Mety hifangaro ny resaka ataontsika nefa tsy maninona izany. Resaka fandraisana andraikitra maha-olompirenena aloha izy ity fa tsy voatery hoe resaka politika (fakana fahefana sy fitantanam-panjakana). Somary efa elaela aho ny niezaka ny hana-potoana handalovana ao amin'ny biraom-pokontany fa tamin'ity herinandro ity vao tontosa izany. Raha ny daty farany moa dia ny alahady 28 avrily no fara-fijerena izany. Ny biraom-pokontany moa ahitana soratra manao hoe tsy misokatra Asabotsy sy Alahady ny birao ka asa na mba hisokatra manokana izy ireo amin'ny andro roa farany na tsia.
Ny tsikaritra voalohany dia vitsy ireo efa nandalo nanamarina ny anarany sy ny mombamomba azy na dia efa herinandro farany fijerena azy aza ity herinandro efa nifarana ity. Tsy misy filaharana moa ny mijery azy fa olona iray izay ihany no teo alohako. Mazava loatra fa izay rehetra tao an-tranony no nojereny ny anarana sy mombamomba ireo ampy taona afaka nifidy. Toy ny kisendrasendra ihany angamba fa nahitana fahadisoana avokoa tao amin'ireo mombamomba ny olona nojerena tsirairay avy. Rehefa tonga ny anjara fanamarinana nataoko dia samy nahitana diso avokoa ihany koa ny anay mivady, tonga taona hifidy ato amin'ny tokantranonay. Lasa ho azy ny saina manao hoe fa mba ahoana koa ary izany izay hitako nojerena teto dia nahitana fahadisoana izany avokoa. Tsy fantatro loatra aloha ny an'ny sasany fa mba tsetsatsetsa tsy aritra iny. Ny vadiko anefa amin'io mihevitra ny tsy hiraharaha loatra na hifidy na tsy hifidy, izaho indray fantany tsara fa raha ny resaka tahaka izany, lazainy fa mora mirona loatra amin'ny politika aho. Nilazako ny zava-nisy hitako vao gaga izy...
Manaraka izany indray, tsy maharaka loatra ny fomba nizarany ny vaki-paritra aty amin'ny fokontany aho fa sanganehana ihany raha mahita fa vakim-paritra iray izao mety ho tsy iray lisi-pifidianana ao amin'ny fokontany iray (fantatsika fa maro mponina Antananarivo raha resaka isan'olona ao amin'ny fokontany iray ka voatery zarazaraina ho vakim-paritra vitsivitsy). Mety ho fahadisoana any amin'ny CENI-T ihany koa iny noho ny tsy fahalalany izay tena any am-potony fa manapatapaka fotsiny ny hoe hatreto ny lisitra iray dia miditra amin'ny lisitra manaraka indray ny hafa, saingy mbola tombatombana avy amintsika olo-tsotra hatrany izany. Na izany na tsy izany, miteraka ahiahy ny toe-javatra tahaka izany.
Ny fahatelo dia tsy mitovy amin'ny lisitra taloha nandraisana anjara tamin'ny fifidianana intsony ny nametrahana ny lisitra fa niova ho alfabetika. Tahaka ny ahoana moa izany? Teo aloha dia nifanaraka laharana ny iray trano, ary mifanakaiky ihany koa amin'ny mpiray vodirindrina ny lisitra misy ny an'ny tena. Afaka mifanara-maso tsara noho izany ny manodidina hoe ary ny anaran-dranona toa tsy hitako ao amin'ny lisitra nefa ao ambadika ny misy azy ary mifanaraka ihany koa ny laharan-trano. Ny amin'izao fotoana kosa, raha ny hitako tao amin'ny fokontaninay, raha vao tsy misy itovizana ny anaran'ny iray tokantrano dia pejy samihafa no misy azy. Ny anarako izao manomboka amin'ny AND... fa any amin'ny voalohandohan'ny lisitra, ny anaram-badiko indray manomboka amin'ny RA... fa saiky mamarana ny lisitra mihitsy. Vao mahita izany ianao dia fantatrao avy hatrany fa tsy misy fomba tsotsotra kokoa ahafahana manara-maso tsara io lisi-pifidianana io ary tsy maintsy mijery ny lisitra manontolo ianao hijerena hoe sao misy anaran'olona hafa nampidirina ho iray trano aminay ato. Miala tsiny aho fa ny tao an'eritreritra voalohany dia hoe "Efa mivonona ny hangala-bato ry zareo raha izao hitako izao no zohina" satria na izaho izao aza tsy maharaka hoe firy izany izahay iray trano no ato anatin'ity lisitra ity. Ny mahavariana anefa dia mbola misy olona tsy tafiditra ao anaty lisitra izao ary loham-pianakaviana izay nanao sonia ny taratasim-panisana aza saingy any amin'ny fokontany hafa indray moa iny. (Ny raiko no tratran'io tranga io).
Farany, toa inian'ny CENI-T mihitsy ny nanakorontana amin'ny fomba hafa ny lisi-pifidianana tsy ahafana manamora ny fanaraha-maso, noho ny lisitra tsy nampanarahana ny laharan'ny trano fa nampanarahana ny anarana. Azo atao tsara ny mampiditra anaran'olona hafa atao iray tokantrano amiko na dia tsy fantatro mihitsy aza io olona io, ary izany dia mety hiteraka ny hoe misy olona iray afa-misoratra im-betsaka amin'ny faritra na toerana maro amin'ny lisi-pifidianana nefa tsy hisy hahamarika loatra izany. Tamin'izahay nifidy taloha tsy nisy nanamarina mialoha ny idirako ny biraom-pifidianana ny tanako ijerena na misy ranomainty ve sa tsia. Izany fisalasalana izany moa miaraka amin'ny fahagagàna hoe hamaroan'ny mpifidy mety hahatratra hatramin'ny 12 tapitrisa nefa ny tamin'ny fitsapa-kevi-bahoaka 17 novambra 2010 dia nolazain'ny CENI tamin'izany fa 7 151 223 tamin'izany fotoana izany ary niakatra ho 8 562 483 tamin'ny 2011 izany hoe hitombo 3,5 tapitrisa izany ny isan'ny mpifidy hatramin'ny 2011 no mankaty amin'ny 2013. Efa nandeha ihany anefa ny resaka fa nisy anaran'olona niverimberina maro ihany tamin'ireny (30.000 ny nolazain'ny filohan'ny CENI-T raha 1.500.000 ny nolazain'ny hafa). Ao anatin'izany zavatra mifamahofaho izany isika no hanatontosa ity fifidianana ity ka asa ny fahazotoanareo fa dia atao ihany izy ity. Fanontaniana farany, fa maninona tokoa raha navoaka aterineto ny lisitra dia afa-nanamarina izay mpiray trano aminay izahay e? Hafatra: raha mbola azonareo atao ihany dia jereo sy hamarino ihany ny lisi-pifidianana tsy hahavery zo anao fa ny fanaraha-maso azy moa dia tena tolona hafa mihitsy.
Mangorohoro mitambolimbolina ny janoarin'ny tsirairay ao anaty ao . Toa manahy, toa manam-po hisy zava-mitranga hafahafa izany. Misy likiliky anaty tiana avoaka nefa ahodin'ny sasany sy ameloman'ny sasany fankahalana foko, indrindra ny foko Merina.
Merina st Karana
Tsikaritra tsy asiana fihetseham-po, na dia samy zava-dratsy sy tsy tokony hisy hitranga eto amin'ny firenena aza ireo zava-droa loha ireo, no ilazana fa ny famelezana ny Merina no mora sy azo atao kokoa eto amin'ny firenena noho ny famelezana Karana. Raha izany no jerena dia ny Merina no manambaka ny mpiray tanindrazana aminy kokoa noho ny Karana, ny Merina no manalika ny hafa kokoa noho ny Karana, ny Merina no tena manandevo mpiasa kokoa noho ny Karana. Tsy miteny aho hoe maninona raha ny Karana no asiana fa mampieritreritra ny tsirairay aho hoe mitondra mankaiza moa ny fankahalàna ary inona no ho vokatr'izany? Ny karazan'olona inona na foko avy aiza dia tsy maintsy ahitana ny antsoina hoe "Saonjo iray lohasaha ka tsy hilaozan'izay mamarara", tsy ny saongo iray lohasaha no mamarara fa misy ratsy ao.
Tsikaritra ihany koa mifanila amin'izany fa tsara aro kokoa ny Karana amin'ny savorovoro noho ny Merina. Nahoana? Ny Karana saiky efa ireo mpanam-bola afa-manakarama na afa-manambitamby mpitandro ny filaminana avokoa noho ny fiarovany ny volany sy ny hareny, hany ka raha vao misy zava-manjò azy ireny dia mihazakazaka ny mpitandro ny filaminana. Ny Merina indray, indrindra ireo mieli-patrana manerana ny firenena, dia mitovy amin'ny Malagasy hafa rehetra ihany, samy mandrato harena, zavatra kelikely tsy tena goavana no ataony, tsy afa-manambitamby mpitandro ny filaminana izany fa mitovy amin'ny rehetra ihany ka tsy atao mahagaga loatra fa raha vao misy ny fandrobàna Merina dia mody tsy mahare na mody tsy taitra ny ankamaroan'ny mpitandro ny filaminana. Tsy misy saosy na tombontsoa manokana tsinona azo avy amin'ny Merina fa mahafinaritra ny ankamaroan'izy ireo ny miteny "patirao" ny Karana. Heveriko fa misy zavatra tsy mety ao anatin'izany fomba fisainana izany ka nahatonga ireny zava-nitranga tany Toliary sy Tolañaro ireny.
Tsy hiteny ny fikonokononana ny fanafihana ireo Merina mpivarotra enta-madinika sy kojakoja an-tokantrano tao Toliary aho fa nanaitra ahy ny filazana hoe tsy taitra akory ny mpitandro ny filaminana (amin'ny ankapobeny) mba nanao izay hampitsoaka ireo olona ireo. Mbola nisy fanafihana Merina ihany taoriana fa dia tahaka izany ihany ny toe-draharaha. Fa rehefa nanao lohateny lehibe ny gazety hoe misy ny fikonokononana hamelezana Karana ao Toliary fa tonga dia henika mpitandro ny filaminana ny tanàna. Lasa ny saina hoe olom-pirenena sokajy ambany kokoa ve ny Merina ka tsy raharahiana fa rehefa Karana no mitady ho voantohintohina dia raikitra amin'izay ny Bemidina? Sa taratry ny fankahalana Merina hatrany amin'ny ambaratongan-drafitry ny mpitandro ny filaminana izany? Enga anie mba ho diso hevitra tanteraka aho.
Voatondro ho manao kiantranoantrano amin'ny fampidirana mpiasa ao amin'ny QMM indray ny samy Merina ka nahatonga ny barazy tao Mandena sy ny fitakiana ny fandroahana ny "voanjo" [Merina] vao nampidirina tao amin'ny orinasa. Kiantranoatrano tokoa ve sa tena izay no vokatry ny fitsapa-pahaizana sa ny Merina no manam-bola kokoa hanaovana kolikoly sa mahafantatra olona ao amin'ny QMM? Ny hitako tany ambadimbadika tany dia niezaka ny hampiditra zanaky ny faritr'Anosy, mba ho tombon-dahiny ho an'ny tanora any amin'iny faritra iny, ilay orinasa. Porofo ara-taratasy entina ijerena ny zanaky ny faritra ny "fanamarinam-ponenana" avy any amin'ny fokontany. Raha nisy izany ny kolikoly dia ny teny anivon'ny fokontany no nisian'izany voalohany ary mametraka ny taratasy ara-panjakana ho tsy misy dikany sy ho mora azo izany. Ka raha manana ny taratasy "fanamarinam-ponenana" ho monina any amin'ny faritra ireo Merina ireo dia tsy misy hadisoan'ny orinasa nampifaninana azy ireo sy nandray izay mahay indrindra avy amin'ireo. Tsy azon'ny orinasa atao indray ny hanao hoe izay avy amin'ny foko Antanosy ihany no raisina satria fanavakavahana mivandravandra sy azo raisina ho fandikan-dalàna.
Zavatra hafa tanteraka indray ny tao an-tsaiko rehefa nahita ny anaran'ilay mpitarika ny fikambanana sy ny mombamomba azy aho. Vadim-bazaha sy azo heverina ho manana toerana ambonimbony ilay ramatoa mpitarika. Heveriko fa tena fankahalàna foko tsotra izao ny tao amin'ity ramatoa ity raha nanao ilay fihetsiketsehana mitady androahana foko eto Madagasikara izy. Ary somary mahagaga ahy kely ihany raha misy antokon'olona toa azy efa manao fihetsiketsehana an-dalambe manohintohina ny fifamoivoizana nefa tsy misy fisamborana avy amin'ny mpitandro ny filaminana nefa raha ny eto Antananarivo no manao fihetsiketsehana an-dalambe tahaka izao efa ela no nosamborina ny mpitarika izany fihetsiketsehana izany. Maninona no manao mizana tsindrian'ila toy izany? Sa ny any tsy manohintohina ny fitondrana ka tsy maninona fa mandrava barazy ihany no atao fa manana hery matanjaka ambadika ilay olona fa ny eto kosa faizina mafy fa miseho ho beloha manohitohitra fitondrana? Amiko anefa dia karazany manao izay hampiroboroboana ny fivorivorian'olona hiròna amin'ny fankahalana Merina, izay mpiray tanindrazana aminy ihany, ny tsy famaizana ireo antokon'olona na mpitarika ireny antokon'olona ireny. Toa mampihevitra fa ao anatin'ny rariny sy tsy manohitra ny ara-dalàna ilay fankahalàna Merina.
Teti-Panorona Frantsay vaovao?
Fa na dia lohahevitra hafa aza dia toa misy fifampitohizana ihany tamin'izay voalaza teo ambony ity tantaraina manaraka ity. Niteraka hatezerana tamin'ny maro ny tenin'ny Masoivoho Frantsay vao tonga tamin'ny tsy hamelana an-dRavalomanana tsy hody mialoha ny fifidianana. Lasa ny adihevitra manao hoe tsy fahalalàna ny zava-misy ve no mahatonga azy hilaza izany zava-manaitra ny mpanara-baovao izany sa tena izay mihitsy no tanjon'ny fitondrana Frantsay eto Madagasikara? Tsy afaka hieritreritra aho fa hiteniteny foana iny rangahy iny tamin'ny nanaovana ilay fanambarana na dia hitahita taratra ihany tamin'ny fitsapa-kevitra nataona fantsona fahitalavitra tsy miankina iray aza fa tsy izany velively ny fironan-kevitr'ireo izay namoaka hevitra nandefa sms tany amin'io fantsona fahitalavitra io. Tsy maintsy hametrapetraka ny hahazoan'ny Frantsay tombony eto Madagasikara izy ary miteraka fisalasalana ny fahamaroan'ny fanafihan'ny dahalo any amin'ny faritra atsimo heveriko ho hafahafa ihany koa ny firoborobon'ny fitaovam-piadiana any amin'ireo lazaina fa dahalo izay lasa efa mahatratra an-jatony. Vao maika nahatalanjona ny fitadiavan'ny minisiteran'ny atitany ny hampidirana ny tafika Frantsay handamina ny raharaha any amin'io faritra atsimo io ihany.
Dia ho kisendrasendra avokoa ve ireo korontana sy savorovoro ary filana ady atao amin'ireo mpitrandraka harena an-kibon'ny tany tsy frantsay rehetra any amin'ny faritra samihafa ireo fa tsy efa teti-panorona napetraka mialoha? Moa ve tsy niniana atao ilay fanambarana hiteraka fankahalàna Fantsay ary iniana avy eo ny fanafihana teratany Frantsay ikendrena hatrany ny hampidirana miaramila Frantsay ho afa-miditra an-tsehatra eto an-tanindrazana? Toa niniana atao avokoa ireo sotasota sy ny fitadiavana ny fomba rehetra ilàna vaniny ireo mpitrandraka vahiny ireo tsy hoe ho fiarovana ny harena an-kibon'ny tany eto Madagasikara mba ho tahiry ho an'ny Malagasy fa ny hanomezana azy ireny ho an'ny Frantsay. Efa nisy nilaza ihany moa fa tamin'ny fifanarahana teo amin'ny Malagasy sy ny Frantsay fa na dia mahazo ny fahaleovan-tena aza ny Malagasy dia an'ny frantsay kosa ny harena an-kibon'ny tany eto Madagasikara fa tsy azon'ny Malagasy trandrahina raha tsy mahazo alalana avy amin'ny Frantsay. Teboka iray goavana nampiongana an-dRavalomanana ihany koa ny nandikàna io fepetra "miafina" io.
Fehiny, na dia feno efa-taona katroka androany aza ny 26 janoary nandrobana harem-pirenena sy haren'olo-tsotra teratany Malagasy (tsy Karana ary tsy Frantsay fa tratra kosa ny teratany hafa sasany toy ny Afrikana Tatsimo, Maorisiana...) dia heveriko fa ny fitodihana amin'ny hoavy tsy hisian'ny tranga tahaka ireny ao anatin'ny fotoana fohy no nanamarihako ity andro ity. Toa tadiavina iniana atao indray manko ny tahaka ireny tranga faramparany ireny hanodinana ny likiliky tsy afaka any amin'ny tsirairay any, ary tsy kisendrasendra ny nanaovan'ny masoivoho frantsay ny teniny fa tetika hampitodihana ny fankahalana mankany amin'ny Frantsay hanafainganana ny fampidirana ny tafika Frantsay eto Madagasikara hiarovana ireo terataniny sy ireo mizaka ny zom-pirenena ao aminy. Eritreritra ihany anefa ny ahy fa enga anie ho diso ny eritreritro. Ny anongotsongoana ny maty manko, hono, tahotry ny handevim-belona...
Jentilisa 26 janoary 2013
Efa ela aho no te-hanoratra ka ho fanombohana ny taona 2013 dia mba ho vaovao tsara no hisantatra azy! Nikaroka ihany aho fa jamba angamba fa ny zavatra nokarakarain'ny tena sy ny karazana fialamboly niarahana tamin'ny fianakaviana angamba no hoe nahafinaritra tamin'ny farany sy fanombohan'ny taona dia izay ihany. Sambany ihany koa no tsy mba nisy orana, araka ny fitadidiako, izany fetin'ny faran'ny taona teto Antananarivo izany hany ka betsaka, hono, ny olona no nandehandeha teny an'arabe ka toy ny andro atoandro ihany.
Izahay moa efa zatra loatra amin'ilay faritra lazaina ho mafanafana angaha ka tsy nanana eritreritra hoe handehandeha amin'ny alina izany. Izaho rahateo tsy hanaiky tsy haka sary, izany hoe hitondra fakantsary, raha amin'ny fotoana toy izany, nefa ny tahotra no ho bebe kokoa. Raha hitady na hiandry ilay vaovao tsara anefa toa tsy hahita mihitsy ka lasa sakana tsy amoahana ny vaovao izay efa maromaro sahady fa dia aleo manoratra avy hatrany aloha. Dia miarahaba ny rehetra izany nahatratra ity taona vaovao 2013 ity. Alefa hatrany ny firariantsoa na eo aza ny fanahiana sy ny karazana tsindrimandry-tsinapa tsy dia tsara loatra fa aleo aloha mba zavatra tsotsotra no hanombohana...
Lalana: Voambolana efa nanana ny lazany hatry ny elaela. Nanomboka tamin'ny hoe : "Amboary Ny Lalana". Niampita tamin'ny "Tohizo ny Lalantsika" ary niafara tamin'ny "Iny Lalana Iny" hatreto. Misy ny hadrohadro tamin'izany fotoana nanao hoe: "Ny lalana angaha azo hanina?" rehefa hita fa tontosa ilay fampanantenana fa na izany aza karazana lalan-dràn'ny tanàna sy ny firenena io ka tsy hitako izay hanamaivanana azy. Efa mandeha indray izao "tetikasa Lalankely" izao saingy efa misy miova anarana sy habe ilay izy angaha ka aleo tsy resahina loatra.
Dia ao anatin'ny tetezana indray ny Malagasy amin'izao fotoana izao. Tetezamita, hono, no anarany saingy ny hadrohadron-dRamalagasy tsy azo ahifika fa nivadika tsimoramora ho tetezamitatra ny anarany. Miitatra tahaka ny sima misoka manko ny fe-potoana iasan'ny mpitondra lazaina ho tetezamita ka tsy fantatra intsony izay hiafarany. Mety ho lasa Repoblika manokana mihitsy koa ilay tetezamita satria efa averimberina hatrany fa roa taona izao ny Repoblika fahaefatra.
Nefa mety ho ny vanim-potoana Tetezamita koa no fahaefatra eto Madagasikara raha itodihana ny tantara. Tetezamita voalohany ny 1972-1975 izay tetezamita tokony hifarana ny 1977 fa tapaka sy nohafainganina tamin'ny 1975. Tetezamita faharoa ny tamin'ny 1991-1992. Tetezamita fahatelo ny tamin'ny 1996 ary ny tetezamita fahaefatra ny nanomboka tamin'ny 2009 ary tsy fanta-piafarana ka mety haharitra folo taona na roapolo taona, eny mety hihoatra aza. Koa diso ve aho raha manoratra hoe Repoblika Tetezamita Fahaefatra isika izao?
Fa ny zava-baovaon'ny 2013 no lazaiko anareo. Nanambara ny filohan'ny FAT fa hanamboatra ny tohatoha-bato Antaninarenina sy Ambondrona. Nomarihany mazava fa ny Prezidansa fa tsy ny Kaominina no misahana izany fanamboarana na fandrakofana ny tohatoha-bato izany. Raha ny fisantaran'asa manko no jerena (jereo ato ny sary) dia tahaka ny tsy ho esorina ny vato efa eo fa tovonana vato hafa eo ambony fotsiny ilay tohatoha-bato.
Nihazakazahana ny naka sary satria mety tsy ho hita intsony ny endrik'ilay tohatoha-bato amin'izao fotoana ary mba ahafahana manao fampitaha amin'izay tena antony nilàna ny fanavaozana ireo tohatoha-bato tokoa. Tsy matihanina ny tena sady tsy sahy mizesta ho mpaka sary igagàn'ny olona sy mety hanaitra ny mpanendaka koa ialàna tsiny indrindra ny mety ho tsy fahafaham-po. Manoratra izany aho satria na izaho aza tena tsy afa-po mihitsy! Dia mirary soa e!
Hatreo ny sary tamin'ny tohatoha-baton'Antaninarenina natao fotsy sy maintsy satria efa ho taloha izany ny sary fa dia ho hitantsika indray ny mety ho endriny vaovao. Fa lasa ihany ny saina hoe nahazo aingam-panahy tamin'ny nandehanana tany Jerosalema ve ranamana ka maika ny hanavao ny tohatra. Nanonofy tam-patoriana tahaka an'i Isiraely ve ka nanapa-kevitra tampoka ny hanao tohatra hiakarana sy idinan'ny... olona? Sa te-haka tso-drano amin-dRanavalona Reniny hitondra maharitra ny firenena dia mba amboarina ny tohatra mitondra ny anarany? Mba misy sary miloko ihany fa eto angamba vao apetaka.
Hatreo ny sary nalaina teny amin'ny tohatoha-bato Antaninarenina fa hiakatra ny tohatoha-bato ampita avaratra kosa isika dia ny mankeny Ambondrona izany.
Ary dia aleo faranana amin'ny sary mainty sy fotsy ihany!
Jentilisa 14 janoary 2013
Somary mbola mamirifiry ny maraina sy ny hariva fa mafanafana ny atoandro. Toa mifanahatahaka amin'izany ihany koa ny toe-draharaha eto Madagasikara. Mafanavay ny zavamisy eto an-toerana, mampangovitra toa tsy ahita-mitsinjo ny vodiandro. Valalanina ny rehetra. Izay namboly izao krizy izao sy ny minia manao izay hitohizany ary ny mahalala ny tanjon'izao finiavana handripaka na handroaka ny olona any amin'ny faritra atsimo ihany sisa no mahafantatra ny tanjony sy ny antony hanaovany izao fomba mamohehatra izao.
Tsara ihany koa ny manamarika, raha ny fomba fijeriko, fa misy ny manararaotra ao anatin'izao krizy izao. Miverina indray ny 26 janoary 2009: tetika nentina nandravana ny hari-pananan-dRavalomanana Marc nanerana an'Antananarivo sy nanerana an'i Madagasikara ny ampitso (27 janoary 2009) no nanaovana ilay diabe mody nolazaina fa hanafaka ireo mpianatra telo nosamborina ka hotsaraina teny Anosy, kanjo hay hamotika ny RNM sy ny TVM vao nanana fitaovana raitra dia raitra sy ny MBS mbamin'ny Magro no tena tanjona. Izay no paika voalohany fa niitatra avy eo noho ny fanararaotana.
Raha todihana manko izay lasa nosoratako izay dia nisy ny tetika hamotika an-dRavalomanana Marc tamin'ny alalan'ny famotehana ny fananany. Niitatra tampoka tamin'ny fandravana ny Jumbo score Ankorondrano sy ny espace Zoom teo akaikiny izany. Tsy tao anatin'ny tetika nomanina fa avy amin'ny mpanararaotra. Lasa ihany koa ny fandrobàna ny Citic Center sy ny Supreme Center mbamin'ireo misy center teny ho eny... Avy amin'ny fanararaotana avokoa izany. Izay no niavian'ilay fomba fiteny hoe "mora ny manomboka ady fa tsy azo vinavinaina ny famaranana azy. Isaky ny vita ny fivoriana tao amin'ny kianjan'ny 13 mey dia miala any indray ilay fanararaotana handroba na hampihorohoro olona. Azo lazaina ho nifarana iny rehefa natao izay nanakanana ny fivoriana teo amin'ny 13 mey.
Tsy voatery ho Olobe no niavian'ilay fanararaotana fa avy amin'ireo hafa mihevitra ny tenany ho madinika sy mba te-haka ny "kely" anjarany. Efa hafahafa raha vao nahare fa an-jatony ireo dahalo nanafika fa tsy ampolony intsony. Efa raikitra ny adihevitra fa tsy asan-dahalo tsotra io fa misy ambadika, ary mety ho fiokoam-bahoaka, saingy mbola vinavina ihany izany. Tsy taitra na mody tsy taitra loatra ny fitondrana fa notohizana tamin'ny fanokanana Lapan'ny Fitsarana iray tany amin'iny faritra iny ny raharaha. Hatreto mifamafohafo ny raharaha ary tsy mbola fantatra ny tena tanjona kinendrin'ny "mpanakorontana".
Niteraka fanararaotana ilay fitarihana ny olona handroba tamin'ny 26 janoary 2009, dia niteraka fanararaotana ihany koa ny fanangonana ho dahalo an-jatony. Ny Malaso dia ireo andiana mpangalatr'omby ary tsy mangalatra afa-tsy omby fa tsy mikitika zavatra hafa ary tsy mamono olona ihany koa na dia mety hahatratra ampolony ihany aza ry zareo no miara-dia. Ny mpanararaotra kosa dia ireo mandroba izay rehetra hitany na omby na vola na entana hafa, mety manakan-dalana ihany koa mandroba ny mpandeha amin'ny fiara fitaterana, mety ho mandoro tanàna na dia ny mpitandro ny filaminana aza no tena malaza amin'ny fandoroana tanàna io. Manararaotra amin'ny alalan'ny fanaovana fanamiana ka tsy ahafantarana intsony izay mpitandro ny filaminana amin'ny mpandroba mba tsy ilazana fa ny mpitandro ny filaminana ihany no mandroba.
Dia eto isika izao, misy ny tetika na tanjona farany tian-kodiavina, fa mety ho tafiditra anatin'ny tetika ihany koa ilay fanararaotana. Manararaotra toy ny banga mihomehy alina ny mpangalatra sy ny vao mianatra mangalatra rehetra satria tsy voafehy intsony ny fitandroana ny filaminana. Tsy misy intsony ny rafitra mahasahy mijoro fa samy matim-bola daholo, tsy mahalala afa-tsy vola... nefa ny fomba tsara indrindra hahazoana vola sy hiaina am-pilaminana dia avy amin'ny fanaovana ny marina sy fiarovana ny marina sy ny rariny mandrakariva. Dia eto isika: saika tsy voafehy na niniana tsy nofehezina ny fandrobana saika isan'andro nandritra ny tolona laoranjy nefa dia Antananarivo ihany no tena nanjakan'izany eo amin'ny sehatry ny sarambambe. Ankehitriny kosa lasa ny faritra no ipoiran'izany tsy fifehezana ny fandriampahalemana izany. Ho sahirana kokoa izay miezaka ny hitandro ny filaminana satria midadasika avy folo na zato heny ny faritra mila fehezina nefa ny olona vonona hitandro ny faritra toa mihavitsy sy tsy marisika "hamono tena" amin"izany.
Tombontsoan'iza ny isian'ny korontana eto Madagasikara? iza no (olona ambony) mahazo vahana rehefa gaboraraka ny fandriampahalemana? Ny famahana ny valin'ireo fanontaniana ireo no ahafahana mahafantatra izay tena ao ambadik'ireo mpamboly ny korontana eto Madagasikara. Eritreritra ny ahy no ilazako fa ao amin'ireo mpifehy ambony ny fitandroana filaminana na fiarovana an'i Madagasikara no misy ny atidoha na ny mpiray tsikombakomba amin'ity raharaha mahamenatra mamotika tanteraka ny maha-firenena an'i Madagasikara ity. Lozako! Lozanao ry mpiray tanindrazana fa avelako sy avelanao ho potika ny firenentsika manoloana ireo tsy mataho-tody mandroba ny harena rehetra eto Madagasikara.
Jentilisa 14 septambra 2012
Sanganehana ihany miatrika ny zavamisy amin'izao fotoana izao. Tonga amin'ilay hoe tsy azo anoharana isika ankehitriny. Maro zavatra tokony hotantaraina saingy tsy hita izay holazaina. Amin'izao fotoana izao no tokony hanjaka tokana ny haino aman-jery satria tsy hisy olo-tsotra mpampita vaovao any amin'ny toerana tena itrangàn'ny voina. Hafa ny fitantarana izay nitranga fa hafa ihany koa ny fanehoan-kevitra amin'ny zava-misy; fomba fijery no tena fototry ny tantara. Dia ahoana? tsy manan-kambara mihitsy ve?
Anisan'ny nanaitra tamin'ity raharaha atrehina ity ny nahenoana voalohany fa an-jatony ny dahalo manafika, ny anarana Remenabila no tena malaza na aiza na aiza. Nisahotaka ny olona nefa ho aiza moa fa misintaka ny tanàna fotoana vitsivitsy dia miverina any amin'ny misy azy indray. Nalaza fa nisy ny hetsika nataon'ny mpitandro ny filaminana, saingy toa ny tanànan'olona betsaka no nodorana rehefa tsy nahitana mponina tao. Nilaza moa ny manamboninahitra nitarika ny hetsika sy nampandoro tanànan'olona fa mba tsy hiverenan'ny dahalo amin'io toerana io no nandoroana ny tanàna, izany hoe efa nosokajiana ho dahalo avy hatrany izany ny mponina tao. Tsy fantatra ny fihetseha-pon'ny olona na mety noho ny fandrahonana hoe handroba ny... tsy dahalo... na... dahalo karazany hafa sy matanjaka kokoa no ho avy ka naleony nilefa sy nanavotr'aina, fa ahiako hisy fifampiangana ny andaniny sy ny ankilany tao anatin'iny hetsiky ny tafika izay niala teo an-toerana noho ny "repli strategique" lasa fiteny malaza.
Variana ihany koa ny besinimaro eto an-drenivohitra rehefa mifanafika sy mifamely ny ao amin'ny tafika sy ny dahalo toa vitsivitsy ihany no voa, ain'olona tokoa ireny ary tsy azo lavina fa matetika dia tsy mihoatra ny folo no maty, nefa naninona no ny fokonolona no mifanafika amin'ny dahalo no saiky nahatratra zato no maty? Misy baraingo mipetraka eo ambony lohan'ny tsirairay nefa izay mponina sy efa niaina ihany ary mahalala ny fomba fisainan'ny olona any amin'ny misy ity toe-javatra mampalahelo ity no manana ny antony ka mba ambarako etoana. Tsy avy any atsimo aho ary tsy nipetraka any fa ireo avy any no nohenoina ka nitantara.
Voalohany, manamarika izy ireo fa mbola misy sy miasa izany odigasy izany. Tsy kitoatoa na habobo ny andrenesana fa toa mandalo fotsiny amin'ny dahalo ny bala maro atifitra azy ireo, hoy ny mpitantara. Raha misy ny fifanandrinana aza gaga raha sendra zavona tampoka ianao, natao iny tsy ahitanao iza misy ireo dahalo sy mitoky amin'ny odiny. Odibasy no ananan'izy ireo ka tsy mahagaga raha vitsy no matiny. Fa fahasahiana kosa no tena miasa rehefa atao "iray sy iray" amin'ny fitaovam-piadiana tsy mipoaka ny ady. Avy amin'ny fifanandrinana mivantana tsy misy basy no tena maro ny maty. Nahoana?
Fanaon'ny dahalo rehefa hanafika izy ny mampilaza mialoha, tsy resabe izany fa lasa fananon-dry zareo io ho fanindriana izay tafihina hiomanany raha mahavita miomana ry zareo. Eo no manapa-kevitra ny mponina na handositra na hiatrika ny fahavalo, raha handositra dia efa manaiky resy izay. Raha hiatrika ny fahavalo kosa dia tena ady toy ny tamin'ny ady lehibe faharoa no atrehina: rehefa tsy mahafaty izay mifanandrina amiko aho dia izaho no maty. Tetika iray iatrehan'ny mponina ny dahalo na mpanafika hafa ho avy dia izao: Ny lehilahy matanjaka sy mahery rehetra no voalohan-daharana amin'ny ady amin'ny fahavalo, tsy misy mahazo mihemotra na mandositra fa ny manenjika sy miaro tena ihany no azo atao. Ao aoriana kosa ny zaza amam-behivavy sy ny antitra ary mandrisika ihany koa ireo voalohan-daharana. Raha misy mandositra ireo lehilahy mahery dia ny ao aoriana, izany hoe ny zokiolona sy izay malemilemy indray no mamono azy, izany hoe ireo mpiray tanàna aminy ihany. Nahoana? koa izy mahery aza lasa mandositra mihemotra koa haharo tena ve ireo heverina ho malemy sy tsy afa-miaro tena ao afara? Noho izany samy miaro ny ainy avokoa ny rehetra. Koa raha ho faty ihany tsy aleo ve maty miady amin'ny fahavalo toy izay maty vonoin'ny mpiray tanàna noho ny tahotry ny ho faty? Lasa manana hery fiarovana ny ainy tsy ho faty eo amin'ny mpiaro ny tanàna ka vita hatramin'ny mahafaty olona maro. Amin'ny fahasahiana fampilazana mialoha dia tsy maintsy valiana fahasahiana mafimafy tsy matahotra ny ho faty intsony na inon-kidòna na inon-kihatra, ny fokonolona no manana izany toe-tsaina izany fa tsy ny miaramila sy ny zandary izay manao ny fiarovana ny tanindrazana ho KARAMA fa mba miaro ny ainy tsy ho "fatifaty foana" ihany koa. Resy lahatra aho fa marina io fitantarana nataon-dry zareo io.
Aiza ho aiza ny Fitsarana sy ny fanadihadiana? Ataoko fa tsy miteny intsony izany rehetra izany rehefa ny aina no arovana. Ny mahavariana amin'ity resaka ity dia ny finiavana hanakely hatrany ireo miaramila sy zandary alefa any an-tany fiadiana fa ny fiarovana ny lapan'Ambohitsorohitra indray no nakana mpiambina an-jatony. Tezitra avokoa ny olona ary misy aza moa ny miteny hoe na arivo aza no hiambina azy eo rehefa samy hanavotra ny ainy dia ny ainy ihany no avotany fa tsy hisy hiaro izay mpibaiko izany eo. Misy tetika eo matoa atao vitsy ny any an-tany fiadiana fa samy miandry hoe inona moa izany no tena tadiavin'ireo mpitarika ny fitandroana ny filaminana hanakelezana isa ireo irahina ireo? Sa sanatria avy amin'ireo mpibaiko ireo ny lohan'ny dahalo mandravarava etsy sy eroa ireo?
Jentilisa 8 septambra 2012