-23 @ 22:15 in Ankapobeny

Misy ny tranga manafintohina indraindray ary ny tena koa fantatra fa mba manana hambo ihany ka manala baraka tanteraka izany hoe ho antsoina na hotadiavin'ny polisy ny tranonao hanaovana fanadihadiana anao izany. Toy izao manaraka izao ny fandehan'ny tantara : nisy fivoriana (lanonana) tsotsotra sambany mba nandehanana tamin'ny faran'ny herinandro teo satria noheverina fa mahaliana ny zavatra atao any. Misy zavatra maromaro any : tafatafa na fanoroan-kevitra, fampilalaovana sy fampandihizana ny ankizy, fifanolorana fanomezana, tsakitsaky, fanalana hetaheta... Vita izany rehetra izany dia lasa nody izahay. Izaho moa mbola nisy asa natao ka nanatitra sy naka an-dramatoa ihany no tena natao.


Vita ny sakafo atoandro dia nisy niantso, nilaza fa nisy fakantsary avolenta iray very ka mety ho tonga aty aminay ny polisy hanao fanadihadiana anay. Talanjona tanteraka tamin'ilay toe-javatra fa tena tezitra kosa satria mba sambany tonga ianao no misy toe-javatra tahaka izany no mitsena anao. Tezitra satria tsy miafina fa dia ao anatin'ny ahiahiana izany izahay matoa nandefasana izany teny izany tamin'ny antso. Nisy olona iray fantatro nanatrika tao ihany koa ka nisy fomba nahazoako niantso azy nanontany azy ny amin'ity vaovao ity. Gaga izy raha nilazako ilay izy ary namaly fa tsy naharay antso kosa hatrmin'io ora niantsoako azy io. Tsy fantatra moa izay fomba nataon'ilay tompon'ny fakantsary sady anisan'ny mpikarakara satria raha misy laharana ilay izy dia laharana faramparany ny anay, sa ny laharana farany ve no nantsoina voalohany? raha araka ny laharana izany dia tokony ho voalohandohany izahay na faramparany. Raha araka ny olona ahiahiana sy tsy ahiahiana indray dia mazava izany fa ao anatin'ny ahiahiana izahay. Ny fomba iahiahiana ny anay moa tsy mazava nefa ny hafa tsy nantsoina.


Ny zavatra mahasosotra iray faharoa dia ny fifikirany fa ao amin'ny mpikambana no naka ilay fakantsary fa tsy nisy filazana nataony mihitsy kosa hoe ary raha mba amin'ny mpiara-miasa aminy itodihana voalohany rehefa hiahiahy ihany. Mahasosotra miaraka amin'izany dia ny fomba famalin'ireo mpikambana sasany izay tsy tonga tao milaza hoe ampanantsoina daholo izay rehetra tonga tao hohadihadiana. Raiso amin'ny toeranao ary hoe tonga tao ianao dia ampanantsoina na tongavan'ny polisy any an-tranonao na tadiavina any amin'ny fokontany ny misy ny tranonao. Ny olona ve mahalala izay tena marina fa dia halaza ao amin'ny fokontany iray manontolo ianao hoe tonga ao aminao ny polisy hanao famotorana anao. Dia eritrereto sahady ny fahafaham-baraka mihatra aminao. Mariho avy hatrany fa tsy maintsy misy fihavanana simba sahady eo na nangalatra ilay olona na tsia.


Raha sanatria tonga tokoa ary ny fampiantsoana sy ny karazany, dia raha olona telopolo, ohatra, no ahiahiana sy nampanantsoina, nefa iray na roa no nangalatra. Hanao ahoana moa ny ho fihetsiky ny 29 na 28 ambiny? Misento fa afa-doza? afa-doza amin'inona anefa satria tsy nanao heloka izy? Raha izaho manokana ny ao an-tsaiko dia hoe ity ramatoa ity izany efa niahiahy na nieritreritra ahy ho nangalatra ny fakantsariny, izany hoe eritreretiny fa mpangalatra aho izany ka ny hangalatra no nidirako tamin'io fikambanana io. Tsy ho tonga amin'ny fivoriana manaraka ve aho sa tsy maintsy ho tonga nefa tsy maintsy hilaza ny alaheloko kosa hoe fanimbazimbana ahy kosa ny hieritreretanao ahy ho mpangalatra. Sa ny hametraka fitoriana ho setrim-pitoriana hoe nanao fanalam-baraka ahy? Raha ianao: Ahoana ny hevitrao?

Jentilisa, 24 jona 2014

Lakolosy sy Trondro (Ary lakile)

2014-05-07 @ 09:56 in Ankapobeny

Tsy hiresaka lakile intsony indray aloha fa efa miova zavatra hafa indray izao ny malaza eto amin'ny tanàna, niainga tamin'ny tolona famerenana ny ara-dalàna tamin'ny 2009 iny resaka iny no lasa hira milaza tantaram-pitiavana manambara fa izy no tompon-toerana. Noho ny vanim-potoana sy lazan'ny lakile anefa dia nambarany fa izy no tompon'ny lakile.



Niainga sy nifandraindraika tamin'izany ihany koa ny resaka lakolosy, nifanakaiky fihaino amin'ny voambolana lakile ihany koa ny lakolosy, fa ilazana kosa fa izy no prezidan'ny antenimiera mijoro. Ilay filohan'ny antenimiera, toa mampihevitra hatrany fa izy no tompon'ny fanaovan-dalàna... na tompon'ny lalàna. Toa miharo fanesoana ihany koa anefa ilay tompon'ny lakolosy satria vehivavy no nolaniana ho filohany, toa entina milaza fa lakolosy hafa no tokony lalaoviny fa tsy iny lakolosy maneno ao Tsimbazaza iny. Ankehitriny moa nisy iny fanonganana ny biraon'ny Antenimiera amin'ny fomba ankolaka iny ka misy ny te-handraikitra ny ezaka "lakolosy" fanairana. Ny lakolosy moa mitabataba, ary te-hitabataba amin'ny tsy rariny mahazo azy ilay artista malaza amin'ny tapolaka. Tsy mba izaho aloha no nihira ity hira satira politika manaraka ity an! Revolisionan'ny mpitabataba?

 

Fa misy revolisiona tsy re tsaika, efa nahazo tsikera tamin'ilay fitiavana hanaisotra ny sary lohan'omby eo amin'ny sary fanevan'Antananarivo, efa nahazo esoeso hoe hosoloina lakroa angaha sa hosoloina osy (ho fanesoana an-dRavalomanana sy tiana ilazàna fa raha Ravalomanana no Ben'ny tanàna dia hosoloiny osy io, toa finiavana handisoana ny tantara fa efa nandalo ny maha-Ben'ny Tanànan'Antananarivo ihany koa io olona io fa tsy nanova inona tsy akory izy!). Ny antsafa nifanaovana tamin'ny PDS Ny Hasina Andriamanjato tao amin'ny tvplus no nahafahany nilaza fa tsy sarina lohan'omby (zébu) misy trafony no nataon'ny mpanjanatany tamin'ny 1950, izany hoe telo taona taorian'ny 1947) fa lohan'omby "taureau" vazaha tsy misy trafony mitandroka an'Antananarivo. Ny endrika tandroka tamin'ny voalohany tokoa dia mitady ho efajoro fa tsy boribory tanteraka araka ny fahita amin'ny omby eto Madagasikara.

Somary nangina moa iny resaka iny fa nahasarika ny saina ihany ny nahita ireo ara-vy (zavakanto vita amin'ny vy) miendrika trondro manemitra ny dobo manatrika ny lapan'ny tanàna. Ny tsikaritra mametraka fa amin'ny lafiny avaratry ny dobo, izany hoe manelanelana azy amin'ny lapa ihany no namenoana iray ara-vy miendrika trondro ireo. Inona tokoa moa no tokony hisy ao amin'ny dobo fa tsy ny trondro, na ny hazandrano? (tsy voatery ho trondro ihany) Misoko mangina ihany ny tolon'ingahy PDS raha izay no tarafina, fa raha izaho manokana ihany koa moa dia ny "fleur de lys" (lisy moa ny anarany amin'ny teny malagasy?) no tiako esorina amin'io fanevan'Antananarivo io, raha tsy hoe raikitra indray ny adihevitra manao hoe: "inona no anaovan'ny skoto ireny "fleur de lys" amin'ny fanamiany ireny?" Manohy ny tolona ingahy PDS mametraka ireo sary trondro ireo ary tsy mbola nahare fanoherana aloha aho hatreto, tolona ara-saimbolika (sariohatra hoy ny dika ao amin'ny baiboly protestanta nahitsy farany) fa sady tokony hitoetra amin'ny dobo ny trondro no marika famantarana kristiana hafa ihany koa.



Dia miverina amin'ny lakolosy indray aho, raha jerena ihany koa manko io lakolosy, vita amin'ny metaly, io dia mitovitovy endrika ihany koa amin'ny vovo entina manihika trondro. Toa kisendrasendra hafahafa fa rehefa nametraka ara-vy trondro ny PDS dia te-hamelona ny ezaka "lakolosy" endrika ara-vin'ny vovo entina manihika trondro kosa i Rossy sy izay mety hiara-dia aminy. Eritreritra sendra mandalo, saingy tsy laitra ny tena fa manoratra rehefa mahita endrika saimbolika (sariohatra) tahaka itony. Miala tsiny raha tsy misy azonao izay lazaiko fa raiso ho rediredy fotsiny ihany fa manahirana ity fiainana ity.



7 mey 2014

Fetin'ny Mpiasa: Inona no niova? Inona no nivoatra?

2014-05-01 @ 11:17 in Ankapobeny

Efa mihoatra ny zato taona izao ny tolona nataon'ny mpiasa tany Chicago, Etazonia, nitolona ho amin'ny fiasana adiny valo isan'andro. Nitolona tamin'ny fanararaotan'ny mpampiasa toa manao danin'ny kibony, mametraka ny mpiasa ho andevo maoderina. Efa nisy manko ny fotoana tsy anavahana na ampy taona na tsia ny mpiasa any amin'ny orinasa lehibe tamin'izany taonjato izany. Niasa nihoatra ny 60 ora isan-kerinandro, enina andro amin'ny fito, amin'ny karama $1.5 isan'andro ny mpiasa nifindra monina tao amin'io tanàna iray any Illinois io. Tamin'ny alalan'ny famoriana ny mpiasa, rehefa nahavita asa, izany hoe amin'ny alina, matetika ny endrika fihetsiketsehana tamin'izany fotoana izany.

Tsy nipetra-potsiny koa anefa ny mpampiasa fa namaly tamin'ny alalan'ny fandroahana ireo olona mavitrika tamin'ny fananganana endrika sendikà tamin'izany fotoana izany, nametraka lisitra mainty ireo mpikamban'ny sendikà, nandroaka mpiasa faobe, manakarama mpandrava fitokonana sy mpitsikilo mpiasa na jiolahimboto mbamin'ny "tafika" tsy miankina amin'ny fanjakana, ary nampiasa  ihany koa ny fampiadiana ara-piaviana ireo mpiasa tany Etazonia ireo. Niaro ny tombontsoan'ny fandraharahana ihany koa gazety be mpamaky tamin'izany fotoana izany ka tsy maintsy namelively ny sendika sy ny gazetin'ny mpifindra monina izay tena iharan'ny tsindrihazolena.

Andro niavaka tamin'ny tolon'ny sendikà ny andron'ny 3 mey 1886 sy ny ampitsony, noho ny fifampidarohana teo amin'ireo mpiasa mitaky ny adiny valo isan'andro, sy ireo mpandrava tolona, ka niafara tamin'ny fitifiran'ny polisy ny mpiasa tamin'ny andro voalohany, dia nisy ny antso faobe hanaovana fivoriana teo amin'ny kianja Haymarket ny ampitso. Tamin'ny andron'ny 4 mey 1886 io dia mbola nisy ihany ny korontana noho ny fisian'ny baomba nipoaka sy ny fiampangana niafara tamin'ny fanamelohana ho faty ireo mpitarika ny fihetsiketsehana fito izay anarsista avokoa. Ho antsika rehetra tsy mahalala, noho izany, dia nanana maritiora fito ho amin'ny tolona hiasana adiny valo ny anarsista ka aza atao mahagaga ny mahita isaky ny voalohany volana mey ireo anarsista mifanandrina amin'ny polisy hatrany isan-taona any amin'ireny firenen-dehibe ireny.

Ankehitriny manao ahoana?

Amin'ny ankapobeny efa saika voahaja any amin'ny firenena maro ny ora fiasana adiny valo, saingy mbola mitohy ny tolona sy ny fampivoarana tokony tanterahina. Tsy hiresaka ny fiandohan'ity andro ity aho fa hitodika eto Antananarivo manokana, ary Madagasikara sy ny firenena andalam-pandrosoana amin'ny ankapobeny. Fahatsapana no ahafahana milaza fa toa natao hiveloman'olona iray ny karama raisin'ny maro amin'ny mpiasa ary ampirisihana ry zareo hanao "suppl" raha tiana ny hahazo vola bebe kokoa, io no fomba iray andikana ny ora fiasana adiny valo isan'andro fa mba tsolorana vola kelikely ihany nefa amin'ilay mety hanintona ny mpiasa hiasa mihoatra ny ora feran'ny lalàna. Mahavariana ihany anefa fa mbola mihamaro hatrany ny mpiasa, fa efa mihavitsy kokoa ny zanaky ny mpiasa. Tsikaritra ihany koa fa tahaka ny heverin'ny mpampiasa fa efa manana trano tsy hofaina ny mpiasa, nefa ny mpiasa tsy manana fahafaha-manao hananana izany trano manokana izany. Maro dia maro ny mpiasa no mbola miara-monina amin'ny ray aman-dreniny sy ny mpiray tampo aminy, na dia efa manambady aman-janaka sy manana asa aza. Misy zavatra tsy mitombona ao anatin'izany toe-javatra izany, ary mbola mametraka hatrany fa karazany zary fitazonan'aina fotsiny ny karama fa tsy mahatakatra ho amin'ny fampivoarana mahaolona. Mba te-hahalala aho hoe firy isan-jaton'ny mpiasa malagasy, tsy miankina amin'ny fanjakana indrindra indrindra, moa no afa-manofa na mipetraka amin'ny tranony manokana?

Tsy resaka ora fiasana mihoatra amin'ny fomba ankolaka, na karama ihany no itoeran'ny olana, eo anivon'ny mpiasa, fa eo ihany koa ny fitadiavana ampiasana ny mpiasa any amin'ny lasitra tsy tokony anirahan'ny mpampiasa azy. Efa maro ny mpiasa amin'ny teratany vahiny sasantsasany nandrenesana fa mpanamarim-bola no ao anaty taratasy fifanarahan'asa nefa irahina mankany an-trano hanary ny tavimandry sy hamafa ny trano fidiovana, na hanasa ny atin'akanjon'ny mpampiasa sy ny ankohonany. Tsy ferana ihany koa anefa fa mety misy ihany koa ny Malagasy mety hanao izany fihetsika manivaiva ny mpiasa ao aminy izany. Ny mpiasa ihany koa moa eo anatrehan'izany matin-kaninkely ka aleony manao ilay asa tsy tokony ho anjarany toy izay voaroaka amin'ny asany fa aiza indray moa no hamelomana ny ankohonana raha sanatria voaroaka. Andraikitry ny roa tonta ihany noho izany raha mbola iharan'izao toe-javatra izao ihany ny mpiasa satria tsy mahajoro amin'ny tokony ho asa tanterahiny fa manao na misalovana ny tokony ho asan'ny hafa.

Manana anjara toerana lehibe ihany koa anefa ny fanjakana amin'ny alalan'ireo mpanaramaso ny asa (inspecteur de travail).  Tsaroako hatrany ny fotoana nahadelege ahy (folo taona mahery be izay) ka mba saika hakako hevitra amin'ireny solontenan'ny fanjakana amin'ny sehatry ny asa ireny saingy avonavona sy mpanompokelin'ny mpampiasa no toetra nasehon'ireny tamiko. Vao nanomboka namelabelatra sy toetry ny asa aho dia namerina fanontaniana aloha izy: "Aiza tsara ianao moa no miasa?" Rehefa namaly aho ka henony fa orinasa manana ny lazany eto amin'ny firenena ilay izy dia ny azy amin'izay no nataony be : Ianareo ary mahavoa be sy tsara vintana tafiditra amin'ireny asa ireny fa jereo ireo tsy an'asa maro hitanao mihaohao ireo. Tsy aleo ve mihafy amin'izay efa azonareo fa tsy hikaroka izay tsy ho azonareo na oviana na oviana. Tankina aho ary tena vinitra tokoa tao anatiko tao raha nandre ny valintenin'ilay ranamana. Tsy nohenoiny fa tena kely anie ny karamanay nefa izahay tsy afaka ny hanao zavatra hafa ahafahanay miavotena, tsy tadidiko loatra intsony moa izay tena notadiavina fa mety ho karazana endrika tsy fanarahan-dalàna miampy fanararaotam-pahefana ihany ilay izy. Amin'izao fotoana izao moa dia tsy hita sy re intsony izay hetsika ataon'ny sendikà fa dia hoe andro tsy iasana fotsiny no fantatry ny mpiasa amin'izao fotoana.

Jentilisa 1 mey 2014

Izaho sy ny moto eto amin'ny tanàna

2014-04-04 @ 06:22 in Ankapobeny

Noho ny fahateren'ny lalana eto amin'ny tanàna sy ny haratsiany manampy trotraka izany rahateo dia lasa fitaovana fifamoivoizana ahafahana mitsofotsofoka indrindra ny moto, ary manana ny lazany amin'izany ny scooter. Mora ny scooter ary azo asisika amin'ny lalana maro dia maro, eny fa na dia anelanelan'ny fiara roa heverinao tsy hahatafiditra azy mihitsy aza. Indraindray aho dia miaiky mihitsy hoe henjana ry zalahy scooter ireo raha hanao mazia fa mahatafiditra azy daholo na aiza na aiza. Mahay misompirana tsy ankihetsika ve ry zalahy sa ahoana? Nefa mety ho izaho koa no tsy sahy manao ny ataony ka ny hafa no heverina ho manao mazia. Tsy dia hiresaka scooter loatra aho noho ny antony manokana izay ho fantatrao ihany rehefa manohy ny vakinteny ianao, fa ireo moto misy vitesy no resahiko, sady tsy mbola nitondra scooter mihitsy ihany kosa aho fa efa nentina taminy indray. Maro no efa tafaresaka tamiko fa na dia mora aza ny scooter, ary ahafahana mitsofoka na aiza na aiza, dia mihinana ihany ny lasantsin-dry zalahy ireny ary arakaraka ny andehanana mafy no andaniany angovo. Fa tsy tahaka izany kosa ny moto misy vitesy, arakaraka ny andehanany mafy no mampitsitsy azy, hoy ireo zatra ireo karazana moto ireo.



Noho ny asa dia voatery mampiasa ity karazana fitaovana ifamoivoizana misy vitesy ity ny tena. Niainga tamin'ny Yamaha AG100, io karazana moto io no nianarana voalohany sy nentina voalohany. Somary avoavo fa tena tsy mataho-dalana, tsy matahotra halavirana, ary tsy mifidy toerana ihany koa. Ny ankamaroan'ireo orinasa sy sampan-draharaham-panjakana vahiny teto Madagasikara mpivezivezy mankany ambanivohitra sy ambany ravinkazo tamin'izany fotoana izany dia saiky nividy ity fitaovana ity avokoa. Hitanareo ihany moa fa misy lamaodiny ihany itony fitaovana itony. Marika Japoney, izay miavaka indrindra amin'ity resaka kodiaran-droa ity, ary sangany eo amin'ny sehatra manerantany, nanjary nankafy nitondra moto aho izay matahotra dia matahotra tamin'ny voalohany satria malaza moa ny fitenenana hoe "carrosserie tena". Tsy nitondra moto afa-tsy io aho tamin'izany fotoana izany. Nataon'ny orinasa lavanty (valopy mihidy) ho an'ny mpiasa tao aminy ireo moto rehefa niasa efa ho 15 taona. Nifandrombahan'ny maro izy tamin'izany fotoana izany, nifampiresadresaka teny sy nifanontanintany izay vidiny zakany. Tsy maintsy nifamitapitaka teny ny rehetra, mba hahazoana iray, na teo amin'ny vidiny na teo amin'ny kalitaony. Voafandrika ny tena ka tsy nahasahy avo. Rehefa nivoaka ny vokatra dia maty ampahatelon'ny nahazo azy ny tolotra nataoko, hahazoana ilay iray fitondrako. Tsy nahazo aho izany na dia iray aza.


Nividy karazany hafa indray ny orinasa hanoloana ireo namidy sy nahavita ny adidiny tamin'ny desambra 2010. Novidiana indray ny Yamaha Crux, izay mitsitsy lasantsy kokoa sy natao ho an'ny lalana an-drenivohitra. Somary ivaiva noho ny kodiaran-droa nentina teo aloha, toa maka ny endriky ny moto tranainy izany, araka ny tsilian-tsofin'ireo mpitondra tamin'ny taompolo 1960, 1970 na 1980 tany ho any. Maneno mora fa tsy nitrenatrena toy ny teo aloha. Raha mihaino tsara ianao dia toy ny fanenon'ny fiara citroën izany ny feony. Kodiaran-droa tsy mataho-dalana izany no nosoloina kodiaran-droa ho an'ny tanandehibe. Nojerena ka hita hoe tany India no nanamboarana azy, nihevitra avy hatrany hoe "sous licence" izany ity moto ity ka tsy haharitra ela raha izao fandehany izao. Rehefa nokarohina anefa ny tahirinkevitra an-tserasera dia tena vokarin'ny Yamaha mihitsy io karazana moto io fa nanangana orinasa tany India ry zareo ary mamokatra sy mivarotra ny vokatra avy ao ho an'i India sy ny firenena manodidina azy. Firenena misy mponina hatramin'ny iray miliara kosa ve, izany hoe tsena goavana ho an'izay mahazo  azy, koa tsy mahagaga raha manangana sampana any sy mitady ny vokatra sahaza ireo olona ao aminy ireo orinasa goavana mitady lalam-barotra goavana.



Na izany aza dia mampatahotra ihany ity kodiaran-droa ity rehefa mandeha ambony lalantany misy fasika ka manindry ny hisatra aoriana fotsiny tampoka fa mampandihy vody mety hampianjera mihitsy izy raha tsy mitandrina, tsara kokoa raha tonga dia ny hisatra roa aloha sy aoriana avy hatrany no miara-tsindriana . Lesoka faharoa ananany ihany koa fahafatesan'ny fandrefesana lalana vita (kilometrage-mileage) ao aminy, maro an'isa kokoa ny moto maty fandrefesan-dalana vita noho ireo tsy manana izany olana izany tao amin'ny orinasa. Tsy lefitry ny lehibe mpanara-maso ny fandanian-dasantsy sy ny lalana naleha-vita izany toe-javatra izany ka efa nieritreritra ny hivarotra izany avy hatrany indray izy. Tsy tontosa izany famarotana ho an'ny mpiasa ho an'izay mahasahy lafo indrindra izany (valopy mihidy) raha tsy tamin'ny volana marsa teo. Nieritreritra avy hatrany tany anatiko tany aho fa tsy hanaiky ho voafitaka intsony fa izay vidiny eritreretiko sy izay sanda mety ho sahin'ny mahavidy azy lafo indrindra no tao an-tsaiko, tsy maintsy mba mahazo iray kosa aho, hoy aho anankampo. Nifanandrify indrindra tamin'ny tsingerintaona nahaterahako ny namoahana ny vokatra ary roa avy hatrany no azoko, ny iray fitondrako ary ny iray hafa izay anisan'ny nanaovako fiandry raha sanatria tsy azoko ilay fitondrako. Mazava loatra fa be loatra izany moto roa izany ka tsy maintsy amidiko ny iray. Tsy ho ilay mahazatra ahy velively no amidiko fa ilay iray natao fiandry ka azo. Io moto amidy io indray mba velona tsara ny fandrefesana ny lalana vita fa ilay tazoniko moa no maty fandrefesana lalam-bita voalohany indrindra tao amin'ny orinasa.

Tsy ity ilay moto amidiko aloha an!



Niova marika indray ny orinasa saingy mbola marika japoney ihany no nidirany. Nividy Honda Ace hampandehanana ny asa indray. Efa io indray koa moa no lamaody ary azo lazaina fa namelona ny tsenan'ny Honda izay saiky tsy nisy intsony teto Madagasikara. Ny sampana mpanome laharam-piara sy moto misy motera eto Antananarivo moa dia nanambara fa ny marika honda indray no tena be mpividy indrindra amin'izao fotoana izao raha ny moto no resahina. Raha mbola jerena ihany koa ny tahirinkevitra an-tserasera dia natao hoan'ny tsena Afrikanina ity moto honda ace ity ary avy ao Nigeria no mamokatra sy manaparitaka azy. Toy ny lazaiko teo aloha ihany ny "Honda Ace": tsy hoe "sous licence" izy ka orinasa hafa no mamokatra azy fa omen'ny orinasa Honda alalana hamokatra izy fa ny Honda mihitsy no nanorina asa tao Nigeria, firenena be mponina indrindra eto Afrika, ary natao hifanaraka amin'ny tsena Afrikana sy atao izay takatry ny toe-bola Afrikanina amin'ny ankapobeny ny vidiny. Efa tsy any amin'ny hoe vita avy any Eoropa na avy any Japana intsony ny eritreritry ny maro rehefa hividy vokatra tahaka itony fa ny marika sy ny fahafaha-mividy no jereny. Raha efa nanamory ny Honda Ace ny tena tao anatin'izay fotoana vitsy dia vitsy izay dia mora faneno izy, ary mitsitsy lasantsy, mora miakatra ny hafainganam-pandehany raha oharina tamin'ireo izay efa nentiko, ary toy ny maivana dia maivana izany izy rehefa entina, hatreto dia tsara ilay moto... saingy ireo zavatra lazaiko rehetra ireo dia tsy avy amin'ny manampahaizana momba ny moto velively fa ny mitondra ihany no haiko, ny ankoatra izay aza anontaniana ahy fa tsy ho haiko velively ny mamaly azy. Ny tsikaritro fotsiny dia mila ho lasa avo roa heny amin'ny vidiny avy any an-kafa any ny vidin'ireo moto ireo rehefa tonga eto amin'ny tanàna ka tsy hay intsony na ny fanjakana no maka be loatra amin'ny alalan'ny hetra na ny mpivarotra mihitsy no maka tombony be.


Jentilisa, 04-04-2014 na 04 avrily 2014

Momba ahy
jentilisa

Vasoky ny tambajotra sosialy tahaka ny Facebook,Twitter sy ny karazany ny blaogy amin'izao fotoana. Mora miely vetivety ny hevitra sy izay voasoratra amin'ireo sehatra ireo.

Misy lafiny iray anefa tsy ahavoazan'izy ireo mihitsy ny blaogy dia ny fitehirizana.Rehefa karohina ny vontoaty iray dia sarotra hita kokoa ny vokatry ny fitadiavana avy amin'ireo tambajotra sosialy ireo.Izay lafiny izay no tsy maharesy tondromaso ny blaogy satria mora hita kokoa ny vontoatiny rehefa karohina amin'ny alalan'ny mili-pitadiavana.

Momba ny eto manokana indray, tsy hianona intsony amin'ny vaovao eto an-toerana aho fa hisokatra kokoa amin'ny manerantany, na amin'ny sehatra ankapobeny. Hosoratana avokoa na eritreritra sendra nandalo na revin-gadra, na fanehoan-kevitra mety hanafintohina ny mpamaky. Mety ho tezitra ianao amin'izay voasoratra nefa ny hisokafan'ny saina handinika sy hamakafaka ary handanjalanja no tena kinasa ambadiky ny lahatsoratra. Ka mazotoa daholo ary ny hevitra anie no hiady fa tsy isika no hifandramatra!

calendar
« Mey 2025 »
Ah At Ta Ar Ak Zo As
        1 2 3
4 5 6 7 8 9 10
11 12 13 14 15 16 17
18 19 20 21 22 23 24
25 26 27 28 29 30 31
Tahiry
Credits
LifeType IE7 XHTML CSS Firefox